Ny Tetibolam-panjakana izay fitaovana fototra ho amin’ny fampiharana ny politikan’ny governemanta, dia manazava ny fomba nampiasàna ny loharanom- bolam-panjakana ho amin’ny fandaniana. Ny antontan-taratasy antsoina hoe « Tetibola ho an’ny Daholobe » dia hevitra natomboky ny Ministeran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola (MEF) izay mana-tanjona hanolotra an-tànana ny vahoaka ireo vaovao momba ny tetibola mifandraika amin’ny Lalàna mifehy ny fitantanam- bolam-panjakana. Ity Tetibola ho an’ny Daholobe ity izay mifandraika amin’ny Hitsivolana momba ny Lalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakana 2020, dia fandikàna ara-tetibola ireo fampanantenana nataon’ny Fanjakana ho amin’ity taom-panatanterahana ny Tetibola ity ary hampisongadina manokana ireo vinavina ara-toekarena sy ara- tetibola ary koa ireo sori-dàlana lehibe mahakasika ny fandaniana ho an’ny taona 2020. Araka izany, ity boky ity dia manome taratra ireo laharam-pahamehan’ny governemanta izay voalaza ao anatin’ny Politika Ankapobeny ataon’ny Fanjakàna. Ity finiavan’ny Fanjakàna hisokatra amin’ny olom-pirenena ity dia fanampin’ireo ezaka efa natao mahakasika ireo fanavaozana teo anivon’ny fampandehanan- draharaham-panjakàna ary manohy ny fihitaran’izany amin’ny alàlan’ny fanapariahana ny boky mba hipaka amin’ny mpamaky misimisy kokoa hatrany. Noho izany, entanina ny tsirairay mba hizara ity Tetibola ho an’ny Daholobe ity ho fanatrarana ny tanjona dia ny fangaraharana ara-tetibola izany. Ny famokarana ity boky ity dia vokatry ny fiaraha-miasa niaraka tamin'ny UNICEF izay hanolorana fisaorana etoana. ZARAINA MAIMAIMPOANA - AZO ADIKA SY APARITAKA MBA HANGARAHARA AMIN’NY DAHOLOBE NY FAMPIASANA NY VOLAM-PANJAKANA TETIBOLA HO AN’NY DAHOLOBE Ny T etibola ho an’ny Daholobe dia tahirin-kevitra mora azo mahafaoka ny Lalàna mifehy ny fitantanam- bolam-panjakana (LFI) sy ny Lalàna fanitsiana ny fitantananam-bolam-panjakana (LFR).Izany no natao dia mba hanamafisana ny fangaraharàna, singa tsy azo ihodivirana mandrafitra ny Fanjakana tsara tantana. 12 OLFI 2020 fiaraha-miasa miaraka amin'ny
12
Embed
12 TETIBOLA - DGFAGny PGE, ny mba hanesorana ny haba sy ny sara amin’ny fanafarana ny fananana, ny fitaovana naompana amin’ny famokarana sy fitrandrahana ny angovo azo avaozina
This document is posted to help you gain knowledge. Please leave a comment to let me know what you think about it! Share it to your friends and learn new things together.
Transcript
Ny Tetibolam-panjakana izay fitaovana fototra ho amin’ny fampiharana ny politikan’ny governemanta, dia manazava ny fomba nampiasàna ny loharanom-bolam-panjakana ho amin’ny fandaniana. Ny antontan-taratasy antsoina hoe « Tetibola ho an’ny Daholobe » dia hevitra natomboky ny Ministeran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola (MEF) izay mana-tanjona hanolotra an-tànana ny vahoaka ireo vaovao momba ny tetibola mifandraika amin’ny Lalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakana.
Ity Tetibola ho an’ny Daholobe ity izay mifandraika amin’ny Hitsivolana momba ny Lalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakana 2020, dia fandikàna ara-tetibola ireo fampanantenana nataon’ny Fanjakana ho amin’ity taom-panatanterahana ny Tetibola ity ary hampisongadina manokana ireo vinavina ara-toekarena sy ara-tetibola ary koa ireo sori-dàlana lehibe mahakasika ny fandaniana ho an’ny taona 2020. Araka izany, ity boky ity dia manome taratra ireo laharam-pahamehan’ny governemanta izay voalaza ao anatin’ny Politika Ankapobeny ataon’ny Fanjakàna.
