-
- LAHARANA FAHA 13 -
HO HITANAO ATO :
Inona ny TAMIFA Madagascar
Leadership ve ?
Trandraho ireo harena Tsy hita maso
Ny famatsiam-bola eo amin’ny fihariana
Ny Business model
Fihariana misy varany
Maninona ireo vahiny no mpanefoefo be eto
Madagasikara?
EBOOK CADEAU
NY SUBCONSCIENT SY NY
TSIAMBARATELONY
Sombiny kely ihany amin’ireo lahatsoratra miboiboika amin’ ireo
endrika ara-elektronika izay navoakan’ ny TAMIFA Communication ka
amporisihana antsika tsy an-kanavaka ny fanarahana azy no
natambatra amin’ ity laharana iray ity. Nofantenanay ireo asa
soratra izay tena manasongadina an’izay fivoy tato ho ato ary koa
ireo navoakan’ ny Mpitarika manokana mba hahamora ny fahazoantsika
manakatra azy akaikaiky kokoa.
Marika maneho ny fahavononan’ ny TAMIFA Madagascar hatrany ny
hitozo kokoa eo amin’ny ezaka fampandrosoana ny tanora no
antonanton’ izy ity.Indrindra eo amin’ ny fanetsehana
Fifeheza-mitarika (Leadership) sy fiatreham-pihariana (Esprit
d’entreprise) izay teboka roa(02) lehibe hanompanany ny asa
aman-draharahany. Goavana rahateo ny fanamby ilokalokana
ankehitriny. Izany dia mifantoka amin’ ny fampitomboana ny isan’ ny
tanora mahefa sy mahomby amin’ ny fampivoaran-tena ho reharehan’ ny
fiaraha-monina ka sehatra hanajariana izany no ifandrindrana ao
anaty Fikambanana. Raisinay ato amin’ ny TAMIFA Communication izay
rafitra iray eo anivon’ ny TAMIFA Madagascar efa hatramin’ ny taona
2011 ny antoka ho amin’ ny famelomana sy ny fampiroboroboana ny
endrika elektronika rehetra sahazan’ ny lentan’ ny fandrosoana
atrehintsika ankehitriny. Azontsika tsaraina ary indrindra
angatahina setriny tsy misy henamaso avy amintsika sahady amin’
izao fotoana izao ny nandrafetana sy nampiainana ireo lafiny telo
(03) niadidianay mba ho fanatsarana ny dingany manaraka
:Voalohany,ny tranonkala ofisialy (http://www.tamifamadagascar.tk)
izay saika misy ireo fampitam-baovao sy tolotra rehetra entin’ ny
TAMIFA Madagascar sy ny ambaratongany rehetra (Lahatsoratra
samihafa,Fizarana boky mahasoa sy tahirin-kevitra,
fampianarana,….).Faharoa, eo ny Facebook
(http://www.facebook.com/groups/tamifamadagascar) izay tambazotra
malaza sy tena fampiasan’ ny tanora.Ary fahatelo,eo ny gazetin’ ny
Fikambanana “ RANITRA” tahaka itony izay mivoaka tsy tapaka . Asa
ny Mpikatroka isanisany raha hahatsangan-tsehatra
itrandraham-pahalalana, hanehoana sy hanitaran-kevitra mihoatra
noho ny toerana sy faritra mahazatra azy.Asa ny mpiombon’antoka
mpiara-miantsehatra sy ny mpitazana raha hahavita hampita ny
eritreriny ary ho afaka handrefy tsy ho amin-tendrony. Fa raha
mbola fampahombiazana ankalazaintsika io no malaza dia ny
manoka-dàlana handafarana kosa izao no tandrify azy.Soava ho amin’
ny fifamoivoizantsika àry!
TAMIFA Communication
http://www.tamifamadagascar.tkhttp://www.facebook.com/groups/tamifamadagascar
-
Inona ny TAMIFA Madagascar ?
Mila sehatra hanandratany ny maha-izy azy ny tanora.Sehatra
miantoka ny fampahombiazana ny fampivoaran-tena eo amin’ ny
tsirairay.Dingana iray ho enti-mandray anjara amin’ izany no
fototry ny antom-pisian’ ny TAMIFA Madagascar.
Hatramin’ ny taona 2009 no ho mankaty,dia mifantoka kokoa amin’
ny fanetsehana ny fifeheza-mitarika sy fiatreham-pihariana ny asa
aman-draharaha iompanany ka miorina amin’ ny fomba fiasa
iaraha-mandrafitra sy fitsinjarana andraikitra mazava izany.
Toe-tsaina manohana hevitra tsotra no imasoany:
Miara-mandinika izay mahasoa sy mijery ny azo ifanampiana
Miara-mamolavola asa mikendry vokatra hisongadinana
isan-tokony
Ka avy amin’ny alalan’ny fifanakalozana sy fifampizaràna :
zava-pantatra (information), fahalalàna
(Connaissance),fifeheza-manao(Compétence),haizatra(Expérience),
fifandraisana (Relation)no hifampanjariana ny asa rehetra ao
anatiny ka ankoatry ny ezaky ny tenany dia mifarimbona amin’ ny
sokajin’ olona na vondron-kery afaka mifandrindra aminy ny TAMIFA
Madagascar. Fepetra hentitra kosa ny tsy itsabahan’ ny Fikambanana
amin’ ny lafiny politika sy fironam-pivavahana.Malalaka kosa ny
tsirairay ny amin’izay safidiny ho amin’izany.
NY ZAVA-KINENDRY ANKEHITRINY:
Mahazo vahana amin’ny fifeheza-mitarika sy fiatreham-pihariana
ny Mpikambana tsirairay hisondrotan’ ny TAMIFA Madagascar ka
andraikitry ny rafitra isanisany ao aminy ny mitondra ny tandrify
azy sady mahazo koa ny anjara tandrify azy avy amin’ izany.Ireo no
mikendry ny fahatontosan’ ny tanjona ankapobeny araky ny
faritan’ireo Fitsipika samihafa rahateo ifamatorana eo anivony.
Araka izany,dia tefena ho fitaovana hitarika ho amin’ ny
fandrosoana ity sehatra ity izay marihina fa efa mijoro
ara-panjakana ka samy tompon’ antoka amin’ ny fampivelarana ny
ambaindainy ny Mpikambana tsirairay. Misokatra ho an’ ny tanora tsy
an-kanavaka vonona sy hitozo amin’izany asa izany ny TAMIFA
Madagascar.
LEADERSHIP VE?
Ny fandinihana ny tantaran’ ireo olo-malaza eran-tany sy tafita
teo amin’ izay nifotorany no niaingan’ ny fianarana ny
Leadership.Ny fahatsapana fa tsy kisendrasendra akory ny maha
tafapetraka eo amin’ ny toerana Leader izany no antony mahatonga
azy ho iray amin’ ireo taranja tsy
maintsy atao (obligatoire) sy lafo vidy any amin’ ireo tany
manan-karena toy ny any Amerika. Tsy misy rahateo ny nateraka dia
Leader avy hatrany.Ary ny rehetra dia afaka ho tonga Leader avokoa
raha tena mikokotra. Tsy mijanona ho fananana azy ho fahaizana
fotsiny ihany anefa no tena zava-dehibe aminy fa ny fahafehezana.
