1 1. Fampahafantarana ny iraka 1.1 Zavatra resahina sy tanjon’ny tatitra Mikendry ny fandrafetana tatitra fampitahana feno izay mahasahana ny taon-ketra 2014, sy ny fampibaribariana feno ny vola niditra tamin’ny Fitondram-panjakana Malagasy azo avy tamin’ireo indostria fitrandrahana, ary ny fampibaribariana ho fanta-bahoaka koa ireo fanefana vola mahafeno fepetra narotsak’ireo orinasa misahana ny solika, ary ny harena an- kibon’ny tany 1 ny tanjon’ny iraka 2 . Zavatra takiana fito (7) no mandrafitra ny ITIE 2016 ka ny roa (2) dia mahakasika manokana ny Fanjakana sy ny Vondrona itambarana marorantsana (ireo zavatra takiana 1- Fanjohina ny vondrona itambarana marorantsana sy ny 7- Ireo Vokatra sy fiantraikany) ary ny dimy (5) momba ny mpampitaha sy ny mikasika an’ireo vondrona hanaovana fampitahana. Na dia taorinan’ny Fepetran’Andraikitra (TDR) aza ny nankatoavana ireo fenitra vaovao ireo, dia noraisina ihany izy ireny amin’ity tatitra ity. Naverinay etoana ireo lohahevitra 5 amin’ny zavatra takiana izay ezahin’ity tatitra ity hovahana. Nataon’ny mpampitaha tao an-tsaina hatrany ireo zavatra takiana ireo teo am-panatontosany ny iraka mba hahatonga ny vokatra andrasana hahitana na nanaja ireo zavatra takian’ny fangaraharana i Madagasikara na tsia, ho an’ny sehatra fitrandrahana. Ny Voalazan’ny ITIE 2- Fahazoana alalana sy fifanarahana : (i) Lasitra araka ny lalàna ; (ii) Fanomezana ny alalana hiasa ; (iii) Firaiketana an-tsoratra ny fanomezana alalana hiasa ; (iv) Fifanarahana ; (v) Ny tena tompon’ny fananana ; (vi) Fandraisana anjaran’ny Fanjakana. Ny Voalazan’ny ITIE 3 – Famokarana sy Fanondranana : (i) Sahanasa fitiliana ; (ii) Antontan-kevitra momba ny famokarana ; (iii) Antontan-kevitra momba ny fanondranana ; (iv) Fahamarinam-potoana, fahatomombanana ary fahamarinany Ny Voalazan’ny ITIE 4- Fanangonana ny Vola miditra : (i) Fampibaribariana tanteraka ho fanta-bahoaka ireo hetra sy vola miditra ; (ii) Fananana miditra amin’ny zavatra azo tsapain-tanana ; (iii) Fampitaovana fotodrafitrasa sy fifanekena fanakalozana ; (iv) Vola miditra avy amin’ny fitaterana ; (v) Fifanakalozana eo amin’ny orinasam-panjakana sy ny sampandraharaham-panjakana ; (vi) Fanefana vola mivantana ao anatin’ny firenena ; (vii) Ambaratongan’ny fitsinjarana Ny Voalazan’ny ITIE 5- Fitsinjarana ny vola miditra : (i) Fitsinjarana ny vola miditra ; (ii) Fandefasana vola ao anatin’ny firenena ; (iii) Fitantanana ny vola miditra sy ny fandaniana. Ny Voalazan’ny ITIE 6- Fandraisana anjara ara-tsôsialy sy ara-toekarena : (i) Fandaniana ara- tsôsialy ; (ii) Fandaniana ambangovangon’ny hetran’ny orinasam-panjakana ; (iii) Fitondrana anjarabirikin’ny seha-pitrandrahana amin’ny toekarena Toy izao ny nandraisana ireo zavatra takian’ny fenitra ao amin’ny tatitra : Lafiny fampitahana amin’ny fivezivezen’ny vola : Azo atao ve ny mahazo antoka fa takatry ny Fanjakana tsara ny fitondrana anjara birikin’ny seha-pitrandrahana amin’ny fidiram-bolan’ny Fanjakana ka mahatonga itsy farany hahalala izay voaray avy amin’ny seha-pitrandrahana ka izay voarainy izay dia vita fitsinjarana mahafa-po amin’ny antsipiriany isaky ny ambaratonga (ao amin’ny zana-pizarana vola miditra sy ny mpandoa hetra) ? Ity lafiny ity dia mila mitohy hatramin’ny fanamarinana, amin’ny santionany, ny fitantanan’ny Fanjakana sy ireo 1 Zavatra takiana - 4 ny Fenitra ITIE.2016 2 Fepetra 4 ao amin’ny Fenitra ITIE.2016
44
Embed
Fampahafantarana ny iraka - EITI Madagascareitimadagascar.org/wp-content/uploads/2017/09/Madagascar... · 2017-09-01 · 4 Ny fanapahana ministerialy faha 2727 / 2016 izay mikasika
This document is posted to help you gain knowledge. Please leave a comment to let me know what you think about it! Share it to your friends and learn new things together.
Transcript
1
1. Fampahafantarana ny iraka 1.1 Zavatra resahina sy tanjon’ny tatitra Mikendry ny fandrafetana tatitra fampitahana feno izay mahasahana ny taon-ketra 2014, sy ny fampibaribariana feno ny
Ao amin’ny tovana faha-2 amin’ity tatitra ity no misy ny lisitr’ireo mpisehatra nanao fanambarana.