Ity finiavan’ny Fanjakàna hisokatra amin’ny olom-pirenena ity dia fanampin’ireo ezaka efa natao mahakasika ireo fanavaozana teo anivon’ny fampandehanan-draharaham-panjakàna ary manohy ny fihitaran’ izany amin’ny alàlan’ny fanapariahana ny boky mba hipaka amin’ny mpamaky misimisy kokoa hatrany. Noho izany, entanina ny tsirairay mba hizara ity Tetibola ho an’ny Daholobe ity ho fanatrarana ny tanjona dia ny fangaraharana ara-tetibola izany. Ny famokarana ity boky ity dia vokatry ny fiaraha-miasa niaraka tamin'ny UNICEF izay hanolorana fisaorana etoana.
zaraina maimaimpoana - azo adika sy aparitaka
Mba hangarahara aMin’ny daholobe ny faMpiasana ny volaM-panjakana
TETIBOLA HO AN’NY DAHOLOBE
Ny Tetibola ho an’ny Daholobe dia tahirin-kevitra mora azo mahafaoka ny Lalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakana (LFI) sy ny Lalàna fanitsiana ny fitantananam-bolam-panjakana (LFR).Izany no natao dia mba hanamafisana ny fangaraharàna, singa tsy azo ihodivirana mandrafitra ny Fanjakana tsara tantana.
12
OLFI 2020
fiaraha-miasa miaraka amin'ny
Tetibola ho an'ny daholobe | Ordonnance portant Loi de Finances2
Fizakan-tena sy fampandraisana andraikitra ireo Vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana
11- Tanàn-dehibe sy �araha-
monina maharitra
16- Rariny sy fandriam-
pahalemana
FOTOTRA 1 : SOSIALY
FANEKENA NATAON’NY FANJAKANA Tanjon’ny ODD
Fianarana ho an’ny rehetra 4- Fanabeazana tsara kalitao
3- Fahazoan-dalana ho amin’ny fahasalamana
5- Mira lenta8- Fahafahana mahazo asa mendrika
9- Zava-baovao sy fotodra�trasa11- Tanàn-dehibe sy �araha-monina maharitra
3- Fahazoan-dalana hoamin'ny fahasalamana
Fahasalamana
Asa mendrika ho an’ny rehetra
Fampiroboroboana ny trano fonenana
Fanatanjahan-tena sy Kolontsaina
FOTOTRA 2 : TOEKARENA
FANEKENA NATAON’NY FANJAKANA Tanjon’ny ODD
Fanitarana ny indostrian’ i Madagasikara
Indostrian’ny �zahan-tany
Fanjariana ara-tsakafo
5- Mira lenta
1- ady amin'ny fahantrana2- Ady amin’ny hanoanana
8- Fahafahana mahazo asa
mendrika
9- Zava-baovao
FOTOTRA 3 : TONTOLO IAINANA
FANEKENA NATAON’NY FANJAKANA Tanjon’ny ODD
Fitantanana maharitra sy �arovana ny harena ara-boajanahary
Angovo sy rano ho an’ny rehetra
12- Fanjifàna sy famokarana maharitra13- Ady amin’ny �ovaovan’nytoetrandro14- Fiarovana ny zava-manan’aina anaty rano15- Fiarovana amin’ny bibysy ny zava-maniry an-tanety
� FITSINJARAN’NY FFBP MAHALEO TENA ISAKY NY FOTOTRA
TOEKARENA21,1%
TONTOLO IAINANA2,1%
FITANTANANA37,3%
SOSIALY39,6%
Tetibola ho an'ny daholobe | Ordonnance portant Loi de Finances 3
� FEPETRA VAOVAO ARA-KETRA
HETRA
Ireo votoatin’ny fanovàna ny fepetra mikasika ny hetra:
