Top Banner
RAMAMBASON Andrilaza LESONA FANDALINANA SORATRA MASINA Hoan’ny Tanora
37

RAMAMBASON Andrilaza LESONA FANDALINANA SORATRA …tomima.o.t.f.unblog.fr/files/2013/01/boky-ny-fanoharana-tome-1.pdfIII. Nampianatra ny mpianany hivavaka Jesosy eto, Nampianatra ny

Oct 25, 2020

Download

Documents

dariahiddleston
Welcome message from author
This document is posted to help you gain knowledge. Please leave a comment to let me know what you think about it! Share it to your friends and learn new things together.
Transcript
Page 1: RAMAMBASON Andrilaza LESONA FANDALINANA SORATRA …tomima.o.t.f.unblog.fr/files/2013/01/boky-ny-fanoharana-tome-1.pdfIII. Nampianatra ny mpianany hivavaka Jesosy eto, Nampianatra ny

RAMAMBASON Andrilaza LESONA FANDALINANA SORATRA MASINA

Hoan’ny Tanora

Page 2: RAMAMBASON Andrilaza LESONA FANDALINANA SORATRA …tomima.o.t.f.unblog.fr/files/2013/01/boky-ny-fanoharana-tome-1.pdfIII. Nampianatra ny mpianany hivavaka Jesosy eto, Nampianatra ny

SAVA RANONANDO

IREO FANOHARANA NATAON I JESOSY KRISTY –Tome 1 Tena nahafinaritra tokoa ny nitrandraka sy nandrindra ity boky lesona mikasika ny fanoharana nataon’i Jesosy ity, Mampahatsiaro ny fianarana soratra Masina fony kely izy ity , fony tany amin’ny sehatra nisy ny tena taloha. Nahoana no ireo fanoharana no nosafidiana?

Satria raha te ahatakatra ny “fisainan’I Kristy” isika dia moramora kokoa ny manakatra azy amin’ny alalan’ny fandinihana ireo fanoharana nambarany. Tsy ny fanoharana rehetra anefa ity vita lesona ity fa ampahany ihany.

Soatoavina

Ankoatra ny fanarahana ny didin’Andriamanitra izay efa nataon’ny Jiosy hatrizay dia Ireto zavatra manaraka ireto no “soatoavina” izay noezahin’I Kristy nampitaina tamin’ireo fanoharana marobe nataony

1-Ny fitiavana ambonin’ny fombafomba fivavahana ivelany,2-Ny famindram-po sy famelan-keloka tokony hifanaovan’ny olona rehetra,3-Ny finoana marindrano sy tsy misy fangarony , 4-Ny faharetana sy fanantenana an’I Jehovah, 5-Ny famaizana sy sazy miandry ny ratsy fanahy kosa Tanora tahaka ny ahoana izany no vokatra avy amin’ity lesona ity?

Tanora feno fitiavana ny hafa,

Tanora mahay mamindra fo,

Tanora mahay manetry tena,

Tanora mino an’Andriamanitra Ray Tsy miova ny endrika isehoan’ny lesona:

Mbola fomba tanora sy teny fampiasa an-davan’andro ihany no ampiasaina , izany hoe mbola natokana hoan’ny tanora ihany ny endriky ny lesontsika

Ny teny mahafinaritra ahy manokana sady mampieritreritra ahy raha mikasika ity lohahevitra ity dia ilay tenin’I Jesosy Kristy hoe “Mandehana ka mianara izay hevitry ny teny hoe: fa famindram-po no sitrako fa tsy fanatitra alatsa-drà” Mat 9:13. Mangataka amin’ny Tompo aho mba samy ahalala ny hevitr’io teny io avokoa isika eo ampianarana ity lesona ity.

Hoan’Andriamanitra irery ny voninahitra.

Zoky Andry- Mpanabe

Boky manaraka: Ny fanoharana nataon’i Jesosy Kristy Tome 2

Page 3: RAMAMBASON Andrilaza LESONA FANDALINANA SORATRA …tomima.o.t.f.unblog.fr/files/2013/01/boky-ny-fanoharana-tome-1.pdfIII. Nampianatra ny mpianany hivavaka Jesosy eto, Nampianatra ny

Lesona 01

ILAY MPAMAFY - Mar 4:1-20 Lesona fampidirana mikasika ny atao hoe fanoharana sy ny fanjakan’ny lanitra

1. Ny fanoharana :

Raha mijery diksionera frantsay isika, ny antsoina hoe « fanoharana » na « parabole » dia « fampitahàna » entina maneho fampianarana, mba ahamora ny fahazahoana azy. Raha ny baiboly koa no jerena dia « kisary » maneho ny fahamarinana ny fanoharana, ary raha faritana akaiky kosa, ny antsoina hoe fanoharana dia « fanehoana sy fapiharana amin’ny fiainana an-davan’andro ny hevitr’Andriamanitra » no azo hamaritana azy.

2. Ny fanoharana ny amin’ny fanjakan’ny lanitra :

o Tahaka ny olona iray izay avy any amin’ny tany lavitra na firenena hafa dia niezaka Jesosy nanazava ny fomba fanao sy ny toe-tsaina avy any amin’ny tany lavitra nihaviany, tsy inona izany fa ny lanitra! Ny hoe fanoharana ny amin’ny fanjakan’ny lanitra izany dia fanazavana tsotsotra ny amin’ny “fomba sy fisainana ary ny fomba fiasan’ny any an-danitra”

o Amin’ny ankapobeany ny fanoharana mikasika ny fanjakan’ Andriamanitra dia manomboka foana amin’ny teny hoe : « ny fanjakan’Andriamanitra dia tahaka ny… ary dia miditra antsehatra avokoa ny zavatra hita an-davan’andro…azahoana an-tsaina ny marina sy ny tokony ho fihetsika ara-panahy.

o Tena mahay sy mahafehy ny « fanoharana » Jesosy, mora kokoa ny mahazo ny hevitry ny soratra rehefa Izy no « manohatra » azy.

3. Nivoaka ny mpamafy mba hamafy…:

o Nivoaka ny mpamafy ka namafy, raha ny tokony ho izy dia tokony teny an-tanimboly izy no namafy, izany akory tsy manakana ny tsy hisian’ny latsaka eny amin’ny karazan-tany maro samihafa .

4. Nisy ireo voafafy tamin’ny tany ratsy :

o Nisy ireo latsaka teny amoron-dalana, nisy ny Teny amin’ny tany marivo izany hoe misy vatolampy ao ambaniny ,ary nisy ny tampovoan’ny tsilo: Ireo latsaka teny amoron-dalana dia lanin’ny vorona, ireo teny amin’ny tany marivo ambony vatolampy dia nalaky nitrebona, saingy rehefa namely ny masoandro dia nalazo izy satria tsy nanam-paka, Ny latsaka ampovoan’ny tsilo kosa dia naniry ihany , saingy tsy afaka namoa satria voasaron’ny tsilo,

5. Nisy kosa voafafy tamin’ny tany tsara:

o Ny voafafy tamin’ny tany tsara kosa dia naniry soamantsara, afaka nitombo, ary namoa , ny sasany 30 heny, ny sasany 40 heny, ny sasany 100 heny.

o Tsotra ny fanoharana, raha hoan’ny olona mahay ny resaka fambolena, na koa “poety”, dia mora kely ny manakatra azy, saingy tsy azon’ny mpianatra ihany ilay izy na izany aza (V.10), ary nanotany an’I Jesoa Kristy ny dikan’ny fanoharana izireo:

6. Fa maninona Jesoa Kristy no mampiasa fanoharana:

Page 4: RAMAMBASON Andrilaza LESONA FANDALINANA SORATRA …tomima.o.t.f.unblog.fr/files/2013/01/boky-ny-fanoharana-tome-1.pdfIII. Nampianatra ny mpianany hivavaka Jesosy eto, Nampianatra ny

o Mila ny fanampian’ny Fanahy Masina vao mahatakatra ny momba ny fanjakan’ny lanitra, Tsy ho takatry ny olona tsy mbola niova fo sy niova ny saina mihintsy ny “fomba fiasa sy fihevitry ny any an-danitra” (I Kor 2:14) Nambaran’ny Jesoa ihany koa fa “ny mpianatra” ihany no natao ahalala, fa ny hafa kosa dia tsy ahatakatra mihintsy. Izay liana amin’ny fanoharana dia manadihady!: Mila asehontsika amin’ny Ray fa « liana » sy mifantoka amin’ny zava-miafin’ny any an-danitra isika, mba hofanehoana fa « zava-dehibe » amintsika ny ambaran’ny soratra Masina, Fa rehefa tsy mivaky loha isika dia tsy ahalala mihintsy…

Tsy te hampafantatra ny marina amin’ny olona rehetra ve Jehovah? :

o Tsia! te haneho ny marina sy hamonjy ny olona rehetra Jehovah, (Mat 28:19.20; Jan 3:16; I-Tim 2:4; II-Pet 3:9), Fa ny olona no tsy te handray, na tsy liana tsara ka mandray vilana ! Vokatr’io fandraisana vilana io dia manjary ireo mpaminany na ireo apostoly indray no tratry ny fankahalàna sy famonoana. (Hos 13:9; Mat 23:37; Asa 7:41).

o Izany hoe rehefa tsy mety miaiky na mandray ny fahamarinana ny olom-belona dia manjary tonga « mafy » ny fony, ary matetika aza dia Jehovah Ray mihintsy no mahatonga izao « fahamafisan-po » izay ! ,

7. Mba hijery ihany izy fa tsy ahita:

Isa 6:9-10. Maniry Jehovah mba « hahita sy handre » ary « ahatakatra , sy mino » ary « voavonjy » avokoa ny olona rehetra, saingy ambarany kosa fa « hotsaraina » kosa izay tsy mety mibebaka, Izany hoe ny teny izay ambara izany dia hitondra “famonjena” hoan’izay mandray , ary “hanameloka” izay tsy mandray kosa.

8. Ny mpamafy dia mamafy ny teny (Mat 13:19):

o Nambaran’I Jesosy ary fa “Izy” no mpamafy, ary ny “tenin’I Jehovah » Ray no voa afafiny, (na koa ny “filazan-tsara na ny vaovao mahafaly mikasika ny fanjakan’ny lanitra »).

o Ny “Vaovao mahafaly” dia filazana fa misy “famelan-keloka sy famonjena, hoan’izay mino ny anaran’I Jesoa ho Kristy”, ary misy ny fiainanana hafa ankoatr’izay eto ambonin’ity planeta tany ity, sy ankoatr’izao hita maso izao.

o Fony teto an-tany dia « namafy » mivantana Kristy, amin’izao fotoana izao kosa anefa dia efa tsy eto Izy ka ireo « iraka » (mpanabe, mpitandrina sns) marobe no mamafy, dia ireo Kristiana mitory sy mizara ny tenin’ Andriamanitra.

9. Fa tonga kosa Satana ka nanaisotra ny teny:

o Misy maro tokoa ireo olona izay mandre ny « tenin’i Jehovah Ray, saingy tsy misy akony eo aminy ireny teny ireny satria, « esorin’i Satana » ao am-pony izany. Satana dia manao izay tsy hihainoan’ny olona ny teny, « efa lany andro ny baiboly hoy izy, Tsy marina ny Baiboly, Olona te hangoron-karena ireo mitory teny ireo, Tsy ny fivavahana Kristiana ihany akory no marina, fa azo atao ny mivavaka amin’ny fomba fivavahana hafa sns sns.

Page 5: RAMAMBASON Andrilaza LESONA FANDALINANA SORATRA …tomima.o.t.f.unblog.fr/files/2013/01/boky-ny-fanoharana-tome-1.pdfIII. Nampianatra ny mpianany hivavaka Jesosy eto, Nampianatra ny

Izany hoe mandresy lahatra amin’ny fomba maro Satana mba tsy ahatonga ny olona hitahiry ny teny, na handinika izany akory, mba tsy hibebehany.

10. Malaky mifaly kanefa tsy manam-paka:

o Faharoa indray dia misy ireo mandray ny teny amin’ny hafanam-po! Tsy mandinika ela akory fa faly ery fa « tsara ny toriteny na ny fampianarana » ary manapa-kevitra amin’ny hafanam-po , mety miova fo ihany koa saingy tsy maharitra satria, tsy mamaka ao am-pony ny teny, malaky avilin’ny fampianarana hafa izy, na koa malaky miala amin’ny finoana raha vao sendra olana na « rivotra na adim-panahy » na « fahatafitohinana » isan-karazany, Tsy mety mitondra ny hazo fijalian’i Kristy izireny na tsy maharitra amin’izany.

o « Mino vetivety ihany » izireny hoy JK ao amin’ny Lio 8:13. Zavatra mpitranga izany ny mahita Olona izay resy lahatra sy mafana fo, kanefa aty aoriana dia mivarina indray, tokony ho mailo hatrany izany isika Kristiana ka manao izay “hamaharana mafy” mba tsy hiongotra na ka ahazaka ny vaikany rehefa tonga ny “masoandro mahamay”

11. Tany anaty tsilo:

Fa latsaka tao am-pon’ny olona mora hanirian-javatra ihany koa ny teny, samy maniry eo aminy avokoa na ny « vary » vokatry ny “voa=teny”, na ny tsilo isan-karazany. Ny tsilo anefa dia maniry vetivety sy mora miroborobo kokoa eo aminy ka manery sy manepotra ny “vary”. Ny tsilo dia ireo “adin-tsaina” isan’andro, ireo ahiahy sy tebiteby isan-karazany, ireo faniriana sy filàna maro toy ny vola, ny voninahitra, ny tsy fahampiana sns, ireny “olana sy filàna” marobe ireny no manakana ny teny tsy hamokatra ao ampon’ny olona, Izany rehetra izany dia maneho fa tsy ny “voa” akory no ratsy, na ny “mpamafy” akory no tsy mahay, fa ny “tany hiantefany” no tsy mety mandray sy tsy mahatsapa ny hatsaran’ny voa nafafy taminy.

12. Ny nafafy tamin’ny tany tsara:

Tsy ny voa no ratsy hoy isika teo aloha, satria rehefa tonga teo amin’ny tany tsara izy dia nitsiry sy namoa. Misy tokoa izany ireo olona izay mandray ny teny, mandinika azy amin’ny hafaliana sy hafanam-po, ary mamoa sy mitondra vokatra eo aminy izany “teny” izany. Mety ho telopolo hatramin’ny zato heny, arakaraky ny hatsaran’ny fon’ny olona anefa ny habetsaky ny vokatra , fa ny zava-dehibe eto dia ny famokarany.

13. Fanotaniana sy famerenana:

1) Inona no antsoina hoe fanoharana? 2) Inona no antony mahatonga an’i Kristy mampiasa fanoharana? 3) Iza no mpamafy, inona no voa, iza no tany? 4) Araka ny hevitrao, inona ireo antony mahatonga ny olona, tsy ho

liana amin’ny Soratra Masina (Baiboly) na koa mora manadino ny Soratra masina, na koa mihemotra amin’ny finoana?