Na izany aza anefa dia manana ireto fanamarihana asongadina ireto izahay
Tsy nahavitanay nanao ny fampitahana rehetra ilaina mba hahatrarana ny lenta tratrarina araka ny irin’ny
Fepetran’Andraikitra ny lentan’ny fanentanana ireo mpisehatra. Ny mpisehatra 40 ihany mantsy no azo
nanaovana fampitahana mba hahatrarana ny taham-pahatratrarana 92,96% raha mitaha amin’ny
tanjona napetraky ny Fepetran’Andraikitra 97,5% ho an’ny mpisehatra 50. Amin’ireo mpisehatra 65
voatana tamin’ny fandinihana ny zava-misy tany am-boalohany :
40 ny mpisehatra nameno ny takelaka fanaovana fanambarana ;
5 ny mpisehatra nandà an-kitsirano tsy handray anjara ;
20 ny mpisehatra tsy hita soritra ny misy azy na dia teo aza ireo ezaka nitadiavana azy.
3 Ampahatsiahivinay etoana amin’ny dingana voalohan’ny famitana iraka, sy noho ny antony ilana ny hamaritana ny fetran’ny fananan-danja, ny fitosahan’ny fandoavam-bola voarain’ny « Fanjakana » dia nofaritana ho ireo avy tamin’ny OMNIS, ny BCMM, ny sampandraharahan’ny hetra sy ny fadin-tseranana ary ny ONE. Amin’io lafiny io, ny tatitra mikasika ny taom-piasana 2014 no tatitra voalohany nampiditra ireo vola niditra voarain’ny ONE ao amin’ny fandinihana ny tahan’ny fananan-danja.
4
Ny 5,04% ny fandoavam-bola hohamarinina tamin’ny famitana iraka no asehon’ireo mpisehatra tsy nandray
anjara sy/na tsy azo nojerena. Mba hanerena an’ireo mpisehatra tsy nanao fanambarana ireo, dia nisy ny
fanapahan-kevitra noraisin’ny Minisitra eo amin’ny Fiadidiana ny Repoblika misahana ny Harena an-kibon’ny
tany sy ny solika mba hangatahana ireo orinasa ireo handray anjara amin’ny tatitra ITIE4.
1.3.2 Ireo mpisehatra ao amin’ny vondrona B sy C (fanambarana antsipiriany sy ankapobeny
nomen’ny fanjakana)
Ho an’ireo orinasa mpitrandraka latsaky ny 40054,99 USD ny tontalin’ny vola naloany, fanambarana antsipiriany
nataon’ireo sampandraharaha mpanangona hetra no nitaterana ny vola nampidirin’izy ireo (ny vondrona B dia
mifandraika amin’ny 0,5% taham-pahatratrarana ka mahatonga ny fitambaran’ny taham-pahatratraran’ny vondrona A sy
B ho 98%).
4 Ny fanapahana ministerialy faha 2727 / 2016 izay mikasika ny fandraisana anjara tsy maintsy atao ho an’ny Kaompania mpitrandraka harena an-kibon’ny tany sy solitany eto Madagasika nankatoavina tamin’ny 25 Oktobra 2016, izany hoe tamin’ny fiafaran’ny iraka nampanaovina ny mpampitaha. Io fanapahana io no namaritra fa ny faha 20 Oktobra no daty farany hametrahana ny takelaka môdely. Na dia eo aza ny adihevitra izay mety hisy ny amin’ny lanja manery ho an’io fanapahana io raha navoka ara-potona izy dia sarotra ho anay ny nanery ireo mpisehatra amin’ny fitrandrahana tamin’ny fanatanterahanay ny asa fampitahana (tsy nisy afatsy mpisehatra 40 tamin’ny mpisehatra 65 nokendrena tany am-piandohana no nanaiky nanaovana ny takelaka fanambarana). 5 Fanazavana : Tamin’ny fiandohana, nampitain’ny BCMM taminay ny totalim-bola voarain’ireo mpisehatra tamin’ny 2014 ; kanefa , taorian’ny fanamarinana sy fifanakalozana teo amin’ny mpanao fampitahana sy ny BCMM, dia hita fa tsy mba naharay an’ireo vola ireo akory ny BCMM raha ny marina fa nanao fanonerana ireo trosa izay tsy tokony ho voarainy tamin’ny taona taloha. Izay no nahatonga ny fiheverana fa tsy nanao fandoavam-bola araka izay nifanaraha ireo mpisehatra voakasika. 6 Ampahatsiahivina fa nisy ireo mpisehatra nandrotsaka be loatra tamin’ny taom-piasana teo aloha ka ny BCMM dia nanonitra trosa ka nahatonga ireo mpisehatra amin’ny harena ankibon’ny tany izay efa zatra nandoa saram-pitantanana mihoatra lavitra ny fetra fandoavam-bola nifanarahana dia nahita fa tsy namoaka mihitsy na zara fa namoaka vola tamin’ny 2014. Ho an’ny 2014, ireo fampiasana ny trosan’ny saram-pitantanana dia tafiakatra 6 774 392 340,00 MGA izany hoe 2 608 816,60 USD. Io fandoavana vola mihoapampana io dia vokatry ny naotin’ny governemanta izay nanapakevitra fa noho ny fampitsaharana ny famindrana sy ny fanomezana fahazoan-dalana hitrandraka harena an-kibon’ny tany, dia noheverin’ny govenemanta fa io fampitsaharana io dia niteraka fahavoazana ara-bola ho an‘ireo mapndraharaha amin’ny harena an-kibon’ny tany izay tsy mba nisitraka tsara akory ny maha tompony ny fahazoan-dalana noho ny tsy fahafahana namindra izany tamin’ny hafa. Vokany, nanapakevitra ny hanaovana maimaimpoana ny FA tamin’ireo taona ireo ny governemanta ka vokatr’izay ny BCMM dia niroso tamin’ny fanonerana ho an’ireo tompon’ny fahazoandalana amin’ny harena ankibon’ny tany ho an’ny FA izay tsy tokony ho naloa tamin’ny alalan’ny fanonerana ho an’ireo taona manaraka (ka ao anatin’izany ny 2014). Tsy noraisina ho fitosahan’ny fandoavam-bola tamin’ity tatitra ity io fanonerana io.