Hita ho manakaiky azy kokoa ny fandikana amin’ ny teny Malagasy hoe
“Fifeheza-mitarika”izay noraisintsika ato amin’ ny TAMIFA
Madagascar. Araka izany dia azo faritana tsotsotra hoe fianarana ho
amin’ ny fampivoaran-tena mampizotra amin’ ny fahombiazana ny
Leadership.Izy no isan’ ny miantoka ny fampivelarana ny maha-olona.
Ny fiheverana manokana manodidina ny olona no antom-pisiany ka ny
tenantsika tsirairay mihitsy no mila mahafehy azy. Diso ny
fitsarana am-bolony indraindray fa natao ho an’ ireo mpanao
politika sy mpitondra fanjakana ihany no tena manandrify ny
Leadership.Tsy afaka mivelona samirery eto ambonin’ ny tany isika
fa tsy maintsy misy ny hafa mifampiankina amin’ ny tontolontsika.Ny
fandaminana ny fiarahana eo amin’ ny mpiray monina sy sahan’asa
hampahomby izay kendrena no idiran’ ny Leadership.Ny olona mandray
ho tompon’antoka eo amin’ ny raharahany,ny tanora haka andraikitra
samihafa eo amin’ny fiainany sy mitady fivelarana dia samy mila
izany avokoa. Isan’ ny afangaron’ ny sasany eo amin’ ny fanoritana
azy amin’ ny Management ny Leadership izay tsy mitovy na dia
mifameno aza eo amin’ ny fampandehanan’asa.Ny fampitoviana ny olona
amin’ ny zavatra izay azo tantanina ara-bakiteny no mahavoa sy
mamandrika ny maro ankehitriny. Ny zavatra tokoa no azo tantanina
(Management) saingy ny olona kosa dia tarihina (Leadership). Io
fahaiza-mandamina ny olona amin’ ny fitarihana io no
Leadership.Indraindray mantsy toa adino fa ny fahazoan’ ny sehatra
iray toy ny orinasa na Fikambanana teboka miabo dia tsy maintsy
niainga sy niankina tamin’ ny olona izay nikokotra sy niasa
taminy.Raha te hampitombo vokatra tsaratsara kokoa noho izany
ankoatra ny lafiny hafa toy ny ara-teknika dia tsy maintsy mijery
sy mifantoka koa amin’ ny olona izay otrikarena (ressources)
voalohany.
Be ny dingana tsy maintsy lalovan’ ireo izay maniry ho Leader ka
ifampizarantsika Mpikambana lalandava eto ny andinindininy satria
mitaky famoronana tanora Leader be dia be amin’ ny lafiny rehetra
isika raha hikatsaka fandrosoana mitombina ary aty anaty
Fikambanana toy izao dia lalana iray manetsika ho amin’izany.
-
INONA NY ATAO HOE SUBCONSCIENT?
Maro ny maniry ny hahalala tsara ny atao hoe Subconcient sy ny
ilàna ny fifehezana azy eo amin’ ny andavanandrom-piainana.Nentina
hanazavana tsotsotra izany ity lahatsoratra ity
ary niniana ny tsy nampiasa fandikan-teny azy amin’ ny teny
malagasy na dia efa misy ihany aza ny olona sasany miezaka mamorona
voambolana hanondroana azy (Tonontsaina, amparahatoka,….)
Manana hery ara-batana sy ara-tsaina tsy hita pesipesenina ao
aminy ny olombelona tsirairay. Ny Dr William James izay rain’ ny
psychologie moderne dia nahatsapa fa ny folo isan-jaton’io hery io
ihany no tena ampiasain’ ny besinimaro matetika.Ny ambiny dia lasa
mijanona ho harena tsy voatrandraka ao anatintsika ao.
Ireo karazan’ olona te hivelatra amin’ ny asa sahaniny toy ny
tanora milofo amin’ ny fiainana mba te ho tafita, ny ray na
renim-pianakaviana te hampirindra ny tontolon’ ny ankohonany, ny
mpanao raharaham-barotra te hampiroborobo ny fihariany, ny mpanao
politika te hisarika vahoaka sy mandresy lahatra amin’ ny
fampanjakana ny heviny, ny mpivavaka te hampitombo kokoa ny finoany
an’Andriamanitra dia samy mampiasa ny ampahany amin’ izy io mba
hampiteraka vokatsoa amin’ ny tandrifiny. Ny mpandraharaha vaventy
any amin’ ireo orinasa matanjaka any am-pita moa dia tsy mitsitsy
vola mihitsy manakarama lafobe amin’ ny fihazana olona mahafehy ny
Subconcient.
Izany hoe singa iray miantoka ny fampivoaran-tena ny
fahafehezana azy ka ny fiasana na ny fampiasana ny Subconscient no
mitana anjara toerana goavana amin’ izany hery izany.Ireo mpianatra
miofana manokana momba ny fitarihana olona (Leadership) rahateo dia
milafika manokana sy manome lanja azy . Fa inona marina moa izy ity
ary aiza no misy azy?
Ny fahasalamana no voalohan-karena hoy ny fitenenana ka adidin’
ny isam-batan’olona ny mitandro sy mikojakoja ny tenany
.Mifampiankina no sady mifameno ny asan’ ny vatana sy ny saina
kanefa mazàna dia ny ara-batana ihany no mahavantana antsika ny
mikarakara azy.Toa adino ny saina izay faritra iray lehibe miantoka
ny fivelomana ara-dalanan’ny olombelona.Na ny marina kokoa, tsy dia
noheverina loatra izany fa nosokajiana ho toy ny mandeha ho azy
fotsiny.Raha sanatria anefa ka ao no tsy metimety dia fahavoazana
mitranga ho an’ ny tena iray manontolo.
Mikotrana amin’ ny karazam-panatanjahan-tena toy ny hazakazaka
ohatra isika.Midio sy mandro isan’andro saingy ny vatana ivelany
ary ny taza-maso ihany no vita mangatsakatsaka.Ny saina kosa dia
tsy tafiditra ny fanadiovana azy.Mety hanontany ianao hoe ahoana
koa izany? Tsy mamono eritreritra amin’ ny fisotroan-toaka
ve no dikan’izany? Io fikarakarana ny saina io anefa no tena
fomba ampiharin’ ireo mpamolaka ny Subconscient ary ny zava-doza
dia misy mampiasa izany ho fitaovam-pandemena fa tsy amin’ ny
fandrosoana.
Hain’ ny mpitondra na ny mpanao politika ohatra ny mandroboka ny
olona amin’ ny hevitra izay tsapa fa tsy dia mitombina akory rehefa
fakafakaina.Any an-dafy any dia misy mihitsy sampana manao
anton-draharaha izany (Ingénierie du contrôle de la masse).Gaga ny
rehetra aty aoriana manontany ny antony nampiraikiraky azy noho
izany izay tsy inona fa dia mbola filalaovana ny manodidina ny
Subconscient daholo.
Etsy an-daniny koa dia misy aretina misoko mangina manafika
mandrakariva io saintsika io ka mitarika fahavoazana ho azy
tsikelikely.Izany aretina izany dia tsy tsapantsika na henon’ny
vatantsika ny fisiany kanefa dia miantraika amin’ny tena mivantana.
Ahoana izany hoy ianao?
