Top Banner
Lundi 15 Mars 2010 HETAHETA MANGIDYMily : Mily izay no fiantso ahy tao Ambodimangabe no nonina izahayaby abtsinanany Maningory no misy azy, izay hoe 20 km miala any Vavantenina. Nanan-karena ireo ray aman-dreniko nefa tsy mba nampianatra anay ankizy. Nitsiriritra fotsiny ireo ankizy nianatra aho izay hitakoo fa nisongadina tamin’ny zavatra rehetra. Voanjanahary ao amin’ny olombelona tokoa ny faniriana, nanana hetaheta ny hitoetra an-drenivohitra aho indrindra fa ny hianatra. Teo amin’ny faha-16 taonako no nanomboka nanatanterahako izany. MOZIKA (feo isan-karazany ery aan-tsara) Mily : (tena aleo aloha aho haka aina , hipetrapetraka etsy antsisitsisiny etsy; hay tena mahavizana be ilay mandeha fiara…! Ty zaho dia tnga eto Fenerive Est e! (misento) tsy maintsy nataoko izao e! satria raha mbola eo anatrehan’I dada sy neny tsy ho afa-mianatra aho ; nefa ireto vola aty amiko ireto ve dia hahavita izany. Ny toro-hevitry dokotera iny rangahy no arahiko a! raha mazoto sy vonona hono aho tsy maintsy ho tafita foana; nilaza koa izy fa mila miasa aho na mianatra ; fa inona tokoa awa no nataondradoko io no tsy tody hattamin’ny farany fianarany izao izy lasa lasa manao “épicerie” ao Ambodimangabe sssy ! azy ny azy e! fa ny fiainako no banjinikomanomboka izao. (taitra) ndry ! olona fantatro itsy rangahy manao reparation bicyclette ity aleo hantoniko.
35

Hetaheta Mangidy Tena Izy

Apr 08, 2015

Download

Documents

Tantaran 'olona mbola kely nandritra ny mbola kely ka mandraparetiretiny. Tantara tena izy.
Welcome message from author
This document is posted to help you gain knowledge. Please leave a comment to let me know what you think about it! Share it to your friends and learn new things together.
Transcript
Page 1: Hetaheta Mangidy Tena Izy

Lundi 15 Mars 2010

“HETAHETA MANGIDY”

Mily : Mily izay no fiantso ahy tao Ambodimangabe no nonina izahayaby abtsinanany

Maningory no misy azy, izay hoe 20 km miala any Vavantenina. Nanan-karena ireo ray

aman-dreniko nefa tsy mba nampianatra anay ankizy. Nitsiriritra fotsiny ireo ankizy nianatra

aho izay hitakoo fa nisongadina tamin’ny zavatra rehetra. Voanjanahary ao amin’ny

olombelona tokoa ny faniriana, nanana hetaheta ny hitoetra an-drenivohitra aho indrindra fa

ny hianatra. Teo amin’ny faha-16 taonako no nanomboka nanatanterahako izany.

MOZIKA

(feo isan-karazany ery aan-tsara)

Mily : (tena aleo aloha aho haka aina , hipetrapetraka etsy antsisitsisiny etsy; hay tena

mahavizana be ilay mandeha fiara…! Ty zaho dia tnga eto Fenerive Est e! (misento) tsy

maintsy nataoko izao e! satria raha mbola eo anatrehan’I dada sy neny tsy ho afa-mianatra aho

; nefa ireto vola aty amiko ireto ve dia hahavita izany. Ny toro-hevitry dokotera iny rangahy

no arahiko a! raha mazoto sy vonona hono aho tsy maintsy ho tafita foana; nilaza koa izy fa

mila miasa aho na mianatra ; fa inona tokoa awa no nataondradoko io no tsy tody hattamin’ny

farany fianarany izao izy lasa lasa manao “épicerie” ao Ambodimangabe sssy ! azy ny azy e!

fa ny fiainako no banjinikomanomboka izao. (taitra) ndry ! olona fantatro itsy rangahy manao

reparation bicyclette ity aleo hantoniko.

MOZIKA

Mily : Ingahy Robera manao ahoana ianao

Robera : (gaga) ,anao ahoana ! fa iza moa ise io

Mily : I Mily zanak’I Rafandro e! Mipetraka any Ambodimanagabe.

Rabera : (faly) a! Avy any Ambodimangabe ve ise! dia maninona aty !

