ME KA Direc Maît DE MOIRE DE NY FAN AOMININA cteur de la r tre de Confé EPARTEME C.E.R E FIN D’ET PE NANDROA A AMBAN MANJA He recherche : érences UNIVERS ECOLE N ------- ENT DE LA R LANGUE -- TUDES POU EDAGOGIQ NA MAHA NIVOHITR AKANDRIA enintsoa Har Alphonse R A Souten SITE D’AN NORMALE --------------- A FORMAT ES ET LET --------------- UR L’OBT QUE DE L’E (C.A.P.E ------------- AKASIKA RA AMBOH ANA FARI Présenté rinjara AND RAHARIJA ANTANAN nu le 22 déc NTANANAR E SUPERIEU -------------- TION INITI TTRES MAL ---------- ENTION D ECOLE NO E.N) ------- NY TRAN HITRANDR ITRA ANA par : DRIANTSIL AONA ARIVO cembre 201 RIVO URE -- IALE LITT LGACHES DU CERTIF ORMALE NO HITA A RIAMANI ALAMANG LAVINA 6 TERAIRE S FICAT D’A APTITUDE AO AMIN’ TRA DISIT GA ’NY TIRIKA
This document is posted to help you gain knowledge. Please leave a comment to let me know what you think about it! Share it to your friends and learn new things together.
VI.Vahaolana noraisina nahamora ny asa ......................................................................... 5
VII.Fanatontosana ny asa .................................................................................................. 5
VIII.Drafitry ny asa ........................................................................................................... 6
FIZARANA I : FANORITSORITANA NY TOERANA NANAOVANA FANADIHADIANA
TOKO I : FAMPAHAFANTARANA NY LAFINY JEOGIRAFIKA SY ARA-TANTARA ....................................................................................................................... 8
2.2.1.1. Trano hitarina na hoeferina ......................................................... 47
viii
2.2.1.2. Ny fanamboarana tsotra .............................................................. 47
2.2.2. Fiatrehana ny fanavaozana ........................................................................ 48
2.2.2.1. Ny fanandroana atao ................................................................... 48
2.2.2.2. Ny fotoana sy andro tsara hanatanterahana ny fanavaozana ...... 48
2.2.2.3. Fanatanterahana ny fanavaozana ................................................ 49
2.3. Ny fitokanana na fisantarana trano ........................................................................... 49
2.3.1. famaritana ny fisantarana ........................................................................... 49
2.3.2. Fizotry ny fitokanana trano ........................................................................ 50
2.3.2.1. andro sy fotoana isantarana ......................................................... 50
2.3.2.2.Ireo fitaovana ilaina sy ampiasaina .............................................. 50
2.3.2.3. Ny fanatanterahana ny fisantarana .............................................. 51
2.3.3. Famaranana ny fisantarana ........................................................................ 52
FEHIN’NY TOKO II ...................................................................................................... 53
TOKO III : NY FANANDROANA MAHAKASIKA NY ZAVATRA HAFA ANKOATRA NY TRANO HITA AO AMIN’NY KAOMININA AMBANIVOHITRA AMBOHITRANDRIAMANITRA54
3.1. Ireo zavatra hafa anatonana mpanandro ................................................................... 54
3.1.1. Ny fananganan-javatra ............................................................................... 54
3.1.2. Ny asa fivelomana eo amin’ny fiainana andavanandro ............................. 55
3.1.3. Ireo vanim-potoana lehibe sy manan-danja ............................................... 56
3.2. Ny iavahany amin’ny fanandroana mahakasika ny trano ......................................... 56
3.2.1. Ny fotoana sy ny toerana ........................................................................... 56
3.2.2. Ny fomba atao eo amin’ny fanatanterahana ny fanandroana .................... 57
3.3. ny ifandraisany amin’ny fanandroana trano ............................................................. 57
FEHIN’NY TOKO III ..................................................................................................... 58
FAMINTINANA NY FIZARANA FAHAROA ............................................................. 59
ix
FIZARANA III : NY ANJARA TOERAN’NY MPANANDRO MANOLOANA NY AIN’OLOMBELONA EO ANIVON’NY FIARAHA-MONINA AO AMIN’NY KAOMININA AMBANIVOHITRA AMBOHITRANDRIAMANITRA
TOKO I : NY ANDRAIKITRY NY MPANANDRO EO AMIN’NY FANDRINDRANA NY AINA SY NY HERIN’NY TONTOLO ............................... 62
1.1. Ny fiheveran’ny fiaraha-monina ny Aina ................................................................. 62
1.1.1. Andram-pamaritana ny Aina ..................................................................... 62
1.1.1.1. Ny hery fototra ............................................................................ 62
1.1.1.2. Ny hery mpanampy ..................................................................... 63
1.2. Ny fitsimbinana ny Aina eo anivon’ny fiaraha-monina ........................................... 63
1.2.1. Fandrindrana ny vintana sy ny fanandroana amin’ny ain’ny tsirairay ...... 63
1.2.2. Ny fifehezana ny tontolo manodidina ........................................................ 64
1.2.2.1. Ny fifehezana ny fotoana ............................................................ 65
1.2.2.2. Ny fitsinjarana ny habaka ........................................................... 66
1.3. Ny anjara toeran’ny mpanandro eo anivon’ireo olona manatona azy ...................... 68
1.3.1. Ny maha solontenam-piarahamonina azy .................................................. 68
1.3.2. ny fiheveran’ny fiarahamonina ny Mpanandro/Mpitaiza .......................... 68
FEHIN’NY TOKO I ........................................................................................................ 69
3..1.2. Ny lanjan’ny fivavahana ........................................................................... 77
3.1.3. Ny lanjan’ny teny atao ............................................................................... 77
3.2. Ny anjara toeran’ny tandindona eo amin’ny finoana amam-pomba ........................ 78
3.2.1. Ny tandindona entin’ny rano ..................................................................... 79
3.2.2. ny tandindon’ny rivotra ............................................................................. 79
3.2.3. Ny tandindona ambaran’ny afo ................................................................. 79
3.2.4. Ny tandindon’ny tany ................................................................................ 80
3.3. Ny endrika fampivadiana finoana ao amin’nny kaominina Ambohitrandriamanitra80
3.3.1. Ny antony mahatonga ny fampivadiana finoana ....................................... 80
3.3.1.1. ny fankatoavana ny mpanandro .................................................. 81
3.3.1.2.Ny fankatoavana ny fivavahana kirisitianina ............................... 81
3.3.2. Ny fiantraikan’ny fampivadiana finoana ao Ambohitrandriamanitra ....... 82
3.3.2.1. Ny fahitan’ny kirisitianina ireo mpandala ny fomban-drazana .. 82
3.3.2.2. Ny tsangan-kevitry ny mpanandro sy ny taizany manoloana ny fivavahana kirisitianaina ...................................................................................... 82
3.3.2.3. Ny fitsingevahevan’ny finoana ambanivohitra ........................... 84
FEHIN’NY TOKO III ..................................................................................................... 85
« L’anthropologie religieuse est née dans la seconde moitiée du XIXe siècle. [ ]
2
EVANS PRITCHARD koa dia milaza fa “Ny Antrôpôlôgy dia ( ) tokony hifampiresaka
amin’ny mponina amin’ny alalan’ny fiteniny”3 ary dia tanteraka taminay izany.
II Petrakolana.
Matetika rehefa miresaka fomba amam-panao ifangaroam-pinoana dia maro no
mitsara sy mihevitra fa fanompoan-tsampy sy finoanoam-poana izany. Ny fanandroana tokoa
no lohahevitra ifotoranay ato anatin’ity asa fikarohana ity. Izany dia mampanontany tena anay
hoe: Inona no maha-zava-dehibe ny fomba nentin-drazana? Ahoana ny ahafahana manandro?
Toe-javatra tahaka ny ahoana avy no ilana fanandroana?
III Petrakevitra.