Tantara kely izay maneho ny endrika iray amin’ireo
soritr’aretina ity: Mbola tovovavikely i Robertine tamin’ izany
teny Itaosy no nanontaniako an’ izay finoana arahiny.”Propestant”
izahay hoy izy.Avy hatrany aho dia nanitsy azy hoe “Protestant “no
izy fa tsy propestant”! Roapolo taona taty aoriana vao nifankahita
indray izahay satria izy nanohy ny fianarany ambony sy nipetraka
tany Frantsa.Rehefa nifampitafatafa teo, nanontany azy indray aho
hoe mba mandeha mivavaka toy ny aty ve ianareo rehefa alahady any
am-pita any? Dia hoy ny navaliny:”Tsy tapaka izahay mamonjy
fotoam-pivavahana isan-kerinandro any amin’ ny fiangonana
PROPESTANT any Marseille.”Mety hampihomehy antsika saingy inona no
tiana ambara?
Efa raiki-tampisaka eo amin’ i Robertine hatry ny fahakely
mihitsy ny fanononana ny Protestant ho Propestant ka dia tsy afaka
eo am-bavany intsony na dia nifandimby aza ny taona sy nandroso ny
fianarany.Ny antony dia efa tavela ao amin’ ny Subconscient-ny
izany zavatra izany ka tsy mety voaova sy toy ny mandeha ho
azy.Zava-bitika ny fiheverantsika hatrizay ny tarehin-javatra toy
io kanefa dia ilàna fitandremana.
Araka ny fanazavana ara-tsiansa avy amin’ ny mpandalina mantsy
dia misy lafiny roa (02) mandrafitra ny saina ka ny ilany voalohany
atao hoe”Conscient”.Io ilay saina mamakafaka sy
mandanjalanja.Manamarina ny tena zava-misy ary maka ireo
fanapahan-kevitra tokony ho ekena na koa ho lavina.Izy dia lafiny
mahay manasivana ny soa tokony hampidirina sy manala ny ratsy tsy
ilaina.Ny ilany faharoa kosa izay ny Subconscient dia ny saina tsy
mahay afa-tsy ny mitana izay rehetra hita, heno sy tsapa ary
tsaroana.Ao no mipetraka ny fahazarana izay nanjo an-dRobertine
ohatra,ny faniriana sy ny fihetseham-po samihafa ka hery goavana
ananany ny fanosehana ny tena iray manontolo hanatontosa izay
hevitra efa masaka sy tafapetraka ao anatiny ao.Ny Subconscient
izany dia tsy inona fa ampahany amin’ ny saina izay mitahiry
ireo
-
hevitra lalina efa miraikitra amin’ ny olona iray ka afaka
mibaiko azy tsy nahy tsy manaraka ny sitrapon’ ny lafiny“Conscient”
ao anaty.Izy dia tsy mahay manasivana fa mandray avy hatrany izay
alentika ao aminy.
Toa hafahafa izy izany hoy ianao angamba saingy araho koa ange
ity tantara iray ity izay mbola tantarana tovovavikely koa.Tantara
tena marina ary nivoaka tamin’ ireo haino aman-jery teto
Antananarivo taona vitsivitsy lasa izay.Nifankatia tamin-jazalahy i
Sandratra zanaka dokotera tetsy Mahamasina.Noraràn’ ireto ray
aman-dreniny mafy tsy hiaraka anefa izy roa kely ireto nohon’ ny
antony izay tsy idirantsika eto.Fandraràna izay zary niteraka
fankahalàna tao an-tsain’ ireto mpifankatia rehefa
niverimberina.Rehefa nandeha ny fotoana,naka fanapahan-kevitra izy
roa fa hamono ho faty mihitsy an’ ireo ray aman-dreniny nahitany
masoandro.Ny niafaràny dia tanterany ny tokoa izany fihetsika
henjana izany satria tao anatin’ ny iray andro monja dia matiny
avokoa tsy nisy antra izy mivady lehibe niaraka tamin’ ny mpiasa
iray mpanampy tao an-trano.Mbola eny amin’ ny fonjan’ Antanimora
ireto tanora ireto no mizaka ny saziny mandraka ankehitriny.Mety
hierireritra angamba isika hoe sao nidoroka zava-mahadomelina izy
ireto teo am-panatanterahana izany saingy ny tiana avoitra kosa dia
ny fiasan’ ny Subconscient tao an-tsainy:
1/Hevitra efa mifikitra ao an-tsainy ny hifankatia ka tsy misy
na iza na iza afaka hanozongozona azy.
2/Mamorona fankahalàna ho azy ireo tsikelikeky ny fandraràna
natao azy ireo ka nanamora ny asan’ ny Subconsient ho tonga hatrany
amin’ ny famonoana olona mihitsy.Resy tosika teo ny
“Conscient”.
Isika rehetra mpamaky koa dia manana ohatra velona samihafa efa
niainana ny fiasan’ ny Subconcient .Indraindray isika miresaka hoe
toy ny hoe nentin-javatra sy tsy tompon’ ny tenako aho tamina seho
nitranga iray tahaka izao, na koa tsy nampoiziko hahavita zavatra
toy izao na toy izatsy ny tenako kanefa dia tafavoakako soa
aman-tsara ihany ilay izy.Ary na ny ntaolo malagasy aza dia
nahatsapa amin’ny alalan’ ilay filaza hoe: “Aleo enjehin’ ny omby
masiaka toy izay enjehin’ ny eritreritra”.
Araka izany, dia na iray alehany: Fositra mamorika sy mitondra
fihemorana ho an’ ny fiainanao ny herin’ ny Subconscient.Na iray
izorany: Tombony manokana ho lasa fitaovana hanampy sy hanamora eo
amin’ izay atrehinao izy.Ny dikany dia ilaina ny hifehezana azy ary
azo tomorina akaiky ny mitrandraka ireo teknika samihafa amin’izany
satria zovy moa no tsy te hampahomby ny tenany?
« Douter de tout et tout croire sont deux solutions également
commodes qui l’une et l’autre dispensent de réfléchir »
Poincaré
Naina RAKOTOMALALA
« TRANDRAHO IREO HARENA TSY HITA MASO»
Iray tamin’ireo teboka izay navoitran’ i Ndriana RAKOTONDRATSIMA
tamin’ ny tafatafa nifanaovana taminy tao amin’ ny tranonkala ny
manodidina ny fiatreham-pihariana.Nambarany fa tsy voatery ho vola
avy hatrany akory no tokony abahana ao an-tsaina voalohany raha vao
manetsika fihariana.Tsy lavina hoy izy fa ilaina ny vola eo amin’
ny fiainana saingy tokony hijanona ho fitaovana ho
enti-manatanteraka izay kinasa na vinan’ ny tsirairay izay faritany
izany. Amin’ ity Filoha nasionalin’ ny TAMIFA Madagascar ity dia
misokajy ho roa no karazan-karena azo tovozina eto ambonin’ ny
tany. Ny voalohany dia ny harena hita maso na richesse visible.Io
ilay hitsarantsika mazàna ny olona eo amin’ ny fiaraha-monina hoe
manankarena i Ranona na tsy mbola lasa lavitra.Avy amin’ ny
fijerena sy fitanisana ireo fananana hita maso toy ny tranobe
mijoalajoala mitsangana, fiara raitra lafo vidy, tany, omby sy ny
sisa no fandrefesantsika azy. Fa ny faharoa dia ny harena tsy hita
maso na richesse non visible.Ny Ntaolo malagasy ohatra dia nilaza
fa ny fahasalamana no tena voalohan-karena ary ny lova tsara
indrindra izay harena mendrika ho an’ ny tanora dia ny fahaizana
amam-pahalalàna. Misy koa ny fahendrena sasany izay manindry fa ny
filaminan-tsaina anaty na paix intérieure no tena izy.Izany hoe na
mivangongo tahaka ny inona aza ny vola amam-pananana eo
am-pelantananao dia mety hidika ho fahantrana ihany izany raha toa
ka tsy mirindra ny ampahany amin’ ny fiainanao: toy ny
fifandraisanao amin’ ny fiaraha-monina,ny olana eo amin’ ny
fitiavana sy tontolom-pianakaviana,….. Mamporisika manokana ny
tanora i Ndriana RAKOTONDRATSIMA hifantoka kokoa amin’ ny
fitrandrahana ny harena tsy hita maso.Ny saika itovizan’ireo olona
mpanefoefo sy misongadina eran-tany rahateo dia ny fahaizan’izy
ireo nampiasa ity harena faharoa ity.Ary na ahoana na ahoana koa
dia tsy maintsy tafiditra tanatin’ izany ny tetika
fifeheza-mitarika nilafihany.Misy hotsakotsakoina e!