5
Ilaina ny fanambarana farany (mitambatra) ataon’ny Fanjakana ho an’ireo 2% sisa. Amin’izay ny tatitra ITIE 2014 dia
hahasahana ny 100% ny Fandoavam-bola mahafeno ny fepetra nifanarahana (mihoatra ny 5000 USD) (Vondrona C)
Na izany aza anefa, noho ny voalaza teo aloha:
Mpisehatra 40 tamin’ireo 65 ao amin’ny vondrona A no vita fampitahana.
Noho izay antony izay, ny mpisehatra 25 ao amin’ny vondrona A izay tsy vita fampitahana dia noraisina ho toy
ireo ao amin’ny vondrona B. Mipetraka tsara ao amin’ny vondrona A ireo mpisehatra 25 ireo fa ny mpampitaha
dia nifototra tamin’ny fanambarana antsipiriany nataon’ny Fanjakana ho an’ny tsirairay avy amin’ireo mpisehatra
Ireo metaly fototra : ny varahina, vy, firaka, viraty, « étain », kôbalta ary ny nikela ;
Ireo metaly sarobidy: volamena, sy volafotsy ary platina ;
7 Tahirin-kevitra: Retombées économiques de l’exploitation minière industrielle à Madagascar – Résumé de Recherche / Banque Mondiale (The University of Queensland/ SMI CSRM/ World Bank Group)
7
Ireo vato sarobidy sy vatosoa : ny berila, safira, emeraoda, robisy, koartsa mavokely, topaza, tormalina, ametista,
« aigue-marine » ;
Ireo akora mineraly ahazoana angôvo toy ny arin-tany, arina, « lignite », grafita ;
Ireo akora mineraly hafa toy ny volavelona (“mercure”), litiaoma, mañeziaoma, radiaoma, ‘’ terres rares’’,
iraniaoma, vanadiaoma.
2.2 Fitantanana ny seha-pitrandrahana 2.2.1 Sehatra harena an-kibon’ny tany
Ireto ny mpisehatra fototra amin’ny fitantanana ny harena an-kibon’ny tany tamin’ny 2014:
Ny Ministera misahana ny Harena An-kibon’ny tany;
Ny Biraon’ny Kadasitry ny Harena An-kibon’ny Tany eto Madagasikara;
Foibe fandraharahana ny Volamena izay naorina tamin’ny 2015 ;
Polisin’ny Harena An-kibon’ny tany;
Ireo Vondrombahoakam-paritra Itsinjaram-pahefana;
Ireo vondrona toy ny fikambanana ho fampiroboroboana ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany « CCPGEM » izay
mikendry ny fampivondronana ireo mpitrandraka madinika, ireo mpipaika vato sy ny mpizaha tany ao anatin’ny
tanjona iombonana : ny fampiroboroboana ireo sehatry ny sahanasa amin’ny fomba vaovao tanteraka
Kadasitry ny Harena An-kibon’ny Tanin’i Madagasikara (BCMM) no anomezana ireo karazana fahazoan-dalana samihafa
eo amin’ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany. Anisan’ny zavatra takiana amin’ny fanomezana fahazoan-dalana ny
fanambarana hevitra teknika, fampahafantarana ny daholobe ny fanapahan-kevitra ary ny fanamarinana ny fandoavana
ny saram-pitantanana. Naato hatramin’ny 6 Aprily 2011 ny fanomezana fahazoan-dalana vaovao ary tsy mbola niova
hatramin’izao.
Boky Firaiketana an-tsoratra ny fahafahana miasa sy fahazoan-dalana : Ho an’ny sehatry ny harena an-
kibon’ny tany, dia vonona ho an’ny rehetra ao amin’ny Biraon’ny Kadasitry ny Harena An-kibon’ny Tanin’i Madagasikara
(BCMM) ny Boky Firaiketana an-tsoratra. Azo hanaovana fangatahana ny hijerena azy io, ahafahana mijery ny
mombamomba ny tany hitrandrahana, ny vaninandro nanaovana ny fangatahana, ny fanomezana fahazoan-dalana, sns.
2.2.2 Sehatry ny Solika
Ireto avy ireo mpiantsehatra fototra amin’ny fitantanana ny solika:
Ny Ministera misahana ny Akoranafo (eo ambany fitantanan’ny Ministera eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika misahana ny Harena An-kibon’ny tany sy ny Solika izy io ankehitriny) ;
Ny OMNIS, amin’ny maha sampandraharaha teknika, misahana ny fandrindrana araka ny lalàna, andaniny ; sy amin’ny maha orinasam-panjakana misahana ny fanaovana fifanarahana amin’ny orinasa iraisam-pirenena mpisehatra amin’ny solika, ankilany ;
Ny Ôfisy Malagasy misahana ny Akoranafo « OMH » misahana ny fandrindrana araka ny lalàna ny sehatry ny solika any amin’ny tsena ;
8
Ireo fivondronan’orinasa toy ny « APPAM », na ny Fikambanan’ny Matihanina amin’ny Sehatra Solika any
amin’ny Fikarohana sy Fitrandrahana eto Madagasikara ;
Ireo fikambanan’ny fiarahamonim-pirenena (OSC).
Fijerena ny zava-misy amin’ny fomba arahina amin’ny fanomezana fahazoan-dalana: Eo amin’ny sehatry ny
solika dia ny antso tolobidy ataon’ny OMNIS no anomezana ny ‘‘ titra ny harena an-kibon’ny tany momba ny akoranafo’’.