Mba hialana amin’ny hevi-diso sy hampitombina tsara ny firehan-kevitry ny maro
mikasika ny fomba sy ny finoana nentin-drazana indrindra eo amin’ny fanandroana
mahakasika ny trano honenana dia heverinay fa manana ny anjara biriky amin’izany ity asa
fikarohana ity. Noho izy :
Mampahafantatra antsika fa mbola betsaka ny Malagasy no manaraka ny finoana sy
ny fomba nentin-drazana, ary tena mandala izany;
Manatevina ny fahalalana mikasika ny finoana sy ny fomba nentin-drazana.
Manabe voa ny asa fikarohana mikasika ny antrôpôlôjia ara-pivavahana, dia ny lafiny
fanandroana mahakasika ny trano sy ny zavatra hafa hita ao amin’ny kaominina
ambanivohitra Ambohitrandriamanitra.
IV Ny haitsikera nampiasaina
Tsy mandeha an-jambany ny asa fikarohana toy itony, fa mila mifahatra amina
haitsikera mba hahasiantifika ny asa.
Ny haitsikera ara-drafitra na “théorie structural » àry no nanompanana ny asa. “Ny
teoria stroktoralista na ara-drafitra dia milaza fa manana firafitra tsy hita maso ny fomban- 3 EVANS PRITCHARD, Anthropologie sociale. Paris Payot, 1969, « L’antrhopologue
(…)doit communiquer avec elles (populations) dans leur langue. »
3
tany; ka raha voahetsika ny lafiny iray amin’io rafitra io dia isehoam-piovana ihany koa ny
lafiny hafa. Manaraka izany, ny lafin’ny rafi-piaraha-monina dia tsy hoe mifameno fotsiny fa
mifanohitra ihany koa, toy ny tanan-kavia sy havanana, ny lanitra sy ny tany, ny andro sy ny
alina sy ny toy izany. . . Ireo lafiny mifameno sy mifanohitra ireo no mivitrana ho rafitra”4.
Ampiharinay eto koa ny haitsikera araka anjara asa, na “theorie fonctionnaliste”, izay
mifahatra indrindra amin’ny fiheverana fa ny singa tsirairay avy dia samy manana ny anjara
asa manandrify azy daholo. Hoy i MALINOWSKI milaza izany: « Ny singa tsirairay ao
anaty vondrona dia manana ny anjara asany manokana avy »5.
Raha ampiharina amin’ny fanadihadiana ny fanandroana mahakasika ny trano
honenana ireo teoria ireo, dia izao no misongadina : mifanipaka ny olona hanorina trano sy ny
mpanandro. Heverina ho marefo sy tsy manam-pahefana ny haminavina ny vintana sy ny
tonon’ andro tsara hanatanterahana ny fanorenana ny tompon’ny trano, fa ny mpanandro kosa
III. Ny anjara toeran’ny mpanandro manoloana ny Aina sy ny anjara toerany eo
anivon’ny fiaraha-monina.
7 PCD : Plan Communal pour le Developpement
6
FIZARANA VOALOHANY:
FANORITSORITANA NY TOERANA
NANAOVANA FANADIHADIANA
7
Misy foto-javatra maromaro mamaritra ny tontolom-piaraha-monina iray. Ka eo amin’ny olombelona dia tsy afa-mivaha fa mifamatotra hatrany ny tontolo jeôgirafika sy ny endri-piaraha-monina ary ny toe-karena. Ireo no miara-mandrindra ny firenena ka tsara raha havoitra eto
TOKOI:FAMPAHAFANTARANA NY LAFINY JEOGIRAFIKA SY TANTARA
1.1. Lafiny jeôgirafika
1.1.1. Fanoritsoritana ankapobeny ny faritra
Ny kaominina ambanivohitra Ambohitrandriamanitra dia tanàna any amin’ny 60 Km
miala ny renivohi-paritanin’Antananarivo. Ny lalam-pirenena faharoa RN28 no aleha, ary eo
Manjakandriana no mianatsimo mandeha lalan-tany eo amin’ny 19 Km. Raha ny kaominina
Ambatomanga kosa no lalovana dia ny RIP609 no raisina.
Mivelatra anaty velaran-tany 76 Km2 ny kaominina Ambohitrandriamanitra, ary
misy fokontany 15. Ireto avy izany: Ambohitrandriamanitra, Ambohitrinibe I, Ambodiala,
Ny Andriana Ramanitra no nanjaka tao, ary nony nisy ny fifanafiham-bohitra izay
samy notarihin’Andriana dia nahagaga fa nilatsahan’ny havandra ny mpanafika, ka ny maty
maty, ny sisa velona niverim-potsiny. Noheverina ho toerana masina itoeran’Andriamanitra
14 J. CHEVALIER, A. GHEERBRANT, Dictionnaire des symboles, Ed SEGHERS, Paris A à
CHE. 1973, « la fôret ou le bois sacré est un centre de vie, une reserve de fraîcheur d’eau et
de chaleur associées comme une sorte de matrice. Aussi, elle est encore un symbole
maternel »
11
avy eo ilay tanàna no sady mahery ody. Koa hatramin’io andro nitrangan’io toe-javatra io dia
very anarana hoe “Ambohitrandriamanitra” ilay tanàna.15
1.2.2. Araka ny fanadihadiana
Tsy mbola nisy mpikaroka na mpandinika fiarahamonina nanadihady manokana ny
tanànan’Ambohitrandriamanitra. Tsy nahasakana anay hanao asa fikarohana tao anefa izany.
Marihina fa ireo boky isan-karazany nanaovanay fikarohana dia toa tsy nisy niresaka
manokana an’ Ambohitrandriamanitra. Moronkay no tanàna manakaiky azy indrindra, sady
ao no misy ny tsena Talatan’i Moronkay izay famonjin’ny mponin’Amohitrandriamanitra. Io
tanàna io koa no hany voaresaka ao amin’ny boky Tantara ny Andriana, ao amin’ny
kaominina ambanivohitra Miadanandriana no misy azy io, ary tamin’ny vanim-potoana
namorian’Andrianampoinimerina ny fanjakana, izany hoe Imerina efa-toko dia anisan’ny tsy
nitrangana ady fa nanolo-botsitra na avy dia nanaiky ny Ombalahibemaso ho mpanjakany i
Moronkay16 .
Taty amin’ny andron’ny fanjanahan-tany no nisy nanamarika ny fokontany
Ambohitrinibe I izay sady renivohitry ny kaominina ankehitriny. Ambohi-pihaonan’ireo
Malagasy tia tanindrazana tamin’izany Ambohitrinibe I. Ambohitsorohitra no niantsoana azy
io fahiny fa noho izy ihaonan’ny maro dia lasa hoe “Ambohitrinibe”. Izany hoe vohitry ny
be17
15 Fitateran-dRAKOTONIMANANA, zokiolona monina ao Ambohitrandriamanitra 16 R.P CALLET, Tantara ny Andriana eto Madagasikara. Boky II. MFZP. Imp. National
Antananarivo 17 Fitateran-dRAKOTONIMANANA ihany.
12
FEHIN’NY TOKO I
Nisongadina tao amin’ny toko voalohany ny fandokoana ny faritra jeôgirafika sy ny
lafiny tantaran’ny kaominina ambanivohitra Ambohitrandriamanitra, ao amin’ny disitrikan’i
Manjakandriana, faritra Analamanga. Nambara tamin’izany ny toe-tany manerana ny
kaominina. Hita tao ihany koa ny filazana ny maripana sy ny toetrandro ary ny rotsakorana. .
Ny main-tany no fotoana tena betsaka mpanorina trano, ny volana Aprily hatramin’ny
Oktôbra mahakely ny rotsakorana. Nanampy ireo ny renirano sy ny ala ao an-toerana izay
manana ny anjara-toerany lehibe eo amin’ny fiainan’ny mponina
Famariparitana ny faritra ihany ireo fa mbola tsy voalaza ny mombamomba ny mponina
sy ireo lafin-javatra hita ao an-toerana. Koa aseho ato amin’ny toko faharoa àry ny momba ny
mponina sy ny fahasalamam-bahoaka ary ny finoana amam-pivavahana misy ao an-toerana ka
ironan’izy ireo.