Mily: ie! Avy any tokoa aho e! Ary .......ary

Robera : Nndry ! fa maninona tampoka toe ity ise! fa mbola any ve ny ray aman-drenin’ise!sa

niakatra aty fnerive Estve izy ireo.

Mily : mbola any tokoa izy zareo e!fa.......fa izaho irery no nandeha aty e!

Robera : tena antaonany tokoa no, nialako tany Ambodianagabe ; efa niva tokoa ve izy ao e!

Mily : toy ny omaly tsy miava e!

Robera : hafahafa tokoa ry’se ny toe-tsain’ny ray aman-dreny tsy mampiana-janaka ireny a!

Izaho moa zara raha mahay manoratra anarana e!efa nipetraka teto fenerive Est vao ùba nisy

Page 2: Hetaheta Mangidy Tena Izy

olona mba mampianatra nanoratra e! Fa inona tokoa aloha no nataon’ise aty fa lasa lavitra ny

resaka.

Mily : Mba te hahay hanoratra na dia ny anarako toa anao koa aho ry ingahy Robera a !

Robera : Hay !

Mily : Ireo vidiny fiompiko hatramin’izay no nentiko te-hianatra amin’ny fiainana aho a !

ingahy Robera ka asa na fahadisoako ve izany ! tsy fantatry dada sy neny mantsy izao diako

izao, ny teny moa tsy mahay manoratra ka na te-hametraka taratasy ho an’izy ireo aza tsy

afaka.

Robera : Mampalahelo ahy ie izany, toa te-hanampy an’ise avy hatrany aho, ne tanora toa

an’ise izao mantsy mbola afaka mianatra tsara e !

Mily : Toa manome hery ahy ny mandre izany teninao izany.

Robera : Nefa ve ny vola any amin’ise hahavita hiatoka ny fianarana ho atao.

Mily : Mety tsy ho ampy e ! fa ny ataoko dia miasa sady mianatra

Robera : Zao ary e ! manampinampy ahy eto ise, sady vao lasa koa ny mpanampy ahy teo, dia

aleo fa hitadiavako ireny mpampianatra afaka mampianatra aty antrano ise.

Mily : Soa fa ianao no nifanena tamiko r’ingahy Robera, misaotra anao tokoa aho amin’izany

fitiavana lehibe asehonao ahy izany.

Robera : Tsy misy fisaorana e ! izay azoko atao no ataoko, fa hendre tsara fotsiny a !

Mily : Matokisa ianao raha izany e !

MOZIKA

(feon’ny alina)

Mily : Harivariva ianao izany an !

Robera : ie ! mbola niandru ilay ramose aho e ! nampanao koro mantsy izy

Mily : Ie ! dia ahoana hoy izy

Robera : Efa tsindrindaona be ery ise izany ka !

Mily : Zany tokoa kah ! maika hianatra koa

Robera : May amin’izay fianaran’ise izay aloha e ! nanaiky izy, fa hanamboatra fotoana kely

fotsiny fa nisy resaka nolazainy ahy izay e !

Mily : Resaka inona ?

Robera : Mikasika ny asako e ! nolazainy fa any Tamatave hono tena mahazo volabe ny

mpanao réparation na bisikileta e ! ka mba natsipiny tamiko ihany ny resaka sao hampazoto

ahy e !

Mily : Ho any Tamatave? Ville be moa any e ?

Robera : Ie tanan-dehibe any

Mily : Dia nanaiky ve ianao

Page 3: Hetaheta Mangidy Tena Izy

Robera : Nilaza koa izy fa na manofa trano lafolafo aza aho tsy mahafaty antoka e !

Mily : Ka maninona raha mandeha ?

Robera : Dia ahoana ise ! izaho ihany no hiantoka ny saran-dralako, mbola misimisy mantsy

ny volako

Robera : Ny amin’ise no mampanahy ahy saika hijanonako ka raha izany raikitra fa andeha

isika, any indray mitady mpampianatra e !

MOZIKA

Robera : Ka ahoana afa-po tamin’ny fijerena tanana ve ise ry Mily a !

Mily : ha! Tena afa-po tsara dadatoa a! Hafa ihany tokoa ny tanan-dehibe e! Izao no

nnofinofisiko hatramin’izay; ny hitoetra ao aminy tanteraka izy ankehitriny.

Robera: Tanteraka tokoa ny fanirian’ise ! tadidio anefa fa sarotsarotra ny fiainana aty ; ka

mila miezaka mafy mitady voola.