Boky Firaiketana an-tsoratra ny fahafahana miasa sy fahazoan-dalana: Raha ny amin’ny sehatra solika dia tsy
misy boky firaiketana an-tsoratra tahaka ny amin’ny sehatra harena an-kibon’ny tany. Na izany aza anefa, ny
tranonkalan’ny OMNIS no mampiseho, amin’ny alalan’ny sarin-tany izay naverina natao ato amin’ity tatitra ity ireo
bolonga mbola azo anaovana fangatahana sy ireo efa misy fifanarahana miaraka amin’ny OMNIS. Azo jerena ny
anaran’ireo manana fifanarahana aminy.
Ny OMNIS no sampandraharaha teknika mpitantanana ny tontolon’ny harena an-kibon’ny tanim-
akoranafo araka ny volaza etsy ambony ny OMNIS. Ny BCMM no mpitantana ny fahazoan-dalana
hitrandraka harena an-kibon’ny tany ho an’ireo akora mineraly.
8 Jereo ny andniny - 3 ny Fehezandalana Mifehy ny Solika (lalàna 96-018 tamin’ny 04/09/1996) 9 Raisina avokoa ireo akoaranafo vaingany, ranony na etona rehefa tsy misy ny filazana manokana ny karazany. 10 Raha ny marina, araka ny andininy faha 96 n’ny Fehezandalana mifehy ny Solika: mandra-pijoroan’ny orinasam-pirenena, dia manana alalana hiasa amin’ny anaran’ny sy misolo tena ny Orinasam-pirenena ny sampandraharaha teknika. 11 Ireo sahanasa any ambony dia mahakasika ny fitiliana, ny fikarohana, fitrandrahana, ny fikirakirana ny fanodinana vokatra ary ny fitaterana ireo akoranafo ranony na vaingany, na entona novokarina.
9
Mazava fa misy ny fanavahana mibaribary ny amin’ny titran’ny harena an-kibon’ny tany ho an’ny akoranafo
sy ny titran’ny harena an-kibon’ny tany ho an’ny akora mineraly ambaran’ny andininy faha-9 ao amin’ny
Fehezan-dalàna mifehy ny solika izay mitsinjo ny fandaminana ny fifanolanana raha sendra misy ny fifanitsahana.
Ankoatra izany, mety mahasahana ny manontolo na ny ampahany amin’ny faritra hitrandrahana ny harena an-kibon’ny
tany ireo sahanasa fikarohana, fitiliana, fitrandrahana ary fikirakirana ny akoranafo, araka ny andininy faha 17 amin’ny
Fehezan-dalàna mifehy ny solika.
2.3 Lasitra araka ny lalàna 2.3.1 Sehatry ny harena an-kibon’ny tany
Ny Fehezan-dalàna mifehy ny harena an-kibon’ny tany laharana faha 99-022 tamin’ny 19 Aogositra 1999,
4,50% Sehatry ny harena an-kibon’ny tany : 10 % Sehatry ny solika : 0 % (tafiditra ao anatin’ny IDH)
Haba N/A N/A 5%
Hetra amin’ny fidirambola avy amin’ny karama sy ny toa azy (IRSA)
Taha mifanaraka amin’ny lalàna iombonana, tsy mihoatra ny 35% ho an’ireo mpiasa vahiny
Taha mifanaraka amin’ny lalàna iombonana, tsy mihoatra ny 35% ho an’ireo mpiasa vahiny
Ho an’ny teratany sy ny vahiny : hatramin’ny 250 000 MGA = 2 00 MGA Sokajy ambonin’ny 250 00 MGA = 20 %
Hetra alaina amin’ny tombom-barotry ny fananana mifaka (IRCM)
10% 10% Sehatry ny harena an-kibon’ny tany: 20 % Sehatry ny solika : 0 % (tafiditra ao anatin’ny IDH)
Hetra alaina amin’ny tombom-barotra (IPVI)
Taha mifanaraka amin’ny taha ho an’ny lalàna iombonana
Taha mifanaraka amin’ny taha ho an’ny lalàna iombonana
20%
Sanda Hary Madiodio (TVA) 0% 20% 20%
Saram-panoratana ireo taratasy fifampivarotana sy famindrana
Fanekena fampanofana maharitra : taha nahena ho 50 % Sara amin’ny fandoavana ny fandraisana anjara amin’ny renivola –petrabolan’ny QMM : 1% Taratasy fandraharahana hafa: 0 %
Sara amin’ny fandraharahana ny famoronana na fanitarana faharetan’ny orinasa; sara amin’ny fitondrana renivola : de 0 % hatramin’ny 2 % ao anatin’ny fetran’ny 10 tapitrisa MGA ireo taratasy fandraharahana hafa manaraka ireo volaza etsy ambony : 0 %
Sara tsy miofa : 2 000 MGA Sara mifanaraka amin’ny : Fanekena fanofana amin’ny varotra : 2 % Fanekena amin’ny fanofana amin’ny toeram-ponenana: 1 % taratasy momba ny fanorenana sy fanitarana faharetan’ny orinasa : 0,5 %
ny zo amin’ny fanonerana ny TVA any amin’ny fanjakana ;
ny fihenan’ireo taha sy famerana ny vola haloa amin’ny saram-pandraketana ;
ny fihenan’ireo taha sy famerana ny hetra haloa amin’ny trano miorina;
fahamarinan-toeran’ny rafitra ara-ketra.
2.4.2 Sehary ny solika Hetra tokana izay manafaka ny hetra telo (3) hafa no ampiharina amin’ny fotoanan’ny famokarana. Mandritry ny
fanaovana fikarohana, ny fitsipika mifehy ny hetra dia ny lalàna iombonana, ambaran’ny Fehezandalàna Ankapoben’ny
Hetra. Ireto avy ireo fepetra voalazan’ny Fehezandalàna mifehy ny Solika:
Hetra Mivantana amin’ireo Akoranafo ferana amin’ny tahan’ny Hetra amin’ny Vola miditra (IR) araka ny lalàna iombonana, izay manafaka ny orinasa mpitrandraka solika tsy handoa IR sy IRCM ;
tsy fandoavana hetra amin’ny tombotsoa ;
hetra sy haba voalazan’ny lalàna iombonana ho an’ny hetra hafa: TVA, IRSA, sns.