TAMIFA Communication
-
FANDRINDRAM-PIHARIANA: AHOANA NY AMIN’NY FAMATSIAM-BOLA?
Resaka saika aroson’ny tanora rehefa mba midinika ny
amin’ny fananganana fihariana ny mikasika ny sakana lehibe eo
amin’ny vola ho enti-mihetsika (Fonds de départ).Betsaka tokoa ny
manan-kevitra hamorona manokana orinasa ho an’ny
tenany kanefa tsy mahavita manainga izany nohon’ny
enti-manana.Mankany amin’ny banky na rafitra mpikirakira vola
(Institution financière) izy ireny kanefa dia maro ny fepetra toy
ny hoe tsy mampindrana ho an’ireo vao hanorina,mitaky antoka
lehibe,fahasarotan’ny antontan—taratasy ilaina.Adihevitra mipetraka
noho izany ny amin’izay tokony hatao,inona avy sy hatraiza ny
andraikitry ny Fikambanana toy ny TAMIFA Madagascar? Nifanatona
indrindra tamin’ny Mpandrindra Foibe Naina RAKOTOMALALA izahay. «
Voalohany indrindra dia tsara ho an’ny tsirairay aloha ny miasa
manangona, mangorona traikefa ary mianatra ny atao hoe fitantanana
marina mba hahafahana manoritra izay tokony hizorana.Mitaky
finiavana, fandavan-tena ary herin-tsaina matanjaka ny mitantana sy
manangana orinasa iray na dia heverina ho bitika aza izy eo
am-panombohana.Ilaina ny mikatroka avy hatrany ka ilofosana ny
fampahombiazana azy.Ny fitadiavam-bola,ny tsena,ny fifandraisana
(Contact) dia manaraka ho azy avy eo arakaraka ny filan’ny orinasa
izay najoro.Rehefa feno tsara ny fahavononana dia roso
amin’izay.Mibata ny voangona na ara-bola na ara-tsaina ka ireo no
atolotra ny olona na ny ambaratonga hikarohana fanampiana.Ho azo
antoka kokoa amin’izany fa hisy mpandinika ny mombamomban’ny
tetik’asa nentina. Faharoa,ny TAMIFA Madagascar dia tsy mpamatsy
vola akory fa sehatra natao hanamora sy hifanakalozana satria
isan’ny kendreny ny mamelon-kasina mampizatra ny tanora ny
kolon-tsaina miroboka amin’ny fihariana sy fandraharahana (Culture
d’entreprise et sens d’affaire).Azon’ny samy Mpikambana ny
mifampiantoka(Caution solidaire) rehefa maty paika ny tetik’asa sy
ny fifandaminana ho amin’izany.Ny lehibe indrindra dia ny
fahafehezan-javatra satria ny asa tsy hay dia tsy hamokatra na
oviana na oviana.Manana rafitra manokana miadidy ity
fandrindram-pihariana ity sy ny manodidina azy ny Fikambanana ka
raharaha ilafihany ny mifampizara haitao,miofana sy mifampianatra
mivantana,mandrafitra tetik’asa isan-taranja hanaraka
fenitra,mifandray sy miantsehatra amin’ny sokajy samihafa.Marihana
moa fa samy azo ketrehina ato amin’ny TAMIFA Madagascar na
soritr’asa mandeha ho an’olon-tokana na soritr’asa ifanakonan’ny
Mpikambana vitsivitsy( Projet individuel ou collectif). »
MPAMPITA: Lova RAZAFINJATO Mpiandraikitra ny
TAMIFA Communication
Ny concept vaovao amin’ny fandrafetana projet :
Ny business model Tamin’ny fotoan’andro teo
aloha, talohan’ny taona 80-90, dia mbola maro amin’ny entana ilaina
no tsy nahafeno ny tolotra misy. Nisarika ny maro noho izany ny
fianarana manamboatra ilay vokatra; ary rehefa mamorona orinasa avy
eo dia ny fomba fanamboarana ilay vokatra no tena nahamaika
voalohany, fa izay mahita ny fomba fanamboarana ilay vokatra no
nahazo ny tsena. Tapitra hatreo izay “concept “teo aloha izay,
miova izao ny tontolon’ny asa. Mitobaka ary isan-karazany
karazan’entana amin’izao fotoana izao, ary misy kalitao maro sy
mitondra valeurs samihafa. Nanafaingana izany moa ny tosiky ny
toekarena Sinoa, ireo firenena aziatika hafa, ireo any Amerika
Latina. Raha raisintsika ny lafiny savony ohatra dia feno karazany,
misy ny kalitao ambony sy mitondra valeurs maro, misy ny savony
fotsiny amizao manala loto mora miala fotsiny, misy ny vovony misy
ny gel, misy ny ranony, misy ny fanasana tarehy ary misy ny
fanasana volo, misy ny natokana fampiasa amin’ny milina
fanasandamba, misy ny manala tasy manokana. Ny savony dia tsy
fanalana loto fotsiny toy ny taloha, fa lasa manala tasy amin’ny
hoditra koa ny sasany. Tao anatin’ny siècle iray dia tsy tambo
isaina ny karazan-tsavony raha toa ka vongan-tsavony fotsiny izany
tamin’ny fiandohan’ny taonjato faha 20. Tsy misy heviny intsony ny
hoe mpanao savony fotsiny amin’izao fotoana izao fa tsy maintsy
faritana hoe savony ampiasaina anaovana inona, ampiasain’iza ary
amidy aiza, izany hoe tsy ho an’ny rehetra fa misy “cible mazava”
amin’izay. Tapitra hatreo ny fanomezana fahafaham-po ny rehetra
amin’ny vokatra iray fa tsy maintsy misy fandrindrana manokana.
