5 Lah 982 Samihafa www.gvalosoa.com Sabotsy 16 novambra 2019 Ohabolana 8: 4-8 “Hianareo no ant- soiko, ry olona; Ary ny feoko ho amin' ny zanak'olombelona. Fantaro ny fa- hendrena, ry kely saina; Ary fantaro ny fahalalana, ry adala. Henoy, fa hi- laza zava-tsoa Aho; Ary ny hilaza ny mahitsy no isokafan'ny molotro. Fa ny marina ihany no holazain'ny vava- ko; Ary ny ratsy dia fahavetavetana, raha amin'ny molotro. Marina ny teny rehetra aloaky ny vavako; Tsy misy fiolakolahana na fitaka ao aminy.” Mety ho zava-mahagaga aminareo izao tonga eo ambany masonareo izao ry olombelona fa izao no ZAVA-MIAFINA tokony ho fantatrareo satria ady man- drakariva ny fiainanareo monina amin’ ny tany. Izany no antony anampiako anareo. Ireo anarana fanahy ratsy voa- soratra ao amin’ ny Baiboly ihany no fan- tatrareo fa ankehitriny fantaro amin’ izay ny marina. Indrindra ho anareo manana anjara “ASA” mpandroaka ireo fanahy ratsy manangoly ny olona, tsy misy izay tsy idirany sy isehoany. Ny antony tsy mampiala ny fanahy ratsy amin’ ny olona ireo dia tsy voafaritra ny toerany sady tsy fantatra koa ny anarany ka dia miziriziry izy no mihomehy. Anisan’ ny tetik’ ady entinareo miasa no antony anomezako ny anaran’ izy ireo. Izany hoe: ankoatran’ ny aretina fantatra sy ny zava-misy eo amin’ ny olona dia azo to- nonina tsara ny anaran’ ireo fanahy ratsy mangeja sy mamatotra ireo. Ny fa- hafantarana ireo koa dia manampy ana- reo mba tsy ho reraka satria mafy tokoa ny miady amin’ ny fanahy ratsy. Ireo anarana omena anareo dia anaran’ ireo lazaina hoe “sefo”; Noho izany dia ma- nana miaramila be dia be izy ireo, izay voalaza hoe “devoly”, fanahy ratsy izany. Efa nolazaiko teo aloha ny fomba fiasany, izany hoe: io fanahy ratsy iray izay lazaina fa sefo io no tonga miaraka amin’ ny miaramilany marobe. Baikoany ireo hampahory sy hampijaly ary ny fia- farany tsy maintsy vonoiny izay azony. Ry mpihaino sy mpamaky o! Nahoana no miverimberina eo amin’ ny olona ny fomba ratsy sy ny toetra ratsy ary toa zary fiainana mihitsy ary dia indro fa voalaza fa olom-boaozona na manara- naka sns...? Toy izao no fiasan’ ireo fa- nahy ratsy ireo, ohatra ny anaran’ ny fanahy ratsin’ ny “filàna” dia “TAVON- DO”, io tavondo io no sefo ary mitondra miaramila marobe, ireo no atao hoe de- voly. Iray ihany no mihazona sy manao asa iray, ohatra ny iray mampitsiriritra vola, ny iray mampitsiriritra fijangajan- gana, ny iray indray mampiditra any amin’ ny fijejojejoana, ny iray indray mampiditra any amin’ ny fidorohana, ny iray indray te-hampirafy ao amin’ ny fa- nambadiana, ny iray indray mampiditra any amin’ ny fitadiavam-bola maloto na dia hitrosa sy hankany amin’ ny fanjana- ham-bola aza, sns...Ireo voalaza rehetra ireo, toy izao ireo fomba fiasan’ ireo fa- nahy ratsy ireo, ireo aloha dia tsy hita maso araka ny maha fanahy ratsy azy, indraindray anefa dia hainy ny miseho amin’ ny endrik’ olombelona mba ham- piaikeny fa tena marina izy ireo. Rehefa tsy manana an’ i JESOSY dia tratrany. Henoy sy vakio tsara izao fampianarako JEHOVAH izao: ilay fanahy ratsin’ ny fi- làna “tavondo” dia maka fanahy ratsy iray eo ambaniny araka ny fandaminany ary dia io indray no manana ireo miara- mila devoly mpiara-miasa aminy ka miasa amin’ ny fampahoriana sy fampi- jaliana, izay fombany sy asany. Mariha- na