Mily: aza matahotra ianao dadatoa fa efa vonona hifanampy anao amin’io resaka io aho sady

hiezaka ny hianatra ihany koa .

Robera: izaho ihany no hikarakara izany fa aleo aloha hilamindamina kely isika;

hampianariko tsara ity asa ity aloha ise a!

Mily: izany tokoa!

Robera: fa ndao aloha isika roalahy hiaraka ho any amin’ny tompon’ilay toerana hiasantsila e!

Mily: sady amoron-dalana tokoa ilay toerana inoako fa hahazo olona be eo e!

Robera: ka raha tsy amorn-dalana ny toerana hisy antsika tsy hahazo olona e!

MOZIKA

(feona fiara mifamoivoy)

Mily: (mihirahira mingonongonona)

Geline : azafady goe ry tovolahy; .....manakona ianao

Mily: manahoana tompoko; inona no ataoho

Geline : ie ! saika hanamboatra “bisikileta” aho nefa...

Mily: aiza ilay bisikileta

Gelina: andraso aloha hantsoiko dadatoa e!...

Dadatoa a! Dadatoa ô!

Robera: ho avy e! (mamindra) manahoana madama!

Geline: manahoana tompoko ô! Tsy izany fa manana bisikileta simba aho e! Any an-trano

anefa ilay izy

Robera: tsy misy olona afaka hitondra azy ho aty angaha.

Page 4: Hetaheta Mangidy Tena Izy

Geline:ka izay mihintsy ny olona e! Tsy misy hitondra azy ho aty ; nefa maromaro ihany izy

no ao e!

Robera: fa aiza anefa ianareo no mipetraka

Geline : ao amin’ny DREN eny Tanambao

Robera: hay tsy dia lavitra ; afaka ny haka izany ve ise ry Mily

Mily : tsy mininona kah! Ka izao dia alaina!

Geline : ie ! dia misaotra betsaka e! Efa nisalasala ihany aho ny hanantona nefa hay olo-tsotra

ianareo; misy mantsy ny olona tsy manaiky izany ; ka ndao ary ry tovolahy handeha posiposy

isika dia vetivety.

MOZIKA

Geline: mandrosoa ianao(mamindra) aty no misy ireo bisikileta ; ka tena maro anie izy ato e!

Sady efa ho avy aty izao ireo zanako dia tsy maintsy mila ireo.

Mily: fa aiza ry zareo

Geline: any Antananarivo; mianatra any; dia ahoana no hitondranao ireto; tsy aleo entina

tsikelikely.

Mily: fa misy firy ao

Geline: 7, anay7 mianaka e! Izao e! Aleo aloha 2 no entinao amin’ny posiposy, sa tsy mety

izany.

Mily: tsy maninona kah; dia aleo izay lehibe no entiko.

Geline : lehibe daholo ireo e! Tsy misy an’ankizy efa leibe daholo mantsy ny zanako; eo

ampiko ianao hamoaka azy ireto e

Mily: aleo eentiko tsirairaay re madama; fa ianao indray ve no hidahirana e!

Geline : tsy maninona re ry iza moa no anaranao?

Mily: Mily

Geline : sia tadidiny Mily tsara ve aloha ny lalana mandeha aty aminay e! Somary

mitsofotsofoka mantsy.

Mily: ohatra ny tsy sia tadidiko tokoa e! Fa ho tadidiko tsara izao e!

Geline: atoroko anao tsara tokoa e!

MOZIKA

(fiara mifamoivoy)

Mily: tena tsotra be ilay madama ry dadatoa

Robera: izany ve!

Mily: ny trano hitoerana koa kay trano goavana be! ; tsy misy toy izany ; tena manan-karena

be ireny olona ireny dadatoa a!

Page 5: Hetaheta Mangidy Tena Izy

Robera: misy tokoa ny olona hiangaran’ny harena ka hitoerany e! Fa ise ihany izao no

hanitatra ireo rehefa vita eto.

Mily: izany tokoa nomeny vola hitondrana ireo amin’ny posiposy; dia nitondra ilay any

entina aty

Robera: fa jereo izay tsy tena simba ka vitan’ise ary, ary dia ajan,ony any ihany

hamboarin’ise!

Mily: ,metu koa izay, dia ny karama hono iozay tenenin’i dadatoa e!

Robera: rehefa vita ny asa ka ho hita eon y karama e! fa mandehana aloha misakafo ise ; fa

sao dia efa noana e!