� Ny fampiharana ho an’ny rehetra manao tsenam-barom-panjakàna ny fepetra mikasika ny “ Haba amin’ny tataom-bidy amin’ny tsenam-barom-panjakàna” na ohatrinona na ohatrinona ny vola matin’izay manao izany ary miaraka amin’ny fanovàna ny anaran-ketra ho “Haba amin’ny tsenam-barom-panjakana (TMP)”: haba tazomina ifotony izay ataon’ny Mpitantana ny kaontim-panjakàna amin’ny taha 8 isan-jato ;
� Ny fampiakarana ny tahan’ny hetra tsy mivantana alaina amin’ny fandaniana (DA) amin’ny labiera ho Ariary 600 isaky ny litatra ;
� Ny fampitomboana ny tahan’ny hetra tsy mivantana alaina amin’ny fandaniana (DA) amin’ny ranom-boankazo ho Ariary 100 isaky ny litatra ;
� Ny fampiakarana ny tahan’ ny hetra tsy mivantana alaina amin’ny fandaniana (DA) amin’ny sigara ho Ariary 1390 isaky ny fonosan-tsigara 20 ;
� Ny fametrahana indray ny hetra tsy mivantana alaina amin’ny fandaniana (DA) ho an’ny vato sarobidy sy sarobidy amin’ny ampahany ;
� Ny fampiakarana ny taha’ny hetra tsy mivantana alaina amin’ny fandaniana (DA) amin’ny fifandraisan-davitra ho 10 isan-jato ;
� Ny fampiharana ny TVA ho an’ny katsaka sy ny varim-bazaha ; � Ny fampiharana ny fakan-ketra amin’ny vola miditra (IR) amin’ny taha 10
isan-jaton’ny anjara vola voarain’ireo mpiara-miombon’antoky ny orinasa izay tsy mana-ponenana eto Madagasikara ;
� Ny fametrahana sy ny fanaparitahana ny fandoavan-ketra amin’ny alalan’ny tambazotra “e-hetra” sy amin’ny alalan’ny finday ;
� Ny fanafoanan-kaba ho an’ny fanafarana sy fivarotana fitaovana sy fampitaovana ho an’ny indostria momba ny sakafo ;
� Ny fampiatoana ny fandoavana ireo sara amin’ny fandovàna sy ny sara amin’ny fanoratana ireo taratasim-pizaram-pananana avy amin’ny fandovàna ;
� Ny fanafoanana ny TVA amin’ireo vokatra ho an’ny fanabeazana aizana ; � Ny fampidinana ny taham-pakan-ketra amin’ny vola miditra (IR) ho 10
isan-jaton’ny vola miditra ho an’ny olon-tsotra na fikambanana misehatra amin’ ireo raharaha mahakasika ny fahasalamana sy/na fanabeazana ;
� Ny fanitarana ny fepetra mikasika ny vola fandrotsaka mialoha amin’ny IR na IS amin’ny taha 2 isan-jato ho an’ireo raharaha fanondranan’entana rehetra ;
� Ny fandraisana ny DE amin’ny taha iray (1) isan-jato tsy mihoatra ny 5 000 000 Ariary amin’ireo taratasy fifampivarotana sambo hanaovana varotra sy ireo karazam-piara-manidina, ny DE dia ferana ho 2 000 Ariary isaky ny fitaovana vaovao novidiana ;
� Ny fanitarana ny fampidinan-ketra 2 isan-jato ho an’ireo fividianana raharaha misy faktiora ara-dalàna ka tafiditra amin’izany ireo fandaniana mikasika ny mpiasa izay nanaovana fandrotsahana IRSA ;
VInAVInA HO AmIn’ny VOLA mIdITRA AVy AmIn’ny HETRA AnATIny HO An’ny TAOnA 2020
Mikasika ny fehezan-dalàna momba ny fadintseranana :
� Fampifanarahana ny fepetra apetraky ny fehezan-dalàna momba ny fadintseranana amin’ny fepetra voalazan’ny fifanarahana natao tany Kyoto nasiam-panitsiana (CKR) sy ny fifanarahana momba ny fanamorana ny fifanakalozana ara-barotra (AFE) nankatoavin’I Madagasikara.