eto fa ireo dia marobe ary tsy maintsy manao izay fomba anirahana azy. Tsy mahazo miverina any amin’ i losifera miaraka amin’ i tavondo raha tsy vita ny asa ratsiny. Rehefa tsy vita ny asa rat- siny dia izy ireo indray no ampijaliana sy ampahoriana, ka izany indrindra no anaovany anjolofo tsy maintsy maha- vita. Izany indrindra no mahatonga ireo devoly ireo amin’arivony no miasa mam- pijaly ankohonana, fianakaviana, ta- nàna, eny e Firenena sy Fiangonana mihitsy. Azo ialana tsara izany asan’ ny devoly izany. I Jaona 3: 8 “Izay manota dia avy amin'ny devoly, satria ny devoly manota hatramin'ny voalohany. Izao no nisehoan'ny Zanako JEHOVAH, dia ny handrava ny asan'ny devoly.” Tokony mahaonon-tena sy mahafehy tena tsara rehefa manana an’ i JESOSY ho MPAN- JAKA. I Petera 5: 8-9 “Mahonòna tena, miambena: fa ny devoly fahavalonareo mandehandeha tahaka ny liona mierona mitady izay harapany; tohero izy, ka miorena tsara amin'ny finoana ianareo, satria fantatrareo fa izany fahoriana izany dia manjo ny rahalahinareo rehe- tra eran'izao tontolo izao.” Ny fanome- zan-toerana an’ ireo fanahy ratsy ireo no amaharany eo amin’ ny fiainanareo iza- ny hoe rehefa manota hianareo dia izay no lalana ahafahany miditra sy manjaka eo aminareo. Rehefa tsy voaroaka izy ireo eo aminareo dia mahazo vahana sy maka toerana eo amin’ ny sehatry ny fiainanareo ka dia potika sy rava ny fiai- nanareo sy ny ho avinareo rehetra. Efe- siana 4: 27 “Aza manome fitoerana ho an'ny devoly.” Rehefa tsy voaroaka izy ireo dia maka toerana ary mifanampy tanteraka. Toy izao no tanjony: satria isika mahazo toerana ka dia ianao no ao amin’ ny volany, ianao no ao amin’ ny vadiny, ianao ao amin’ ny asany, ianao ao amin’ ny tompon-tranony, sns... Toy izany no fomba fiasany ary dia miampita any amin’ ny zanakareo ireny fanimbany sy fanapotehany sy fandravany ka dia ohatran’ ny hoe manaranaka sy ozona kanefa izany no asan’ izy ireo. Anjara- nao sisa no mihevitra fa izany no ma- rina. Efesiana 6: 11 “Tafio avokoa ny fiadiako JEHOVAH, mba hahazoanareo hifahatra amin'ny fanangolen'ny devoly.” Aza adino fa fandrika avokoa ny asany. II Timoty 2: 26 “ka hody ny sainy ho afaka amin'ny fandriky ny devoly, izay nanao azy sambo-belona hanao ny si- trapony.” Manana hafatra ho anareo AHO JEHOVAH, Jakoba 4: 7-8 “Ka dia maneke AHY JEHOVAH ianareo; ary manohera ny devoly, dia handositra anareo izy. Manatòna AHY JEHOVAH, dia hanatona anareo AHO. Diovy ny ta- nanareo, ry mpanota; ary ataovy madio ny fonareo, ry mpiroa saina.” Toy izao no Tanjoko, Apokalypsy 2: 10 “Aza mata- hotra izay efa hiaretanao; indro, ny de- voly efa hanao ny sasany aminareo ao an-tranomaizina, mba ho voazaha toetra ianareo, ary hanam-pahoriana hafo- loana. Aoka ho mahatoky hatramin'ny fahafatesana ianao, dia homeko anao ny satro-boninahitra fiainana.” Miorena tsara fotsiny aza miova. Amen! Mbola hitohy. Amen! JEHOVAH MPANJAKA MANDRAKIZAY Telephone : 033 12 461 43 e-mail: jehovahandriamanitra@gmail. com Facebook : Jehovah Andriamanitra page Radio: - Antsiva, FM 97.6, Alarobia ma- raina 5ora 45min- 6ora - Soa Radio, FM 96.8, Alahady maraina 6ora 30min -7 ora - RMK, FM 102.4, Asabotsy 12 ora -12 ora 30min Gazety ny Valosoa Vaovao (www.gva- losoa.com): mivoaka Talata sy Asabotsy Faminaniana sy fanambarana ho an’izao tontolo