14
Tsy milaza ny fahamarinan-toeran’ny rafitra ara-ketra ny Fehezandalàna mifehy ny Solika. Na izany aza, efa atsidika ao amin’ireto tahirin-kevitra manaraka ireto ny fahamarinan-toerana :
ny Lalàna 2007-036 tamin’ny 14 Janoary 2008 mikasika ny Fampiasam-bola eto Madagasikara (andininy faha 6);
ny modelin’ny fifanarahana amin’ny fizarana ireo vokatra (« CPP »)13 tsy mampiditra io fotokevitra amin’ny fahamarinan-toerana ara-ketra io. Saingy raha miompana amin’ny zavatra efa niainanay, tsikaritray fa ireo PSC, dia isian’ny fampiraharahana ifanekena hatrany. Noho izany, dia matetika tokoa no ahitana ny fisian’ny fifanarahana tovana mahasahana ny fahamarinan-toeran’ny lasitra araka ny lalàna, hetra ary toekarena izay manondro fa raha sendra misy ny fanovàna ny lasitra, dia tsy maintsy manova ny PSC ny andaniny sy ny ankilany mba hisian’ny fifandanjana indray.
2.5 Fijerena ny zavamisy amin’ireo fomba arahina amin’ny fanomezana
fahazoan-dalana
Naharitra hatramin’ny 2014 ny fampiatoana ny fanomezana ny fahazoandalana. Ho fampahatsiahivana, ny fangejana ny
« fanomezana fahazoan-dalana » dia noho ny naoty navoakan’ny Filankevitry ny Governemanta laharana faha 34/2011-
Ny tahirin-kevitra lasitra mirakitra ny politikam-pirenen’ny harena an-kibon’ny tanin’i Madagasikara tamin’ny 2014 dia
nohamafisin’ny Didy hitsivolana laharana faha 2015-996 tamin’ny 23 Jona 2015 momba ny fanekena ny politika
ankapoben’ny Fanjakana momba ny harena an-kibon’ny tany eto Madagasikara.
16
Ny CPP an’ny MADAGASCAR OIL ao amin’ny bolonga OUEST MANAMBOLO 3105, sy MORONDAVA 3106 ary
MANANDAZA 3107 dia efa lany daty tamin’ny 13 Desambra 2014. Araka ny torohay eo am-pelatananay dia tsy nisy CPP
vaovao nomena tamin’ny 2014. Noho ny antony fampitsaharana ny fanomezana fahazoan-dalana hitrandraka harena an-
kibon’ny tany dia tsikaritray fa tsy nahomby ny rafitra fanomezana fahafahana miasa momba ny harena an-kibon’ny tany
nandritry ny taona 2014.
2.6 Boky firaiketana an-tsoratra ny fahafahana miasa sy ny fahazoan-dalana 2.6.1 Sehatry ny harena an-kibon’ny tany Azo jerena ao amin’ny Biraon’ny Kadasitry ny Harena An-kibon’ny Tanin’i Madagasikara rehefa anaovana fangatahana
ireo boky firaiketana an-tsoratra ny fahafahana miasa sy fahazoan-dalana. Aseho any amin’ny tovana faha 13, ny boky
firaiketana an-tsoratra ny fahazoan-dalana karazany PRE, R sy E ka ny sara ara-panjakana ho an’ireo dia efa voaloa araka
ny antontan-kevitra nomen’ny BCMM. Ahitana ny anaran’ny tompon’ny fahazoan-dalana, ny daty nanomezana ilay
fahazoan-dalana, daty farany mampanankery azy, ny isan’ny efamira itrandrahana ary ny akora nanomezana fahazoan-
dalana hotrandrahina.
Tsikaritra ireo fahatarana amin’ny fampanarahana ny zava-misy ny boky firaiketan’ny BCMM mahakasika ny fanavaozana,
fanovana, ny fivaroatana amin’ny hafa ary ny fanitarana ireo akora nahazoana alalana hotrandrahina. Ho
fampahafantarana fotsiny ihany, fa tsy nandeha ny tranon-kalan’ny BCMM nandritra ny vanim-potoana
nanatanterahanay ny iraka. Asehonay etsy ambany ny fafana mamintina ireo karazana fahazoan-dalana nanankery
tamin’ny 2014, ny toerana araka ny lalàna ho an’ny tompon’ireo fahazaoan-dalana ireo, ny isan’ny mpisehatra ary ny
EXXON MOBIL Cap St Andre – 2002 17/12/2004 07/02/2005 06/06/2015 Majunga Profond - 2001 B 19/03/2001 27/04/2001 06/06/2015 Ampasindava – 2001 15/07/2004 29/11/2004 06/06/2015
2.7 Fampahafantarana mikasika ny tena fananana Tsikaritray ny fahalemen’ny firotsahana an-tsehatra aton’ireo kaompania mpitrandraka mba hilaza ho fanta-bahoaka ireo
tena fananany.
Tsy manana ny firaiketana an-tsoratra an’ireo tena tompony ka azon’ny daholobe jerena ny firenena. Na izany aza anefa
ny Fehezan-dalana Mifehy ny Harena an-kibon’ny tany sy ny Fehezan-dalana Mifehy ny Solika dia mametraka fepetra
ahafahana, amin’ny lafiny sasany mbola mila vitaina, ny fahafahan’ny fitondram-panjakana mahafantara ireo tena
tompon’ny fananana.