Izay no ilazana fa tapitra ny andron’ny “production de masse”. Ny
fiovana lehibe iray koa dia ny toerana hivarotana ny vokatra: tsy
misy intsony ny hoe ny vokatra vita dia raisin’ny grossiste
mahazatra ary tsinjaraina eny amin’ny mangazay. Efa samy manana ny
mpaninjara voatokana ho azy ny entana iray amin’izao arakaraky ny
“cible”. Ny famaritana ny mpaninjara afaka manaparitaka ny vokatrao
dia mitaky koa ny famaritana ny toetran’ny vokatra azony
tsinjaraina. Raha “librairie” ihany no fitadiavana boky taloha, dia
ankehitriny dia tsy voatery intsony fa ao ny fividianana boky
amin’ny “internet”, ao ny atao hoe “téléchargement” amin’ny
“internet”, ao ny “tablette “famakiana boky “numérique”. Alohan’ny
hanoratanao boky izao dia mila fantarina ny fomba fitsinjarana azy,
fa arak’izay no hanontàna na tsy hanontàna mihitsy ny lahatsoratra
soratana. Ary miankina betsaka amin’ny”concept” fitsinjarana ny
vokatra ny fahombiazan’ny asa famoronana iray: izay ilay antsoina
hoe “Business model”, ny fomba fampidiram-bola amin’ny famoronana
atao. Amin’ny fanaovana “projet” vaovao amin’izao fotoana izao dia
io business model io indray no manan-danja betsaka fa tsy ny
vokatra vokarina intsony. Ny vokatra iray dia azo amoronana
“Business model” maro ary miankina amin’ny hatsaran’ny “Business
model” tafita any amin’ny kendrena ny fahombiazan’ny projet, fa tsy
miankina intsony amin’ny hatsaran’ny vokatra.
Rija RAVELONARIVO
-
FIHARIANA MISY VARANY!
Ankoatra ny tsy fananana vola ho enti-miainga (Fonds de départ)
dia fanontaniana iray ambetin-tenin’ ny tanora koa matetika rehefa
miresaka fihariana ny hoe taranja inona izao no tena mety sy
mandeha tsara? Ny olana mantsy dia toa
alaim-panahy isika ho voasarika amin’ izay efa be mpanao eo
ihany ka tsy dia tonga lavitra fotoana vitsivitsy avy eo ary ny
sasany aza tafiditry ny fatiantoka sahady vao eo am-panombohana.
Hotely iray nidirako teto Antananarivo dimy taona lasa teo ho eo
izay no nahitako voalohany itony fampihiràna olona amin’ ny alalan’
ny Karaoke itony.Tato ho ato, aiza amin’ ny elakelan-trano no tsy
hipoka an’izany? Farany, tsy maharototra ny olona intsony
ankehitriny izany hoe hanao Karaoke izany satria na ny any
an-tranony aza dia efa tongan’izany sy tsy andoavana vola intsony.
Dia saika toy io avokoa ny taranja azo ifotorana ka mahavaka ny
saina.Ny tena marina anefa dia mbola malalaka ny sehatra azo
folahina saingy ny fandinihan’ ny saina azy amin’ ny fijery miova
no tsy ampy na mbola tsy ao.Manamarina izany rahateo ny fahalalàna
ny tantara ankapobeny an’ireo mpangoron-karena malaza rehetra.Na ny
eto amintsika na ny any am-pita. Misahirana ery isika mazàna
mikatsaka izay fomba rehetra izao ahazoam-bola ka dia lasa lavitra
mihitsy ny eritreritra.Ilay hampiteraka vola sy tena
hampanan-karena anefa tsy lavitra fa eo akaiky eo ihany saingy tsy
mety mbola hita angamba.I Russen H Conwell ao amin’ ny bokiny « Une
mine de diamants sur vos pieds » dia maneho ny tantaran’i Ali Hafed
izay tompona tanim-pambolena lehibe sy namokatra tany Iran.Na dia
azo lazaina hoe efa nanankarena aza izy dia nahasintona azy kokoa
ny hitady diamondra mba hahatonga ho tena mpanefoefo.Namidiny ny
taniny sy ny fananany mba hikatsahany an’ izany ary vitany mihitsy
ny nitety firenen-tsamihafa.Nandeha anefa ny fotoana,nikofohany
avokoa izao fomba rehetra izao saingy tsy nahita mangirana sy
pitiny kely akory.Nony farany,matin’ ny hanoanana sy ny fahantrana
tany an-tanin’olona i Ali Hafed.Tato aoriana anefa dia fantatra fa
nahatsirihana diamondra tsy hita noanoa tao amin’ ilay taniny izay
efa namidiny (Découverte de la mine du Golcanda). Raha tena hiroso
marina amin’ ny fihariana dia mipetraka ho olana tsy maintsy
dinganina koa ny fanahiana lalina tsy hisy mpanjifa eo amin’ ny
vokatra entina sy ny fahateren’ ny fifaninanana mitranga. Mila
fahasahiana rahateo ny fiainana satria herim-po ho very maina
fotsiny raha toa ka variana mihazohazo amin’ ny fakàna
fanapahan-kevitra ianao.Toy izany koa ny fiheveran-tena tsy
hihoatra noho ny hafa. Rehefa manorina fihariana, indrindra fa
amin’ ny famoronana dia ireto soritra roa (02) loha ireto no tsy
maintsy fehezina: 1/ Manapongatra vokatra vaovao ka mikaroka ireo
mbola tsy nisy mpanao ka mitrandraka azy tsy an-kijanona.Eo no
iandrandrana ilay fahaiza-mamorona avy any aminao ary dia ao anaty
ao ihany no hitadiavana azy.Jereo fa misy talenta manavanana anao,
ohatra, ka avy amin’iny no anapoiro fanitarana miandalana.Mety ho
mbola miafina aminao izany
izao na koa vaka ianao mifantina izay tena ifantohana raha
sendra safidy maromaro. Tsy misy izany olona tsy manan-katokona
izany fa ny fahavononana sy ny finiavana no tsy feno. Saina mila
mamoaka hevitra no fitaovana fototra eto fa tsy vola mivantana mety
tsy ho eo am-pelantanana avy hatrany.Azo hatevenina tsikelikely
amin’ ny fianarana na fiofanana samihafa ny tontolo manodidina ilay
taranja ilofosanao avy eo hamparanitra azy. 2/ Manatomombana ny
vokatra ho an-tsakany sy an-davany ka mampitombo hatrany ny lanjan’
ny vokatra entina mba hiakaran’ ny tombam- bidiny ho ambony
kokoa.Io ilay hoe: Fihariana misy varany! Eo no mitsofoka ny
fahaiza-mitetika.Tsy hoe mamboly tsaramaso ianao akory ka iny
vokatra avy notazana sy nangoninao teny an-tsaha iny no avy dia
varotana eo no ho eo. Hiakatra ho ambony kokoa, ohatra ny vidin’ io
tsaramaso io raha vitanao ny maneho azy anaty boaty toy ny hita eny
amin’ ny trano fivarotana lehibe ireny. I W.Cham kim sy Réné
Mauborgne izay anisan’ ireo mpampianatra stratejia malaza dia nanao
fampitahana ny endriky ny fifaninanana eo amin’ ny tsena ho toy ny
ranomasina roa(02).Ny voalohany dia ny ranomasina mena izay efa
feno atsantsa ka tsy tokony ilomanosana intsony.Tsy inona io fa ny
tsena efa ifanosehan’ny daholobe.Ny faharoa dia ny ranomasina manga
tsy mbola tsikaritry ny atsantsa ka midadasika tsara ny sehatra azo
ilomanosana ao.Raha famolavolan-javatra izany dia mila mitodika any
amin’ ny ranomasina manga . Mety hivadika ho mena ihany anefa ny
ranomasina manga rehefa ela ny ela satria hitsambikina ao ny
atsantsa sasany saingy tadidio fa rehefa ianao no nitarika dia
sarotra ho an’ ny hafa ny hisongona na dia miezaky ny haka tahaka
aza izy. Nisy tanora nandinika ny tontolon’ ny famakiana gazety
teto Antananarivo taona vitsivitsy lasa izay .Nahatsapa izy fa raha
gazety tsy misy lahatsoratra toy ny fahita mahazatra no havoaka fa
ireo tolotra samihafa azon’ ireo mpamaky ifanakalozana eo amin’ ny
raharaham-barotra dia mety ho be mpanjifa.Nirobohany ny ranomasina
manga ka niroborobo be ilay gazety nony niseho.Eny na dia samy
fantantsika aza fa betsaka ireo manandrana mamoaka mitovitovy aminy
ankehitriny satria ny azy efa tafapetraka ao anatin’ ny
mpanjifa.Izay ilay hoe misy varany ! Eto am-pamaranana dia tiako ny
mitondra ito tenin’ i Thomas EDISON ito izay tsy iza f’ilay olona
namorona ny takamoa voalohany (Ampoule éléctrique): « La plus
grande faiblesse des gens réside dans leur grande rapidité à
abandonner. La façon la plus certaine de réussir, c’est d’essayer
d’une fois de plus, encore et encore ». Ny fifotorana amin’ ny asa
dia tsy azo tsinontsinoavina.Ny fototry ny fahombiazan’ity ranamana
ity dia izy tsy sasatra nitozo tamin’ ny fanandramana izay tsy
latsaky ny 10 000 isa vao nahaoty vokatra niabo.