� Fampanarahana ny fepetra ao amin’ny fehezan-dalàna momba ny fadintseranana amin’ny fehezan-dalàna momba ny herinaratra sy ny PGE, ny mba hanesorana ny haba sy ny sara amin’ny fanafarana ny fananana, ny fitaovana naompana amin’ny famokarana sy fitrandrahana ny angovo azo avaozina ;
� Fampidirana ny fepetra momba ny famoriam-bolam-panjakàna mba hanatanterahana an-tsakany sy an-davany ny fampidirana ny haba ampidirana amin’ny kitampom-bolam-panjakana ;
Mikasika ny lazam-bidy amin’ny fadintseranana :
� Fanamboarana ireo andinindininy ao amin’ny filazam-bidy araka ny fifanarahana misy eo amin’ny Fiombonam-be Eoropeana sy Madagasikara mahakasika indrindra ny fampihenana miandalana ny tahan’ny habantseranana amin’ny entana miditra avy any Eoropa (APEI);
� Fampidirana naoty fampifandraisana amin’ny zana-tsokajy 85395010 mba hampiharana ny fampanarahana ny fenitra ara-kalitao takian’ny Ministeran’ny Angovo ;
� Famaritana araka ny tokony ho izy ny fanasokajiana ny lazam-bidy momba ny faikan’entana fihinan’ny biby fiompy mba hialana amin’izay mety ho fanambarana tsy marina ;
� Fampiharana tatao-ketra 20% ho an’ny fanafarana varim-bazaha araka ny tolokevitra avy amin’ny Foibem-pitondrana Ankapoben’ny Hetra ;
VInAVInA HO AmIn’ny VOLA mIdITRA AVy AmIn’ny FAdInTSERAnAnA HO An’ny TAOnA 2020
1 515,6
0,6
281,6
528,6
680,8DDHabatseranana
TVAPPHaba amin’ny tataom-bidy avy amin’ny solika
TPPHaba avy amin’ny vokatra avy amin’ny solika
Haba hafa
TVAHaba amin’ny tataom-bidy
lavitrisa Ariary
lavitrisa Ariary
Tetibola ho an'ny daholobe | Ordonnance portant Loi de Finances4
� SOKAJY LEHIBEN’ NY FANDANIANA
Zanabola avy amin’ny trosa 452,1 lavitrisa Ariary
s Fandaniana ho an’ny mpiasa 2 903,3 lavitrisa Ariary
• Fiakaran-karama mitentina 179,0 lavitrisa Ariary ary fanomezana toeran’asa vaovao ho an’ny Zandarimariam-pirenena, ny Polisim-pirenena, ny Fiarovam-pirenena, ny Fanabeazam-pirenena ary ny Fahasalamana.
s Fandaniana amin’ny fampandehanan-draharaha 1 365,1 lavitrisa Ariary
� Entana sy raharaha 1 315,7 lavitrisa Ariary
• Ahitàna fiakarana 22,0% vokatry ny vola laniana amin’ ny hana-pamokarana ary koa ny fiovaovam-bidy
� Famindram-bola sy fanampiana ara-bola 983,6 lavitrisa Ariary
• Ahitàna fihenana 25,7% raha oharina amin’ny OLFR 2019 noho ny fanadiovana sy fanafoanana ireo singa mandany ny tetibola tsy araky ny tokony ho izy ho an’ireo Orinasam-panjakàna (EPN) ;
• Fiakaran’ny famindram-bola ho an’ny fampandehanan-draharaha ho an’ny Governora hatramin’ny lelavola 1,0 lavitrisa Ariary isaky ny Governora.
s Fandaniana ho an’ny hana-pamokarana 5 048,3 lavitrisa Ariary (49,2%-n’ ny tetibola omena)
• Hisy fiakarana 31,2% raha oharina amin’ny OLFR 2019 ;
• Hahatratra 2 344,0 lavitrisa Ariary izany ka ny tetikasa mahazaka tena dia 2047,3 lavitrisa Ariary ary ny setriny dia 296,7 lavitrisa Ariary ;
• Hitentina 2 491,4 lavitrisa Ariary ny Fampiasam-bolam-panjakàna avy amin’ny loharanom-bola ivelany ka ny findramana hahatratra 1 367,9 lavitrisa Ariary ary ny fanampiana hitentina 1 123,5 lavitrisa Ariary ;
� FITSINJARANA NY FANDANIANA ISAKY NY MINISITERALavitrisa Ariary
Ireo sokajy lehiben’ny fandaniana ny tetibola ankapobeny toy ny karama, fampandehanan-draharaha, fampiasam-bola ivelany ary ny fampiasam-bola anatiny dia efa tafiditra ao amin’ireo fitsinjarana isa-tseha-pamokarana. .