Tapitra ny lesona 01 – Zoky Andry

Page 6: RAMAMBASON Andrilaza LESONA FANDALINANA SORATRA …tomima.o.t.f.unblog.fr/files/2013/01/boky-ny-fanoharana-tome-1.pdfIII. Nampianatra ny mpianany hivavaka Jesosy eto, Nampianatra ny

Lesona 02

ILAY MPANELINGELINA

Lio 11:5-10

NY FOTOANA HIVAVAHANA SY NY @ FITONDRANA AM-BAVAKA

I. Fampidirana :

Indray andro aho nisy mirahalahy niresaka tamiko hoe « niady hevitra izahay fa indray hariva alohan’ny hatory aho dia nahatsiaro te hivavaka sy hamaky Baiboly, ny akanjo nanaovako anefa dia “atin’akanjo” fotsiny, dia niteny ilay namako tao an-trano hoe “mandehana aloha misolo akanjo fa olona hamaky baiboly sy hivavaka amin’Andriamanitra ve dia hanao hiboridana ohatran’io? Ary dia niteraka adihevitra izany resaka izany …

Indraindray tokoa dia mihevitra isika fa misy fombafomba sy fotoana tsy maintsy arahina rehefa hiresaka na mivavaka amin’ny Ray, kanefa ity fanoharana eto ity dia mandiso izany tanteraka.

II. Vakio ny tantara: Lioka 11:1-13

Lehilahy anakiray no manana vahiny tsy ampoizina tonga ao an-tranony , ny andro anefa alina, tsy manana haroso ireo vahiny ireo izy ka dia nanapak’evitra hamoha sy hanelingelina ny namany anakiray izay efa matory satria efa misasaka ny alina.

III. Nampianatra ny mpianany hivavaka Jesosy eto,

Nampianatra ny mpianany hivavaka Jesosy teto, rehefa avy nanome ny tokony ho endrika sy vontoatin’ny vavaka Izy, dia nanao ity fanoharana ity:

Ny lesona lehibe fonosin’ny fanoharana dia ny hoe: Raha isika olombelona aza manaiky hoelingelenin’ny olona hangatahany zavatra, Tsy mihoatra noho izany va ny famalian’i Jehovah antsika zanany?

IV. Manelingelina amin’ny alina , sady …

1) Ilay namana hitarainana dia tandindon’ I Jehovah Andriamanitra

2) Misasak’ alina: Ora izay tsy tokony hanelingelenana ny hafa

Tsy misy hoe « misasak’alina » izany hoan’i Jehovah, Azo antsoina foana izy isak’izay ilaintsika, tsy misy fotoana tsy azo anelingelenana Azy mihintsy.

3) Olona tsy fantatr’ity namany akory no hanelingelenany azy; Isika kosa anefa afaka mivavaka hoan’ny hafa izay « fantatry ny Ray » satria Izy dia Andriamanitra. Nahazo izay nilainy ity mpanelingelina ity ary mihoatra noho izany koa ny hoazontsika raha mangataka isika, Raha tsy nandeha nanelingelina ny namany matory ity anefa sakaiza ity dia mety tsy nahazo sakafo ireo vahininy mila sakafo.

Page 7: RAMAMBASON Andrilaza LESONA FANDALINANA SORATRA …tomima.o.t.f.unblog.fr/files/2013/01/boky-ny-fanoharana-tome-1.pdfIII. Nampianatra ny mpianany hivavaka Jesosy eto, Nampianatra ny

Nahazo fahafaham-po ity mpanelingelina ity, tsy ny fikirizana amin’ny vavaka lavareny na tsy miato akory no tian’i Jesosy hampianarina eto fa ny tsy fifidianany fotoana hivavahana. Tsy tokony hisy fotoana hisalasalantsika hoe « hivavaka ve aho izao sa rehefa avy eo? » fa mety avokoa ny fotoana rehetra, ary mamaly antsika amin’ny fotoana rehetra ny Ray.

V. Mangataha ! dia homena…

Ireto no raiki-pohy sady fanomezan-toky hoantsika rehefa mivavaka isika : « Mangataha » ; « Mitadiava », « Dodomy » sady dingana arahina ihany koa :

1. Mangataha : Izany hoe manambitamby, tsy manery saingy amin’ny finoana sy fahatokisana fa ahazo

2. Mitadiava : Raha vao misy tsy fahampiana dia zo-ntsika ny mitady izay ilaina, sy mitady izay toerana na olona mety ahitantsika fahafaham-po

3. Dodomy : Ary farany rehefa fantatra ny tokony aleha dia « Dodomy »: Aza miandry ela na manao fombafomba fa kotabaiso ny Ray ; satria efa fantantsika fa ahazo fahafaham-po isika. Izany hoe « Mangataka isika satria fantatsika fa ahazo. Mitady isika satria fantatsika fa ahita isika, ary Mandondona isika satria fantatsika fa hovohana isika. Mahafinaritra ny Ray e ?

VI. Ilaina ny mivavaka hoan’ny hafa satria mpinamana avokoa ny kristiana:

o Ny manjo ny kristiana anakiray dia tokony ahakasika ny rehetra, Raha fitinina mantsy ny fanoharana teo dia toa izao : nisy namana anakiray tonga nanakotaba ny namana faharoa, ary ilay namana faharoa dia lasa nanakotaba ny namana fahatelo.

o Noho izany dia tokony “hivaky loha” ny amin’ny fahasahiranan’ny namany ny kristiana, ary mila « manelingelina » ny Ray mba hamonjena izany namany izany! Izany hoe Ilaina tokoa izany ny mivavaka hoan’ny hafa.

o Tsy hoe mampianatra antsika tsy hifidy fotoana hivavahana fotsiny ity fanoharana ity fa sady mampianatra antsika mba hitondra ambavaka ny hafa ihany koa

o Ny vavaka dia fifandraisan’ny « mpinamana » anakiroa, saingy raha mitondra ambavaka ny hafa isika dia lasa « fifandraisan’ny mpinamana anakitelo izy, ary toa izay hatrany…, Raha ho antsika ihany no hivavahantsika dia midika fitiavan-tena izany, raha mivavaka hoan’ny hafa isika dia lasa « mpanelanelana » tahaka ny nataon’i Jesosy ihany koa, Ny fanaovantsika izany dia fanehoana fitiavana ilay namantsika.

o Raha tsy mivavaka hoan’ny hafa isika dia tahaka ny manao tsinontsinona ny asan’i Jesosy Ilay « tena » mpanalalana.

VII. Mba manomeza sy mihainoa!

Page 8: RAMAMBASON Andrilaza LESONA FANDALINANA SORATRA …tomima.o.t.f.unblog.fr/files/2013/01/boky-ny-fanoharana-tome-1.pdfIII. Nampianatra ny mpianany hivavaka Jesosy eto, Nampianatra ny

o Matetika isika kristiana dia malaky miteny ery hoe « hoentiko ambavaka ianao, hoentina am-bavaka izaroa», Tsara tokoa ilay hoe miresaka amin’Andriamanitra, saingy isika mila « mihaino » ny fitarainan’ireny namantsika ireny isika, Tsara tokoa ilay hoe mandondona ny varavaran’ny Ray saingy isika kosa dia mila manokatra ny varavarantsika amin’izay mandondona mitady antsika ihany koa.

VIII. Aza manao toa ilay mpanakarena tsy mahafoy (2 Sam 12:1..)

o Rehefa misy ny mofo dia manana mofo izany isika, fa rehefa tsy manana dia tsy manana, Raha manana isika dia tokony hizara izany fa tsy mandeha manelingelina an’Andriamanitra indray! Fa aza manao toy ilay mpanakarena naka ny fananan’ilay mahantra satria tsy mahafoy ny azy,

o Ny kristiana tokoa matetika miteny hoe « Mivavàha, manàna finoana sy matokia fa hotahiana hianao », kanefa isika tsy sahy mizara ny eo an-tanatsika akory satria « tsy mino » isika. Matoa izy mitaraina amintsika dia « iva » izay ny finoany, koa raha « avo » kokoa ny finoantsika dia tokony isika no hamonjy azy aloha, ary isika no mangataka amin’ny Tompo ho antsika avy eo! Tsy izaho na isika isam-batan’olona ihany no mila mianatra izany fa na ny rafitry sy fiarahamonina kristiana ihany koa aza (Sarotra e? Eny, sarotra!)

IX. Sao dia fetsy ratsy? ka mivavaka hoan’ny hafa…

o Indraindray anefa dia Lasa « excuse » na “fialana bala” ho antsika ny fivavahana hoan’ny hafa. Ohatra hoe : Mivavaka hoan’ny noana isika mba tsy hanenjika antsika ny eritrerintsika rehefa mihinana sakafo be isika, Mivavaka hoan’ilay marary koa isika mba tsy handehanantsika mamangy any amin’ny hopitaly, mivavaka hoan’ireo mahantra isika mba tsy hihenan’ny harenantsika…

o Tsara ny mitondra ambavaka, saingy aoka tsy hanelingelenantsika an’ Andriamanitra ny zavatra azontsika atao, aoka tsy ho fomba entina hanilihana ny hafa ihany koa ny fitondràna am-bavaka azy.

X. Rehefa inona no ilaina ny mitondra am-bavaka?

o Rehefa tsy afaka manome izay ilain’ny hafa iska, satria tsy ampy hamonjentsika ny hafa ny karamantsika na ny fotoanantsika sns ; Hoan’ny marary ohatra dia afaka mampahery, mitsidika sns isika. Hoan’ny mahantra dia afaka mizara izay ambim-bava na izay eo ampelatanana isika, fampaherezana sy fanotronana hoan’ireo reraka am-po, fa tsy afaka ny hanasitrana ny marary rehetra isika, hamoky ny noana rehetra, hanavotra ny azom-pahoriana rehetra,

o Ny azontsika atao dia ny manao tahaka ilay lehilahy tao amin’ny fanoharana: Mitodika any amin’Ilay “Namana manana ny ampy”, manelingelina azy, mba ho anjarany indray no manao izay azo atao, Satria Jesosy mampianatra hoe: na dia manelingelina aza izany dia hamoha varavarana ny Tompo.

XI. Mivavaka hoan’ny fahavalo sy ireo olona mahasosotra ihany koa

Page 9: RAMAMBASON Andrilaza LESONA FANDALINANA SORATRA …tomima.o.t.f.unblog.fr/files/2013/01/boky-ny-fanoharana-tome-1.pdfIII. Nampianatra ny mpianany hivavaka Jesosy eto, Nampianatra ny

o Marina fa fivavahana hoan’ny namana no resahin’ny fanoharana eto saingy ilaina ihany koa ny mivavaka hoan’ny fahavalo, indrindra fa ireo olona mahasorena, satria maro izireny no mifanerasera amintsika, fa tahaka an’I Jesosy izay miaritra antsika @ toetrantsika “mahasosotra” isan-karazany dia tokony ahatanty sy hitondra am-bavaka ny olona mahasosotra antsika ihany koa isika.

XII. Fanotaniana sy famerenana:

a. Inona no lesona lehibe ampitain’i fanoharana mahakasika ny toetran’ny Ray?

b. Rehefa inona no ilaina ny mitondra am-bavaka? c. Iza no mila entina am-bavaka? d. Inona no antony mety manakana antsika tsy hivavaka hoan’ny hafa?

Tapitra ny llesona 02 – Zoky Andry

Page 10: RAMAMBASON Andrilaza LESONA FANDALINANA SORATRA …tomima.o.t.f.unblog.fr/files/2013/01/boky-ny-fanoharana-tome-1.pdfIII. Nampianatra ny mpianany hivavaka Jesosy eto, Nampianatra ny

Lesona faha 03

Ilay zanaka adala (anakiroa..) Lio 15:11-32

I. Fampidirana

Efa niresaka ity tantara ity isika tao amin’ny boky « Ny kristiana sy ny fifandraisana aman’olona » ary niresaka momba ny fifandraisan’ny zanaka sy ny raiamandreny ao antokantrano isika tamin’izay, eto kosa , haneho ny misitery mikasika ny fitiavan’Andriamanitra sy ny famindrampony isika, Satria tsy misy hadalan-janaka mihoatra ny nataon’ity voalazan’ity tantara ity, ary tsy misy fitiavan-janaka mihoatra ity tantara ity ihany koa.

II. Nisy lehilahy anakiray nanana zanaka mirahalahy...:

Mpirahalahy no zanak’ity ray ity, Raha ny fomba jiosy dia ny zokiny no handova ny 2/3 n’ ny lova izany hoe, ho avo roa heny amin’ny zandriny no anjaran’ny zokiny (Deo 21:17). Ny zandriny kosa dia handova atsasaky ny an’ny zokiny.

Handova ny tanana ilay zokiny, And 30 fa ilay zandriny kosa dia nangataka ny anjarany ary nandeha, tsy mahafinaritra azy intsony ny ao an-trano, te ho afaka izy fa mahatsiaro teritery, te hanao izay tiany rehetra izy.. tena mety amintsika tanora mihintsy ity fanoharana ity..

Nanaiky hizara ny lova ilay raim-pianakaviana , nandova velona ireo zanany, Zavatra tsy azo eken’ny saina izany hoe ny raiamandreny mbola tsy maty akory dia efa mitady lova sahady ireo zanaka…Saingy te haneho amintsika ny fitiavan’ny Ray Jesosy, Izy izay mamela antsika hanan-tsafidy ary mizara ho antsika na dia izay tsy nisasarantsika aza.

Rehefa azon’ilay zandriny ny anjarany dia lasa izy nanao izay tiany (ary « filan-dratsy » no tiany hoy ny And 13 sy 30), saingy aorian’ny fiakarana dia tsy maintsy misy fidinana, Lany ritra ny fananany, tsy manan-kohanina intsony izy ary very fanantenana tanteraka, vahiny any an-tanin’olona izy ary nitady asa ho mpiandry kisoa (Tena asa faran’ny ambany izany hoan’ny Jiosy satria ny kisoa dia biby maloto…) ,

Vokatry ny fahotany dia lasa nihosona tamin’ny kisoa izy, ny kisoa afaka misakafo sy voky tsara, izy anefa tsy afaka ny hihinana akory…

Raha vao lavitra ny Tompo isika dia ho noana, sy ahatsiaro very , na mahatsiaro toa « afaka na libre » aza eo amboalohany , saingy fitaka ihany izay endrika fahafahana izany.