Naina RAKOTOMALALA
-
Maninona ny vahiny no lasa mpanefoefo be eto
Madagasikara?
Tahaka ny olombelona rehetra ihany isika malagasy,samy mba
manana faniriana ny hanankarena sy higalabona amin’ ny
fananam-bola.Vitsivitsy ihany anefa no tena hita soritra sy tafita
amin’izany na dia fantatra fa be aza no miezaka.Ny tsapa araka ny
zavamisy miharihary hitan’ ny besinimaro eny amin’ ny
fiaraha-monina eny dia ny teratany vahiny no tafasongadina amin’
ny fihariana sy mora malaky misondrotra raha mitaha amin’ ny
zanatany eto.Dia lasa ny ny eritreritra indraindray manao hoe fa
maninona tokoa àry ny vahiny indray no tena tompon’ ny vola
aman-karena eto Madagasikara? Ny atidoha ve no tsy matsilo tsara sa
ny tetika ampiasaina amin’ ny fiatreham-pihariana no tsy mandeha
amin’ ny laoniny? Sa ny fifandaminantsika samy isika eto mihitsy no
tsy voarindra amin’ ny tokony ho izy?
MIKAROKA FOMBA SAMIHAFA NY OLONA Raha ny marina dia tsy moramora
izany ho lasa mpanefoefo izany raha tsy mikikotra .Io dia tambatry
ny filofosana tsy tapaka araka ny fianarana sy ny traikefa
niainana.Ny mahavariana dia tsy misy mihitsy ny tena fampianarana
mivantana ny fomba hampanankarena izany fony isika nianatra na ho
an’ ny sekoly mijoro ankehitriny.Misy ohatra ny taranja isisihan’
ny zatovo toy ny fitantanana (Gestion) izay tsy inona fa fanoroana
ny fandrindrana ny harena efa misy sy efa azo .Ny manahirana anefa
dia ny fomba ahazoana izay hotantanina no tsy tsinjo amin’ ny
lesona ampidirina ao an-tsaina.Anjaranao samirery aty aoriana eo
amin’ ny fiainana no “mihetsika” manakambana an’ izay fahalalana
norantovinao, miampy an’ izay haisedra na torohevitra samihafa
azonao tamin’ ny fitsikarahana tetsy sy teroa. Manampy trotraka
rahateo ny mbola mampatanjaka ny kolon-tsaina samihafa izay mitaiza
antsika tsy dia mankany amin’ izay hivelarana loatra.Omanina ho
mpikarama mazàna ny tanorantsika raha ny fanabeazana atolotra azy
ireo ary azo lazaina ho mahalana ny fisian’ ny sekoly mifototra
amin’ ny fanaingàna ny mpianany hanana nahim-po (Initiative) ho
amin’ ny famoronan’asa fa tsy hiantehitra ho tonga mpiasan’ olona
fotsiny any aoriana. Dia hianatra foana àry ve izany raha mba te ho
deba ary inona no lalana hafa sy mahomby hoy angamba ny mety ho
fanontaniantsika.Araky ny fijery tokoa mantsy dia misy lalana miisa
efatra mitarika ny olona iray ho tonga mpanefoefo ankoatra ity
mikikotra ity: 1/ Toy ny hoe nitsiky taminao ny vintana teo amin’
ny fiainana ka dia izay no nahazoana vaingankarena. Matetika dia
mety ho amin’ ny fotoana tampoka sy tsy nampoizina no niaviany. (
Lokabe indray nipoaka tamin’ ny tontona lokan-tsoavaly.na lalao
kisendrasendra). 2/ Eo koa ny hoe tafiditra amin’ireo sokajin’
olona sasany izay azo antsoina hoe “efa namantana ny vonona” ny
toeranao.Mety avy amin’ ny fianakaviana mahitahita ny misy anao na
koa mety ho nandova be.Ity sokajy ity dia somary efa miditra any
amin’ ny
fitantanana sy fanitarana no ampiasan- doha fa tsy dia any amin’
ny fiaingana famoronana harena firy. 3/ Na ianao mitatatra izay tsy
an’ ny tena.Izany hoe mitavana ny hatsembohan’ ny hafa.Mangalatra
sy mitsoboka amin’ ny kolikoly no tiana ambara. Lalana tena tsy
mendrika izy ity kanefa dia misy miroboka amin’ izany. 4/ Na koa
miditra amin’ ny fianakaviana efa manan-katontona amin’ ny alalan’
ny fanambadiana.Mahazo zanaky ny mpanana e! Ireo vahiny mitady
harena eto amintsika dia misy mampiasa ireo lalana ireo.Raha tsy
hilaza afa-tsy ity sokajy fahefatra voalaza farany ity dia samy
iaraha-mahita fa toy ny gisa mainty izany hoe karana vavy ka
hanambady tovolahy malagasy izany na dia sesehena aza ny
“bôgôsy”.Antonantony io mahatonga ny harenan’ izy ireo tsy tafavaha
fa dia mitohy lalandava eo amin’ny taranany mifandimby.Lova tsy
mifindra hoy isika malagasy. Raha jerena ankapobeny dia ny vazaha
frantsay, ny sinoa ary indrindra ny karana no betsaka indrindra
amin’ireo vahiny lasa mahatretreha eto amintsika.Isaina amin’ ny
rantsan-tanana sy tondroin’ny olona molotra raha misy amin’ izy
ireny no sendra solafaka na sahirankirana.Ny karàna moa dia nomen’
ny sasany anaram-bositra hoe “Ry Fatsouraly mianakavy “ nohon’ ny
elanelana lavitra misy eo amin’ ny fahazoan-karena vitany raha
miolotra amin’ ny teratany eto. Tsy voatery ho filamatra avokoa
anefa izay afitsok’ izy ireo satria ao no misy tafiditra hatramin’
ny tambanjotrana-mafia, mamotsy vola avo lenta, manao varotra
an-tsokosoko sy mamoafady mihitsy.Ny ilaintsika kosa dia ny lesona
azo tsoahina avy amin’ ireo fombafombam-pihariana nahombiazan’ izy
ireo madio.Tsy mikendry rahateo toe-tsaina mialona na fankahalana
vahiny (Xénophobie) ny tanjon’ ny Hadihadintsika eto.