MOZIKA

Geline: (mamindraà) eo sasao tsara eto ny tavanao ry mily a! (rani mandeha amin’ny

paompy)dia eo mipetraka ary mazotoa.

Mily: misaota tompoko!

Geline: efa tena mahay manamboatra byciletaianao a!efa ela ve I mily no mnanao io asa io

Mily: vao 2 volana angamba izay ka

Geline : zany ve! Nefa efa mahay be; fa hono hono ho aho; aiza ny ray aman-dreninao

Mily : Any Ambodimangabe ry zareo

Geline : any vavatenina no misy izany e!

Mily: ie! Fa efa tany ve madama

Geline: Tany vavatenina nalehako nampiofana mpampianatra teny aho mantsyy e!

Mily: mpampianatra koa ve izany madama

Geline: izahay mivady mihintsy; izany no hipetrahana amin’itony tranom-panjakana itony

Mily : hay ve tranom-panjakana itony fa tsy tranon’areo e:

Geline: fa heverinao fa anao ve ity; ko raha tsy ‘milliardera” ka hahavita hoatr’izao amin’ny

volana octobre izao izahay dia hiverina any Antananarivo; avy any mantsy nyn vadiki fa

izaho eto Tamatave

Mily: sambatra ianareo mahita toerana maro raha mba izaho mantsy no toy izany a!

Geline: ndao ary hanaraka anay any Tananarivo e!

Mily: (taitra; faly) izany ve!

Geline: Ndry! Ary toa tena faly be ianao

Mily: ka hoe ho any Antananarivo ka

Geline: dia raha entinaay tokoa ianao mily dia ianao mazoto fa ireo ray aman-dreninaotdy

manaiky dia ahaoana . Notantaraiko an’i madama gelina ny faniriaki sy ny hetahetako ny

natony nialako tao amin’ireo ray aman-dreniko, nagoraka ahy avy hatrany izy

Page 6: Hetaheta Mangidy Tena Izy

Geline: mampalahelo izany tantaranao iazny mily, hay ve ka tsinontsinonao akory io rangahy

ipetahanao io e!

Mily: izany tokoa; fa niantra ahy koa izy raha vao nadre ny tantarako

Geline: te hanampy ahy koa aho ry mily tiako horaisina hiasa ato ianao; dia sady ampianarina

ihany koa , nefa raha tsy manaiky dadatoanao .

Mily: inoako fa tsy ho sarotiny izy raha t e hanao izay te hivoarakao amin’ny fiainako

Geline: ilay ianao te hianatrta mafy no mampalahelo ahy e!inoako koa fa tsy sarotiny rqngqhy

vadiko

Mily ;dia misaotra tokoa madama, aleo aleo fa izao ihany dia hiresaka amin’ni dadatoa aho

MOZIKA

Robera: ise ihany io ry nmily a! tsy nhitazona an’ise aho raha toa ka hahasoa an’ise tokoa

izany e!

Mily: misaotra ry dadato alehibe tokoa izay nataona ho ahy izay tsy hadinoko velively ianao;

ho tsaroako foana hoe any i dadatoa Rebera izay olona nahitako voalohany any Toamasina

Robera: ny fahendrena foana ry nmily no antony be dia be a!

Mily : naraihiko daholo ireny anatra nomenao ahy ireo ry dadatoa a! ka tsy misy ataoko

raraka antany izany

MOZIKA

Mily : tsy tokony handray karama intsy naie aho raha izany satria ianarteo no efa niantoka ny

fiainako

Geline: tsy maintsy omena karama ihany anie aho raha izany satria ianareo no efa miantika

ny fiainako.

Geline : tsy maintsy omena karama ihany ianao ry Mily a! ary manomboka izao dia papa sy

mama no hiantonao anay mivady toa anao mitovy taona aminao izao mantsy ilay zanakao

lahy matoa.

Mily: hay ve! Eny e! tsy maninona raha izany no tianareo hiantsoko anareo e! hanana ray

aman-dreny indray izany aho manomboka izaoo e!

Giline : fa handre tsara fotsiny ianao an! Henonao tsara ny tenimbadiko teo; ianao irery no ato

an-trno mikarakara fa izahay samy miasa.

