FaNajaNa Ny ZoN’oloMbeloNa Nanome fitaovana ny polisim-pirenena ny eo anivon’ny Firenena Mikambana 6 Lah 1030 Alakamisy 19 martsa 2020 Samihafa www.gvalosoa.com Ireo boky ho an’ny polisim-pirenena, avy amin’ny Firenena Mikambana. N anome boky ho an’ny Polisim-pire- nena mikasika ny fehezan-dalàna famai- zana ( code Pénal sy Pro- cédure Pénale) ny von- drona misahana ny zon' olombelona eo anivon’ny Firenena Mikambana. Nambaran’ Andriamatoa Omer Kalameu, mpano- lotsaina misahana ny zon' olombelona eo anivon’ny Firenena Mikambana, fa ny fanomezana fitaovana tahaka izao dia hanampy betsaka ny Polisy amin’ny fanajana ny zon’ olombe- lona. Tafiditra ao ana- tin’ny Politika ankapoben’ ny Minisiteran’ny filami- nam-bahoaka ny fana- jana ny zon’ olombelona raha tsy hitanisa, ny fam- pivoarana ny zon’ireo olo- na marefo : ny zaza, amam-behivavy, ny ady amin’ny kolikoly ary ireo asan’ny Polisim-pirenena misahana ny filaminam- bahoaka. Tamin’ny laha- teny nataon’ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka Contrôleur Général de Police RANDRIANARI- SON FANOMEZANTSOA Rodellys no nilazany, fa tena ilain'ny Polisy amin’ ny fanatanterahany ny asany ireto boky ireto, in- drindra ireo Polisy misa- hana ny fandikan-dalàna . Ho aparitaka amin’ireo sampan-draharaha misy eo anivon’ny Minisiteran’ ny filaminam-bahoaka ireo boky ireo. Stefa Nisongadina nandritry ny fetin’ny taranaka notante- rahina tao amin’ny Fjkm Soavinandriana Fihavao- zana, synodamparitany Antananarivo atsinanana, fa ho vitaina amin’ity tao- na ity, alohan’n y volana Novambra 2020 ny aka- nin’ny fiangonana. Tsan- gam-baton’ ny faha-150 taonan’ny fiangonana izy io ary efa telo taona no nanao fetin’ny taranaka ny fiangonana, ho fami- tana ity tsangam-bato ity. Mirefy 27 amin’ny 14 me- tatra izy io ary misy rihana sy efitrano lehibe. Ny vo- lana Desambra 2019 no natomboka ny asa ary efa vita ny androatokony fa ny famitana toy ny vara- varana, dallage, pitsopit- sony samihafa sisa no mbola ezaka miandry ny kristianina eo an –toerana sy ny zanakaam-piele- zana . Nandritry ny fetin’ ny taranaka ny alahady 15 Martsa lasa teo, no na- natanterahan’ny faritra at- simo ny fetin’ny taranaka, izay mbola mitohy amin’ity volana Martsa ity. Manana alahady iray ny faritra samihafa, fa ny fi- tambarana kosa dia ny alahady fahatelo amin’ny volana Oktobra. Ny 21 mey kosa no ivon’ny fan- kalazana ary ny famara- nana dia ny volana No- vambra 2020. Tratra ny tanjona raha ny namba- ran’ny mpitandrina, An- drianandrianina Harisoa, saingy mbola maro ny ezaka tokony ho tantera- hina izay mila fanenta- nana sy fiaraha-miasa amin’ny rehetra, indrindra fa ny zanakaam-pieleza- na. Tokony ho vita alo- han’ny volana Novambra mantsy ity akany ity raha ny nambaran’ny komity , Ramboatiana Alfred. Vo- nona ny mpino kristianina sy ny zanaka am-piele- zana amin’ny ankapobe- ny, ary nisongadina isaky ny rakitry ny taranaka, fa samy nanao izay vitany izy ireo . Narahabaina sy noraisin-tànana ireo tara- naka ary nampaherezina hatrany satria mbola maro ny asa