NY SEHATR’ASA FEHEZIN’ NY KARANA Raha ry zalahy karàna na ireo
Indo-Pakistanais ara-tantara dia efa ela tamin’ izy ireo no
nanorim-ponenana teto hatramin’ ny fanjanahan-tany.Misy mihitsy aza
no efa tonga hatramin’ ny taranaka (Générations) fahefatra
misesy.Maro no mizaka ny zom-pirenena Malagasy ka nahazo tombony
tamin’ izany ka afaka nividy tany tetsy sy teroa.Misy faritra eto
Madagasikara ahitana vondron-trano sy tany maromaro (Cité) ary
fantatra fa ana fianakaviana karana iray.Misy efa lasa malazabe eo
amin’ ny tontolon’ ny fananganan-trano ny sasany.Midika izany fa
hain’ ny teratany karàna ny mampiasa sy manodina vola eo amin’ ny
sehatry ny trano sy ny tany. Isan’ ny sehatr’asa tsy avotsiny koa
anefa ny raharaham-bolamena.Mividy dia manefy ary mivarotra
izany.Ireo teratany malagasy mividy volamena eny rehetra eny dia
mbola mivarotra izany any amin’ ireo karàna “bijoutier”. Eo koa
ireo mirotsaka amin’ ny sehatry ny fanodinana ny akora eto
an-toerana ho lasa vokatra azo aondrana na amidy: Eo ny makamba, ny
lamba, ny plasitika samihafa.Eo ny fanafaran’ izy ireo
kojakojam-piarakodia isan-karazany any amin’ ny kaontinanta
Aziatika any.Tsy ilay antsoina “Pièces d’origine” io fa ndeha
lazaintsika hoe “ankoso-bolamena sy mamiratra jerena” araka ilay
hira iray izay.Ireny dia varotany amin’ ny vidiny
-
moramora kokoa ary tsy dia mateza ny faharetany nohon’ ny
kalitaony. Misy amin’izy ireo no mpamongady eo amin’ ny sehatry ny
“Quincaillerie “, ny “Friperie”, ny “Elecromenager”,… Raha eto
an-drenivohitra ianao no monina dia ampy itsirhanao ireo sehatr’asa
voatanisa ireo ny fandehananao mitsangantsangana tapak’andro monja
etsy Tsaralalàna sy ny vohitra manodidina azy iny. AVY AIZA KOSA NY
LOHARANOM-BOLAN’IZY IREO? Eo aloha ny fifampindraman’ izy samy
karàna ary manamora izany ny fifampitokisana amin’ ny alalan’ ny
finoana ananan’ izy ireo izay tsy kristianina velively ny
ankamaroany (Sunnite, Chiite, Hindou,..).Mamerim-bola izay efa
nahavita nampiroborobo ny aferany ary dia roso manampy ny namany
hafa indray avy eo.Eo koa ny vola avy any amin’ ny mpandraharaha
“Indo-Pakistanais” any ivelany izay ahodin’izy ireo hitombo eto
an-toerana.Isan’ ny maha-mpanefoefo azy ireo koa ny findramam-bola
amin’ ny banky.Mahazo hatrany izy ireo satria manana antoka sy
itokisan’ ny banky kokoa satria efa mañana ilay fanamboloana ny
sehatra ahítan-tombotsoa haingana (Sens des affaires).Mahay
manambitamby ny olona ilainy ny karàna.Manome fanomezana,manao asa
soa ho an’ ireo mahantra ara-pivelomana ka misokatra ho azy ny
varavarana mikatona eo anivon’ ny “Business” avo lenta.
NY MAMPIAVAKA AZY Mampiavaka ny karàna ny tsy fitiavany loatra
fanaovana rendrarendra samihafa.Ny ahítan-taratra ny tena harenany
dia eny amin’ ny fiarakodia raitra entiny, ny loka asehony rehefa
milalao kanetibe(Pétanque), ny fialan-tsasatra ataony rehefa amin’
ny fotoanany.Mahavariana ny fanatontosan’ izy ireo ny mariazy iray
satria in-telo na in’efatra ampidirina any amin’ ny hotely lehibe
telo na efatra samihafa vao mahafa-po azy.
NY FOMBAFOMBAN’ NY SINOA Manana ny tetiny manokana koa ny
sinoa.Ireo tranainy teto dia efa mifaka amintsika
malagasy.Manambady ny tovovavintsika dia afaka mividy tany ary
mampiasa ny volany amin’ ny fitateran-tsolika(Citerne),ny
fanangonana sy fanondranana lavanila, jirofo,…Eo koa ireo mivarotra
kojakoja ilain’ ny any ambanivolo rehetra any.Ireo sinoa tonga taty
aorian’ ny fahavitan’ ny lapan’ ny fanatanjahan-tena sy
kolon-tsaina (Palais des Sports),izay fanomezan’ ny fanjakana sinoa
ny ampahany betsaka dia nitsofoka amin’ ny sehatry ny trano
filokàna “Casino”, ny “Restaurant” sy “Hotel” ary ny fanofana
Pavillon sy ny fivarotana ireo entana avy any Chine sy
Thailande,izay matetika dia amin’ ny toerana iray voafaritra tsara
toy ny “Chinatown”.Ny eto Antananarivo izao dia ny eny Behoririka
no malaza.Eo koa ireo kelimaso milatsaka amin’ ny
raharahambato.Mividy dia mivarotra izany mankany Bangkok.
AVY AIZA KOSA NY ENTI-MANAN’ IZY IREO? Ireo tera-tany sinoa efa
ela teto dia tsy miditra amin’ ny fifampindram-bola loatra fa ireo
mpiray “hira” tonga taty aoriana no mifanohana ara-bola eo.Miaraka
maka entana (Système de groupage) ary mifanaraka amin’ ny vidiny
mba ho lafo haingana ahafahany manodina ny vola malaky ihany koa.Ny
ho mailaka eo amin’ ny fandraharahana sahaniny no teny filamatr’izy
ireo.Ny vola azo amin’ ireny trano filokàna ireny moa dia
hanafarana entana hamidy eto ihany koa,toy ny fitaovam-pamokarana
vita sinoa (Groupe éléctrogène,…).Ny isan’ ny mamparanitra azy ireo
dia ny fananany banky manokana eto
Madagasikara.Aterak’io dia moramorainy ho an’ ny sinoa ny
mindram-bola ao ary ny vola dia miodina any amin’ ny misy azy any
fa tsy tafahodina tanteraka eto amintsika akory.
HAY OLONA BE REVY Mifanohitra amin’ ny karàna fa dia tena tia
fialam-boly tokoa ny sinoa.Ankafizin’ ny kelimaso eto amintsika,
indrindra ireo mpiray hira farany (Dernière génération) ny miloka
any amin’ny Casino, ny miara-mivazo sy misakafo amin’ ireny
Restaurant feno Karaoke ireny, ny mandihy any amin’ ny “Night
club”, ny mamonjy “Salle de massage”.