Tetibola ho an'ny daholobe | Ordonnance portant Loi de Finances8
� Tetik a s a “ Roc a de ” s y “ F l yover s ”; fanamboarana sy/na fanarenana ireo làlana any amin’ireo toerana manana harena ara-toekarena lehibe toy ny RN 1B, RN 3B, RN 5, RN 6 (ampahan-dalana Ambanja-Antsiranana, RN 9, RN 13, RN 18, RN 20, RNS 1, RN 23, RN 43, RN 44, sns ;
� Fanamboarana « corridor » ao Manja any amin’ny faritra Atsimo Andrefana, ny fandrakofana tara ny ampahan-dàlana Ambilobe-Vohémar ary ny fananganana tetezana eto Antananarivo sy ao Toliara ;
� F a n a m b o a r a n a f a t s a k à n a a n y Amboasary, Ambovombe, Bekily, Beloha, Betroka, sns ;
� Fa n a r e n a n a i r e o f o to d r a f i t r a s a ar y fividianana « wagons » vaovao, lohamasinina, milina sy s ampan -draharaha any amin’ny faritra Avaratra sy Atsimo eo amin’ny lafiny fitaterana an-dalamby ;
� Tetikasa fanovàna sy amin’ny endriny vaovao « Paositra Money » ataon’ny P a o s i t r a M a l a g a s y ( PA O M A ) s y fametrahana ny Smart-City ho fiarovana ireo renivohi-paritany enina sy tanàn-dehibe vaovao “ Tana-Masoandro” (fakana horonan-tsary fanarahamaso, ivotoerana mpanara-maso, “pylones réseau LTE- Long Term Evolution”, sns) ;
� Fametrahana ireo sampan-draharaha misahana ny toetrandro, ny fizahana toetrandro sy ny ria-drano eny anivon’ny faritra.
Fiarovana ny fananan-tany
� Fanomezana titra (“titre”) ny tany sy taratasy fanamarinana ny fananan-tany (« certificats fonciers ») mba ho tombotsoan’ny fahaleovan- tena sy fampandrosoana eny ifotony ; sns..
� Fanariana ireo rano maloto sy fako manerana ny tanànan’ Antananarivo ataon’ny SAMVA ; sns.
Angovo azo avaozina
� F iz ar àna “ k its solaires ” maro s y fametrahana foibe famokarana herinatra azo avy amin’ny herin’ny masoandro, eny ambanivohitra sy ireo tanàna mitoka-monina, ary koa fitaovana famokarana her inar atr a av y amin ’ny her in ’ny masoandro ho an’ny isan-tokantrano ;
� F a m e t r a h a n a t o b i - p a m o k a r a n a herinaratra azo avy amina karazana angovo azo avaozina na « centrales hybrides » eny anivon’ny (45) tanàna manerana an’i Madagasikara ;
� Fanohanana ny fampiroboroboana sy ny fampiasana angovo fandrehatra amin’ny alalan’ny fametrahana rafitra mpamokatra “biogaz ” eny amin’ ireo t a n à n - dehib e eto Ma d a g a sik a r a , fametrahana rafitra mpamokatra angovo fandrehatra, sy fitsipika mifehy ny fikirakiràna izany taranjam-pamokarana izany ; sns.