miandry. Ny mpi- tandrina teo an –toerana no nitarika ny fotoana sy nitondra ny hafatr’Andria- manitra ny alahady teo, ka naompana amin’ny hoe« taranaka mibebaka sy miverina amin’Andria- manitra » no loha-hevitra tamin’izany, izay nalaina tao amin’ny Matio 12. Fan- draisana ny fanasan’ny Tompo no namaranana ny fotoana teny an-toe- rana ary samy fenon’ny fanahy masina sy vonona hamita ny asa ny rehetra teny an-toerana. Rajo Fjkm Soavinandriana Fihavaozana Ho vitaina alohan’ny volana Novambra ny akanin’ny fiangonana Taratasin’ny mpamaky Taratasy ampitaina amin’ny gazety Ny Valosoa Vao- vao sy ny mpamaky azy ary ireo rehetra izay mety hiantefany izao manaraka izao. Rehefa ny ministra ve no milaza vaovao tsy marina dia tsy atao n’inona n’inona? MINISITRA MANELY VAOVAO TSY MARINA ny Ministra Lalatiana Andriantogarivo Rakotondrazafy. Tsy mety ny manely vaovao tsy marina ho an'ny vahoaka araky ny nambaran'ny depute Me Hanitra RAZAFIMANANTSOA. Nilaza anefa ity minisitry ny serasera ity izay sady mpitondra tenin'ny governemanta fa :"Ny Institut Pasteur de Madagascar irery ihany no afaka mana- marina fa tena mitondra ny aretina coronavirus ny olona iray, satria izy ihany no manana ny fitaovana fitiliana ahitana izany". Namaly izany teniny izany ny teo anivon'ny "IPM" fa TSY MANAO FITILIANA NY OTRIKARETINA CORONAVIRUS, fa eny amin'ny hopitaly Befelata- nana no misy ny fanaovana izany ary miantso ny laharana maitso 910 . FANAMBARANA MANORO VOHANA, SA RE- HEFA MINISITRA NO MILAZA VAOVAO TSY MA- RINA SY MANELY TSAHO DIA TSY AZO AMPI- HARANA NY LALANA VE?! Francis Razanakolona Lot... Anjoma, Toamasina Asa na efa natao tsy hiteraka mihitsy, na izay mihitsy no anjarany. Vehivavy iray no tratry nyaretina hafahafa izany. Mandeha rà foana mantsy ity vehivavy ity ary misy zavatra hafa ihany koa mivoaka amin’ny fivaviany . Nytena olana aza dia mamoaka fofona tsy hay han- tonina intsony ity vehivavy ity . Efa nanatona dokotera sy mpitsabo hafa fa tsy nety nijanona mihitsy ny are- tina. Ny vola foana no lany fa ny teo ihany no teo. Very hevitra izy mivady, ka tsy maintsy nanatona an’i Jes- sica 03387 395 41 mpitsabo eny Mandrosoa Ivato sa- tria malaza amin’ny gazety ny fahaizan’io mpitsabo sady mpanotra io, ary ny vehivavy no betsaka mahazo fahasoavana ao aminy . Alanenina sisa ny an’izy mi- vady, ka nihaona teny an -toerana izy telo mianadahy . Fiandry no nahazo ilay ramatoa Vao nojeren’ity mpitsabo ity fotsiny ilay ramatoa dia fantany avy hatrany fa mosavy no nahazo azy. Fiandry no nahazo anao hoy izy satria nisy lehilahy niaraka ta- minao taloha nefa tsy nety nanambady azy ianao. No- somparany ianao hoy ity mpitsabo ity ary tsy ho sitrana mihitsy raha tsykarakaraina . Nampisotroin’ity mpitsabo ity rano manokana ilay ramatoa ary notroriny ihany koa ny kibony. Ny alin’iny ihany dia nijanona ny rà nijininika taminy ary nanomboka afaka ihany koa ny fofona ta- miny . Afaka telo andro dia niverina teny aminy izy ary nilaza fa sitrana tanteraka. Mbola notohizana ihany moa ny fisotroana ilay rano, ka in- telo