13
TOKO II: NY MPONINA SY NY MOMBA AZY
2.1.Ny isan’ny mponina sy ny tantarany
2.1.1. Ny isan’ny mponina
Miisa 10021 ny mponina ao amin’ny kaominina ambanivohitra
Ambohitrandriamanitra, ary monina ao anaty velarana 76 Km2. Eo amin’ny 123 mponina
isaky ny Km2 (123 hab / Km2) eo ny hakitroka; izany hoe, malalaka azo iainana tsara ny
toerana saingy somary tery kosa ny tanàna noho ny fitangoronana eny an-tampon-kavoana
Toy izao ny fafana maneho ny isan’ny mponina
Fafana 2: Ny isan’ny mponina arakaraka ny taonany avy.
Taona 0 – 5 5 – 18 18 – 60 60 + Tambatra Taha
Lehilahy 992 1449 2101 532 5074 50,63%
Vehivavy 1020 1374 1945 608 4947 49,37%
LOHARANON-KEVITRA : monographie de la commune Ambohitrandriamanitra 2015
Manodidina ny 18 taona ka hatramin’ny 60 taona ny ankamaroan’ny mponina ao
amin’ny kaominina ambanivohitra Ambohitrandriamanitra. Manana ny Anjara toerany izy
ireny amin’ny asa aman-draharaha sy ny fitadiavam-bola. Amin’ny ankapobeny dia
mitovitovy ny isan’ny lahy sy ny vavy, ary somary manatombo kely aza ny hamaroan’ny
lehilahy tanora latsaky ny 40 taona, raha io antontan’isa anaty fafana io no jerena. Izany dia
ahazoana milaza fa vahoaka tanora ny mponin’Ambohitrandriamanitra.
2.1.2. Ny tantaran’ny mponina
Raha ny fiavian’ny mponina ao amin’ny kaominina ambanivohitra
Ambohitrandriamanitra isam-pokontany no hohadihadiana dia mila manao tetiarana lava be,
hatramin’ny taloha ela be. Ny fantatra dia “vakiniadiana” ny mponina ao ary Merina ny foko
misy azy. Havitsiana amin’izy ireo no mpiavy na mpila ravinahitra. Izany hoe, tompon-tany
14
avokoa ny ankamaroany: manana fasan-drazana, trano, tanimbary ary tanimboly ao an-
toerana.
2.2.Ny rafi-pitantanana
2.2.1. Ny rafi-pitondrana misy ao an-toerana
Ny rafi-pitondrana ara-panjakana no mitantana ny vahoaka, izay tarihin’ny Ben’ny
tanàna. Ny isam-pokontany kosa indray dia misy ireo sefo fokontany.
Ankoatra ny fampiharana ny teny midina avy any amin’ny fanjakana foibe, dia
manaraka izay lazain’ny mpanandro ihany koa ny mponina ao amin’ny kaominina
ambanivohitra Ambohitrandriamanitra. Miara-miasa akaiky ny mpanandro sy ireo mpitantana
ny tanàna. “Raha misy raharaha lehibe vinaina hotanterahina toy ny fanaovan-trano,
fanavaozana ireo tranom-panjakana, fanamboarana kianja fanaovam-baolina,… dia mila
hevitra amin’ny mpanandro izahay”, hoy ny nambaran’ny Ben’ny tanàna18.
Eo amin’ny fandriampahalemana kosa dia manana “poste avancé”
miankina amin’ny fanjakana sy ny sekoly tsy miankina. Ao no misy ny lycée sy CEG ary
mandranto fianarana ao avokoa ny fokontany manodidina. Ankoatra ireo sekolim-panjakana
ireo dia misy ihany koa ireo sekoly tsy miankina hita ao an-toerana dia ireo sekolim-pinoana.
Araka ny fanadihadiana nataonay dia misy EPP 15 ny kaominina izay hita isaky ny
Fokontany 15. CEG iray sy Lycée iray. Ny sekolin’ny FJKM Ambohitrandriamanitra irery
ihany kosa no sekoly tsy miankina ahitana ireo ambaratongam-pampianarana telo ireo, raha
ny ambaratonga voalohanay ihany no misy ao amin’ny sekoly katôlika Masimbavy Cathérine.
Toy izao ny fafana maneho ny fampianarana ao amin’ny kaominina
Ambohitrandriamanitra:
Fafana 3: fafana maneho ny fampianarana misy ao amin’ny sekolim-panjakana.
Ambaratongam-
pampianarana
Tomponandraikitra Isan’ny kilasy
Mpampianatra Maître FRAM
EPP (15) 13 20 75
CEG (1) 07 8 9
Lycée (1) 02 4 4
.
LOHARANON-KEVITRA: ny mpikaroka.
Hita araka io fafana io fa tsy ampy ny efitrano fianarana sy ny isan’ireo mpampianatra
raha mitaha amin’ny isan’ireo sekoly. Misy fivoarana ihany anefa ny tanàna satria mba efa
manana sekoly ambaratonga fototra ny isam-pokontany ; ary ahitana koa ny ambaratongam-
pampianarana CEG sy LYCEE.
Ilaina ny fampianarana ary hita ho mampiana-janaka ny mponina ao amin’ny
kaominina ambanivohitra Ambohitrandriamanitra. Ny isan’ny ankizy tokony hianatra ao dia
2520, ireo efa mianatra dia miisa 2223. Izany hoe ny taham-pahafahana mianatra dia 88,21% 19. Raha io taha io no jerena dia ao lazaina fa liam-pivoarana ny mponina ao amin’ny
kaominina ambanivohitra Ambohitrandriamanitra. Ny olona efa nandalo ny fanabeazana
fototra dia efa mahay manisa, mamaky teny, manoratra…ary azo heverina fa afaka manisa
andro, raha toa izy ka ho lasa mpanandro.
19 PCD 2008
16
2.3.2. Ny olana mianjady eo amin’ny fanabeazana an-tsekoly
Ireo sahirana ara-pivelomana no tsy mandefa ny zanany an-tsekoly. Rehefa hitany fa
tsy ho lasa lavitra dia alefany mamboly sy miompy. Ary dia tsy sahirana mitady olona
hokaramaina intsony izy ireo rehefa hanao raharaha. Ao koa ireo mandefa ny zanany hiasa
any an-toeran-kafa.
Ireo tranga ireo dia mampahatsiahy ny voalazan’ny INSTAT mikasika ny
fiantraikan’ny kirizy pôlitika:” ny kirizy politika dia niteraka fihenan’ny vola miditra ka
manery ireo tokantrano tambanivohitra hampiasa ny zanany mba tsy hanaramana olon-kafa.
Toa mampitombo ny asan’ny ankizy ny kirizy (…), ny fividianana ny fitaovam-pianarana koa
mbola olana.”20
Araka izany, dia hita fa tsy araky ny ray aman-dreny ny enti-manana amin’ny
fampidirana ny zanany an-tsekoly noho ny tsy fahavitany mamory ireo fitaovam-pianarana.
Izany hoe, ny enti-manana amin’ny fitaovam-pianarana no tena tsy araky ny ray aman-dreny,
ary amin’ny ankapobeny dia ny zanaka tambanivohitra no tena tsy mahafeno ny fepetra
amin’izany.
2.4.Ny fahasalamam-bahoaka
Manana olana eo amin’ity sehatry ny fahasalamana ity tokoa ny mponina ao amin’ny
kaominina ambanivohitra Ambohitrandriamanitra. Tsy mahasahana ny vahoaka ireo toeram-
pitsaboana CSBI sy CSBII ao an-toerana. Dokotera roa ihany no miasa ao ary mpampivelona
iray ihany koa. Noho ny toerana na ireo fokontany mifanalavitra koa anefa dia vitsy ireo
tonga mamonjy tobim-pahasalamana. Voatery, noho izany, manaraka ny fitsaboana nentin-
drazana sy manatona renin-jaza ny ankamaroan’ny mponina, ao koa ireo manao dokoteran-
tena.