izao (GV 167), Madagasikara 12 novambra 2019 ny VaLoSoa sy mahaliana ny tanànan’i Beramanja any amin’ny distrikan’ambilobe, faritra Diana Sakafo Ny Valosoa Trondro sy anana indray no laoka amin’ny pejin’ny Sakafo eto amin’ny gazetinao androany. Zavatra ilaina: trondro, anana tisam, tongolobe, tongolo gasy, sakamalao, kotomila, voatabia, menaka, Curry, dipoavatra sy sira. Atao lafika ny trondro ny anana. Dia mazotoa homana tompoko. ny VaLoSoa sy mahasoa misy ny soa entin’ny labiera fa lanjalanjaina ny fisotroana azy Misy ny soa entin’ny labiera fa tsy atao be ny fiso- troana azy. Manatsara fiasan'ny voa na ny rein izy. Ma- habe amany na pipy, izay mahatonga azy manadio ny voa. Manamafy ny taolana ny labiera satria be vita- mine B1. Anisan'ny mahatsara hoditra. Tsara ho an'ny olona tsy ampy torimaso sy mikorontan-tsaina. Man- danjalanja ny tosidra. Mampahazo aina ihany koa izy. Na izany aza, aza misotro diso tafahoatra fa lasa poi- zina ho an’ny vatana indray izy amin’izay. Ny tanànan’i Beramanja, any amin’ny distrikan’Ambi- lobe, faritra Diana indray no Mahaliana eto amin’ny ga- zetinao androany. Kaominina ambanivohitra ity tanàna ity. Somary mbola iva toerana izy satria 15 m ny haa- vony miohatra amin’ny ranomasina. Tantsaha mpam- boly sy mpiompy no ankamaroan’ny mponina any. Vokatra any Beramanja ny vary, ny kafe, ny vomanga, ny katsaka. Mpiompy omby sy akoho amam-borona koa ny mponina. Pejy manokana Barea, Barea ihany, Barea hatrany F otoan-dehibe ho an’ ny vahoaka Malaga- sy, indrindra ny mpitia baolina kitra anio tolakan- dro etsy amin’ny kianja- ben’i Mahamasina, hihao- nan’ny Barea an’i Madaga- sikara amin’ny ekipam-pi- renen’i Ethiopia, amin’ny fifanintsanana amin’ny CAN 2021, na ny fiadiana ny amboan’i Afrika ho an’ ny ekipam-pirenena taona 2021. Miara-mientana sy mitempo amin’ireo mpila- laon’ny Barea anio ny va- hoaka Malagasy rehetra mihitsy. Barea, Barea iha- ny, Barea hatrany ny Mala- gasy rehetra anio amin’ity lalao baolina kitra Afrikana ity, satria izy ireo ihany ha- treto no afaka mampiray ny rehetra tsy mitovy hevi- tra eto amin’ny firenena, tato anatin’ny taona vitsy izao. Na ny andrim-panja- kana natao hisahana ny fampihavanana aza tsy na- havita ny andraikiny hatra- min’izao mahakasika izay, misy mihitsy aza no mila- za, inona moa no ilana ny CFM na ny komitin’ny fam- pihavanana Malagasy, sa- tria tsy hita izay zava-bita misongadina vitany hatre- to, toy ny volam-panjakana fotsiny no tsihifin’izy ireo amin’izao fotoana. Fa mom- ba ny Barea, ireo henjana avy hatrany no tonga dia hampidirin’ny mpanazatra Dupuis anio tolakandro, mila mandresy amin’ny elanelan’isa betsaka isika anio. Toy izao ireo mpilalao hiditra kianja voalohany etsy Mahamasina anio: mpiandry tsatokazo: Mel- vin. Vodilaharana : Metani- re, Fontaine, Morel, Mom- bris. Afovoan’ ny kianja: Anicet (kapiteny), Ahmada. Loha-laharana : Bolida, Njiva, Carolus ary Faneva Ima. Azo antoka fa han- dresy ny Malagasy. Ankoa- tra izany, fotoana koa io anio, hanao- van’i Faneva Ima veloma ny mpitia bao- lina kitra Malagasy, tsy handray anjara amin’ny ekipam-pirenena intsony ny tenany, fa manome ny toerana ho an’ny tanora handimby, eo amin’ity se- hatry ny baolina kitra ity, fotom-pisainana mendrika tokoa, raha eo amin’ny se- hatry ny fanatanjahantena. Lita