� F a m p i a s a n a t e k n o l o j i a v a o v a o “biométrique” ho an’ny taratasy momba ny fiara sy ireo fahazoan-dàlana mamily fiara ho an’ny taona 2020 ;
� Fametrahana Ivotoerana manokana fanaovana fanazaran-tena ho an’ny Zandarimariam-pirenena any amin’ireo kaominina ambanivohitra maromaro (Malaimbandy, Beroroha, Maromby, sns.) , ar y koa Ivotoeram-pirenena fanaovana fanazaran-tena manokana ho an’ny Zandarmariam-pirenena any Ambatolampy ;
� Fanitar ana ny toby mis ahana ny fifamoivoizina an-dranomasina ao Taolagnaro ary ny toby misahana ny f ifamoivoizana an ’ habakabaka ao Arivonimamo ;
� Fametrahana fitaratra nomerika eny anivon’ireo fisoloan-tenan’i Madagasikara any ivelany mba hampiroboroboana azy sy hisintomana ireo mpampiasa vola ;
� Fangaraharàna eo amin’ny fitantanam-bolam-panjakana sy fikarakarana ny tsenan-draharaha amin’ny fanjakana ;
� Fampitaovana ara-potodrafitrasa sy fitaovana manaraka ny toetrandro.
Tetibola ho an'ny daholobe | Ordonnance portant Loi de Finances 9
SEHATRA SOSIALy
Fahasalamana sy fanabeazana
� Fametrahana tobim-pahasalamana afa-mivezivezy any Maevatanana sy Morondava ;
� Fananganana toera-pitsaboana eny anivon’ny Distrika (CHD) sy fanarenana ny tranon’ny CHU Tanambao Toliary I, ny CHU manara-penitra an’Andrainjato F ianar antsoa I, ny CHU Toer ana Fikabariana any Antsiranana I, ny CHU PZAGA any Androva - Mahajanga I, ny CHUJRA an’Antananarivo I sy ny CHU manara-penitra an’I Morafeno Toamasina ;
� Fananganana Oniversite miisa 04 any Fénérive-Est, Antsirabe, Soavinandriana sy Morondava, sns.
Fanatanjahan-tena sy kolon-tsaina
� Fa n d a h a r a n ’ a s a f a n o h a n a n a n y fampandrosoana ny fanatanjahan-tena avo lenta miaraka amin’ny fananganana fotodrafitrasa maromaro manerana ny nosy hifanaraka amin’ny fenitra iraisam-pirenena ;
� Fampandehanana ny Akademian’ny fanatanjahan-tena eny anivon’ny faritra ao Antsirabe izay afaka mampiantrano atleta miisa 200 mba hametrahana ny fandaharan’asa « Sport-étude ».
SEHATRA FAmOKARAnA :
Fambolena sy jono
� Tetikasa Fiaraha-miasa antsoina hoe « Coopération Sud-Sud » azo any amin’ny teknôlojiam-pamokarana masomboly sy ny teknika fambolena maro karazana izay ahazoam-bokatra betsaka ;
� Fananganana magazay fitahirizan’entana s y to er a n a fa n a n g o n a m - b o k a tr a momba ny Tetikasa Fandaharan’asa f a m p a n d r o s o a n a n y s e h a t r y n y fambolena (PDFA) ;
� Fa melom a n a indr a y ny jono a n -dranomamy amin’ny alalan’ny fanasiana zana-trondro vaovao anatin’ireo farihy, ny fanofanana ho matihanina ireo mpanjono madinika an-dranomasina ary ihany koa ny fikarohana sy fampandrosoana ny fiompiana trondro an- dranomamy ;
� Fanamboarana labatoara sy fanitarana ny rafitra famantarana ara-elektrônika ireo omby amin’ny alalan’ny fametahana ary koa fampanarahana araky ny fenitra iraisam-pirenena ireo sampan-draharaha mpitsabo biby; sns.
Fanitarana ny indostria
� Fa m e r e n a n a a m i n ’n y l a o n i n y n y fampavitrihana ny orinasa mpanodin’ny fanjakana mandalo fahasahiranana toy ny SECREN, SUCOMA, SIRAMA, Huilerie de Nosy Be ;
� Fametrahana ny Label MALAGASY NY ANTSIKA hanaraka ny fenitra iraisam-pirenena ;
� Fa n a ov a n a n y fa m a nt a r a n a ir e o mpanao asa tànana, fizarana ny karatra mahamatihanina sy fanoratana anarana ho anaty fandraiketana ny asa azy ireo, ka hahitàna ny lisitr ’ireo farany sy ireo karazana asa tànana eny amin’ny toerana voafidy ;
� Tetikasa Fihariana omena mpanao asa
tànana miisa 50 000 ;
� Fizarana ireo « Livrets Kajy » ho an’ny sehatra tsy miankina, fanohanana ny fitsongàna ireo mpandraharaha vao misandratra “start-up” fifaninanana isam-paritra momba ny tetikasa ;
� Fa n a m a f is a n a n y f is i tr a h a n a n y famatsiam-bola amin’ny alalan’ny tetikasa Fihariana ho an’ny tanora sy fanohanana ireo mpandraharaha vao misandratra “start-up” mba hanampiana tosika ny fandraharahana eto Madagasikara ;
� F ikotrehana or inas a, iz ay r af itr a natao handraisana sy hanohanana ary hanampiana tosika ireo tanora sy vehivavy amin’ny fananganana orinasa eny anivon’ny faritra, sns.