20 INSTAT: in Etude de l’impact de la crise politique du 1er semestre 2002, n°3 juillet 2002 « L’impact de la
crise politique sur le secteur, éducation » « Dans la mesure où la crise politique a engendré une baisse des
revenus et que les menages ruraux aient été contraints à se replier sur la main d’œuvre familiale, la crise a
probablement contribue à une augmentation de travail des enfants(…)
L’achat des fournitures demeure aussi un problème.
17
Ny fanadihadiana nataonay mikasika ireo aretina anatonan’ny olona ny CSB ao
amin’ny kaominina ambanivohitra Ambohitrandriamanitra dia ireo aretina tsotsotra toy ny
kohaka, sery, gripa, aretin-kibo, tazo, …; Ny aretim-be ilana fidirana hôpitaly dia tsy mba
misy mandalo ao. Tsy misy ary ve izany ny aretina hafa, sa tena salama be daholo ny
mponina?
Toy izao ny fafana maneho ireo aretina amonjen’ny mponina dokotera sy ny tahany
Fafana 4: fafana maneho ireo aretina amonjen’ny mponina dokotera sy ny tahany
ARETINA TAHAN’NY MPONINA MANATONA
CSB21
. I. R. A tsotra (Infection Respiratoire Aigue)
. aretin-kibo
. tazo
18%
16%
13%
LOHARANO:CSB II Ambohitradriamanitra
Raha ny tarehimarika eo amin’ny fafana no jerena dia hita fa vitsy dia vitsy ny
mponina ao amin’ny kaominina no manatona toeram-pitsaboana ara-panjakana. Ny antony tsy
anatonany ireny, dia eo ny saram-pitsaboana sy ny vidim-panafody izay tsy maintsy aloa, ary
eo koa ny tsy fahampian’ny fanafody,satria tsy ahitana afa tsy “dépot de médicaments” iray
ihany ao amin’ny kaominina. Manaraka izany, raha vao aretim-be, fa tsy aretina tsotsotra dia
Ankoatra izay, mbola tsy misy tao an-tanànan’ Ambohitrandriamanitra, na dia iray
aza, sahy nandika ny fadin-tany : ny mandevina talata sy ny manao raharaha an-tanimbary ny
22 Mangalaza, Vie et mort chez les Betsimisaraka de Madagascar. Essai d’antropologie philosophique,
l’Harmattan 5 rue, St Jacques1998 : ”A Madagascar, l’action du devin- guérisseur ne concerne pas uniquement
le monde rural mais elle interresse également le monde moderne des grandes villes. »
19
alakamisy. I Louis Molet dia milaza fa « ny alakamisy dia andro tsara, izay anantenana
zavatra, noho izany tsy natao hiasana ny tany, fa natao kosa hitsangatsanganan’ny andriana,
natao hampakaram-bady, natao hitokanan-trano sy ihetsehan’ny miaramila ».23
Eo koa ny famadihan-drazana, izay riba fototra eo amin’ny Malagasy. Zava-dehibe
sy fiheverana ny Razana izany . Fa ankoatra ny fomba atao amin’ny maty dia hita ihany koa
ny fifaneraseran’ny mpianakavy, ary misy lanonana atao amin’izany. Ary araka ny filazan-
dRAZAFINTSALAMA:“Ny famadihana izay andanian-karena dia fotoana entin’ny
mpianakavy mifanotrona, mifanome voninahitra, mamitrana indray ny fihavanana sy ny
fifanampiana manamafy orina ny finoana fa mitahy ny Razana ary mampahomby izay rehetra
atao”24.
2.5.2. Ny finoana kirisitianina
Ahitana ireo antokom-pivavahana isan-karazany ny kaomininina ambanivohitra
Ambohitandriamanitra. Ao ireo fivavahana mivondrona ao amin’ny FFKM, dia ny FJKM sy
ny EKAR; hita ao koa ireo fiangonana zandriny samihafa. Toy izao ny fafana maneho izany,
miampy ny isan’ireo mpino isam-piangonana:
23 Louis Molet, La concéption malgache du monde du surnaturelet de l’homme en Imerina, 1978 “ le jeudi, par
suite d’un jeu sur les assonances”. Alakamisy, « jeudi » et « misy »il y a, avoir », était un bon jour car « on peu
espérait avoir ». exclu pour le travail de la terre, c’était un jour convenable pour la sortie des princes, pour les
mariages, pour les inaugurations de maisons et pour les mouvements des armées en campagne, entrant et
sortant de la capitale »
24 Adolphe RAZAFITSALAMA, Tari-dalana hoenti-manadihady ny finoana sy ny fomba Malagasy, tak.32
20
Fafana 6: Fafana maneho ireo karazam-mpiangonana sy ny isan’ny mpivavaka ao aminy
Anarana fiangonana Isany ao amin’ny kaominina Isan’ny mpivavaka
FJKM
EKAR
FPVM
JESOSY MAMONJY
ADVANTISTA
ARA-PILAZANTSARA
VAHAO NY OLOKO
TEMOIN DE JEHOVAH
7
3
1
2
1
1
1
1
6225
2031
40
3O1
43
51
54
28
LOHARANO: Ny mpikaroka
Be mpivavaka indrindra ny fiangonana protestanta FJKM. Fiangonana tena matanjaka
eo amin’ny faritra sady maro kokoa raha miohatra amin’ny isan’ny fiangonana hafa. Ny
fiangonana niorina voalohany tao an-toerana dia ny FJKM Ambohitrandriamanitra, tamin’ny
taona 1870. Ny Témoin de Jehovah kosa no vitsy mpivavaka indrindra. Tsy manana trano
fiangonana izy ireo fa an-tranon’olona no manao fivoriam-bavaka. Vokany, manavia ny
mponina ny fandehanana any.
Na maro toy izany aza ny trano fivavahana ao amin’ny kaominina, izay ahafahana
milaza fa tena tafiditra ao ny fivavahana kiristianina, dia tsy nahafoana ny finoana nentin-
drazana izany. Amin’ny ankapobeny dia mampivady finoana ny mponina, satria maro
amin’izy ireo no kiristianina sady mandala ny famadihana, ny fadin-tany, ary manatona
mpanandro sy mpitaiza.
21
FEHIN’NY TOKO II
Toerana azo lazaina fa be mponina ihany ny kaominina ambanivohitra
Ambohitrandriamanitra. Hita ao amin’ny fokontany Ambohitrinibe I sy ny fokontany
Ambohitrandriamanitra izay renivohitry ny faritra ny karazana ambaratongam-pampianarana,
ny toeram-pivavahana samihafa, ny toeram-pitsaboana,…. Nisongadina koa ny fanarahan’ny
mponina ny finoana nentin-drazana sy ny finoana kiristianina.
Hita soritra tato amin’ity toko ity ny fahasahiranan’ny ray aman-dreny, indrindra
amin’ny lafiny fanabeazana ny zanany. Antony mahatonga izany ny tsy fahampian’ny
fotodrafitra asa mahakasika ny sekoly , fa eo koa ny tsy fahampian’ny enti-manana amin’ny
famoriana ireo fitaovam-pianarana, izay lafo tokoa, hany ka betsaka ny miraviravy tanana.
22
TOKO III: NY LAFINY TOE – KARENA
3.1. Ny foto-piveloman’ny mponina
Miankina indrindra amin’ny foto-piveloman’ny mponina ny fidiram-bolany sy ny
toe-karen’ny faritra. Tantsaha ny ankamaroany ary fiompiana sy fambolena no asa
fivelomany.