Mily: efa zava-panaoko hatramin’izay izao ataoko iazo ry mama; ka mahatokisa vanona fa ho

vitako izany e! manaraka izany ; hiarahitoetra eto isika; ka ho hitanareo na olona azo antoka

aho na tsia ; tsy misy tongalafatra anefa; raha misy tsy mety ataoko dia teneno sy ahitsio aho

Geline: marina izay sady efa ataonay ho toy ny fitondra zanaka ianao

Page 7: Hetaheta Mangidy Tena Izy

MOZIKA

(feona fiara mifamoivoy)

Mily: miasa ve dadatoa a!

Robera: a ! a! Mily

Mily: manahoana dadatoa

Robera: salama tsara fa ise no manahoana

Mily : izao salama tsara izao ; ka inona ny vaovao; nahazo mpanampy sahady ianao

Robera: ie! Nahazo aina ery ise izany ary avy aiza?

Mily : avy niantsena tai bazarikely e !robera: ka manahoana ny any tamana tsara

Mily: tena tamana kah!

Raobera: ahoana tokoa moa no tsy ise no ty ho tamana; hitako eto fa kidoro “eponge” no

handriana; vilia bakoly no hihinanana sa tsy izany.

Mily: mba mampihomehy ahy koa dadatoa ity ilay fiara-monina ao an-trano mihintsy no

mahatamana ahy e!

Robera vazivazy daholo izany ry Mily a! mahafinaritra ahy ny mahita an’ise! Bolangina sy

falifay toy nytoy izao koa e!

Mily: mandalondalo ihany aho dadatoa a! fa andeha amin’izay aho fa maika hikarakara.

Robera: ndao ary e: dia mandrampihaona

MOZIKA

Geline: efa tafiditra daholo ve ry Mily ireo entana nasaiko nampidirinao a!

Mily: eny tompoko! Fa ireo fotsiny ve no entinareo sy papa.

Geline : ka tsi dia haharitra any Antananarivo any anie izahay e!

Mily : hay ve! Ary tsy ho avy anty indray angaha ny akizy hanao vankansa

Geline:mety tonga dia miaraka aminay aty ry zareo ka; nefa rah ate-ho aty mialoha moa izy

ireotsy maninona. Mily a! ianao irery izany no mijanona ato a! embeno tsar any tranontsika

apetraho eo ny vola ataonao sakafo; raha mandeha any amorondranomasina ianao aza dia

mijanona ela any ; ary mitenena amin-dry zareo ato ankilantsika rehefa miala ato an-trano

Mily : hifehy tena tsy dia ho ery an-dranomasina aho e! mandram-pahatonga anareo; fa ny

miantsena fotsiny no ataoko.

Geline: eny ! izay ataonao tsy maninona e! izay aloha fa hiomana aho e! sao ho tonga eon y

fiara hitondra anay mivady.

Mily: ary sao efa any ambavahady tokooa ny fiara ry mama; tsy aleo ve jereko vetivety.

Geline: mandehana tokoa ary e! dia tonga dia batao any ny sakaosy raha efa misy fiarabe ka

miandry anay ao an!

Mily: eny tompoko! Lasa aho e!(mamindra)

Page 8: Hetaheta Mangidy Tena Izy

MOZIKA

Robera: elaela ise vao mandalo a!

Mily: ka tsy ao ry zareo fa lasa niankatra any Antananarivo dia izaho irery no ao e! dia tsy

sahy mivoaka aho.

Robera : ambeno tsara tokoa ny tranon’olona ka misy mpiambina izay ny tranonareo ao ise

mandeha aty izao.

Mily: milaza amin’ilay mpifanila aminay aho mba hihanohaino azy ao e! izany koa mantsy ny

teniny mama raha mba te-hivoboaka aho ; sady nalahelo anao koa aho dia nandalo e ! tsy

miasa ianao androany.

Robera: alahady dia mba maka aina ry maily a!

Mily: fa ireto misy mofo namboariko tany antrano hiarahantsika homana eto

Robera : ise ! tsy tia vimbivimbina toy ny vehivavy eo aloha hohanina izy ity na izany aza e !

mmhmmmh matsiro izy izany a !

Mily : Mama no nampianatra ahy nanao anio e ! tsy aleo asiana ranomboan-kazo kely

hitelemana azy tsara.

Robera : Izany tokoa, andraso kosa aleo mba izaho indray no hamoaka vola. .... Ity

mandehana mividy vetivety ise, eo amin’ilay fividinantsika hatramin’izay iny ihany a !

Mily : Efa fantatro fa eo ihany no fividianana e ! hmmmh ! mba lazalazao ihany aho rehefa

tanteraka ny anao sy iny Madama iny a !