III. Nody hoazy ranamana...:

Vokatry ny fahoriana nanjo azy, dia tonga saina ilay zaza, Teo izy vao nandinika fa diso hevitra izy, fa hay tsy nijaly akory izy teo anatrehan’ny rainy ary tsy hoe voafehy tsy akory. Niverina izy, ary nifona tamin’ny rainy, ary tena nifona sy nanambara ny « fahadisoany » izy, fa tsy hoe mody nifona akory,

IV. Raiko ô efa nanota tamin’ny lanitra sy teo anatrehanao aho:

Page 11: RAMAMBASON Andrilaza LESONA FANDALINANA SORATRA …tomima.o.t.f.unblog.fr/files/2013/01/boky-ny-fanoharana-tome-1.pdfIII. Nampianatra ny mpianany hivavaka Jesosy eto, Nampianatra ny

Izany tokoa, ny fahadisoana ataontsika rehetra dia ataontsika amin’Andriamanitra avokoa, izany hoe ny ratsy ataontsika amin’ny hafa dia « ataon-tsika amin’ny lanitra » ihany koa. Niantso ny rainy hoe « raiko » ilay zanaka satria rainy mandrakariva iny, na maditra aza ny zanany.

Fa ny tena zava-dehibe dia ny mahita ireo dingana telo nataony: ilay faharesen-dahatra tao anatiny dia nampiova ny fony, ary nasehony tamin’ny fihetsika izany no lalana telo izany no tsy maintsy hizoran’izay mibebaka.

V. Raha mbola lavitra izy dia tazan’ny rainy:

Izany no fahasoavan’Atra, na dia manalavitra azy aza isika olombelona dia “tsinjoviny sy arahiny maso” eny ihany, Rehefa nahita ny zanany nody taminahim-pony ilay ray dia “honena” azy izy, tsy niandry akory ilay zanany handoalika sy hivalo eo anatrehany izy fa niazakazaka nitsena azy, sady nanorokoroka azy (izay zaza maloto sy masison’ny hadalàna) Mbola tsy nifona akory ity zaza ity dia efa namela azy sahady ny rainy, (Izany hoe raha mbola tsy manonona vavaka akory isika dia efa mamela antsika Jehovah nohon’ny fanantonantsika azy (nohon’ny finoantsika). Izany akory tsy midika hoe tsy ilaina ny ràn’I kristy rehefa mitady famelan-keloka, sao dia misy miteny indray fa tsy ilaina JK fa finoana an’I Jehovah dia ampy, fa midika kosa izany fa ny finoantsika no hitany voalohany raha vao manantona an’Atra Ray isika.

And 21:Tsy be fanadihadiana na eson-teny ny Ray, Mamela heloka Izy, avy eo mihaino ny fifonantsika , tahaka ilay ray izay nanoroka ny zanany raha mbola tsy niteny akory aza izy, isan’ny zavatra mahafinaritra ny mahatsapa izany amin’ity tantara ity.

VI. Ampiakanjoy akanjo tsara indrindra izy...:

Lasa fifaliam-be ny tao an-tanana, nomena akanjo madio sy tsara ilay zanaka (milaza ny famelan-keloka izany Isaia 61:10; Zak 3:3-5 , milaza an’I Kristy koa izany, Ny peratra (Alliance) manambara ny fitahiana sy “fifanarahana vaovao” (Hos 2:19.20), Ny kapa midika fa tsy andevo izy (satria tsy manao kapa ny andevo) ,

Rehefa mamindra fo Andriamanitra dia manadio Izy, manamarina, manatsara, ary manangana ho zanaka, ary farany dia novonoina ny zanak’omby nafahy. Rehefa avy nahita ny tsy fisiana sy ny mangidy ity zanaka ity dia tojo ny fahafenoana sy ny matavy kosa rehefa niverina tamin’ny Ray, Inona no anton’izany? Satria efa kivy ity Rainy ity fa maty na very ilay zanany no indro tonga eo aminy indray.

VII. Fa tezitra kosa ilay zokiny sady tsy nety niditra:

Ity razoky ity kosa angamba dia tena “ondry very” fa tsy “zanaka adala”, Izy no tena maty antoka indrindra eto amin’ity tantara ity, nihevitra ny tenany fa marina sy mahitsy izy, ary dia tsy nankasitraka ny hamindrana fo amin’izay manao ratsy na manao ny tsy mety. Tena toetran’ny mpitondra fivavahana tamin’izany fotoana izany ity toetrany ity, ary toetrarantsintsika zoky ara-panahy ihany koa.

Page 12: RAMAMBASON Andrilaza LESONA FANDALINANA SORATRA …tomima.o.t.f.unblog.fr/files/2013/01/boky-ny-fanoharana-tome-1.pdfIII. Nampianatra ny mpianany hivavaka Jesosy eto, Nampianatra ny

VIII. Efa firy taona kosa no nanompoko teto ?:

Ela ny ela ka afaka namoaka ny tao am-pony ilay zokiny, Hay feno alahelo sy fimonomononana no tao anatiny tao fa mody nangina izy hatrizay, Nivoaka daholo ny alahelon’ilay zoky, ny tsy fahalalàny, ny haratsian-toetrany, Tsy ilay zandry olona ihany no “diso hevitra sy marary saina”, fa ity zokiny ity koa dia “mila fitsaboana” mihitsy. Nambarany teo daholo ny “toetrany tsara, ny asa vitany, ny faretany hatramin’izay sy ny fankatoavany ny didin’ny “Ray” hatramin’izay , Saingy tsy nahay nankatoa ilay didy lehibe indrindra izy dia ny “Fitiavana”, tsy fantany sady tsy azony mihintsy izany fitiavana izany! Indrindra moa fa ny hoe “famindram-po”.

Fa ity no mampalahelo, Tsy nampoizin’ity zokiny mihintsy ny toetran’ny « rainy », gaga izy amin’ny famindram-po sy fitiavana ananany. Tsy tena fantany akory ity rainy izay ankatoaviny ity, hay izy “nanisa” anakam-po ireo “asa” vitany sy ireo “fankatoavana fitsipika sy lalàna” nataony. Nitondra tena tahaka ny mpiasa nanatena “zavatra”izy fa tsy mba hoe vokatry ny fitiavana no nanaovany ny sitrapon’ny rainy.

Matetika isika zokiny na mpitarika na tranainy amin’ny finoana na amin’ny fikambanana na amin’ny fiangonana kristiana, no teren’ny fiaraha-monina misy antsika ka dia manao izay “mety” eo imason’olona tokoa ka manantena haja sy voninahitra ary fisaorana , saingy hay ao anatintsika ao “te hanao adalàna ihany”. Ary dia mialona ireo “kely maditra” tonga manantona ny Tompo isika ka tezitra sy sosotra amin’izireny.

IX. Anaka, ianao eto amiko mandrakariva!:

Na hitan’ny rainy fa ratsy toetra aza ity zokiny ity dia naneho fitiavana azy ihany ny rainy, ka niantso azy hoe « anaka », ary nambarany fa samy tiany izy mirahalahy ary tokony hiara-paly aminy ilay zokiny, tsy mety anefa ity farany ; Tokony ho tezitra ilay rainy nahita izany saingy tsy nanao izany izy..

Samy niandry izay havalin’ilay zokiny ny mpanatrika teo, na ireo fariseo na ireo mpanora-dalàna , saingy najanon’i JK teo ilay fanoharana ka tsy notohizany intsony…

Anjarantsika no mandini-tena raha hanao tahaka ilay zokiny isika na tsia !

X. Ary ilay zanaka fahatelo ?:

Tsy fantatro, fa ohatry ny tsy ampy zanaka fahatelo izany ity tantara ity rehefa jerena , « Toetra » roa na zanaka anakiroa no hita eto :

Ilay zandriny: ilay nanao ny tsy nety, kanefa niverina sy tonga manantona an’Andriamanitra

Ilay zokiny: ilay niezaka nanao ny mety teo anatrehan’Andriamanitra kanefa tsy mety mamindra fo amin’izay tsy miezaka ho tahaka azy, na mialona ireo mahazo famindram-po.

Fa nakaiza ilay fahatelo? sa dia tsy mba manan-janaka mba « hendry » ity ray ity? Ilay tokony ho tsy misy kianina? Mety tsy misy manana toetra tsara mihintsy isika zanak’ Andriamanitra matoa roa ihany

Page 13: RAMAMBASON Andrilaza LESONA FANDALINANA SORATRA …tomima.o.t.f.unblog.fr/files/2013/01/boky-ny-fanoharana-tome-1.pdfIII. Nampianatra ny mpianany hivavaka Jesosy eto, Nampianatra ny

no ao anaty tantara, fa na isika zanaka adala, na isika zoky tsy mamindra fo, Ary mety ho vitsiana dia vitsiana no mba zanaka « tsy misy toetra ratsy » eto anivon’ny ankohonan’Andriamanitra.

XI. FANAMPINY

Mpikambana amin’ny fikambanana skoto aho, ary mbola miaina izany skotisma izany ankehitriny, ny mahagaga ny olona rehefa mahita skoto mandeha an-tongotra lavitra sy milasy dia hoe « maninona ireto tanora ireto no mampijaly tena toa izao ? » Fa ho ahy manokana dia tiako sy ilaiko ny milasy any anaty ala, iharan’ny hain’andro sy ny vovoka ary ny hatsiaka sy ny sakafo ambany foitra ; lavitry ny fiadanana isan-karazany. Isan-taona , isan-taona dia mandeha milasy aho, anisan’ny antony anakiray hilasiako ny « filàko fihafiana» . Rehefa any any anaty « trano rantsa-kazo » any mantsy (Lev 23:42-43) sy eny an-tapontanety sy any anaty kirihitr’ala any , rehefa tojo ny fihafiana , ny hafanana, ny orana, ny hatsiaka sns dia miverina ho azy ao antsaina fa hay :

Tsara ilay trano hitoerako (na mbola misy tsara noho iny aza)

Sambatra aho manana fahasalamana feno

Sambatra aho manana asa sy karama azoko hivelomana (na heveriko fa tsy ampy aza)

Sambatra aho manana namana hotiavina (na betsaka aza no mahasosotra) sy fianakaviana hovelomina (na maro aza no manirikiry) sns.

Fantatro fa afaka manome mihoatra noho izao omeny ahy izao ny Ray, saingy « izao » aloha no omeny dia ankasitrahako izany…Ilay zanaka adala mantsy “tsy afa-po” tamin’izay nomen’ny rainy azy, sady nihevitra ny tenany fa “voageja” ka izay no “fahadalàny”, raha tsy nisedra ilay fihafiana sy fahoriana izy tsy tonga saina.

XII. FANOTANIANA:

1.) Raha ny tantara. iza aminao no tena mpandray anjara mahaliana indrindra amin’izy telo mianaka ireto ? 2.) Nahoana ny fanoharan’i Jesosy no : ray tsy manan-janaka hafa tsy roa, ary zanaka roa samy hafahafa toetra? 3.) Inona no trangan-javatra mahafinaritra anao indrindra amin’io tantara io ?. 4.) Inona no lesona hoan’ny fiangonana ao amin’io tantara io ?

Tapitra ny lesona faha 03 – Zoky Andry

Page 14: RAMAMBASON Andrilaza LESONA FANDALINANA SORATRA …tomima.o.t.f.unblog.fr/files/2013/01/boky-ny-fanoharana-tome-1.pdfIII. Nampianatra ny mpianany hivavaka Jesosy eto, Nampianatra ny

Lesona faha 04

ILAY ADALA MPANAKARENA: LIO 12:13-21

1. Fampidirana:

Avy nitoriteny sy nampianatra i Jesosy eto, vao vita ny toriteniny dia indro lehilahy anakiray no miady saina, tsy nohon’ny fampianarana azony teo tsy akory, fa nohon’ny tombotsoany ara-nofo…, tsy nisalasala izy nanantona an’I Jesosy , ary nangataka Azy mba handidy ny rahalahiny hizara lova aminy .

2. Iza no nanendry ahy ho mpitsara na mpizara ao aminareo?

Torak’izany tokoa no fanaon’ny mpitsara fahiny teo amin’ny zanak’Israely, saingy Tsy nanome fahafaham-po an’ity lehilahy Jesosy, nolazainy fa tsy tonga hitsara izay fiadiana tombotsoa ara-nofo izy, manana « iraka » lehibe lavitra noho izany izy , mba ho fananarana sy fampaherezana ity lehilahy ity anefa dia nanao fanoharana iray Izy….

3. Ratsy sy mahavery ve ny manan-karena?

Tsy misy anarany moa ity lehilahy ity, fa voalaza fotsiny hoe « mpanakarena » izy, tsy modely natao harahina izy, satria mpanakarena adala…

Tsy hoe « tsy azo atao » na « fady » akory ny « manan-karena eto amin’ity tany ity » sady tsy milaza Jesosy hoe ratsy toetra na mpanambaka olona na mpanao varotra maloto ilay mpanakarena voalaza eto, fa olona niasa ny taniny izy, ary niasa mafy tokoa satria nahavokatra betsaka ny taniny, saingy nijanona tampoka ny fony ary dia maty tampoka ralehilahy.

Samy mety hanana ny fahalemeny ny olom-belona , fa ity lehilahy anakiray ity dia tsy misy hafa tsy ny hanan-karena sy ny harenany no mibahana ao antsainy, sady tia tena sy tsy mieritreritra hafa tsy ny tenany izy jereo anie ny and 7 hatramin’ny and12 e!, in 12 no miverina ny « ko » sy ny « aho »

4. Ary izy nihevitra tao am-pony hoe : inona no ataoko?

Miteraka olana ho azy ny hareny, Maro tokoa ny mpanakarena no mijaly saina sy mitaintaina nohon’ny habetsaky ny harenany, Ary mandany volabe amin’ny fanakaramana “mpiambina” sy fanaraha-maso “système de securité”. Betsaka anefa ny vahaolana azo atao mba hanamaivanana izany, toy ny fizaràna hoan’ny tsy manana, na izaràna izany amin’ny fianakaviana, sns saingy tsy te hizara mihintsy izy…

Olona tena “miketrika” ity mpanakarena ity, tsy mpanambaka olona fa olona tia “fivoarana” sy tia mandinika lalina isaky ny hanao zavatra, ary tsy mahagaga raha lasa nanan-karena izy. Nanapa-kevitra ary izy ny handrava ny fitoeram-bokatra teo aloha ary ny hanolo izany amin’ny fitoeram-bokatra lehibe kokoa noho ilay teo, Tena sady fitsitsiana ny toerana izany no hevitra mety tokoa. Tena mety be ilay hevitra hitany! Saingy mety « loatra » !

Page 15: RAMAMBASON Andrilaza LESONA FANDALINANA SORATRA …tomima.o.t.f.unblog.fr/files/2013/01/boky-ny-fanoharana-tome-1.pdfIII. Nampianatra ny mpianany hivavaka Jesosy eto, Nampianatra ny

Mety “loatra” ilay fandaminana (izany hoe misy tsininy) satria tsy nataony tao anaty kajy mihintsy « Andriamanitra » ary izay no fahadisoana goavana hanimba azy….

5. Dia hiteny amin’ny fanahiko aho !

Tao am-pony dia niteny tamin’ny fanahiny izy hoe « mandry sy milamina ny amin’io taona maro ho avy eo!, « assuré ny avenir” aoka hilamina amin’izay ianao !