teny aminy fot- siny ilay ramatoa dia sitrana tanteraka .Teo vao niaiky izy mivady, fa samy manana ny fahaizany tokoa ny olona rehetra , ka raha tsy teny amin’i Jessica izy mi- vady dia sady tsy hiteraka, no ho faty mihitsy aza. Namana Ny fanokafana ny fampirantiana ataon’ny AFIFAB etsy Analakely. Manamarika ny herinan- dron’ny Asa fifandraisana FJKM, ny Asa Fifandrai- sana sy Fampahalalam- Baovao (AFiFaB) FJKM. Tamin’ny alalan’ny fampi- rantiana no nanokafana izany ny Talata lasa teo, tao amin’ny rihana faha-6 ao amin’ny Foibe FJKM Trano Ifanomezantsoa Analakely. Nanokatra iza- ny tamin’ny fombam-pian- gonana ny Filohan’ny FJKM IRAKO ANDRIA- MAHAZOSOA Ammi, Mpi- tandrina. Nampirantiana tamin’izany ireo sary sy soratra fampahafantara- na ny AFiFaB FJKM, ahi- tana ireo rantsa-mangai- ka ao aminy : Ny Gazety « Marturia Vavolombelo- na », ny haino aman-jery, ka ao anatin’izany ny Ra- dio Fahazavana, ny tra- nokalam-pifandraisana, ary ny Arofenitra. Misy ihany koa ny taka- lon-kevitra ho fanatsa- rana ny fifiandraisana, ka omaly alarobia dia niom- pana tamin’ny momba ny Radio Fahazavana. Nisy tao anatin’izany ny fijo- roana vavolombelona na- taon’ireo mpanao gazety naiditra am-ponja tao aminy, ary hanamarika ny faha-10 taona nanjo azy ireo izany amin’ity taona ity. Anio Alakamisy kosa manomboka amin’ny 9 ora maraina dia hiom- pana amin’ny Gazety « Marturia Vavolombelona » ny takalon-kevitra, ka hi- tondra ny dinika amin’iza- ny ny Mpitandrina AN- DRIAMAMPIANINA Zaka Hary Masy, Mpanolotsai- na Birao Mpiandraikitra Foibe, no sady mpanora- tra ao amin’io gazetim- piangonana io. Tsiahivina fa feno 30 taona amin’ity taona ity io gazety io ary homarihina izany amin’ny Alarobia 8 Aprily amin’ny 9 ora maraina eny amin’ ny FJKM Ankadifotsy, izay hanasana ny besinimaro sy ny mpianakavin’ny fi- noana rehetra. Misy ao anatin’izany ny fifanina- nana sary famantarana na Logo, izay hifarana amin’ny 01 aprily amin’ny 12 ora atoandro ny fara- fanaterana ny sary fifani- nanana. Azo antsoina amin’ny andinindininy izany ny 020 22 282 37 na manatona ny foiben’ny AFiFaB FJKM, rihana faha-6, varavarana 603. Ny alahady 22 Martsa izao no hamaranana ny herinandron’ny Asa Fifan- draisana FJKM, amin’ny fanatanterahana fanom- poam-pivavahana iombo- nana any amin’ny FJKM Moramanga Antampota- nàna, SP Mangoro Mora- manga. Ny isam-pitandre- mana ihany koa anefa dia hanatanteraka fanompo- am-pivavahana any ami- ny amin’ny fandaharana iombonana efa nozaraina mialoha. Radafy ASA FIFANDRAISANA FJKM (AFIFAB) Mikarakara fampirantiana hatramin’ny Zoma Ramatoa tratry ny fiandry Nandosiran’ny olona fa mamoaka fofona Que le Sacré Cœur de Jésus soit loué, adoré et glorifié à travers le monde pour des siècles et des siècles, Amen. PRIERE AU SACRE CŒUR Remerciements au Sacré Cœur pour faveurs obtenues. Miora A. Dites cette prière 6 fois/ jour pendant 9 jours et vos prières seront exaucées même si cela semble impossible. N’oubliez pas de remercier le Sacré Cœur avec pro- messe de publication quand la faveur sera obtenue.