Fafana7: Fafana maneho ny fitsinjaran’ny mponina araka ny asa sahaniny avy:
Paysans Commerçants FonctionnaireSalariés
privés Transporteurs Artisants
98,6% 0.6% 0.6% 0.1% 0.1% 00%
LOHARANO: Monographie de la commune Ambohitrandriamanitra 2005
Na dia tantsaha avokoa aza ny mponina ao amin’ny kaominina ambanivohitra
Ambohitrandriamanitra dia samy manana ny tranony avy ireo. Ireo mpivarotra sy mpiasam-
panjakana vitsy an’isa no hany mba manofa trano, satri mpiavy ny ankabeazany.
3.1.1. Ny fambolena
Ireo voly fihinana eto Madagasikara ka mety ao amin’ny faritra dia ambolen’ny
mponina avokoa. Misy araka izany ny voly an-drano ary eo koa ny voly an-tanety.
Ny fambolena vary no tena mibahana, ary ny fikarakarana izany voly vary izany no tena
mandany ny fotoanan’ny olona. Araka izany, zava-masina ny tanimbary ka misy amin’ireo
mponina no mila hevitra amin’ny mpnandro ny amin’izay andro tsara hanombohany ny asa
tanimbary, mbamin’ny famafazana na fanetsana na fijinjana, na santa-bary, ….I BOURDIEC,
aza, dia manambara fa”tsara tsindriana ny hasarobidin’ny tanimbary ho an’ny Malagasy,
izay anstoina hoe “Tanindrazana”, raisiny ho voninahitra maha izy azy, iombonan’ny
fianakaviana io ary fady mihitsy ny mivarotra azy”25
25 F. BOURDIEC, Hommes et paysages du riz à Madagascar , ETUDE de géographie humaine, FTM, janvier 1974, tak 15 « nous devons souligner la valeur inestimable de la rizière pour les malgaches : appeleé « tanindrazana » et considérée comme un patrimoine familial inaliénable; il ne sauriat être question de la vendre »
23
Aorian’ny vary dia ny hanin-kotrana toy ny mangahazo sy ny vomanga no tena ambolen’ny
mponina ary ny ovy. Misedra olana anefa ny fambolena ao amin’ny kaominina ambanivohitra
Ambohitrandriamanitra noho ny tsy fahampian’ny tetikasa sy noho ny fampiasana zezika
simika.
Eo koa ny raharaha andavanandro amin’ny fambolena, izay matetika ilana olona,
karamaina isan’andro. Eo amin’ny 2500 Ariary eo ny karama indray andro ho an’ny vehivavy
ary 3000 Ar kosa ny an’ny lehilahy. Mbola misy ihany koa ny valin-tanana, saingy efa an-
kavitsiana ireo olona miombona asa ka manao izany.
3.1.2. Ny fiompiana
Manana ny Anjara toerany lehibe eo amin’ny asa aman-draharahan’ny mponina ao
amin’ny kaominina ambanivohitra Ambohitrandriamanitra koa anefa ny fiompiana omby, ary
io no tena misongadina satria sady tahiry mipetraka no harena manampy amin’ny asa.
Mitombina tsara araka izany ny voalazan’i P OTTINO manao hoe: “ny tena harena dia ny
omby”26 , ana hetsiny maro na an-tapitrisa mantsy ny vidin’omby amin’izao fotoana.
Ny isan-tokantrano dia miompy akoho amam-borona, fiompiana “mamonjy poritra”
mantsy izy ireny. Raha sendra misy ny tsy fahasalamana na koa ny fahsoavana miditra toy ny
fahaterahana na ireo tonon-taona isan-karazany, dia tena ampiasaina ny akoho.
Fafana 8: fafana maneho ny karazan’ireo biby tena fiompin’ny mponina
KARAZANY ISANY MPIOMPY
OMBY 995 600
KISOA 446 215
AKOHO AMAM’BORONA 9000 ISAN-TOKANTRANO
LOHARANO: PCD 2008
3.1.3. Ny seha-pamokarana hafa
26 Paul OTTINO, les economies paysannes du Bas Mangoky, paris Ed Breger de Vault.1963 , . tak 115 “ la
veritable richesse , ce sont les boeufs”
24
Amin’ny ankapobeny dia sady mpamboly no mpiompy ny mponina ao amin’ny
ankehitriny ny fiheverana momba ny vintana sy ny fanandroana, ka ny fandinihana ny lanitra
sy ny tany no ifaharana sy iaingana amin’izany.
Ny fanandroana dia fanjohiana ombam-pandinihana akaiky ary fifehezana ny
fihetsik’ireo voaary eny amin’ny habakabaka. Ny masoandro, ny volana, ny kintana,… izay
miako amin’ny voaary ety an-tany. 58 RP R DUBOIS, Essai d’Anthropologie Malagasy, Ronéo.1974 Tak 5. « Zanahary a donne l’Aina aux Razana,ainsi que le tsodrano qui leur permet de tansmettre cet aina a leurs enfants et petits enfants » .
63
Ny vintana indray dia toetry ny hery alefan’ny voaary nifantsika eny amin’ny lanitra
sy ny voaary ety an- tany ho an’ny olona tsirairay. Mifanonjo amin’ny andro ahaterahana io
hery io, ary maninteraka ny olombelona sady mamaritra ny anjarany mandritra ny fotoam-
pahavelomany.
Hoy I LP. RANDRIAMAROLAZA raha mamaritra ny vintana :
“[] ny VINTANA saika mandrakariva dia “HERY IVELAN’NY EGO” (EGO na ny
atao hoe olona fototra ) ary misolontena ny Hery mandrindra ny “EGO” eo amin’ny sehatra
samihafa misy azy eo amin’ny fiaraha-monina sy izao tontolo izao. Mizara roa izy amin’izany
[] dia ny “vintana ratsy “sy ny “vintana tsara”. Ny “Vintana ratsy” ho an’ny “EGO”, dia
mazàna izay hery mifanandrina aminy mivantana andavanandro,[] fa ny “vintana tsara”
kosa dia izay hery tsy mifanandrina aminy andavanandro, [] ka azony iantorahana na
manavotra azy rehefa voaporitra mafy izy []”.59
Araka io famaritana io, dia azo ekena fa mandefa taratra ary tandindona feno hery izay
Ny fiovan’ny Aina ho tsara na ratsy, manaraka ireo tontolo iainana sy tontolo any
Ankoatra, ireo no atao hoe “fiainana”. Manamafy izany I R. BASTIDE hoe: “Ny fiainana dia
tsy inona fa fahafahana miaina amin’ny toerana ety ivelany na koa manova izany”60
1.2.2. Ny fifehezana ny tontolo manondidina
Ireny tontolo ireny dia heverin’ny mpiara-belona ho Ainy raha mifandray mivantana
amin’ny Aina fototra. Toraka izany koa ny fananana tany, trano, omby,…Heverina ho aina
satria miantoka ny fahavelomana. Ary ireo lafin-kavana rehetra koa dia heverin’ny Malagasy
fa mbola AINA ihany.
Misy ny fiantraikan’ireny hery ireny ao amin’ny tena sy eo amin’ny fiainana.
Koa foto-javatra roa mifameno dia ny habaka sy ny fotoana no heverinay fa mamaritra sy
mandrindra ny vintana amam-panandroana. (59) LP. RANDRIAMAROLAZA, « Ny vintana sy ny Tendry ». Revio. HIratra N°1 Anjerimanontolo, Madagasikara 1979. Tak 136. (60) R. BASTIDE, Les religions africains au brésil ; PUF, 1960, Tak 307 : « La vie c’est d’abord la faculté de s’adapter au milieu extérieur ou de la changer ».
64
1.2.3. Ny fifehezana ny fotoana.
Ny fomba atao amin’ny fanandroana dia mirindra araka ny tandindona entin’ny
fotoana. Ny toe-javatra mitondra fahasoavana sy tsara dia atao amin’ny maraina misandratra
andro ; ny toe-javatra ratsy kosa toy ny fahoriana sy fandevenana dia rehefa mihilana ny
masoandro no fanatanterahana azy.