Saingy « taona maro » ahoana moa? Tsy miankina amin’ny fananana sy ny tahiry mihintsy ny « aina sy ny fanahy » And 15. Tsy fantany mihintsy izany zavatra izany. Izay no hilazan’ny Baiboly ity mpanakarena ity hoe « adala » na « bado » ,

Tsy hoe tsy mahalala an’Andriamanitra akory ity mpanakarena ity, fa « hadinony » ny nametraka an’Andriamanitra amin’ny toerany sahaza azy eo amin’ny fiainany, ary diso hatrany amboalohany ny kajy rehetra nataony. tsia !Tsy milaza akory ny soratra masina fa tsy ilaina ny manao planina ny fiainana , ilaina tokoa izany, saingy aza hadino ny miankina amin’ny « sitrapon’Andriamanitra »

6. Ry adala!

Betsaka ny olona adala tahaka ity mpanakarena ity, eny na dia amin’ireo mahantra ihany koa aza dia maro no adala, Nandany ny androny tamin’ny fitadiavana harena izy, ary nahomby tokoa, kanefa amin’ny fotoana izay « hanombohany hakàny tsirony » indrindra no nalaina taminy ny fanahiny.

Angamba nitsinjaka sy nandihy mihintsy ireo handova ity lehilahy ity ! ary mety hiteraka ady eo amin’ireo taranany aza ny ady lova… Izany hoe mety tsy hisy vokany tsara eo amin’ny ankohonany akory ny « fisasarany ».

Tsy manameloka ny fitsitsiana sy ny fanangonana akory Jesosy, fa ny « fanangonan-karena sy ny fitiavan-karena” izay manakana antsika tsy hanan-karena an’Andriamanitra na hanankarena ara-panahy no melohiny.

Afaka ny hanan-karena ara-nofo sady hanan-karena ara-panahy tokoa isika kristiana, (jereo ry Abrahama, Joba, Davida, Solomona …) Fa rehefa manan-karena ao amin’ny Tompo isika dia tsy tokony hametraka ny hoavintsika amin’ny harenantsika. Fa raha tsy izany dia ho moramora hoan’ny rameva tokoa ny miditra amin’ny vodim-panjaitra** toy izay hoan’ny mpanakarena hiditra ny fanjakan’ny lanitra.

(**Ny antsoina hoe vody fanjaitra dia ny gorobaka kely eo amin’ny manda izay fidiran’ny olona rehefa mikatona ny vavahadiben’ny tanàna.

7. Nijanona ny fony, izy anefa olona tsy farofy

Tsy olona marary na farofy akory ity mpanakarena ity, sady olona tia miasa izy izany hoe olona matanjaka tsara izy, saingy nijanona tampoka ny fony, izany hoe maty tampoka izy. Ny mpanakarena tokoa raha vao “tsy manana fahasoavana ara-panahy” dia tsy hanana fiadanam-po mihintsy, ary tsy

Page 16: RAMAMBASON Andrilaza LESONA FANDALINANA SORATRA …tomima.o.t.f.unblog.fr/files/2013/01/boky-ny-fanoharana-tome-1.pdfIII. Nampianatra ny mpianany hivavaka Jesosy eto, Nampianatra ny

mahagaga raha saiky manana olana eo amin’ny tosi-drà sy fo avokoa isika “manana ny ampy ara-nofo”, satria ilay fiadanam-po no tsy ampy eo amin’ny fiainantsika.

8. Nahoana i Jesosy no tsy mety nandamina ny adin’izy mirahalahy?

Misy lesona anakiray tsy mahazatra ny fiangonana asehon’ity fanoharana ity, Tsy nanaiky handamina ny adin’izy mirahalahy I Jesosy…

Voalohany indrindra aloha dia samy tia harena izy mirahalahy, ary tsy mety hanome rariny na iza na iza ny amin’izany fitiavan-karena izany Jesosy,

Faharoa: Indraindray ny fiangonana dia mihevitra ny tenany ho « mpisolo vava ny mahantra » ary dia hita sy tsapa izany amin’ny firenena maro, indraindray ny fiangonana kristiana dia tafalatsaka amin’izay sehatra « politika » izay, ka tafiala amin’ny andraikitra nametrahan’ny Tompo azy, tsy inona izany fa ny hitory ny “vaovao mahafaly” (Jereo ny lesontsika mikasika ny politika sy ny fiangonana, Boky: « ny kristiana sy ny fifandraisana aman’olona Tome II”). Tsy mpisolo vava ny mahantra eo anatrehan’ny mpanakarena akory ny fiangonana, fa kosa mpisolo vava an’Andriamanitra eo anatrehan’ny olombelona rehetra. Tsy natao hitsara ny adin’ny mpanakarena sy ny mahantra ny fiangonana kristiana, fa natao hanabe ny mahantra rehetra sy ny mpanakarena rehetra izy mba hazahoany ny fiainana mandrakizay. (Marihiko fa “fiangonana kristiana” no lazaina eto fa tsy ny “isam-batan’olona” tsy akory)

9. Fanotaniana sy famerenana:

1. Nahoana Jesosy no tsy nety nitsara ny adin’izy mirahalahy ireto? 2. Inona no fahadisoana nataon’ity mpanakarena nahavokatra ity? 3. Inona no lesona azonao tsoahina amin’ny And 15 sy ny And 21?

Tapitra ny lesona faha 04 – Zoky Andry

Page 17: RAMAMBASON Andrilaza LESONA FANDALINANA SORATRA …tomima.o.t.f.unblog.fr/files/2013/01/boky-ny-fanoharana-tome-1.pdfIII. Nampianatra ny mpianany hivavaka Jesosy eto, Nampianatra ny

Lesona faha 05 ILAY MPITANDRINA TSY MARINA

Lio 16:1-9

I. Fampidirana :

Anisan’ny fanoharana sarotra raisina ity resahintsika eto ity , koa aoka handinika tsara isika eo ampianarana azy. Mpandray anjara anakiroa no ao anatin’ity tantara ity, Mpanakarena anakiray sy ilay mpitantana ny fananany.

Tontolon’ny varotra isian’ny “tolotra sy ny tinady” no resahina eto, satria misahana raharaham-barotra ilay mpitantana ny fananany. Raha ny fisehon’ny tantara dia “olona fetsifetsy na mpangalatra” ity mpitantana ity, Saingy tonga tany ampoto-tsofin’ilay “patron” ihany ny halatra ataony ela ny ela. Marihina tsara fa « mpiasa » ity mpitantana ity fa tsy « andevo » tsy akory. Noho izany dia “Voaroaka” ranamana…

II. Tratry ny ampamoaka ilay mpitandrina (Gérant na Gestionnaire)

Mazava fa nitombona ny fiapangana ity mpitandrina ity, voaroaka tamin’ny asany izy, ary mialoha ny fotoana hijanonany amin’ny asa dia nasaina namoaka ny toe-bola sy toe-barotra izy (Bilan na états financiers hoy ny fiteny). Tsy hoe nasaina nanamarina ny kaoty akory ity mpitandrina ity fa nasaina namarana izany fotsiny ahafantaran’ny mpampiasa ny toetoetry ny fananany sisa.

Mbola manana fotoana kely ilay mpitandrim-panana, Tsy azo ovana intsony anefa ny bokim-bola (satria efa voasoratra izany) ary tsy azo takosenana akory, Raha ny toe-batany sy ny toe-tsainy dia tsy ho afaka hiasa tany izy, mety kely aina satria zatra nibaiko izy, ary mety menatra ihany koa ny hanetry tena satria efa zatra nitantana vola be

III. "Fantatro izay hataoko...":

Tena « fetsy » tokoa ity mpitandrina ity, ary hita mihintsy hoe kinga saina izy ! Mpanjifa anakiroa indray no miditra anaty fanoharana eto, Na dia efa tratran’ny « patron » tamin’ny fangalarana nataony aza ilay mpitandrina dia notohizany ihany izany halatra izany (sady efa ho voaroaka ihany moa!) Nahenany ny trosan’ireo mpanjifa ireo, ary lasa nanana « Trosa » aminy izireo ho tambin’izany.

IV. Zato famarana...:

Ny zato famarana dia mitovitovy amin’ny 3 800 litatra, nahenany ho dimam-polo famarana anefa izany trosa izany, izany hoe manana trosa na menaka «1 900 litatra » aminy ilay mpividy menaka, Torak’izany koa no nataony tamin’ilay mpividy vary ; Zato famarana no nahenany ho valopolo, ary dia nananany 20 famarana ilay mpividy vary, nijanona hatreo ny fanoharana,

Mino anefa ny mpandinika fa mety nataon’ity mpitandrina ity toa izany avokoa ireo mpanjifa lehibe rehetra. Azontsika antsaina ny hafalian’ireo

Page 18: RAMAMBASON Andrilaza LESONA FANDALINANA SORATRA …tomima.o.t.f.unblog.fr/files/2013/01/boky-ny-fanoharana-tome-1.pdfIII. Nampianatra ny mpianany hivavaka Jesosy eto, Nampianatra ny

mpanjifa marobe. Mety ho nafoin’ity mpitandrina ity hoan’ireo mpanjifa ireo tokoa ireo 50 famarana sy 20 famarana ireo, izany akory tsy ahafoana ny « dette morale » na ny trosan’ireto mpanjifa ireto, ary na rahoviana na rahoviana ity mpitandrina ity no mila vonjy dia tsy maintsy hamonjy azy hatrany ireto mpanjifa nampiany ireto.

Taty aoriana dia tsy maintsy ho fantatr’ilay « tompony » ny nataon’ilay mpitandrina , ary dia niaiky sy nidera ny « hafetseny » tokoa ilay “patron” !

V. Fa ny zanak’izao tontolo izao dia manan-tsaina kokoa…

Nomarihin’I Jesosy mihintsy fa “fetsy sy misaina kokoa” ny zanak’izao tontolo izao raha oharina amintsika zanak’Andriamanitra na zanaky ny mazava, Mahay mitady tombotsoa ara-nofo sy miaro izany izireny, ary tsy mihaino izy na manenjika azy aza ny eritreriny, fa « vola io» hoy ny fiteny.

Ny hoe “izao tontolo izao” raha amin’ny dikan-teny dia midika hoe “zanak’izao vanin’andro izao” na zanaky ny maizina, ny kristiana kosa dia antsoina hoe zanaky ny mazava satria efa nandray ny mazava izy, (Jao 1:4.5; 3:19).

Raha eto amin’ity tontolo ity dia havànana kokoa ny zanak’izao tontolo izao raha hitady vola sy tombotsoa (mi –bizna hoy isika), ny zanaky ny mazava kosa dia “vendrana kely” na sahirana kokoa..

VI. « Aoka ny mamona tsy marina ho entinareo mahazo sakaiza »:

Ity tenin’I Jesosy Kristy ity no tena sarondra indrindra ny mandray azy, ka maro ireo mpandinika baiboly no tsy sahy miresaka ity fanoharana ity.

Tsy fanoharana mikasika ny fanjakan’Andriamanitra akory ity, raha izay mantsy dia tahaky ny hoe « mankasitraka » ny fetsifetsy ny Ray, Izy koa tsy niteny hoe « mandehana mba manaova toa izany koa , tahaka ny teny fanaony isaky ny manao fanoharana. Tian’I Jesosy aseho amintsika mpandinika, fa tena fetsy ratsy sy masiaka ary sarotiny tokoa ny zanak’izao tontolo izao raha resaka tombotsoa ara-nofo no resahina, ary mampiasa ny sainy rehetra izy azahoany sy hitantanany izany tombotsoa ara-nofo izany. Jesosy kosa eto dia manome baiko antsika zanaky ny mazava mba hampiasa ny “harena eto amin’izao tontolo izao” amin’ny fomba mendrika.

Nahoana no antsoiny hoe “mamôna tsy marina” ny harena eto amin’izao tontolo izao?: Satria ireo zanak’izao tontolo izao no tena mitantana ny tolotra sy ny tinady eto, ary matetika dia amin’ny fomba maloto na tsy marina avokoa no hivezivezen’ny vola.

Aoka ho izy ny “volan’izao tontolo zao” na koa ny “mamona tsy marina” mba ho entinareo mahazo sakaiza, Izany hoe “ambaran’I Jesosy amin’ny fomba ankolaka fa ny fitiavana ny hafa (fanomezana vola na fanampiana azy sns) dia misy tambiny tokoa, ary anisan’ny fomba hanehoana finoana sy hidirana amin’ny fanjakan’ny lanitra izany,

Nahoana no itenenenana izany?: and 9 “mba ho raisin’ireo any amin’ny fiainana mandrakizay hianareo rehefa lany izany”

Page 19: RAMAMBASON Andrilaza LESONA FANDALINANA SORATRA …tomima.o.t.f.unblog.fr/files/2013/01/boky-ny-fanoharana-tome-1.pdfIII. Nampianatra ny mpianany hivavaka Jesosy eto, Nampianatra ny

Koa raha ny fanaovan-tsoa dia fomba iray hidirana ny fanjakan’ny lanitra, dia tokony ahalala izany fomba izany koa ny kristiana ka hanao izay fomba rehetra hidirana ny fanjakan’ny lanitra, toy ny fanomezana sy fampiasana ny volany amin’ny asan’Andriamanitra… (Lalina e? kanefa dia izany koa no tian’Andriamanitra hambara eto: mba fetsifetsy!, ampiasao ny vola sy ny fananana mba azahoana namana sy hampandroso ny fanjakan’Andriamanitra, fa mahatonga ho any amin’ny fiainana mandrakizay izany Mat 25:4).

Mahay mitady tombotsoa ara-nofo ny zanak’izao tontolo izao, ary tokony ho fianarana hoantsika kristiana kosa izany amin’ny fitadiavantsika ny tombotsoa ara-panahy, tokony mba hampiasa ny saintsika sy ny fahaizantsika rehetra isika azahoantsika ny lanitra.

VII. “Aoka ho mahatoky amin’ny kely”, “Fa izay ataonareo amin’ireny madinika ireny dia nataonareo tamiko” Lio 16:9 sy Mat 25:4

Tena mifamadika amin’ilay nataon’ny fanoharana no tian’I Jesosy hataontsika eto: izany hoe tokony hampiasaintsika amin’ny tsara sy fitiavana ny hafa ny vola sy ny harena eto amin’izao tontolo izao fa tsy hampiasaina amin’ny hafetsena sy halatra tsy akory, mba hanana namana maro isika , izay handray antsika rehefa tonga any an-danitra.

Ireny madinika nanaovantsika soa ireny, no ho vavolombelon’ny finoantsika rehefa tonga ny andro hitsaràna ka ahatonga an’I Jesosy hanambara rahatrizay hoe “midira amin’ny fanjakan’ny lanitra”, Tsy misy hoamarinina amin’ny asa, saingy mila manam-pinoana tokoa vao afaka manao soa toa izany. Ary tsy miandry ny hanam-be vao hanao izany fa aoka hatoky na dia kely aza no eo ampela-tanana.