Robera : Aza be vazivazy eo ry Mily a ! ny lalan’ise hizorana sao ho lany eo koa ny

ranomboankazo hividianana, tsy fantatry ise fa hifarombahana eo.

Mily : Eny ho aho e ! lasa aho.

MOZIKA

Geline : Aza gaga na malahelo ianao ry Mily mandre izany a !

Mily : Hay ve ka nisy izany ry Mama e ! tsy manome tsiny anareo aho raha nanao izany

ianareo mivady e ! olona tsy fantatrareo tokoa anie aho e ! nefa zava-tsarobidy daholo ny ato

an-trano izay nambesaka.

Geline : Vaky vava io olona nasainay nanaramaso anao io fa tena zaza hendry sy azo

itokisana ianao, fa noho izany ry Mily dia mitombo ny fitiavana sy fahatokisanay anao, tsy

hitondra anao ho toy ny mpiasa mihitsy izahay na ireo zanakay ireo aza dia teneninay mba

handray anao ho toy ny iray tampo amin’izy ireo. Efa tsy dia misy atao intsony ve ianao izao.

Mily : Efa vita daholo ny raharaha tokony atao izao atoandro.

Geline : Mandehana azy miaraka amin’ny ankizy mankany amoron-dranomasina e ! mitondra

bisikileta iraqy an !

Page 9: Hetaheta Mangidy Tena Izy

Mily : Eny tompoko.

MOZIKA

Teo amin’ny faha 17 taonako aho vao nahay nanoratra tamin’ny stylo. Tonga ny volana

oktobra, tonga teto Farivo izahay, hafaliana tsy nisy toy izany ny ahy, fibitahana anaty hoe

tanteraka ny faniriako rehetra. Teny andraisoro izahay no nipetraka.

Geline : Ka ahoana ny fahitanao an’Antananarivo ry Mily !

Mily : Tsy misy ohatra izany ry Mama a ! renivohitry Madagasikara tokoa e! Mety handray

iray taona kosa angamba aho vao hahatsidika ny tanana rehetra misy eto e !

Geline : Angamba fa ny fianaranao ao tokoa efa manao ahoana

Mily : Io indray dia hikirizako ry Mama, i zoky vavy koa tena nanampy ahy tsara e !

Geline : Tsara izany rehefa mazoto sy mikiry ianao e ! izaho koa mahita fandrosoana be

aminao e !

Mily : mama ! fa hilazako zavatra ianao e !

Geline : Inona ry Mily

Mily : izaho te ho mpihira

Geline : Ahoana hoe ry Mily

Mily : Izany ho aho e ! ka mba ho tanteraka ve izany nofinofiko izany e !

Geline : Ezaka be no atao vao ho tonga amin’izany ry Mili a ! handaniana vola be ihany koa.

Ny fianarana aloha atao e ! izay aloha fa hilaozako vetivety ianao e ! Tsy fantatry Mama ny

tao anaty saiko, hoe ny hitady ny fomba rehetra hahatanteraka io faniriana izay nivaivay tato

anatiko. Manantona izay olona fantapantatro hoe milalao mozika na mihira ireny aho. Iray

volana ny nahatongavanay teto Iarivo, nanembona ny tany Toamasina Mama ka lasa niverina

tany ry zareo, ary ny volana desambra vao niverina.

MOZIKA

Geline : Ndry ! fa maninona ianao izany ry Mily no tena malomaloka endrika

Mily : Efa nanontany ihany ianao ry Mama dia ho lazaiko a ! tena tsy tantiko intsony ny

ataon’ny Fred ahy e ! hilany vanina foana aho tsy fantatro izay antony.

Geline : Ohatra ny efa nahatsikaritra fihetsika hafahafa nataony Fred toka aho e ! efa nisy

fotoana ka nitenenako azy e ! efa nisy fotoana koa nitenenaka azy, tsy toa azy efatra

mianadahy iray tampo aminny izy iny e !

Mily : Asa ve ry Mama, noho izaho hanankinanareo ny zava-drehetra ato an-trano ve no

nahatonga izany, nefa tokony ho izy no omenareo ny andraikitra satria izy no lahy

matoanareo.

Geline : Aleo fa hiteny azy mafy ako ry Mily a !

Page 10: Hetaheta Mangidy Tena Izy

Mily : Aza dia katabaisina izy ry Mama ! aleo amin’izao fa aleo izaho no hiezaka ny

handefitra. Fony isika vao nipetraka kelikely teny Andraisoro no efa nandeferako e ! ka tsy

maninona aleo aho mandefitra foana e !

