https://www.facebook.com/pg/FmcFipikri/ Pejy 1/2 NY TETI-BOLAN’NY FIANGONANA INONA NO TSARA HO FANTATRA MIALOHA NY HANOMANANA TETI-BOLA ? Zavatra 3 (telo) no tsara ho fantatra : 1- Ny fidiram-bolan’ny Fiangonana tamin’ny taona lasa, 2- Ny fandanian’ny Fiangonana tamin’ny taona lasa, 3- Ny zava-dehibe mety hitranga hanamarika ny taona vaovao anaovana vinavina. (ireo tetik’asa kasaina atao mandritra ny taona 2019) FANAMARIHANA: 1- Vola miditra teo aloha > Vola hampidirina vinavinaina, 2- Vola hampidirina voavinavina >= Vola holaniana voavinavina, AHOANA NO HANATANTERAHANA IZANY? 1- Atao 90% – 98% ny vola niditra teo aloha ny teti-bola atao, 2- Vinavinaina ho isan-jatony ny fandaniana teo aloha, 3- Ampiharina amin’ny tombana hampidirina ny isan-jaton’ny fandaniana teo aloha. 4- Ampiharina ny tombatombana manokana hitranga amin’iny taona ho avy iny. OHATRA Vola niditra taona 2017 : Fiangonana mijanona eo an-toerana: 195 000 ar Fanatitra manokana rehetra : 82 000 ar Vola nivoaka taona 2017 : • Tafo (fanatitra manokana): 80 000 ar • Fiangonana : 52 500 ar (27.49%) Sekoly Sabata : 50 000 ar (26,18%) Tanora: 31 500 ar (16,49%) Diakona : 25 000 ar (13,09%) Mifem-Minenf : 32 000 ar (16,75%)