VIII. Fanotaniana sy famerenana:

1) Nahoana no ilazàna fa sarotra ity fanoharana ity? 2) Manana toetra maha te hidera ity mpitandrina ity, inona izany? 3) Nahoana ny harena eto an-tany no lazaina fa « mamôna tsy marina”?

manomeza ohatra 4) Inona lesona azo tsoahina amin’ity fanoharana ity?

Tapitra ny lesona faha 05 – Zoky Andry

Page 20: RAMAMBASON Andrilaza LESONA FANDALINANA SORATRA …tomima.o.t.f.unblog.fr/files/2013/01/boky-ny-fanoharana-tome-1.pdfIII. Nampianatra ny mpianany hivavaka Jesosy eto, Nampianatra ny

Lesona faha 06 ILAY ONDRY SY ILAY FARANTSA VERY

Lio 15:3-10

Ity fanoharana ity dia tsy mitovy tamin’ilay zanaka adala izay nody hoazy, fa mikasika ny ondry very izay mila tadiavina kosa…Ny ankamaroan’ny fanoharana ao amin’ny Lio 15 dia lohahevitra mitovitovy, saingy kosa nataon’i Jesosy Kristy maromaro mba ahatonga saina ny Fariseo. Ny fariseo mantsy nihevitra fa ny mpanota dia very tanteraka, sy tsy hisy fanavotana hoan’ny mpijangajanga sy ny mpamory hetra intsony, ary tsy mety nifampikasoka tamin’ny mpanota izireo. Saingy nasehon’i JK eto fa diso hevitra ny fariseo.

1. Ilay ondry very: “Iza moa eo aminareo no…”

Fanotaniana tsotra no niandohan’ny fanoharana mba hanintonana ny sain’ireo Fariseo, Mba ahatonga azy hieritreritra sy hamaly, ary farany aharesy lahatra azy..

Raha tonga dia niresaka azy ireo mikasika ny fitiavana ny « mpanota » Jesosy dia « hanameloka » avy hatrany ireto fariseo ireto, ka dia nanao fanoharana izy mba hanazavaina ny fihetsiny (satria hitan’ireo fariseo niaraka tamin’ny mpanota izy mantsy)

Nofandrihan’i Jesosy ireto Fariseo ireto, satria na tiany na tsy tiany dia tsy maintsy hitady ny ondry very izireo na manana 99 aza.., saingy mitovy ihany ny lanjan’ny fihetsika atao amin’ny ondry iray amin’ny zato, farantsa iray amin’ny folo, zanaka iray amin’ny roa…

Nasehon’i Jesosy fa « mitovy amin’ny ataon’ny Fariseo izay mitady ny ondriny raha very ihany no ataony », ary manoatra noho izany hoan’ny fanahy very izay mila tadiavina sy avotana.

2. Ny fizotry ny tantara :

Nisy ondry anakiray izay tafasaraka ny andiany, very lalana ary tsy hitan’ny mpiandry intsony…Rehefa hitan’ny mpiandry fa tsy eo intsony ilay ondry anakiray dia navelany ny 99, ka lasa izy nitady ilay anakiray very, ary rehefa hitany iny dia nataony antsorony, ary faly tokoa izy, rehefa tonga tany an-tranony dia nanao fety fifaliana niaraka tamin’ireo mpiara-monina aminy ilay mpiandry ondry.

3. Hevitry ny fanoharana :

a. Ilay mpiandry ondry dia maneho an’i Jehovah Ray,

b. Ilay ondry very kosa :

Olombelona anakiray izay nanalavitra an’Andriamanitra , niala tamin’ny làlany sy ny didiny (lasa mpanota)

c. Nandeha nitady azy ilay mpiandry ondry :

Jesosy kristy dia niara-nihosona tamin’ireo mpanota , mba hitadiavana azireo sy hamerenana azy ireo amin’ny lala-marina, zavatra tsy fanaon’ny

Page 21: RAMAMBASON Andrilaza LESONA FANDALINANA SORATRA …tomima.o.t.f.unblog.fr/files/2013/01/boky-ny-fanoharana-tome-1.pdfIII. Nampianatra ny mpianany hivavaka Jesosy eto, Nampianatra ny

“mpivavaka tranainy” izany, amin’ny fariseo mantsy dia heverintsiny fa ratsy ny mifanerasera amin’ny mpanota, saingy ho fitadiavana ny mpanota dia izany no mahatonga an’I Jesosy Kristy miara-mihinana sy mipetraka amin’ny mpanota.

d. Rehefa hita ilay ondry dia faly izy ary nataony antsoroka:

Nanomboka eto no tena mahavariana, ilay mpanota very ka hita indray dia nahazo fikarakarana manokana, izany hoe natao an-tsoroka mihintsy

Somary “misy sira” na “natao be filaza” ihany ilay fanoharana satria mety tsy hisy hanao fety be sy hanasa namana izany satria hoe hita ny ondriny anakiray, Saingy ninian’i Jesosy nambara izany mba ahatakarantsika ny hafaliana any an-danitra amin’ny mpanota anakiray izay « hita na nibebaka».

e. Ny tranon’ilay mpiandry ondry dia maneho ny lanitra,

Ireo mpiray vodirindrina sy sakaizany kosa dia maneho ireo anjely zanak’Andriamanitra izay miara-monina Aminy any an-danitra.

4. Hisy fifaliana toa izany any an-danitra ny amin’ny mpanota iray izay mibebaka nohon’ny amin’ny olona marina sivy ambin’ny sivifolo...:

Ity no mavesatra indrindra amin’ny fanoharana: Raha mimonomonona ny Fariseo (jereo ny and 2) dia “fifaliana ben’ny any an-danitra” kosa no asetrin’I Jesosy Kristy azireo. Nahatonga ny mpiandry hanao fitadiavana ny fahaverezan’ny ondriny, hita ilay ondry very, niteraka fifaliana be izay fahitàna ny very izay!

Ny lesona dia hoe “Arakaraky ny habean’ny fahotan’ilay mpanota very ka hita indray no halehibiazan’ny fifaliana any an-danitra”

Ny mpanota mibebaka: Ny fibebahana dia toa izao no fisehony: Misy faharesen-dahatra ao, miteraka fiovam-pisainana iny ary miafara amin’ny fiovam-pihetsika tanteraka (Ivereno ny lesona momba ny fibebahana), io fibebahana io no notorian’I Jaona mpanao batisa, Jesosy Kristy, ary ireo apostoly taty aoriana…Io fibebahana io no mahatonga ny olona hanaiky atao batisa. Midika izany fa tsy raharahan-jaza koa ny batisa…

5. Dia tsy mahafaly azy ve ny manana ireo sivy ambin’ny sivifolo?

Raha ny dikan-teny malagasy dia toa marina izany hevitra izany, saingy tsy tena izany no hevitry ny teny ; fa ny tian’ny Tompo lazaina dia ny hoe « Efa misy fifaliana mandrakariva any an-danitra ny amin’ireo 99 ireo, ka ny fisian’ny anakiray hita indray dia maika hanamafy izany fifaliana izany ho bebe kokoa !

6. Ilay farantsa very:

Torak’ilay teo tsy misy hafa ny amin’ilay farantsa very, saingy tahaka ny reny mahantra anakiray kosa no anoharan’i Jesosy ny tenany, Ny fanoharana fahatelo dia hafa kely kosa satria tsy notadiavina ilay very na ilay zanaka fa niverina hoazy..

7. Andriamanitra dia fitiavana:

Page 22: RAMAMBASON Andrilaza LESONA FANDALINANA SORATRA …tomima.o.t.f.unblog.fr/files/2013/01/boky-ny-fanoharana-tome-1.pdfIII. Nampianatra ny mpianany hivavaka Jesosy eto, Nampianatra ny

Ity fanoharana nataon’I Jesosy ity dia ahitana ny mampitovy an’Andriamanitra amin’ny olombelona, (“coté humain de Dieu”) satria na dia nanana ny 99 aza izy dia tsy afa-po fa nitady ilay faha 100, izay toetra tsy mety hafa-po izay dia tena toetrantsika olom-belona mihintsy, tsy mandry ny sainy na dia efa marobe aza no niova fo, fa dia mitady ny mbola tsy eo hatrany izy, Tsy mba tia tena Andriamanitra ka hiteny hoe “avelao any izay anakiray very fa efa maro ireto” fa raha nanao izany izy dia efa ela no tonga ny farany

8. Nahoana no hita ilay ondry very?

Satria misy “zavatra” efa ahafantaran’Atra ny olona, ny fanaony, ny toerana falehany , ny fisainany, ary izany fifandraisana izany no mamaritra ny “fitiavan’andriamanitra ny olona”, matoa hitany ny misy antsika na dia very aza isika dia satria fantany ny toetrantsika, Ary tiany foana isika na dia mpanota aza…

9. Sady mahantra no mpanakarena ny Ray:

Azo ambara fa tahaka ity mpanakarena ity ny Ray; izay manana ondry maro, kanefa tsy manakana azy hitady ny vitsy izany ambiny izany, Mahantra tahaka ilay ramatoa very vola koa anefa Izy satria “vitsy” ihany no eo ampelatanany raha oharina amin’ireo olona marobe eto ambonin’ity tany ity izay very ny ankamaroany? Ary izany fahantrany izany no maporisika azy hitady izay very hatrany…

10. Ho antsika mpanabe:

Rehefa manabe tanora ise , dia tsy ilaozan’ireo maditra sy mpaniasia ao anatin’ny mianatra na tinaiza. Ireny maditra sy mpaniasia ireny (na lahy na vavy) dia tokony hanaovan’ise ezaka bebe kokoa sy izaràna fitiavana bebe kokoa raha oharina amin’ireo namany efa Hendry, Aoka “tsy handry saina” mihintsy isika manoloana ny olana mianjady amin’ireny maditra kely ireny, ary aoka tsy hanikilika azy na hanao teny maharary azy fandrao mbola manalavitra ny vala tsikelikely izy…

11. Lafo vidy isika…

Ity fanoharana ity koa dia mampiseho amintsika fa na dia zaza sy tanora kely aza isika dia misy vidiny sy lanjany eo anatrehan’Andriamanitra. Mety manambany na manilikilika antsika ny ankohonana na fiaraha-monina, na ny mpivavaka, fa Jehovah kosa dia mihevitra fa tena “lafovidy sy tsy manam-paharoa” isika tsirairay avy, ary mino aho fa na izaho i aza no mpanota teto an-tany dia tsy maintsy nidina tety ihany Jesosy Kristy hamonjy izay anakiray izay…

12. Fanotaniana sy femerenana:

1) Inona no itovizan’ireo fanoharana roa ireo, inona no maha samihafa azy? 2) Inona no antsoina hoe « mibebaka » aminao ? 3) Inona no lesona azontsika mpivavaka na mpitarika fivavahana na mpanabe

amin’ity fanoharana ity?

Tapitra ny lesona faha 06 – Zoky Andry

Page 23: RAMAMBASON Andrilaza LESONA FANDALINANA SORATRA …tomima.o.t.f.unblog.fr/files/2013/01/boky-ny-fanoharana-tome-1.pdfIII. Nampianatra ny mpianany hivavaka Jesosy eto, Nampianatra ny

Lesona faha 07 NY VARY SY NY TSIPARIFARY

Mat 13:24-30.36-43

1. Fampidirana :

Rehefa avy nanao fanoharana ny amin’ny mpamafy sy ireo vokatry ny famafazana Jesosy dia nanao ity fanoharana mikasika ny vary sy ny tsiparifary ity indray, Raha somary tsotsotra iny fanoharana momba ny mpamafy iny, sarotsarotra kosa indray ity manaraka ity . Marihina fa ireo fanoharana ao amin’ny Mat 13 dia saiky fanazavana mikasika ny “fanjakan’ny lanitra”daholo.

Tahaka ny olona iray izay avy any amin’ny tany na firenena hafa dia niezaka Jesosy nanazava ny fomba fanao sy ny toe-tsaina avy any amin’ny tany lavitra nihaviany, tsy inona izany fa ny lanitra! Ny hoe fanoharana ny amin’ny fanjakan’ny lanitra izany dia fanazavana tsotsotra ny amin’ny “fomba sy fisainana ary ny fomba fiasan’ny any an-danitra”

2. Lehilahy anakiray namafy voa tsara tamin’ny tanimbariny..:

Ity fanoharana ity dia azo azavaina amin’ny lafiny maro, ary misy fanazavana mavesatra be sy lalina be tokoa izay mety hitarika adihevitra tsy mety ritra, izay miainga any amin’ny Genesisy ohatra (mahakasika ny hazo afovoan’ny saha, ny taranaka roa samihafa sns), saingy tsy izay fomba fanazavana izay no entina eto fa fanazavana izay antonona hoan’ny rehetra na somary mafimafy aza any amparany:

Jesosy no mpamafy ny « vaovao mahafalin’ny fanjakan’ny lanitra » na ny « filazana tsaran’ny fanjakan’ny lanitra », ary manana mpiara-miasa izy hatrizay toa ireo apostoly sy mpitandrina ary mpiandry ondry sy mpiatrika kristiana ankehitriny...

Saingy rehefa natory ny olona (tamin’ny fotoana tsy nampoizina), dia tonga ny fahavalo, ary namafy ny tsiparifary (“zizania” hoy ny teny grika, zizanie hoy ny teny frantsay, io karazam-bozaka io no antsoin’ny mpikaroka hoe "lolium temulentum", Bozaka sarotra avahana amin’ny tena vary.

Tamin’ny andron’ny Romana dia melohin’ny lalàna manan-kery ny fanaovana zavatra toa izany, kanefa dia mbola fanaon’ny firenena lehibe sasany izany rehefa misy firenena tiany ho potehina, tahaka ny famafazana otrik’aretina samihafa, ny fisian’ny haom-bary sy biby hafa (foza horana ohatra) ireny dia mamotika ny toe-karena mihintsy rehefa ampiasaina amin’ny lafiny ratsy, ary nataon’ny olona ho fitaovana famaliana faty ihany koa izany fomba izany fahiny.

3. Nanao tatitra ny mpiasa ary vonona ny handray andraikitra avy hatrany:

Raha ny tantara dia manankarena ity lehilahy ity, matoa manana mpiasa maro sady mafatra-po, Nandroso soso-kevitra ireo mpanompo ireo mba « hanongotra ny tsiparifary » saingy TSIA no valiny!

Page 24: RAMAMBASON Andrilaza LESONA FANDALINANA SORATRA …tomima.o.t.f.unblog.fr/files/2013/01/boky-ny-fanoharana-tome-1.pdfIII. Nampianatra ny mpianany hivavaka Jesosy eto, Nampianatra ny

Toa tsy ratsy izay sosokevitra izay, saingy mety ahafaty ireo tena vary izany « vahaolana” izany. Ka tsy te hanimba ny variny ilay mpanakarena, tsy te hamaky loha amin’ireo tsiparifary izy, rehefa tonga ny fotoam-pijinjana hoy izy dia ho hita izay hatao amin’ireo tsiparifary ireo. Rehefa tonga mantsy ny fotoana fijinjana dia izay vao hita ny mahasamihafa ny tsiparifary amin’ny vary.