Geline : Mahay mandefitra ianao ry Mily, nefa tsy maintsy hananatra any Fred aho, mba tsy

hananany izany toetra ratsy izany, sao hoentiny hatamin’ny fahalebeazany iazny.

MOZIKA

Doara : Mily ! Mily

Mily : Doara ! manahoana ise !

Doara : Manahoana ise ! ela izany a ! tena tamana teny Ampitatafika teny mihitsy nareo a !

Mily : Efa hipetraka ety Andraisoro indray aho izao ry Doara a !

Doara : Hay ! dia niverina aty koa ve ry Mama sy Papanareo

Mily : An ! An ! izaho irery ka ! ary hipetraka ao amin-dry dadabe aho e !

Doara : Anadahin-dreniny Papanareo tokoa moa io Rangahy be io

Mily : Iany tokoa e ! tena tsy mifanaraka intsony izah sy Fred e ! nahakasi-tanana ahy izy ka

tsy lefitro intsony e ! ny hira-mipetraka aminy, dia nasainy Papa sy Mama hipetraka aty aho

e !

Doara : Milaona an’ise mihitsy Fred e ! fa avadika ny resaka e ! hitohy hianatra armonia

amin’izay izany ise izao.

Mily : Izany tokoa e !

Doara : Sady izao koa ry Mily a ! misy “gala de chant” ho ataonay izay ka raha vonona ise dia

miarak aminay

Mily : Ny fahavononako indray ve nanontaniana e ! tonga dia raikitra izany e ! fa izao tokoa

ry Doara a !

Doara : Ahoana ?

Mily : Mitady asa aho ry se a !

Doara : Asa inona ?

Mily : Izay misy ataoko e !

Doara : Ise tokoa mahay teny frantsay tsara, andraso nanontaniako nenitoanay miasa amin’ny

vazaha izay sao dia misy asa ho an’ise any

Mily : Tena teneno mihitsy izy ry Doara a ! ataoko izay mety amin’se raha mahazo asa eo

toka aho e !

Doara : Tsy mila tambiny izany aho ry Mily a ! inona fotsiny no manapinamana antsika

Mily : Dia misaotra indrindra amin’ny fitiavan’ise ahy e ! fa ho aiza tokoa ise izao e !

Doara : Diany andeha hanao repetition any Analamahintsy aho izao

Mily : Ka inona izany fa tsy tonga dia ndao hiaraka e !

Page 11: Hetaheta Mangidy Tena Izy

MOZIKA

(mandondona)

Geline : Mandrosoa (varavarana misokatra, mamindra) Mily manahoana ianao

Mily : Manahoana Mama, ary ao ve Papa

Geline : Tsy ao izy fa ahoana

Mily : Hianareo mivady mihitsy no tiako hiresahana ry Mama, mbola ho ela ve izy

Geline : Vao avy nisakafo izy no niala teo, mety rahariva any izy vao hiverina fa misy inona

ry Mily a !

Mily : Tsy inona ry Mama fa te-hisaotra anao sy Papa aho tamin’izay rehetra nataonareo

ahyireny, sitraka sy telina tokoa ireny ry mama; ianareo no nahatoy izao ahy; nahaizako

fianarana ka mba hananako ny maha-izaho aho; any inoko fa hahatafarina ahy amin’ny

fiainako ny fianarana azoko taminareo.

Geline: eny; zava-panaon’ny olon-kendry ota ano ny misaotra ka hoy aho hoe raha amiko dia

zavatra tokony nataoko irery; satria zaza, tanora tokony mbola hanana ho avy tsara ianao;

sady izay no efa nialanao tany amin’ny ray sy reninao, ka mbola mitso-drano anao ihany koa

aho eto ry Mily hoe mahavita be amin’ny izay atao ragha mbola misy hirika azonao hianarana

na dia efa miasa izao ianao dia miananra

Mily: misy namako izay tokoa efa asaiko mampianatra ahy foana; efa ambony be tokoa

mantsy izy izay eo amin’ny fianarana.

Geline; tsara izany e! Fa vokisana resaka eto fotsiny ve ianao ry Mily a! Fa aleo alohahaka

ranamboankazo vetivety aho e!

Mily: aza misahirana re mama a! Izaho koa anie izao efa handeha.