Izany hoe, ny fombafomba rehetra ilan-kavelomana dia atao amin’ny misandratra
andro sy miarim-bolana, satria mariky ny fahasoavana hiditra amin’ny tsirairay ny fisehoan-
javatra toy izany.
Noho izany, ny mpanandro dia tokony hahafehy tanteraka ny fotoana manaraka ny
fihetsiky ny masoandro sy ny volana , izay tsy azo sarahina amin’ny mari-trano.
Ny fipakan’ny tara-masoandro amin’ny zavatra ao an-trano koa no nanamarihan’ny
Malagasy ny ora rehetra.
Ny marika andro: “Maneno sahona: amin’ny 1 maraina; misafo helika ny kary:
(65)Tatitra nataon’ny zokiolona iray tao an‐tanàna, RANAIVOJAONA (66)(A) VAN GENNEP, Tabou et totémisme à Madagascar, ERNEST LEROUX, Paris, 1904, tak 12. « Le tabou est un des elements fondamentaux de la vie sociale et individuelle des habitants de Madagascar [] Ainsi le tabou joue à Madagasikara un rôle important dans la vie religieuse, politique, économique » (67) RP R. DUBOIS, Malagasy aho, Ronéo , tak. 24
72
Miezaka manarina ny fahavoazana tamin’ny doro tanety kosa anefa ny kaominina, ary
2.2.Ny andraikitra sahanin’ny mpanandro eo amin’ny fiompiana:
Ny fiompiana omby sy akoho amam-borona no fiompiana tena misongadina amin’ny
kaominina ambanivohitra Ambohitrandriamanitra. Ny fanorenana ny fahitra sy fisokon’izy
ireny no andraikitry ny mpanandro. Tsy mitaiza ireo koa izy, satria tsy olona ireo. Izany hoe,
tsy mitsabo aretim-biby ny mpitaiza, fa mametraka ny fiarovana azy ireny kosa.
Kendren’ny mpanandro amin’ny fonenan’izy ireny ny hanambina ny tompony. Izany
hoe hitombo harena ny olona miompy (omby sy ahoho) rehefa mifameno tsara amin’ny
vintana sy tonon’andron’ny trano ny fanorenana ny fahitra sy fisoko, ary mifanaraka amin’ny
tononandron’ny tompony ny volon’ny biby ompiany. Tsara marihina koa fa tena manan-danja
eo amin’ny Malagasy ny fiompiana omby, ny omby izay tandindon’ny harena. Toy izao ny
fiheverana ny omby voarakitra ao amin’ny rakibolana: “ho an’ny Malagasy,ny omby dia zava-
dehibe sy tena manan-danja. Ny nosiny mantsy dia mamelona bebe kokoa ny omby no ho ireo
mponina ao”. 68
2.3.Ny andraikitra sahanin’ny mpanandro eo amin’ny fidiram-bolan’ny mponina
Maro amin’ny karazan’olona ao Ambohitrandriamanitra no manatona mpanandro, na
olo-tsotra io na mpivarotra na mpiasam-panjakana na olona ambony eo amin’ny fitondrana.
Raha zohina izany dia marina ny filazan’I Eugène Régis MANGALAZA hoe: “Ny
fahafantarana sy fahafehezana ireo hery miafina avy amin’ny razana dia natao
hampiasain’ny velona.Natao ho an’ny rehetra mihitsy ny asan’ny mpanandro / mpitaiza mba
hiadiana amin’ireo hevi-dratsin’ny mpamosavy”69.
(68) Encyclopédie, Africaine et Malgache, Larousse, 17 rue du Mont parasse et 114, boulevard Raspail, Paris VIè, Octobre 1964. 463p. Tak 10. : « L’élevage des bœufs a toujours eu une importance considérable pour les Malgaches.L’île nourrit plus de bœufs que d’habitants ». 69E. R. MANGALAZA, Vie et mort chez les Betsimisaraka, Op. Cit tak. 241: «De même, la connaissance et la maîtrise des forces cosmiques par le razana sont au service des vivants . la science du devin‐guérisseur est entièrement mise au service de la communauté, en particulier contre les intentions malveillantes du sorcier maléfique ».
73
Azo lazaina ho ny fiainana manontolon’ny mpanaraka azy no sahanin’ny mpanandro,
noho ny ahiahy tsy ihavanana eo amin’ny mpiara-belona.
Ireo karazan’olona ( manatona azy) ireo koa dia manana ny antony anatonany ny
mpanandro, dia ny mba hiroboroboan’ny asa fivelomany. Mety ho ny vintany no sakana
amin’izany, mety ho ny manodidina azy koa anefa . Ireo mpanandro ihany no afaka
mamaritra ny momba izany.
Andraikitra goavana izany no sahanin’ny mpanandro eo amin’ny fidiram-bolan’ny
mponina. Miankina amin’ny fahaizany manarim-bintana no mety hahabe ny vola miditra ao
an-tokatrano; raha toa ka ny vintana no mahasahirana.Eo koa ny fahaizany mandinika ny
tontolo, ka raha hila ravinahitra, sy hanao varo-mandeha ilay olona dia izy no manoro hevitra
ny amin’ny andro ialàna an-tanàna. Ny voalazan’ny Alimanaka Malalasoa momba ny varotra
dia toy izao:“Alakamisy na Zoma no fanomboham-barotra teo amin’ny Ntaolo; ny
tononandro mifanaraka amin’izany kosa dia ireto: Alahamady, Asombola, Adijady,
Alakarabo. Ireo no misy vintana tsara amin’ny varotra sy idiram-bola, nefa tandremo sao
mandratra anao. Kendreo mba ho havanambanana ny toerana ivarotana, ary ny manambina
ny andronao no tsara .”70 Izany hoe, ny tononandro tsara anomboham-barotra dia tsy tsara
raha toa ka mifandratra amin’ny tononandro nahaterahan’ny mpivarotra.
Azo heverina àry, fa matoa miroborobo fatratra ny asa fivelomana sy ny fidiram-
bolan’ny mponina ao amin’ny kaominina ambanivohitra Ambohitrandriamanitra, izay
nahafahan’izy ireo nanana trano onenana sy ara-pahasalamana, dia noho ny fahaizan’ny
mpanandro/mpitaiza nandrindra ny fiainany. Samy nanamarina izany fiheverana izany avokoa
ireo mponina nanaovanay fanadihadiana tao an-toerana.
(70) Malalasoa Fidy, Alimanaka fanandroana 2016. Tak 5
74
FEHIN’NY TOKO II
Ny asa fiveloman’ny mponina sy ny fidiram-bolany dia iandraiketan’ireo mpanandro
rehefa manatona azy momba ireo ny mponina ao Ambohitrandriamanitra. Anisan’ny zava-
manahirana ny olona tokoa mantsy izany . Mifameno noho io ny asan’ny mpanandro sy ny
filàn’ny mponina eo amin’ny lafiny fivelomana.
Na ny fambolena na ny fiompiana , eny hatramin’ny fidiram-bola ao an-tokantrano aza
dia azo ijerena andro avokoa mba hiroboroboany sy tena hifanaraka amin’ny vintan’ny
FJKM Ambohitrandriamanitra koa dia misy ny maka mpanandro tamin’ny fotoana nihadiany
fototra nanorenany trano .
3.3.1.2.Ny fankatoavana ny fivavahana kirisitianina
Efa maro, miisa sivy ireo karazam-piangonana misy ao Ambohitrandriamanitra 79.
Raha ny antontan’isan’ny mponina no jerena dia azo ambara fa mbola betsaka amin’izy ireo
no tsy mba manaraka ny finoana kirisitianina raha tsy amin’ny fotoan-dehibe sy fety.
78 H. DESCHAMPS, Les religions de l’Afrique noir, PUF, Paris. Tak 12 « Les chrétiens noir [] il est certes aisé
de signaler des conduites peu chrétiennes, des retours au paganisme dans la pratique [] 79 Jereo fafana 6, tak.