ARY NY VAZAHA MBA AHOANA? Vitsivitsy tamin’ ireo Eraopeana izay
kilasiantsika vazaha no voanjo mpanam-bola tena tafajanona
teto.Maro kosa anefa ireo vozongo no mahazo fisotron-dronono avy
any aminy ka lasa manangana Bungalow, Hotel na Restaurant any amin’
ny morontsiraka mba hanintonana mpizaha-tany ka izay manambady gasy
dia tonga mpanefoefo be. Ny vola fisotroan-drononon’ izy ireo
mivadika vola gasy,izay ambany lanja dia efa ahafahany mamorona
renivola sy mandeha lavitra.Ohatra, raha mahazo 2.000 Euros na 6
tapitrisa Ar eo ho eo isam-bolana ny vahiny “retraité” iray monina
eto amintsika dia mahavita mampijoro Bungalow roa na telo
isam-bolana,izay azo hampanofaina roa ka hatramin’ ny dimy alina
ariary isan’andro.Misy koa ny menasofina no mirotsaka amin’ ny
sehatry ny fividianana harena an-kibon’ny tany izay mampiasa ireo
mpanelanelana teratany Malagasy satria mahazo fampindramana avy
amin’ ny banky nohon’ ny antoka ananany sy noho izy ireo hentitra
eo amin’ ny famerenam-bola.
TIA FIAINANA SY MILALAO Ireo vazaha mpanam-bola eto Madagasikara
dia tia mandihy any amin’ ny “Boite”, manenjika “Cabaret”, mamily
“Kart” ary mikarenjy amin’ ny “Quad” .Mankafy ny “Soirée Privée”,
tia milalao “Golf”, milatsaka anaty ranomasina (Plongée sous-marine
ary tsy tara amin’ ny fihazàna koa.
ARY ISIKA MALAGASY KOSA? Misy ihany ny malagasy no mpanefoefo
saingy mihasaron’ ny vahiny izy ireo raha ampitahaina.Ny antsika
moa izay mba nanao dingana kely teo amin’ ny fiainany toy ny hoe
nahavidy fiara tsara tarehy sy nahatsangana villa mijoalajoala dia
efa tondroin’ ny mpitazana sahady ho manankarena.Mbola tsy
tafapoitra hatreto ary izay no irina raha mba hisy malagasy ho
tonga tahaka an-dry Bill Gates, Warren Buffet na toy ilay Meksikana
Carlos Slim Helu izay kilasian’ ny Forbes ankehitriny ho voalohany
eran-tany amin’ny fananan-karena indrindra. Tsy fotoana ve izao
ahafahantsika maka tahaka ny fomba fiasan’ireo vahiny nahomby teo
amin’ ny fihariana satria tsy tokony hijanona ho nofinofy fotsiny
ihany ny mba hampanjary ny tanorantsika ho Ratremalahy sy
Ratremavavy. Samy nosoran’ ny reniny menaka izao hoy ilay fiteny
ary rehefa teraka sy tonga teto ambonin’ ny tany dia samy nitovy
avokoa tsy nisy fanavahana na vahiny na malagasy.Samy niboridana
daholo fa tsy avy hatrany dia niakanjo sy nitafy tany
an-kibon-dreniny.Nahoana tokoa àry?
Naina RAKOTOMALALA
-
Voici un ebook spécial qui vous est offert par LEADOBOOKS, un
des nos partenaires à la promotion des livres numériques pour le
Leadership et du développement personnel.
"Rien ne sert de vouloir réinventer la roue, Il faut profiter de
l'expérience des autres." Vous y découvrirez pas moins de sept
stratégies détaillées, afin d'atteindre vos objectifs avec succès.
Cet ebook vous servira de base, à tout ce que vous apprendrez par
la suite. Ne passez donc surtout pas à côté ! "La réussite n'est
pas le fruit du hasard, mais l'application de stratégies
précises."
LES SEPT STRATÉGIES DE LA RÉUSSITE
Par David RAMBUT
Pour le télécharger GRATUITEMENT, inscrivez tout simplement à la page web ci‐dessous :
http://wp.me/P2vn8d-9
http://wp.me/P2vn8d-9http://www.leadobooks.tkhttp://www.leadobooks.tk
-
EN SUIVANT GRATUITEMENT TOUS LES AVANTAGES POUR :
Consulter les actualités sur le développement de la jeunesse de
Madagascar Découvrir tous les articles bilingues sur le Leadership
et l’esprit d’entreprise
Bénéficier aux divers cours et des offres spéciales de formation
Accéder aux supports et livres numériques à avoir dans votre
bibliothèque
Inscrire et recevoir les Bulletins périodiques Emettre vos idées
et participer aux forums sur le succès personnel et professionnel
Rejoindre l’Association en adhérant à tous les activités du
RESPONSABLE DE LA PUBLICATION:
CONTACT :
033 03 030 82 [email protected]
http://www.tamifamadagascar.tk
MENTIONS :
- Ce bulletin n’est pas un document gratuit. Il vous a été
offert en cadeau. Toutefois, vous pouvez l’offrir autant de fois
que vous le désirez à condition de ne pas le vendre ou de modifier.
Sa distribution est totalement libre.
- Si vous souhaitez offrir ce bulletin à vos collègues ou amis
et recevoir des cadeaux surprises, rendez-vous sur cette page
http://wp.me/P2vn8d-6g
- Ce bulletin fait partie des offres que vous pouvez vous
procurer sur notre site. En vous y inscrivant gratuitement, vous
pourrez télécharger d’autres documents pratiques et de nombreux
autres supports (Ebooks, Poadcasts, Outils,…) consacrés à la
promotion de la jeunesse de Madagascar.
- Le lien d’abonnement de ses prochains numéros:
http: //snipurl.com/246rt8n
http://www.facebook.com/groups/tamifamadagascarhttp://www.tamifamadagascar.tkhttp:
//snipurl.com/246rt8nhttp://wp.me/P2vn8d-6ghttp://www.tamifamadagascar.tk
Bulletin RANITRA N°13 Tambatra
/ColorImageDict > /JPEG2000ColorACSImageDict >
/JPEG2000ColorImageDict > /AntiAliasGrayImages false
/DownsampleGrayImages true /GrayImageDownsampleType /Bicubic
/GrayImageResolution 300 /GrayImageDepth -1
/GrayImageDownsampleThreshold 1.50000 /EncodeGrayImages true
/GrayImageFilter /DCTEncode /AutoFilterGrayImages true
/GrayImageAutoFilterStrategy /JPEG /GrayACSImageDict >
/GrayImageDict > /JPEG2000GrayACSImageDict >
/JPEG2000GrayImageDict > /AntiAliasMonoImages false
/DownsampleMonoImages true /MonoImageDownsampleType /Bicubic
/MonoImageResolution 1200 /MonoImageDepth -1
/MonoImageDownsampleThreshold 1.50000 /EncodeMonoImages true
/MonoImageFilter /CCITTFaxEncode /MonoImageDict >
/AllowPSXObjects false /PDFX1aCheck false /PDFX3Check false
/PDFXCompliantPDFOnly false /PDFXNoTrimBoxError true
/PDFXTrimBoxToMediaBoxOffset [ 0.00000 0.00000 0.00000 0.00000 ]
/PDFXSetBleedBoxToMediaBox true /PDFXBleedBoxToTrimBoxOffset [
0.00000 0.00000 0.00000 0.00000 ] /PDFXOutputIntentProfile ()
/PDFXOutputCondition () /PDFXRegistryName (http://www.color.org)
/PDFXTrapped /Unknown
/Description >>> setdistillerparams>
setpagedevice