Tontolo iainana
� Fambolena mandrakotra velaran -tany mirefy 40 000 ha isan-taona ka hampiasana voly miisa 80 tapitrisa sy fampiasana olona miisa 6 tapitrisa toy ny mpianatra isan’ ambaratonga, ny miaramila sy mpiasam-panjakana ;
� Fampiasana teknolojia fambolen-kazo vaovao amin’ny alalan’ny « drones » eny amin’ny faritra zara raha azo idirana ;
� Fitahirizana ireo zava-boahar y tsy fahita raha tsy eto Madagasikara sy ny fanamafisana ireo faritra arovana ary fanombohana ny fanodinana ny fako ; sns.
Harena an-kibon’ny tany
� Fampiroboroboana ireo fitrandrahana harena an-kibon’ny tany goavana, f a n a o v a n a h o m a t i h a n i n a i r e o mpitrandraka madinika, fametrahana ivotoerana fitobian’ny volamena sy ny vato sarobidy, fampiasana teknolojia vaovao mba hanarahana ireo vato voatrandraka, toy ny fanefena volamena, ny fanomezana « titre » sy fanaovana « label » ;
� Fa n o h i z a n a n y f a m e t r a h a n a n y « Datacenter » nasionaly natokana ho an’ny sehatra fitrandrahana mba h a h a zo a n a a ntok a ny s or itr y ny fivezivezen’ireo vato vokarin’ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany, sns.
Tetibola ho an'ny daholobe | Ordonnance portant Loi de Finances10
� FITOMBOANA EO AMIN’NY SEHA-PAMOKARANA
SEHA-PAMOKARANA vOALOhAny
G 4,6%
• Fambolena : 5,6%
• Fiompiana sy jono : 2,5%
• Ala : 1,0%
SEHA-PAMOKARANA FAhAROA
f 7,4%
• Rantsana famokarana sakafo, zava-pisotro sy paraky : 5,3%
• Rantsa-pamokarana lamba : 10,5%
• Rantsana fitaovam-panorenana : 6,5%
• « Milina sy ny fitaovana elektronika »: 2,0%
• Ny indostria samihafa : 2,5%
• Ny herinaratra, ny rano sy entona fandrehitra : 9,6
SEHA-PAMOKARANA FAhATELO
G 5,2%
• Rantsana Tao-rano sy asa vaventy : 11,0%
• Fitaterana: 4,9%
� NY ANTSIPIRIHANY MOMBA NY TROSAM-PANJAKANA
Ny sorabolan’ny trosa ivelany tokony averina ho an’ny OLFI 2020 dia niakatra 7,9% izany hoe mitentina 428,1 lavitrisa Ariary raha ampitahaina amin'ny LFR 2019, izay renivola mitentina 294,9 lavitrisa Ariary ary zana-bola mahatratra 133,2 lavitrisa Ariary.
Nampiakarina ho 318,9 lavitrisa Ariary ny fandaniana ho amin’ny fandoavana ny trosa anatiny.
Tombanana ho 9,5% ny zana-bola fanefana ny taratasim-bolam-panjakana amin’ny ankapobeny araky ny raharaha natao tamin’ny taratasim-pamoaham-bola nataon’ny Tahirim-bolam-panjakana.
286,7 318,9
396,9 428,1
0
100
200
300
400
500
600
700
800
LFR 2019 PLF 2020
Hetra anatiny Hetra ivelany
Tetibola ho an'ny daholobe | Ordonnance portant Loi de Finances 11