81
Ny fanompoana an’Andriamanitra amin’ny alalan’ny fombam-pivavahana kirisitianina
ao izany dia, mbola maivana. Ny manaitra kely, ireny mpanandro ireny koa dia mamonjy ny
trano fivavahana kirisitianina ihany, ary mampiasa ny Baiboly Masina ao amin’ny trano
natokany handraisanaireo taizany.
Ny heverina ho antony mahatonga izany dia ny foto-kevitra masaka ao an-tsain’ny
olona araka ny filazan’i BENOLO François azy hoe: “[ ] ny tanjona dia mba ho zary fiainana
ny finoana ka mahahenika ny seha-piainana rehetra fa tsy ambin-javatra na famonjena
tavan’andro fotsiny. Izany hoe “Fampanjariana fianana ny finoana”80
3.3.2. Ny fiantraikan’ny fampivadiana finoana ao Ambohitrandriamanitra
Ny fahatsapan’ny olombelona ny fahalemen’ny heriny miohatra amin’ny tontolo misy
azy no mahatonga ny fikatsahany izay hifaharana. Andriamanitra no fenitra fara tampony
hangataham-pahasoavana amin’izany. Samy hafa anefa ny sori-dalana anatrarana io fenitra io,
eo amin’ny finoana kirisitianina sy ny finoan-drazana, ka miteraka tsy fitovian-kevitra sy
fifandonana.
3.3.2.1.Ny fahitan’ny kirisitianina ireo mpandala ny fomban-drazana
Amin’ny kirisitianina dia ny tenin’Andriamanitra izay voalahatra ao amin’ny soratra
masina no lalàm-panorenana ny finoana. Ary avy amin’izany angamba no ahafahan’izy ireo
manambara an-kitsirano fa mpanompo sampy ary mivavaka amin’ny Razana ny mpanandro
sy ireo mpanara dia azy.
Ny fiheverana iombonan’ny kirisitianina sy ireo mpandala ny nentin-drazana dia ny
foto-kevitra hoe: Andriamanitra no loharanon’ny zavatra rehetra, Izy no mpahary izao tontolo
izao.
Ny fahitan’ny kirisitianina ny fomba nentin-drazana ifangaroam-pinoana toy ny
famadihana, ny fanandroana sy fanarenam-bintana, ny fandroana amin’ny Alahamadibe,…
dia tsy kolontsaina fotsiny fa miampy fanompoan-tsampy. Hoy ny filazan’ny FFKM tamin’ny
taona 1994, izay tena velonana ahiahy tokoa noho ny fanatrehan’ny filoham-pirenena ny 80 BENOLO François. Sambatra aho fa kirisitianina, Md Paul. 2001. Tak 47.
82
Alahamaibe: “[ ] Dia miverina indray ny fomba taloha: ny nahabe resaka indrindra moa dia
ny fanatrehan’ny filoham-pirenena ny Alahamadibe tany Ambohimanga iny, (ny volana
martsa 1994) velom-panontaniana ihany ny FFKM mano hoe: dia ny maha kolontsaina ireny
lanonana ireny ihany ve no anton’ny fanentanana ataon’ny Minisitera, sa finiavana an-
kolaka hitondrana ny firenena ho any amin’ny fanompoan-tsampy”81
3.3.2.2.Ny tsanga-kevitry ny mpanandro sy ny taizany manoloana ny fivavahana
kirisitianina
Ireo mpandala ny fomba amam-pinoana nentin-drazana, ny mpanandro sy ny
mpanara-dia azy, dia mahita fa misy antokony roa miavaka tsara ny olombelona: ireo mpanao
ny tsara sy ireo mpanao ny ratsy. Sarotra anefa ny manavaka izany: misy ohatra ny olona
dokafana ho kirisitianina nefa miketrika teti-dratsy feno fitaka hitsentsefana ny hafa, ary ao
ireo tondroina ho mpanompo sampy nefa manasoa mandrakariva ny aim-piaraha-monina. Koa
na iza na iza tonononina ho mpanandro sy mpitaiza olona, nefa mampahory ary mahafaty
olona ny vokatry ny asany; ary na iza na iza mitonona ho mpianatry ny Tompo, nefa manao
tsinontsinona ny Aina, sy mamitaka ny mpiara-belona aminy ; dia mpamosavy, ary antsoina
koa hoe mpanompo sampy izy.
Izy ireo koa dia mahita fa, matoa mafana ny adin’ny samy kirisitianina dia satria misy
mpamosavy amin’ny endriny vaovao mampibirioka ny tenin’Andriamanitra amin-javatra hafa
ao. Heverina ho isan’ny antony mahatonga ny fizarazarana ho rantsam-pinoana samihafa
izany.
Apetraky ny mpanandro tsara àry, fa na inona na inona fitaovana ampiasaina na
Baiboly na voaary isan-karazany ka nahitam-pahasoavana dia na Andriamanitra no mamaly
soa azy mivantana, na Izy Andriamanitra ihany koa no naniraka ireo Fanahy hanao izany. Ary
hoy koa ny voalazan’ny soratra masina: “Fantatsika fa Andriamanitra tsy mihaino ny
mpanota fa izay mivavaka aminy sy manao ny sitrapony no henoiny [ ] ka raha tsy avy
amin’Andriamanitra izany lehilahy izany dia tsy mahefa na inona na inona Izy”82
81 A. RAZAFINTSALAMA, « Ny FFKM manoloana ny firongatry ny fomban-drazana », Akademie Malagasy,
fa tontolon’ny fanamafisam-pinoana io, satria ny finoana vaova dia sarotsarotra alentika”83
83 M. GUERIN, Le défi :l’Antandroy et l’appel à la vie, Ambozontany Fianarantsoa, 1977, tak.16 : « Pour l’ethnologue, c’est la paradis de la recherche. Pour le médecin, c’est le pays des guérisseurs réputés capables de soigner la rage( ). Pour les missionnaires c’est l’univers de la sacralité ou les religions importées ont du mal à s’implanter »
84
FEHIN’NY TOKO III
Hita fa tena ampifangaroin’ny olona tanteraka ny finoana amam-pombam-pivavahana
kirisitianina sy ny nentin-drazana. Ireo riba roa ireo anefa dia samy mbola mikaroka izay
hahamarin-toerana tsara azy, sy samy te-hametraka ny maha izy azy avy ihany koa. Ary i J
GOETZ SY MARTELET, dia nilaza fa: “Amin’izao dia misy ny olana. Ny finoana
kirisitianina dia tsy mitondra ho any amina endrika madio mihitsy. Tafiditra anaty
kolontsaina foana izy. Any amin’ny Tandrefana, dia ohatra ny misy fifangaroana eo amin’ny
kolontsaina sy ny kirisitianisima”. 84Io ilay fifandonan-driba miteraka fampirvadianana fomba
sy finoana. Koa anjaran’ny tsirairay ny mandinika ary mandray izay azony raisina.