Tsy tsara ny mikoropaka na taitaitra fandrao dia manimba ny voly sy manongotra azy indray, manana ny fotoanany ny zavatra rehetra.

4. Tsy azon’ny mpianatra tsara ilay lesona ka nangataka fanazavana izireo:

Nikorontana ny sain’ny mpianatra satria efa nisy fanoharana mikasika ny « mpamafy » izay nohazavain’i Jesosy Kristy azireo teo aloha (Mat 13:10-23)., ary noheverin’izireo fa mitovy amin’ny “code”-n’izay fanoharana izay ity natao ity, rehefa dinihina anefa toa tsy izay…

Tsotra ihany koa anefa ny « code » fanazavana ny fanoharana : Manazafa ny fomba fiasan’Andriamanitra amin’ny fitsarana farany Jesosy. Ny tanjony dia tsotra ihany:

5. Iza moa no vary?

Raha teo amin’ny fanoharana voalohany dia lazaina fa ny tenin’Andriamanitra no voa, eto kosa dia “ny olombelona” no voa nambolena na vary, ary mampandini-tena antsika izany hoe “vary ve aho sa tsiparifary?”,satria miankina amin’izany ny hanjo antsika rehefa tonga ny andro fijinjàna.

Ny mpamboly ny vary dia ny Ray amin’ny alalan’i Jesosy kristy

6. Iza no tanimboly?

Izao tontolo izao no tanimboly. Indraindray mantsy isika dia te haningotra ny ratsy fanahy tsy ho eto ambonin’ny tany intsony, na koa te hampisaraka ny olon-dratsy sy ny tsara fanahy, kanefa tsy ilaina ny manao izany hoy ny fanoharana fandrao tafahongotra na ringana miaraka amin’ny ratsy fanahy marobe ny tsara fanahy vitsivitsy. HItombo sy haniry eto ambonin’ny tany ny olon-dratsy na ny taranaka ratsy fanahy, mandra-pahatonga ny fitsaràna farany,

Misy ireo zanak’Andriamanitra, ireo izay nandray an’i Kristy , misy kosa ireo zanaky ny devoly na taranaky ny menarana ireo izay eo ambany fanapahan’ny Devoly sy manao ny asany,

Aorian’I Kristy hatrany no mamafy ny tsiparifary Satana, mba hanimbana ny taranak’olombelona, na ireo taranak’I Adama. I satana no manajamba ny mason’ny olona tsy ahita ny fahamarinana sy ny fahasoavan’Andriamanitra.

7. Inona moa ilay hoe fijinàna?

Page 25: RAMAMBASON Andrilaza LESONA FANDALINANA SORATRA …tomima.o.t.f.unblog.fr/files/2013/01/boky-ny-fanoharana-tome-1.pdfIII. Nampianatra ny mpianany hivavaka Jesosy eto, Nampianatra ny

Ny fijinjàna dia ny fitsarana farany izay ho avy amin’ny farany, ary tsy ny samy olombelona akory no hifanavaka fa ireo anjely no « mpijinja » sy manavaka izay tokony hohelohina any amin’ny helo sy ireo hovonjena ho any amin’ny paradisa.

Jesosy kristy no hibaiko ireo anjely ireo amin’izany fotoana izany, ary hodorana any amin’ny afo tsy mety maty mandrakizay ireo tsiparifary (Mar 9:43), Io afo tsy mety maty io na antsoina hoe Afobe dia tantaraina ao amin’ny SM ny endriny (Apok 19:20; 21:8; Mat 25:41; Mar 9:44; Lio 16:24; Mal 4:1), Misy moa vondrom-pivavahana izay tsy mino ny fisian’io helo io kanefa dia ambaran’ny soratra masina ireo fa hisy io helo io ary tahak’ireo voalaza ireo ny endrikendriny.

Misy milaza ihany koa fa hoe fahafatesana mandrakizay fotsiny ny afobe, ka raha izany, ahare maharary na hanenina amin’ny ratsy ataony ve ny ratsy fanahy raha fahafatesana tsy handre n’inon’inona fotsiny no tambin’ny otany? Koa fampitandremana mahatahotra tokoa ity fanoharana ity fa tsy azo atao ambaninjavatra.

8. Ary ny marina hamirapiratra And43:

���� Na mahatahotra aza ilay fanoharana, dia manome fanantenana kosa izy hoan’izay tia sy manao ny marina, Tsy misy olona marina mantsy, saingy Jehovah no manamarina izay tia ny fahamarinana sy manao izany. (Rom 3:10) ary ho hamarinina maimaimpoana koa izay rehetra mino an’i Jesosy Kristy (Rom 8 :33-34)

9. Izay manan-tsofina aoka izy ihaino :

Sarotra ity fanoharana ity , ary izany no mahatonga an’i JK hanafatrafatra hoe izay mana-tsofina aoka izy ihaino.

10. Tsy isan’izao tontolo izao ny fiangonana:

Momba ny fisian’ny “tsiparifary” eo anivon’ny fiangonana indray dia : “izao tontolo izao no ambaran’I Jesosy fa tanimboly” fa tsy ny fiangonana tsy akory…

Ity fanoharana ity indraindray no mandiso ny fihevitsika maro izay milaza fa tsy tokony hisy ny “famaizana na fanilihana na fanesorana mpikambana” eo anivon’ny fiangonana kristiana, “aleo haniry eo hoy isika fa aza hongotana”, marina tokoa fa ho fantatr’I Kristy hatrany ny vary sy ny tsiparifary any amparany, saingy raha ny “code” n’ny fanoharana hitantsika teo dia “izao tontolo izao no tanimboly” fa tsy ny fiangonana tsy akory.

Noho izany dia tsy afaka ny hampiasa hery haningotra ireo ratsy fanahy eo amin’izao tontolo izao isika, fa ny Tompo no hanao izany rehefa tonga ny farany, Saingy adidintsika kosa ny sarotiny na saro-piaro amin’ny fiangonana ka rehefa misy « tsiparifary » maniry ao ampiangonana ka mitady hanimba ny fiangonana izany hoe olona tsy mety anarina sy ahitsy na

Page 26: RAMAMBASON Andrilaza LESONA FANDALINANA SORATRA …tomima.o.t.f.unblog.fr/files/2013/01/boky-ny-fanoharana-tome-1.pdfIII. Nampianatra ny mpianany hivavaka Jesosy eto, Nampianatra ny

tsy mety mibebaka amin’ny faharatsiany dia tsy maintsy “hongotana” hiala ny fiangonana izireny,

Mafy sy sarotra amiko izany zavatra ambarako eto izany, saingy anisan’ny fahamarinana hitako izany raha nandinika ity fanoharana ity aho, manamarina izany ihany koa ny ao amin’ny Mat 18:17-19; 1 Kor 5:3-5.

Mety ahafaly ireo “tia manilika ny hafa” koa anefa izany lesontsika izany, saingy any amparany any ho fantatry ny Tompotsika koa izireny na tena vary na tsiparifary.

11. Nahoana no avelan’Andriamanitra hisy ny ratsy?

Ity fanoharana ity dia mahavaly ny fanotaniantsika izay manao hoe « nahoana no avelan’Andriamanira hisy ny ratsy na ireo ratsy fanahy, nahoana no tsy aringany? Ny valiny dia tsotra ihany: Fandrao misy olona tsara ho voasingotra amin’izany fandringanana ny ratsy izany, ary sao dia mba hisy ratsy fanahy hibebaka ihany koa… koa dia mahari-po sy mora fanahy ny Tompo.

12. Fanotaniana sy famerenana :

1. Inona marina no tena tetik’i Satana hoan’ny zanak’ olombelona ? 2. Nahoana no tsy mitombina ny filazana hoe « tsy azo atao ny manala

mpikambana anakiray tsy ho isan’ny fiangonana »? 3. Moa ny helo handefasana ny tsy marina rahatrizay ve araka ny baiboly dia

helo mirehitra mandrakizay sa fahafatesana ara-panahy fotsiny ? 4. Misy karazany roa marina ve ny olona hoe « zanak’Andriamanitra » sy ny

« zanaky ny devoly na menarana»?.

Tapitra ny lesona faha 07 – Zoky Andry

Page 27: RAMAMBASON Andrilaza LESONA FANDALINANA SORATRA …tomima.o.t.f.unblog.fr/files/2013/01/boky-ny-fanoharana-tome-1.pdfIII. Nampianatra ny mpianany hivavaka Jesosy eto, Nampianatra ny

Lesona faha 08 ILAY SAMARITANA TSARA FANAHY

Lio 10:25-37

1. Ahoana no ataoko azahoako ny fiainana mandrakizay?

Fehezan-teny malaza anakiray ao amin’ny baiboly io, fanotaniana napetraky ny mpanora-dalana anakiray (docteur de la loi hoy ny teny frantsay). Tonga nanantona an’I Jesosy ity Mpitondra fivavahana ity, te hitsapa Azy izy raha avy amin’Andriamanitra tokoa Izy na tsia, Te ahalala izy hoe hatraiza no fahalalàn’ity Jesosy ity, ary te ahalala ihany koa izay tena heviny. “ahoana no ataoko” hoy izy, efa fantatr’ity mpitondra fivavahana ity ny tokony hatao, saingy te hitsapa an’i Jesosy izy raha mitovy ny hevitra na tsia ! Ary tsy resaka tso-tsotra no nalefany fa tonga dia resaka mahakasika ny “famonjena” sy « fiainana mandrakizay”

2. Inona no voasoratra ao amin’ny lalàna, manao ahoana no famakianao azy ?

Tsy namaly mivantana Jesosy fa fanotaniana indroa nisesy no nataony azy, ary mila valim-panotaniana mifanaraka amin’ny Soratra masina I Kristy , tahaka ny miteny izany hoe “raha misy toko sy andininy izay valinteninao eo dia ekeko fa marina izay ambaranao”, Hita tamin’ny valinteniny ary fa mahay soratra masina tokoa ity lehilahy ity, nambarany aloha ny fitiavana an’Andriamanitra, ary tsy hadinony ny fitiavana ny namana (na ny hafa)

3. Tiava an’i Jehovah Andriamanitrao, tiava ny namanao… Deo 6 :4-5 Lév 19 :18

Ity lehilahy ity dia isan’ireo mpanora-dalàna maro izay mahay tsianjery ny soratra masina, Nambarany ny fehin’ny lalàna izay midika « Fitiavana an’Andriamanitra sy ny fitiavana ny namana», Ary dia nanaiky Jesosy fa « marina » ny valin-teniny, Marina tokoa fa raha mandika izany lalàna izany ny olombelona dia ho voaheloka.

« Ataovy izany dia ho velona hianao » : Ohatry ny tsy nahafaly ilay mpitarika fivavahana izany tenin’i Jesosy izany, tahaka ny manameloka azy hoe « mbola tsy nanao izany hianao », hany ka dia namaly sady niaro tena izy hoe « iza ary no namako** ho tiaviko eo ? Tahaka ny miteny hoe « sao dia heverinao fa miady aman’olona aza aho ? »

Saingy tsy mahatsiaro ho meloka ity mpanora-dalàna ity fa saika hitsapa an’i JK fotsiny izy, Fantatr’i Jesosy Kristy tsara fa mahay toko sy andininy ity lehilahy ity, Ny mpanora-dalàna mantsy no mampianatra ny olona (Jiosy) ny fomba sy fihetsika amam-panao na ny fitondran-tena eo amin’ny fiainana andavan’andro. ka naleon’i Jesosy nitondra ny resaka any amin’ny sehatra andavan’andro.

** ny lalàna dia tsy mandidy antsika handeha haneho fitiavana ny olona rehetra eto ambonin’ny tany, tsy ho vita izany, raha mitia azy ireny isika dia mila mahafantatra sy mifanerasera amin’izy rehetra, Fa ny Soratra masina dia

Page 28: RAMAMBASON Andrilaza LESONA FANDALINANA SORATRA …tomima.o.t.f.unblog.fr/files/2013/01/boky-ny-fanoharana-tome-1.pdfIII. Nampianatra ny mpianany hivavaka Jesosy eto, Nampianatra ny

mandidy antsika hitia ny « hafa tahaka antsika, izay eo anilantsika» na ny « prochain » , Tsy hoe izay sakaizantsika ihany, na izay manao soa antsika, fa ny « hafa ».. Izay no mahatonga ilay fanotaniana hoe « iza ary no namako? ».

Raha saika hamandrika an’I Jesosy ity mpampianatra Soratra masiana ity, dia izy indray no tafalatsaka anaty fandrika napetraky ny Tompo…,

4. Vakio ny fanoharana: And 30 “Nisy lehilahy iray nidina avy any Jerosalema nidina nakany Jeriko…

Nanomboka ny fanoharana, Zavatra iainana an-davan’andro no nasehon’I Kristy azy, « Nisy lehilahy anakiray, nisy nanafika teny an-dalana, nendahina ny lambany , ary nokapohin’ireo mpandromba izy, ary rehefa tsy nahatsiaro tena dia nilaozan’ireto mpandromba, ..Nahita ilay maratra ny mpisorona anakiray, saingy nandalo fotsiny izy, torak’izany koa no nataon’ ny levita ankiray…

Tsy fantatra hoe avy aiza ity mpisorona ity, na avy any Jerosalema, na avy any Jeriko..Raha ho any Jerosalema izy, izany hoe handeha hanao asa fisoronana dia tsy mahazo mikitika rà na olona maratra na “faty” satria “mampahaloto” ny mpisorona izany, ary tsy ho afaka hanao ny asa fanompoany izy (Nom 19:11-22 -Lev 21:1-4 – Ezek 44:25.26)

Olon’ny fivavahana ity nandalo ity, olona mahay ny lalàna, ary mahalany tsianjery azy tokoa , tokony ho fantany ny lanjan’ny fitiavana eo amin’ny lalàna saingy ninia ny handalo fotsiny izy, olona mahay ny lalàna sy mpampianatra ny fitiavana an’Andriamanitra sy ny namana ity mpisorona ity, saingy mpampianatra azy fotsiny izy fa tsy mpampihatra azy tsy akory…. Mety ho olona tia sehoseho koa izy, ka aleony hitan’ny olona mitondra fisoronana, toa izay manao soa amin’ny takona…

Torak’izany koa no nataon’ilay levita, izay mpisorona ihany koa. Nolalovan’izireo fotsiny ilay maratra mila vonjy. Mety Sabata ny andro, ka maika hamonjy “fanompoam-pivavahana” izy, asa tsy fantatra!. Fa tena mahatsiravina sy mahavaky fo ny mahita hoe “vokatry ny fombafombam-piangonana sy ireo lalana ara-pivavahana dia ataon’ny olona ambanin-javatra ny “fitiavana”ny namana, na vokatry ny fombafombam-pivavahana dia foafefy tsy afaka maneho fitiavana ny olona.