18
Na ny governemanta na ny mpanao lalàna dia samy tsy mbola nanambara mazava ny heviny mahakasika ny fanambarana
ho fanta-bahoaka ireo tena tompon’ny orinasa amin’ny seha-pitrandrahana. Ny Komitim-pirenena etsy andaniny
dia mbola milofo amin’ny fijerena ny paikady tena mahomby ampiharina ho amin’ny fanambarana ho
fanta-bahoaka ny torohay mahakasika ny tena fananana marina mifanaraka amin’ireo Zavatra
Takianan’ny Fenitra EITI 2.5. Mandinika ny fomba fiasa ny Kômitim-pirenena mba hanamarinan’ireo orinasa ny
torohay mikasika ny fananany marina.
2.8 Fanambarana ho fanta-bahoaka ireo fifanarahana momba ny solika Tsy nametraka fepetra ho amin’ny tsy maintsy hampahafantarana ny daholobe ny fifanarahana momba ny solika ny
fehezan – dalàna momba ny solika. Mametraka andinininy manokana hitazonana ny tsiambaratelo ireo fifanarahana. Ireo
didy hitsivolana samihafa milaza ny fankatoavana ny fifanarahana momba ny solika sy ireo modelin’ny fifanarahana no
hany azon’ny daholobe jerena ao amin’ny tranokalan’ny OMNIS : www.omnis.mg.
2.9 Ireo fifandraisana ara-bola eo amin’ny governemanta sy ireo
orinasan’ny Fanjakana Ny Fanjakana no tompon’ny orinasa KRAOMA izay misehatra amin’ny fitrandrahana Kraoma.
Ankoatra izany, ny Fanjakana dia manana fandraisana anjara:
20% ao amin’ny orinasa QIT MADAGASCAR SA amin’ny alalan’ny OMNIS ; sy
Mahaliana ihany koa ny fampitahana amin’ny anjara biriky nentin’ny sehatry ny fitrandrahana tany amin’ny firenena hafa.
20
Nandray anjara teo ho eo amin’ny 6,6% tamin’ny harin-karena faoben’ny Vondrona ara – toe – karena sy ara –
bola Afrikanina Tandrefana (UEMOA) ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany ny taona 1995 hatramin’ny
201214.
Nandray anjara teo ho eo amin’ny 5% tamin’ny harin-karena faoben’i Afrika Atsimo ny fitrandrahana harena an-
kibon’ny tany ny taona 2006.
Nandray anjara teo ho eo amin’ny 46% tamin’ny harin-karena faoben’i Gabon ny sehatry ny fitrandrahana ho
an’ny taona 2013 (amin’io, ny 44% dia avy amin’ny fitrandrahana solika ary ny 2 % avy amin’ny fitrandrahana
harena an-kibon’ny tany hafa).
2.10.2 Anjara biriky amin’ny fampiasam-bola mivantana avy any ivelany Nahitana fidinana ny fampiasam-bola mivantana avy any ivelany (IDE) ny taona 2007 ka hatramin’ny 2014, ka raha
797,08 tapitrisa USD izany, dia nilatsaka ho 101,09 tapitrisa USD teo anelanelan’io vanim-potoana io, izany hoe nahatratra
695,99 tapitrisa USD ny fihenana. Antony roa lehibe no nahatonga io fihenana io:
Fahakelezan’ny fampiasam-bola avy amin’ny sehatra hafa ivelan’ny fitrandrahana.
Indro ny sary maneho ny fiovaovan’ny Fampiasam-bola mivantana avy any ivelany sy ny anjara biriky ny sehatra
fitrandrahana amin’izany.
Sary 1 : Anjara biriky entin’ny sehatra fitrandrahana amin’ny Fampiasam-bola mivantana avy any ivelany
14 Avy amin’ny tahirin-kevitry ny BCEAO sy ny FMI. DIRECTION GENERALE DE L’ECONOMIE ET DE LA MONNAIE Direction des Etudes et de la Recherche Document d’Etude et de Recherche N° DER/14/04 IMPACTS ECONOMIQUES DU DEVELOPPEMENT DU SECTEUR MINIER DANS L’UEMOA Par Komi AMEGANVI Janvier 2015.
341,28
630,60
797,08
523,74385,33
289,02
88,96 101,090,00
200,00
400,00
600,00
800,00
1 000,00
1 200,00
2007 2008 2009 2010 2011 2012 2013 2014
Totalin'ny fampiasam-bola avy any ivelanyentin'ny sehatra ivelan'ny fitrandrahana
Totalin'ny fampiasam-bola avy any ivelanyentin'ny sehatry ny fitrandrahana
Mitàna ny 3,51% amin’ny vola rehetra miditra amin’ny hetra ny vola ampidirin’ny sehatry ny fitrandrahana.
2.10.3 Anjara biriky teo amin’ny sehatry ny asa Indro ny fafana maneho an’isa ireo asa ara-dàlana eo amin’ny sehatry ny fitrandrahana sy ny totalin’ireo asa ara-dàlana
15 Lasitra ho an’ny orinasa mpitrandraka harena an-kibon’ny tany 16Tranon-kalam-pifandraisan’ny fadin-tseranana : www.douanes.gov.mg 17Araka ny tombana, dia raha amin’ny sehatra tsy manara-dàlana, dia mampiasa olona 100 000 hatramin’ny 500 000 izy (Retombées économiques de l’exploitation minière industrielle à Madagascar « résumé de recherche », Centre pour la responsabilité sociale dans le secteur minier (CSRM), l’Université de Queensland et l’équipe de la Banque mondiale, 2016).
22
Loharano : Caisse Nationale de Prévoyance Sociale (CNAPS) – Toro 2014
Ny 85,06% ny mpiasa eo amin’io sehatra io dia lehilahy ary vehivavy kosa ny 14,94%. Asa ara-batana no ankamaroany
amin’ny sehatra fitrandrahana harena an-kibon’ny tany, izany no mety ho azo anamarinana ny mahamaro an’isa ny
lehilahy noho io asa io mety kokoa aminy.