84 J GOETZ et MARTELET, Histoire de religion et christologie, d’Ambositra tak. 02, ‘’Cependant, il y a une
difficulté. Le christiannisme ne véhicule jamais à l’ etat pur. Il est toujours pris à l’intérieur d’une culture.en
occident, il y a comme une symbiose entre la culture proprement dit et le christiannisme’’
85
FAMINTINANA ANKAPOBENY
Nanampy antsika hahalala misimisy kokoa ny faritra Ambohitrandriamanitra ny
fizarana voalohany tamin’ity asa fikarohana ity. Tao no nampahafantarana ny toerana, ny
mponina sy ny tantarany ary ny toe-kareny. Voalaza ihany koa ny foto-piveloman’izy ireo,
1 Vavaka nasandratry ny mpanandro iray nandritra ny hady fototra natrehinay maso
« Eny Andriamanitra be hasoavana sady be fitiavana. Namoha anay tamin’ny torimaso fialan-tsasatra ka nanome izao maraim-baovao izao indray ary dia nitantana sy nivimbina tamin’iny lalan-davitra izay nalehanay . ankehitriny Tompo o,dia mangata-bavaka sy mangata-tso-drano sady mangataka ny hery sady mangataka ny fitantanana ;mbo ho ianao no jiro mirehitra eto anoloan’ireto ankizy ireto,hanatanterahanay an’ity zavatra ity. Koa raha hametraka ity izahay,dia mangata-pahasoavana sady mangata-tso-drano ho aron’ny loza ho aron’ny antambo,hipetrahana am-pilaminana rahafa vita soa aman-tsara izao trano izao . Hitera-bola ,hiteraka harena,hiteraka Aina feno fahasalamana ary trano hanjakan’ny fihavanana sy ny hitsiny sy ny rariny. Ary raha hametraka izany izahay eto dia angatahan-dalana aminao Andriamanitra,angatahan-dalana amin’ny hasin’ny tany,masina ity tany ity koa dia tsy hanohitra andro tsy hanohi-bintana,hiaro ny loza hiaro ny antambo. Koa dia tandremonareo lehiretsy tsy ipetrapetraka fotsiny ato fa hiaro ity fianakavinako ity .
(mandevina ny famato eo an-joro firarazana, dia ny zoron-trano eo avaratra atsinanana)
.Tonga isika a a a
Humm,hiaro ny loza hiaro ny antambo,hifofo ny tsara tsy mahafoha tsy mahatana fa hitondra fahasalamana,hahatanterahana ny sakany,hahatanterahana ny lavany,fa ny trano soa mahatamana,(…)hitondra fahasalamana, koa raha misy mangarangarana ny ratsy manohana ,ianareo efa mipetraka ato, ianareo no hazon-damosina,koa iny ny sakafonareo(mandraraka toaka)tandremo sao mamo ka matory fotsiny ao fa tsy miambina a ! »
Notsindrianjavatra, sy nandova no nahatonga azy ireo ho lasa mpanandro. Izany hoe, taranaka mpanandro, ary voafidy handimby io fanomezam-pahasoavana manokana tao amin’ny fianakaviany io.
Sady mitsabo amin’ny fomba nentim-mpaharazana koa izy ireo, indrindra fa ireo notsindrian-javatra. Ary ny zavaboaary toy ny zavamaniry, biby, rano, tany, …no ampiasainy amin’izany. Misy amin’izy ireo koa anefa ny mampiasa ireny karazam-bakana ireny mba ho fanarenam-bintana.
Ny fady azy ireo dia: andro talata, kisoa, tongolo gasy, akoho. Ny antony nahatonga ny fadiny kosa dia teo ny fanarahana ny fomba Malagasy sy ny fiheverana ny lanjan’ny andro tsirairay. Manampy ireo koa ny fisian’ny tranga hafahafa nanjo azy ireo tamin’ny fotoana nihinanany ireo sakafo ireo: nivadika tany aoriana ny lohany, nohetsehan-javatra, nisy bay mipoitra amin’ny vatana,…
Samy milaza ho tsy manadro fasana ihany koa izy efatra ireo. Satria ny hahaela velona no kendreny, ary ny hanasoa ny mpiara-belona aminy. Ambaran’izy ireo koa fa tsy afa-miaraka amin’ilay zavatra manindry na mitoetra ao anatiny ny fasana, izay natao honenan’ny maty.
Na izany aza, kirisitianina ireo mpanandro efatra ireo, ary mamonjy ny trano fiangonana tsindraindray.
Raha sendra misy olona manatona azy ireny ka mikendry zava-dratsy, dia fefeny avy hatrany izany. Na tsy mandray ilay olona izy, na mananatra mivantana mihitsy.
II
3 FANORENAN-TRANO
Toy izao no fanaon’ny Ntaolo rehefa hanorina trano izy ireo. Ataony miakandrefam-
Filàna fototra iarovana ny ain’olombelona ny trano onenana, ary ho fitsimbinana ny Aina indrindra ny fototry ny fanadihadiana momba ny « fanandroana mahakasika ny trano hita ao amin’ny kaominina Ambohitrandriamanitra ». Ny mpanandro no mandray an-tanana ny fandaminana ny vintana sy ny tonon’andro amin’ny alalan’ny fifehezany ny habaka sy ny fotoana eo amin’ny fanorenan-trano. Asa fikarohana amahavahana ny teti-panandroana, mba isongadinan’ireo soa sy fanambinana miditra ny tokantrano tsirairay izy ity, ary koa torofomba omban-toromarika mikasika izay tsara ho fantatra momba ny tandindona raketiny. Fomba nentim-paharazana ifangaroam-pinoana ny fanandroana ; vokany, tsy takona afenina ankehitriny ny fampivadiana ny finoana nentin-drazana sy ny finoana kirisitianina.
La maison est un besoin fondamentale de l’homme pour sa protection et son bien être. C’est le but de cette recherche, intitulé : « fanandroana mahakasika ny trano hita ao amin’ny kaominina ambanivohitra Ambohitrandriamanitra ». Les géomanciers ont la responsabilité d’arranger les destins avant la construction, et l’inauguration de la maison ; grâce à son gérance incroyable du temps et de l’espace. Ce mémoire évoque la téchnique de géomantique pour que les devinations d’avenir chez les ménages soient pleines de grâce. C’est aussi un guide d’instruction de l’utilisation des éléments symboliques, en évoquant les sens attendus. Cela provoque la pratique de réligion ambivalente du christiannisme et ancestrale.
Mots clés : géomantique, devin ou géomancier, astrologie, destin, maison ou case, espace, temps, tabou, réligion, ambivalence, force vitale, esprit, grâce et bénédiction.
Abstract :
A house is a basic need to protect people’s life. This dissertation, entitled : « Ny fanandroana mahakasika ny trano hita ao amin’ny kaominina ambanivohitra Ambohitrandriamanitra », explains that protection of life. The astrologer organizes and predicts the astrology and fate between a house and its owner by using his mastery of time and space. The present research work shows the divinatory art that could bring blessings for every family. It also gives the gidelines and techniques on what should be know about the meaning of customs and traditions that mix faith and divination. It was found out that people are actually ambivalent about traditional beliefs and christian beliefs.
Key words : divination, astrologer, fate (destiny), astrology, house, pillar, life, space, time, beliefs, ambivalence, spirit.
XIII
UNIVERSITE D’ANTANANARIVO
C.E.R. LANGUES ET LETTRES MALGACHES
-----------------------------------------
Lohateny : « NY FANANDROANA MAHAKASIKA NY TRANO HITA AO AMIN’NY KAOMININA AMBANIVOHITRA AMBOHITRANDRIAMANITRA, DISITIRIKA MANJAKANDRIANA , FARITRA ANALAMANGA »
Mpanoratra :ANDRIANTSILAVINA Henintsoa Harinjara
Fonenana : lot VV172E Andohamandry La Haute-Ville, Antananarivo
Téléphone : 034 01 411 61
Mpitarika : RAHARIJAONA Alphonse, Maître de Conférences
Filàna fototra iarovana ny ain’olombelona ny trano onenana, ary ho fitsimbinana ny Aina indrindra ny fototry ny fanadihadiana momba ny « fanandroana mahakasika ny trano hita ao amin’ny kaominina Ambohitrandriamanitra ». Ny mpanandro no mandray an-tanana ny fandaminana ny vintana sy ny tonon’andro amin’ny alalan’ny fifehezany ny habaka sy ny fotoana eo amin’ny fanorenan-trano. Asa fikarohana amahavahana ny teti-panandroana, mba isongadinan’ireo soa sy fanambinana miditra ny tokantrano tsirairay izy ity, ary koa torofomba omban-toromarika mikasika izay tsara ho fantatra momba ny tandindona raketiny. Fomba nentim-paharazana ifangaroam-pinoana ny fanandroana ; vokany, tsy takona afenina ankehitriny ny fampivadiana ny finoana nentin-drazana sy ny finoana kirisitianina.