Ny fanotanian’ilay mpanora-dalana dia hoe « iza no namako », ny fanoharana kosa anefa dia nanehoan’i Jesosy hoe « iza no mila azy ». Izany hoe tsy isika no mamaritra izay ho namantsika, fa ny hafa no manendry antsika ho namany…, tsy afaka mifidy olona izay hasiana soa isika fa izay mila antsika dia izay no namantsika…

5. Iza ilay nandalo fanitelo (Samaritana), inona no nataony? (Onena izy)?

Mazava fa jiosy ity nisy nanafika ity, satria avy any jerosalema izy, …Ninian’I Jesosy nambara mihintsy anefa hoe “Samaritana” no namonjy azy sady nasehony fa hoe “tsara fanahy ilay samaritana”,

Ny Samaritana dia mponina avy ao Samaria izay tsy azokazon’ny jiosy, satria heverin’izireo mpanompo sampy, sy maloto… , Azontsika antsaina

Page 29: RAMAMBASON Andrilaza LESONA FANDALINANA SORATRA …tomima.o.t.f.unblog.fr/files/2013/01/boky-ny-fanoharana-tome-1.pdfIII. Nampianatra ny mpianany hivavaka Jesosy eto, Nampianatra ny

ny mety fahatairan’ireo mpihaino an’I Jesosy raha nandre azy nilaza fa misy tsara fanahy anie ny Samaritana na ny olona tsy mivavaka mitovy amin’ny an’ny tena e!

Notantarain’I JK teo, fa nikarakaran’ilay Samaritana ilay maratra, Nosasany tamin’ny divay (solon’ny alikaola) ny feriny, nohosorany diloilo, naka lamba izy hamehezany ny ratrany, nampetrany teo ambonin’ny boriky tokony hotaingenany, ary nentiny namojy tranom-bahiny na hotely. Tsy vita hatreo anefa, fa mbola niantohany avokoa izay rehetra mety ho lany amin’ny fikarakarana ilay naratra.

6. Nahoana no Samaritana no nampidirina tao anaty tantara ?

Ninian’I Jesosy naseho tamin’ilay mpanora-dalàna mihintsy ny dikan’ny hoe “Fitiavana”, mba ho tsapany fa na ny olona tsy mivavaka aza dia mahalala ny dikan’izany fitiavana izany, Olona izay tsy mahalala akory ny didin’ I Jehovah Ray hoe “tiava ny namanao tahaka ny tenanao” ilay samaritana..

7. Iza amin’izy telo no naman’ilay naratra...?

Eto no tena mba mahafinaritra ahy, Tokony ilay mpanora-dalana no nanotany mialoha hoe, iza amin’izy telo lahy izany no tsara hataoko namana? Fa ny fanotanian’I Jesosy no tonga voalohany nanotany azy hoe “iza amin’izy telo no naman’ilay nisy nandroba?” Ny teny nandrasan’I Jesosy Kristy taminy dia ny vavany hanonona hoe “ilay samaritana” kanefa ho mafy amin’ity mpitondra fivavahana ity na dia ny hanonona izay anarana izany fotsiny aza, ka namaly tamim-pahendrena izy hoe “ilay namonjy”.

And 29 : Hay tsy isika no mamaritra izay ho namantsika tokony hotiavintsika, fa izay mila vonjy sy miseho eo anilantsika ka mila ny fitiavantsika, dia izany olona izany no ambaran’ny tompo fa “namana” asain’ny didin’Andriamanitra “tiavintsika”.

8. Mandehana ka manaova toa izany koa!

Izay nasehon’I Jesosy teo izay no dikan’ny hoe fitiavana ny namana, ary nasain’I Jesosy naka tahaka ilay “tsy mivavaka” ilay mpitondra fivavahana, Mandehana ary mivoaha ny trano dia jereo, tadiavo hoe “iza no mba hanao ahy ho namany, ka mila vonjy amiko?”…

9. Iza no namanao izao ?

(Isika mpivavaka matetika dia lany andro miady hevitra ny amin’ny famaritana isan-karazany) Tsy mba mpanome « famaritana be fahatany» ny lalàna Jesosy fa manome « tranga » hiainana ny lalàna izy,

« Ilay namana » dia izay hafa sendra tojo antsika, mila vonjy izy, izy izany no namako amin’ny fotoana ifanojoanay, mila namana izy, ary izaho no « voatendry » ho namana hitia azy, raha vao mahita ny olana sy izay manjo azy,

Maro ireo milaza fa tia sy tsy manam-pahavalo, kanefa ireo izay milaza izany indrindra no matetika tsy mety mamonjy izay eo akaikiny,

Page 30: RAMAMBASON Andrilaza LESONA FANDALINANA SORATRA …tomima.o.t.f.unblog.fr/files/2013/01/boky-ny-fanoharana-tome-1.pdfIII. Nampianatra ny mpianany hivavaka Jesosy eto, Nampianatra ny

Ny « ilay namana » voalaza eto dia izay manelingelina ny fiainana, izay tsy nataonao tao anaty kajy akory, tsy natao hofidiana mialoha « ilay namana », fa mifanena aminao eny an-dalana eny izy,

Mety ho ny zanakao izay mila resaka aminao izy, mety ho ny mpiara-mianatra mila fanampiana, mety ho ny mpiara-mivavaka manana olana, mety ho ny vadinao izay mila tambitamby, mety ho olona tsy mpiray fomba fivavahana amintsika sns… fa izy rehetra dia miseho sy tojo anao amin’ny fotoana izay tsy noeritreretinao akory, amin’ny fotoana izay heverinao fa hanaovana zavatra hafa.

Tsy misy olona na iza na iza afaka hamaritra hoe « iza no ho namako androany » fa dia samy tsy misy mahalala mialoha isika , fa eny an-dalana mahita azy…

Betsaka ny mpivavaka no tsy manaiky ny fisian’ny zavatra tsy ampoizina toa izany, heveriny fa mifanohitra amin’ny lalàna arahiny izany, na koa heveriny fa asan’ny devoly manelingelina azy mihintsy aza ny fisian’ny « namana » mila vonjy aminy, ka ny lalàn’ny fivavahana no entiny hiafenana sy hiarovany tena mba tsy hamonjeny na tsy hanelingelenana azy…. Ireny olona ireny dia mametraka ny « lalanan’ny fombam-pivavahana na ny lalanan’ny fisoronana » ho ambonin’ny fitiavana.

10. Tsy ny lalàna akory no toherin’i Jesosy Kristy,

Tsy ny lalàna akory no toherin’I Jesosy Kristy, fa ny fahadisoan-kevitrintsika mpivavaka momba ny lalàna. Ny lalàna dia voafaritra sy mipetrapetraka mialoha avokoa, saingy ny fitiavana kosa dia natao hiatrehana ny zavatra « tampoka sy tsy voahomana », Tahaka an’i JK izay tsy nanohitra ny sabata akory, fa nampianatra ny olona ny tena fomba tokony hitandremana azy, izany hoe « am-pitiavana ».

Tena zava-dehibe izany ! misy mety alaim-panahy mantsy fa mety tsy ho zava-dehibe na vaindohan-draharaha ny mamangy fahoriana , na mitsidika namana marary na kivy raha oharina amin’ireo fomfombam-pivavahana isan-karazany kanefa ambaran’ny fanoharana eto fa « izany fitiavana ny hafa izany no azahoana ny fiainana mandrakizay fa tsy ny fombafombam-pivavahana tsy akory» , Araka ny voasoratra hoe “Izao no fivavahana madio sady tsy misy loto eo anatrehan’Andriamanitra Ray, ny mamangy ny kamboty,sy ny mpitondra tena amin’ny fahoriany,sy ny miaro ny tena (fanahy) tsy hisy pentimpentina avy amin’izao tontolo izao” Jak 1:27

11. Mba manana ny fivavahana arahiny koa anie ny samaritana e !

Tsy hoe dokotera akory no asan’ity Samaritana ity, tsy hoe mitady olona hotsaboina sy hampiana eran’ny lalana akory izy, fa Samaritana izy, Ny Samaritana fahizay dia tahaka ny “rafilahy” teo amin’ny Jiosy, toy ny mpivadika ka lasa mpanompo sampy. Tsy mifankatia ny Jiosy sy ny Samaritana, ary tsy miatsaravelatsihy ny amin’izany izireo, tsy nifamono anefa izy, na nifanindron’antsy Sns toy ny nataon’ny kristiana isan-karazany taty aoriana, Fa vahoaka tsy mba nifampiresaka izy, tsy mety mifampisakoka, raha mifanena dia samy maka zorony tsy mba hifampiarahabana. Matetika

Page 31: RAMAMBASON Andrilaza LESONA FANDALINANA SORATRA …tomima.o.t.f.unblog.fr/files/2013/01/boky-ny-fanoharana-tome-1.pdfIII. Nampianatra ny mpianany hivavaka Jesosy eto, Nampianatra ny

anefa dia toa izany no ataontsika amin’ireo tsy miara-mivavaka amintsika, ary tsy ho zaka mihintsy raha ireny no asain’Andriamanitra arovana sy avotantsika! fa zarantsika azy izy ireny hisy hanjo azy mba handatsantsika fa « diso » ny fivavahany sns…

Araka izany dia mba manana ny lalànany sy ny fombany mandrara azy tsy hifanerasera amin’ny Jiosy koa ny Samaritana, ary mety manafatrafatra azy ireny ihany koa ny raiamandreniny kanefa tsy nahasakana azy tsy « hanam-pitiavana » sy ho « tia » izany.

12. Ary raha isika moa no mila namana?

Nalain’ilay samaritana ilay jiosy maratra, ary nasolony ny toerany teo amin’ny boriky izay notaingenany, nafoiny sy notapahiny avokoa ny « programany » fa ilay « namana » no lasa « priorité na zava-dehibe ho azy aloha , ilay namany no lasa programany aloha, Ny fitiavana dia miainga amin’ny fametrahana ny hafa amin’ny toerantsika, na koa fitoerantsika amin’ny sehatra misy ny hafa,

13. Fanotaniana sy famerenana:

1) Inona moa no andraikitry ny mpanora-dalàna teo amin’ny fivavahana jiosy ?

2) Inona no tanjon’ilay mpanora-dalàna raha nanotany an’i JK izy? 3) Inona no mety antony mahatonga ilay mpisorona sy ilay levita tsy mety

namonjy ilay naratra? 4) Nahoana no Samaritana ilay nataon’i Jesosy ho mpamonjy ilay maratra fa

tsy Jiosy? 5) Nahoana ity Samaritana ity no nanaiky hamonjy ilay naratra izay jiosy? 6) Inona no lesona omen’ny fanoharana antsika mikasika ny namana, iza

marina moa no antsoin’ny fanoharana hoe « namana » eto?

Fanamarihana:

Azon’ise atao rehefa mampianatra ity lesona ity, ny mampiasa ireo fanotaniana ireo ho fizaran-desona kosa.

Tapitra ny lesona faha 08

Page 32: RAMAMBASON Andrilaza LESONA FANDALINANA SORATRA …tomima.o.t.f.unblog.fr/files/2013/01/boky-ny-fanoharana-tome-1.pdfIII. Nampianatra ny mpianany hivavaka Jesosy eto, Nampianatra ny

Lesona faha 09

ILAY FANASANA LEHIBE

Lio 14:16-24

1. Fampidirana :

Ity fanoharana ity dia vokatry ny resadresaka teo ampisakafoanana, ary mahakasika ny « fifanasana hisakafo » ny vontoatiny. Nambaran’i Jesosy fa rehefa manasa olona hisakafo dia izay olona « tsy afaka mamerina » izany soa atao azy izany no tokony hasaina fa tsy izay sakaiza na izay mpanan-karena sy manan-kaja. Hita any amin’ny Mat 22 1-14 ihany koa ity fanoharana ity,

Raha ny filazan’ny mpadinika dia mety naverimberin’i Jesosy ity fanoharana ity , ary niampy zavatra hafa arakaraky ny zava-nisy sy ireo mpihaino Azy tamin’izany, amin’ ity lesona ity dia hanaraka izay voasoratra ao amin’ny Lioka isika, fa amin’ny lesona manaraka kosa dia handinika ny fanasana ao amin’ny Matio isika

Nandritra ny fiaraha-misakafo izay natrehan’i Jesosy Kristy io no nisy anakiray niteny mafy nanao hoe « mba sambatra izay hihinan-kanina ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra » angamba natsiro ny sakafo tamin’io, ary nieritreritra ity ranamana ity fa mbola hatsiro lavitra noho izany ny sakafo any an-danitra…(ary marina ny azy !), vakio amin’izay ary ny fanoharana fa hanomboka isika…

2. Nisy olona anakiray nanao fanasana lehibe:

Tsy misy mahasoa ny olona ety ambany masoandro hafa tsy ny mihinanana sy misotro ary ny miravoravo hoy ny mpit 8: 15, Ary na ny fanjakan’ny lanitra aza dia oharina amin’izany fifaliana izany ihany koa,Fifaliana be tokoa ny any an-danitra, ary Jehovah Ray no manasa, Tsy maintsy misy fanomanana ny fanasana hisakafo, ary mandany fotoana lava ny fanomanana raha oharina amin’ny fihinanana. Raha hoan’Andriamanitra manokana dia hatramin’ny andron’ny Testamenta taloha izy no efa nanomana ny fanasany, nanomana ny planina rehetra, hatramin’ny fanolorana ny zanany ho faty, mba ho maro no olona hanatrika ny fanasany.

Sakafo be no natao satria olona marobe koa no nasaina, na izany aza dia voahomana ara-potoana avokoa ny zavatra rehetra. Nandrasana ireo vahiny kinanjo tsy tonga, nalefa ny iraka isan-karazany mba hampatsiahy ireo nasaina fa “anio ilay fanasana”

3. Niala tsiny avokoa izy mianakavy…

Fialantsiny mahazatra no nataon’ireo vahiny, ny anakiray nilaza fa nividy tany ka mila mijery izany tany vao novidiany izany, milaza izy fa mbola misy fitadiavana hataony ka tsy afaka ny hamonjy ny fanasana izy, ny faharoa kosa vao nividy omby, miisa folo, ka mbola hamolaka ny ombiny izy. Tsy te hanova ny programany mihintsy ity faharoa ity, ilay fahatelo moa dia tena tsy

Page 33: RAMAMBASON Andrilaza LESONA FANDALINANA SORATRA …tomima.o.t.f.unblog.fr/files/2013/01/boky-ny-fanoharana-tome-1.pdfIII. Nampianatra ny mpianany hivavaka Jesosy eto, Nampianatra ny

nahalala fomba mihintsy fa sady tsy niala tsiny izy no nilaza fa vao nampaka-bady aho ka tsy ho any.