2.11 Famokarana sy fanondranana Indro ny fafana maneho ny habetsahany sy ny sandam-bidim-pamokarana arakaraka ny akora fototra nambaran’ny
orinasa.
Fafana 8 : Famokarana sy fanondranana teo amin’ny sehatry ny fitrandrahana
3 Vokatr’asa azo avy amin’ny fampitahana 3.1 Totalin’ny vola nampiasaina rehetra sy ny totalin’ny elanelana Indro ny fafana mamintina ny vokatry ny asa fampitahana:
(a) Ny fanefana ny hetra amin’ny harena an-kibon’ny tany amin’ny alalan’ny fampiasana trosa ara-TVA na trosa any amin’ny BCMM dia nanaovana fanitsiana satria tsy nahitana fangalàna vola nandritra ny vanim-potoana fanaraha-maso.
(b) Mifandraika amin’ny fahadisoan’ny fanambarana natao ny fanitsiana. Ireo fanitsiana ireo dia ahitana ny fandoavam-bola ivelan’izao seha-panadiahadiana izao, tsy mahakasika ny fandoavana haba na hetra.
(c) Ny fandoavam-bola ny taona 2015 no nampahafantarina ka tsy nampidirina tao amin’ny takelaka fanambarana; (d) Ny vola lany ara-pitantanana sy ny sara-pikarakarana antotan-taratasy izay naharaisana fanambarana dia tsy misy TVA. Nahitsy araka izany ny
fanambarana vita. (e) Tsy nanao fanambarana ny orinasa: ny fandoavam-bola tanteraka ataon’ny mpandraharaha oharina amin’ny fandoavam-bola ataon’ny
mpandraharaha avy amin’ny orinasa, tsy fanambarana ny “13ème mois” ao amin’ny fanambarana ny mari-karama sy ny ho an’ny mpampiasa ary ny tsy fanaovana fanambarana mahakasika ny ” frais sectoriels”.
(f) Fahadisoana tamin’ny fanambarana natao.
Ny mpanao ny fampitahana dia nahita fa misy ary azo lazaina ho tena mafonja ny vola miditra amin’ny resaka fitaterana (seranan-tsambo sy mpitatitra).
Noho izany indrindra no namondronana azy. Na izany aza anefa dia anjaran’ny vondrona maroratsana ny manapaka izay fepetra mifanaraka amin’izany.
3.4 Vokatra hafa Toy izao no famaritana ny fandoavam-bola antsoina hoe « fanomezana »: « Ny fanomezana dia atao an-tsitrapo tanteraka ary omena (i) ny vondron’olona
ifotony (na iray amin’ireo izay ao anatin’io vondrona io), (ii) sy/na vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana. Tsy mihatra kosa io raha toa ka tafiditra
amin’ny iray amin’ireo vondrona roa ireo ilay mpanao ny fanomezana, niniana tsy nampidirina kosa anefa ny mpanjifan’ilay orinasa, ny mpamatsy na ny
mpiara-miombon’antoka aminy amin’ny lafiny fandraharahana. Ny fanomezana dia azo atolotra mivantana eny anivon’ny fiaraha-monina na
3.5.3 Saram-pitantanana ny harena ankibon’ny tany : Ny fafana etsy ambany dia mamintina ny toe-bola mikasika ny fitsipiky ny anjara tokony haloa amin'ny saram – pitantanana ny harena ankibon’ny tany
nandritra ny taom-piasana 2014 ho an'ny Kaominina. Nahitana fahatarana mihoatra ny 2 taona eo anelanelan'ny fampidiran'ny BCMM an-tahiry ny
saram-pitantanana sy ny fandoavana ny anjaran’ireo Kaominina mahazo tombontsoa.
Fafana 26 : Fandoavana ny anjara amin’ny saram-pitantanana ny harena ankibon’ny tany ho an’ireo Kaomina nandritra ny taona
2014
Laharan'ny OV Daty Sora-bola (Dolara Amerikana) Mahazo tombontsoa
hitrandraka harena an-kibon’ny tany sy solika (na ireo mbola
manao fikarohana na ireo izay efa manatanteraka ny
fitrandrahana) :
Manao ahoana ny fampiasam-bola marina atao eto Madagasikara mandritra ny fotoana fanaovana ny fikarohana, misy ve ny hirika ahafahana haminavinàna ny vola farafahakeliny tokony holaniana amin’ny fampiasam-bola ary ny fanaovana fanaraha-maso mitohy an’izany?
Manao ahoana ny mari-bola, tataon-ketra aloa amin’ireo mpanatanteraka asa amin’ireo dingana tsirairay? Manao ahoana ny mahakasika ny faritra voakasika amin’ny tataon-ketra ? ( ny fifandimbiasam-pisitrahana ny tataon-ketra) ary manao ahoana marina mahakasika ny fanjifana eto an-toerana mandritra io fotoana goavana eo amin’ny famatsiam-bola io, ny famindrana ny hetra sy ny fanoratana ireo mpandraharaha ireo (any ivelany na eto Madagasikara) ?
Manao ahoana ny fanaraha-maso ireo asa ara-toekarena ataon’ireo tompon’ny fahazon-dàlana hitrandraka ary ny varotra ataon’ireto farany (fanomezana ny fahazoan-dàlana amin’ny fomba ara-dàlana, ny fahamarinana ny fanambarana ara-barotr’ireo akora hita eto an-toerana sy amin’ny sehatra iraisam-pirenena– voakasik’izany ny eny ifotony, ny fifampiankinana ara-toekarena raha hanatontosa ny fifanarahana momba ny harena an-kibon’ny tany sy ny vato sarobidy) ?