Inona no manjo ireto olona ireto? Ilay voalohany dia variana amin’ny fitadiavana, aminy dia izay misy tombotsoa sy izay mampisy vola miditra ihany no azy, toa tsy misy tombony ho azy ny hivavaka na hanaraka ny Tompo,Ilay faharoa kosa dia olona efa manana ny programany maty paika, ka tsy azo elingelenina amin’izany, efa nalefa mialoha ny fanasana, saingy tsy nataony ho zava-dehibe izany, ary raha nidrikina teo ireo iraka dia mety namaly izy hoe “ianareo tsy nampatsiahy ahy omaly na afak’omaly , izao mantsy efa vita daholo ny programampiainako”. Ilay fahatelo kosa dia tena tia tena tsotra izao, afaka mankany amin’ny fanasana izy mivady na ora iray na roa fotsiny aza, avy eo mody , saingy mamy loatra ilay fiarahana mitokana ho an’izy roa ka tsy te hamonjy izay fanasana izy!

4. Tezitra ilay mpanasa, “asao avokoa ny olona hafa”:

Ohatry ny mampalahelo ity iraka ao amin’ny lioka ity, izy irery no mivoaka sy miditra manasa sy manao tatitra amin’ny tompony, ao amin’ny Matio kosa dia maromaro izireo (endrik’ireo mpaminany sy ireo apostoly izay nifandray tsy tapaka tamin’Andriamanitra).

Nasaina avokoa ireo olona tsy noeritreretina hasaina rehetra, ny mahantra , ny marary, ny jamba, ny mandringa sns izany hoe ireo izay tsy mba misy mpanasa hatramin’izay..(endrika anehoana ireo olom-belona feno tsininy, izany, dia ireo mpanota, ireo mpijangajanga, sns)

Tena be fitiavana tokoa ity tompon’ny fanasana ity, ary faly sy tonga avokoa ireo rehetra nasolo ny olona nasaina, na izany aza anefa dia mbola tsy feno ihany ny trano… , Naniraka indray ary ny Tompon’ny fanasana mba hivoahana lavitra ny tanàna, ka hasaina avokoa na ireo izay tsy mponina ao an-tanàna aza, Ireo izay tsy fiangonana akory, kanefa noraisin’Andriamanitra ho zanaka , ireo ondry hafa ivelan’ny vala.

5. Tereo izy hiditra:

Tsy fanerena ara-nofo na fampiasan-kery ity natao ity fa « fandresen-dahatra mahery vaika » , tena natao izay haneken’izireo ny fanasana, natao avokoa na fanambatambazana na fampiderana ny voninahitr’ilay mpanasa, mba ho tsapan’ireo asaina fa « tsy ho maty antoka » izy raha mamonjy ny fanasana. Mety noresena lahatra ihany koa ireo mahantra sy misy kilema ireo satria mety tsy hino izy fa « possible » izany zavatra izany. Ary dia voatery tamin’ny fomba rehetra ny hiditra ihany ireto olona ireto tamin’ny farany.

Midika izany fa na tsy hamaly ny fanasan’Andriamanitra aza isika, dia tsy ahasakana ny fanasana tsy hatao izany, ary tsy maintsy feno ny tranon’Andriamanitra.

6. Tsy hisy hanandrana ny nahandroko ireny olona nasaiko ireny:

Page 34: RAMAMBASON Andrilaza LESONA FANDALINANA SORATRA …tomima.o.t.f.unblog.fr/files/2013/01/boky-ny-fanoharana-tome-1.pdfIII. Nampianatra ny mpianany hivavaka Jesosy eto, Nampianatra ny

Ity ihany koa dia mety hanazavana ilay hoe “tsy mahazo famelan-keloka mandrakizay izay miteny ratsy ny Fanahy Masina », Marina fa manasa sy manambitamby ny olona rehetra Andriamanitra, kanefa izay “minia mandà” izany kosa dia tsy hisy hevitra intsony ny aminy, satria tsy manery Jehovah.

7. Toa tsy misy hasiny amin’olona ny zavatra maimaim-poana :

Raha nisy fidirana ve ity fanasana ity dia tsy ho avy ireo izay nandray zany? Sady raha amin’ny ara-nofo dia sarotra inoana ihany izany olona handà tsy ho any amin’ny fanasana izany, indrindra hoe « mariazy » saingy satria ara-panahy ilay fanasana dia tsy tsapan’ny olona ny tena lanjany.

Ahoana no endriky ny fanasana raha eto amin’izao tontolo izao ?: Ireo fikambanana kristiana maro dia manasa ny olona rehetra mba handray ny fanasàna, ary manasa azy ho isan’ny fianakaviamben’ny Kristiana, hiaraka hivavaka sy hidera an’Andriamanitra sns sns

Sao mba ratsy laza kosa ilay « Tompon’ny fanasana » ?: Raha ny zavatra mitranga eo anivon’ny fiangonana maro dia toa tsy omena tsiny raha tsy mazoto hiditra ny olona, indraindray dia malaza ratsy ny fiangonana ,toa tsy fety sy fifaliana no tsapa ao am-piangonana fa toa endrika maloka toy ny mamoaka faty, ary mangina sy manjombona, Misy koa tsy fifankazahoana tsapa. Ny fahitana sy fahatsapana ireny zavatra ireny no mety ho mahatonga ny olona tsy mazoto ny hiditra ihany koa, Mety ho “tsy mamely” ny programa, na ny fomba fitarihana, ny toetrantsika mpitarika manginy fotsiny, mety tsy mahay manasa akory isika, Mety tsy hitan’izireny amintsika sy eo amin’ny fiainantsika akory hoe “mahazo tombony isika”, fa indraindray aza dia manamarina ny fihevitry ny olona antsika ho “matiantoka” ny endrika sy sary asehontsika.

8. Fanotaniana sy famerenana:

1) Iza , na inona avy ireo karazan’olona nasaina tamin’ity fanasana ity ? 4) Raha amin’izao fotoana izao dia tahaka ny ahoana no endrik’ireo karazana fialantsiny ireo ?

Tapitra ny lesona faha 09 – Zoky Andry

Page 35: RAMAMBASON Andrilaza LESONA FANDALINANA SORATRA …tomima.o.t.f.unblog.fr/files/2013/01/boky-ny-fanoharana-tome-1.pdfIII. Nampianatra ny mpianany hivavaka Jesosy eto, Nampianatra ny

Lesona faha 10 ILAY AKANJO FITONDRA AMIN’NY FAMPAKARAM-BADY

MAT 22:12-13

1. Fampidirana:

Tsara raha atao lesona mitokana mihintsy ity lesona ity, satria tena zava-

dehibe iankinan’ny famonjena no raketiny, ary mampiavaka ny fiangonantsika

ihany koa.

• Fa tsy nijanona hatreo ilay tantara mikasika ilay fanasana fa any amin’ny Matio dia misy tohiny mahazendana ihany koa ; Nisy lehilahy anakiray izay tsy nitondra ny akanjo fitondra amin’ny fampakaram-bady tao, ka na isan’ny nasaina aza izy, dia tsy maintsy navoaka ary dia natsipy mihintsy fa tsy hoe nohajahajaina.

« Ry sakaiza nahoana hianao no tsy manao ny akanjo fitondra?»

Manintona ny saina ilay tenin’ ilay tompon’ny fanasana hoe “ry sakaiza” , midika izany fa fantany tsara io lehilahy tsy manao ny akanjo tokony fanaovana io, mety mpiresaka aminy isan’andro io, mety mpamita iraka, tena sakaizany mihintsy izy! Saingy tsy nahavonjy azy ny fahafantarany fotsiny an’ilay mpanasa, fa mila miakanjo ilay “akanjo” izy.

Efa fantantsika fa ny fampakarambadin’ny zanak’ondry no resahin’i Kristy eto, na ny fitsaràna farany ihany koa, ary voaasa ho any avokoa ny olona rehetra, saingy hay misy fepetra hafa ankoatry ny “fazahoana fanasana” ny fidirana ao amin’ny lanonana:

2. Inona izany akanjo izany?:

Any amin’ny tany arabo dia misy akanjo fitondran’ny rehetra rehefa manatrika lanonana mihaja na fotoam-pivavahana na koa fampakaram-bady, any amin’ny tany tandrefana koa dia ilaina mihintsy ny manao « kravato » sy lobaka rehefa mamonjy lanonana mihaja, sns, raha tsorina dia mila akanjo miavaka sady itovizana amin’olona rehefa ny famonjena fanasana.

Jesoa kristy no “Akanjo” itafiana : Rom 13 :14, « Fa na iza na iza natao batisa hoan’i Kristy dia nitafy an’i Kristy » Gal 3 :27

Misy akanjo tsy izy! Mazava eto fa ny fanaovana batisa amin’ny anaran’i kristy izany dia fandraisana akanjo, koa satria misy ny akanjo tsy izy dia misy koa izany ny kristy tsy izy.

3. Iza no Kristy tena Izy ? : I kor 15: 3-4

Ny fiainan’I Jesoa Kristy dia efa voalaza mialoha sy nambara mialohan’ny ahatongavany ara-nofo ety an-tany. Izay “maty araka ny soratra masina, nilevina , ary nitsangana araka ny saoratra Masina” Hoy ny Baiboly, izany hoe izay Jesoa manaja sy manaraka ny voalazan’ny Soratra Masina mialoha no Jesoa Kristy fa tsy izay Jesoa manohitra ny Soratra masina, Ireto misy santionany mety ahafantarana azy:

1. Zazalahy (Isa 9 :5), taranak’i Davida

Page 36: RAMAMBASON Andrilaza LESONA FANDALINANA SORATRA …tomima.o.t.f.unblog.fr/files/2013/01/boky-ny-fanoharana-tome-1.pdfIII. Nampianatra ny mpianany hivavaka Jesosy eto, Nampianatra ny

2. Hateraky ny vehivavy mbola virijina (Isaia 7 :14) 3. Ho Teraka ao Betlehema (Mika 5 :1) 4. Hialohavan’ny « Elia ilay mpanamboatra na mpanomana ny lalana na I

Jaona mpanao batisa» (Mal 3 :1) 5. Hitaingina zana-boriky (Zakaria 9 :9) 6. Ivadihan’ny sakaiza mpiara-mihinana taminy (Sal 41 :9) 7. Hampijaliana sy nokapohina ary nolefonina (Isa 53 :3-5) –(Zak

12 :10) 8. Izy no zanak’ondry hovonoina (Isa 53 :7) 9. Hahatona tamin’ny hazo (Nom 21 :9) 10. Hilokana ny fitafiany (Sal 22 :18) 11. Hovonoina tamin’ny antsasaky ny herin’andro (Dan 9 :27) 12. Maty mialohan’ny paska (Eks 12-11) 13. Tsy notapahana ny taolany (Eks 12 :46) 14. Hitoetra telo andro sy telo alina anatin’ny tany (Mat 10 :40) 15. Tsy tratry ny lo (Salamo 16:10) 16. Mitoetra eo akavanan’ Atra (Sal 110 :1)/sns ireo rehetra ireo sy izay sisa mbola tsy notanisaina dia voalaza mialoha (araka ny soratra Masina) avokoa

4. Ny andro nahafatesan’ny Jesoa Kristy marina:

Noho io fanazavana io dia : Tsy marina ny fiheverana fa maty zoma ny Tompo, fa maty ny andron’ny Alarobia izy, ary nalevina mialohan’ny fidiran’ny paska Jiosy. Nitsangana ny harivan’ny Sabata Izy,

Paska Jiosy Sabata Lehibe Jaona 19 :31

Rehefa afaka ny andro sabata (Paska) dia nividy zava-manitra Mar 16 :1 Nividy sy nanamboatra menaka manitra, ny zoma ,ary nitsahatra ny ampitso sabata Lio 23 :56

Andro fiomanana Jao 19 :14 Jao 19 :31

Nitsahatra fa sabata Lio 23 :56

Efa nitsangana ny Tompo

Lio 24 :5-6

Latabatry ny Tompo Mofo sy Divay “Nihinana ny paska dieny tsy nijaly” Lio 22:15

Ora Nitsanganana Feno ny telo andro sy telo alina Mat 10:40

Nakodian’ny anjely ny vato

Lio 24:2 Mat 28:1-6

Nosamborina, tao getsemané Mat 26:36

Nalevina

Alina Alina Alina Andro Alina Andro Alina Andro Alina

Talata Alarobia Alakamisy Zoma Sabotsy alahady

Page 37: RAMAMBASON Andrilaza LESONA FANDALINANA SORATRA …tomima.o.t.f.unblog.fr/files/2013/01/boky-ny-fanoharana-tome-1.pdfIII. Nampianatra ny mpianany hivavaka Jesosy eto, Nampianatra ny

5. Midika inona moa izany ?

Misy ny fitafiana tsy izy, na Jesoa Kristy sandoka, izay mamitaka ny olona , eny na ny kristiana maro aza, ka tahaka antsika izay rehefa mivavaka dia miteny hoe « Jesoa Kristy avy any nazareta sns » dia ilaina mihintsy ny manaiky sy mandray ilay Jesoa Tena Izy, ary manamafy fa Jesoa Kristy maty sy nalevina ary nitsangana araka ny soratra Masina no ivavahana (Na koa hoe maty tamin’ny antsasaky ny herin’andro, nijanona hateloan’andro sy hateloan’alina tao anatin’ny tany). Rehefa mino an’izany isika dia « Atao Batisa amin’ny anaranY” ka mandray ilay fitafiana tena izy.

6. Fanampiny:

Ity fanoharana mikasika ny akanjo tena izy ity dia mahalasa ny saina amin’ireo famantarana marobe hifankafantaran’ny Jehovah Ray amintsika vahoakany, misy maromaro koa ireo fifamantarana ireo na (tombokase) raha ny ambaran’ny baiboly:

o Ny famoràna: Rom 4:11 o Ny Sabata : Eks 31:13 o Ny Ràn’ny zanak’ondry: Gen 12:13 o Ny Fanahy Masina: Efes 1:3 o Ny anaran’ny Ray mipetraka eo amin’ny handrina Apok 14:1 o Ny Fitafiana an’I Kristy tena izy Mat 22:12-13 sy Gal 3:27 sns

Ny fifankatiavana kosa dia marika ivelany ahafantaran’izao tontolo izao ny kristiana.

7. Fanontaniana sy femerenana:

1- Araka ny hevitrao, nahoana ity lehilahy ity no nahasahy nanao akanjo

tsy mitovy amin’ny rehetra? 2- Iza no ambara fa fitafiana ara-panahy araka ny voalazan’ny Baiboly 3- Amin’ny fotoana inona no handraisana io fitafiam-panahy io? 4- Aminao, inona no antony maha diso hevitra ireo milaza fa maty zoma

Kristy? Taiza na tamin’inona ireo olona ireo no “voafandrika”?

Tapitra ny lesona faha 10 -