Manao ahoana ny fitondrana tsara tantana, ny fandraisany anjara amin’ny fampidiran-ketra sy ny paikady tsara ampiasaina amin’ny fahaiza-mitantana, ny fitazomana sy ny fitrandrahana ataon’ireo tompona fahazon-dalana? Ho fampahafantarana, ny 15% n’ireo efamira fitrandrahana harena an-kibon’ny tany nomena dia eo am-pelatànan’ireo 3 % n’ny tompona fahazon-dalana hitrandraka harena an-kibon’ny tany « olon-tsotra » izay eo amin’ny dingan’ny fitrandrahana raha ny 2% n’ireo efamira fitrandrahana izay nomena dia eo am-pelatànan’ny 6 % n’ireo tompona fahazon-dalana hitrandraka harena an-kibon’ny tany « orinasa » izay eo amin’ny dingan’ny fitrandrahana.
Noho ny antony ara-torohay sy mba ahafahana mijery tsara ny
fandraisana anjaran’ny sehatra fitrandrahana eo amin’ny toe-
karem-pirenena, dia mety ho tsara tokoa ny hampiasan’ny INSTAT
fanasokajiana tahaka ity manaraka ity raha hanatontosa
fanasokajiana ny orinasa mpanao fitrandrahana (jereo.
“inspiration classification CITI & INSEE”) mba ahafahan’ny
mpamaky mijery ny fandraisana anjaran’izy ireo tsirairay amin’ny
Harin-karena faobe sy ny fampidiran-ketra :
Fitrandrahana arina
Fitrandrahana solika : ity fizarana ity dia miresaka ny famokarana solitany amina toerana misy « schiste » sy ny « sables bitumeux » ary ny famokarana entona sy tsiranoka akoranafo.
Ny fitrandrahana metaly an-kibon’ny tany: ity fizarana ity dia ahitana ny fitrandrahana metaly an-kibon’ny tany, anaty tany, an-kalamanjana na ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany an-dranomasina. Hita ato ihany koa ny fanodinana sy fikirakarana ny harena an-kibon’ny tany sahala amin’ny famakiana, fitotoana, fanadiovana, fanamainana, famondronana, fanotoana, fanasaratsarahana
Orinasa mpitrandraka hafa: ity fizarana ity dia ahitana ny fitrandrahana eny amin’ny toerana voatokana ho amin’izany ary ny asa atao amin’ny vato kely, ny fitotoana vato na ny fitrandrahana sisin-dranomasina. Ny vokatra azo dia ampiasaina amin’ny asa fanaovan-trano (fasika, vato, sns.), Ny fanamboarana fitaovana (tanimanga, gypse, calcium, sns.), ny fanamboarana fitaovana simika, ny firavaka sns.
Sampan-draharaha manampy ny orinasa mpanao fitrandrahana: ity sehatra ity dia ahitana ireo sampan-draharaha manokana manampy ny fitrandrahana. Hita ato ny raharaha mahakasika ny fanaovana fitiliana amin’ny fomba fitadiavana mahazatra, sahala amin’ny fangalana santionany sy ny fanaovana fandinihana jeolojika, ny fihadiana, ny fihadiana andrana na ny famerenana ny fihadiana lava-tsolika na metaly an-kibon’ny tany na akora hafa. Hita ato ihany koa ny fanamboarana ny lava-tsolika na entona, ny fanotofana simenitra ny ivelan’ireo lava-tsolika na entona ireo (tubages), ny fanadiovana, ny fanalana tsentsina, ny fitrohana atao amin’ireo lava-tsolika na entona ireo, ny fanadiovana na ny fitrohana atao amin’ny toera-pitrandrahana, ny sampana miandraikitra ny fanadiovana ny toera-pitrandrahana sns. Hita ato ihany koa ireo asa fanampiny ilaina atao amin’ny akora fototra (akora mivaingana, ny metaly, ireo vokatra ambanin’ny tany, sns.) mba ho amin’ny fahafahana mivarotra azy ireo.
Miankina amin’ny vokatra avy amin’ity fitsinjarana ity no
ahafahana mieritreritra ny hisian’ny fikirakirarana ara-ketra sy
ara-pitantanana mba hijerena ny mahasamihafa azy avy.
Tsy fahafantaran’ny
tompon’andraikitra ny
CTD sy ny ITIE
Fanofanana ny ben’ny tanana sy ny mpiara-miasa aminy momba
ny fenitra vaovaon’ny ITIE.
Vokatra ara-toekarana sy
ara-tsosialin’ny
Fanamafisana ny rafi-pandrindrana ireo mpitrandraka madinika
amin’ny alalan’ny famondronana ny tombontsoa ara-toekarena/
fikambanana misahana ny harena an-kibon’ny tany.
43
Lohahevitra : Torolalana fototra
fitrandrahana harena an-
kibon’ny tany madinika
Fanaraha-maso ny tontolo
iainana sy ny fiaraha-
monina
Fanadihadiana mba ahafahan’ny ONE mandray ireo vola anaovana
fanarahamaso ny tontolo iainana voafaritra arakaraka ny
tamin’ny 20 may 2015 momba ny fisorohana ny fampiasana ny rafi-pitantanambola ho amina famotsiana renivola na koa ho famatsiambola ho amin’ny asa fampihorohoroana, manova ny lalana (UE) laharana 648/2012 avy amin’ny parlemanta eropeana sy ny filankevitra ary manafoana ny toro-lalana 2005/60/CE avy amin’ny parlemanta eropeana sy ny filan-kevitra sy ny toro-lalana 2006/70/CE avy amin’ny kaomisiona
Fandaniana saika ho hetra
an’ireo orinasa miankina
amin’ny fanjakana-
Voalazan’ny 6.2 an’ny ITIE
– Famaritana mazava izay
tokony apetraky ny
vondrona itambarana
marorantsana
Ao anatin’ireo fandaniana saika ho hetra ny fifanarahana