Geline: tsy sahirana izany aho ry Mily a! Andraso fa vetivety fotsiny aleo e! (mamindra)

MOZIKA

Doara: fa ahoana indray ry Mily a!

Mily : tena tsy tantiko ry ise ilay manao “gardien” a! Tena hiala aho ry Doara a!

Doara: dia vao2 volanave ise no tao . asakasak’ise aloha e! Tsy mahita asa ho an’ise

ankoatr’io intsony aho, I nenitoa awa mba efa niangavy ilay vazaha niasany mba ha,dray

an’ise tao.

Mily: tena isaorana tokoa aloha ny nataonareo e! Tsy ny mpampiasa anefa no ratsy fa izaho

no efa tsy marisika intsony e!aruy efa nahita asa hafa aho; manao “vendeur”

Doara: hay kosa!tasar izany.

Mily: fa izao koa ry Doara a! Nahita trano eny Ambomiray dia hifindra any; tsy tamana

intsony ao amin-dry dadabe intsony aho e!

Page 12: Hetaheta Mangidy Tena Izy

Doara: izaho dia efa saika hiteny tamin’ise hoe tena tamana ise miara-mipetraka amin’ny

adala

Mily: raha adala tsotra anie izay ry Doara tsy maninona e!fa ity izy mamono be rehefa

mihetsika sady izaho ihany no hakany; enjehiny amin’ny tavoangy eran’ny trano; fa izy

mivady ray aman-dreniny tsy ataony inona akory.

Doara: ray aman-dreniny kosa ve ho darohany hoy ise e!

Mily: toa adala fetsy ihany ilay izy ka; sa izaho mintsy no tsy tiany, nefa nie rehefa tony izy

dia toy ireny hendry be ireny.

Doara: tonga isika !e efa ireo daholo ry zalahy

Mily: tsy tara kosa isika e! Izaho izao efa elalela tsy nanao “répetition”

Doara: ka na ise tsy nanao ela aza mahatadidy lesona foana koa

MOZIKA

Doara:ise izany kosa dia tsimba namana amin’ny asa mihintsy ka!

Mily: ka voaroaka anie aho tamin’ity fa tsy hoe sitra-poko no niala e!

Doara: fa inona no naha voaroaka an’ise sa nisy kaonty tsy nilamina

Mily: toa tsy dia iany raha ny fahalalako azy e! Izaho koa moa tsy te hanontanybe, noroahiny

aho dia nadeha.

Doara: ary maninona ry mily raha manao asa tanana toa an’i Bertrand ise a!

Mily: fa asa tanana inona tokoa moa no ataony

Doara: manao ireny vazy ankoran-driaka ireny izy e! dia mba mianatra aminy ise

Mily: dia hanaiky hampianatra ahy ve izy

Doara: isika saly iray tarika ve tsy hifampitsinjo e! fa sao ise kosa aloha no tsy mazoto e!

Mily: mazoto aho ry Doara a! ka andao ary ho any amin’i Bertrand dieny izao e!

Dora: sady raha manao toa azy koa ise dia mahalala ny fotoana hanaovana “repetition”; satria

asa tena i, ise ihany no patron’ny tenan’ise.

Mily: dia hivarotra mandehandeha izany

Doara: mamonjy tsena foana e!, sady toa hahazahoam-*bola ihany ilay izy raha jereko ny

fidirambolan-dry Bertrand a!

Mily: fa ilay ela vao hahay no ahiako

Doara!fikirizana ihany io ry nmily a!

MOZIKA

(feno fiara mifamoivoy)

Mily: ahoana misy tianao ve amion’ireto entana entiko ireto; jereo izay tianao e!; alefako

mora

Page 13: Hetaheta Mangidy Tena Izy

Martine: mijery fotsiny aho; mahafinaritra be ahy ireto izy; fa iaho tsy manam-bola

hividianana e!

Mily: omeko iray maimaim-poana ary ianaodia ho faly

Martine: omenao iray maimaim-poana

Mily: Ie! Jereo izay tianao

Martine: nefa misy olona indray hito,drako an’io any an-trano satria tsy maintsy hipetraka ny

fanontaniana hoe taiza ny vola nividianana io vazy iosy ny sisa e!

Mily: dia tsorina ny marina hoe tsy novidiana fa nisy nanome fitsiny

Martine: dia ary inona no antony; tsy maintsy izay indray ny fanontaniana hipetraka

Mily: fa masiaka be ve ny ray aman-dreninao

Martine: namana no ipetrahako aty e!fa any Antsirabr ny ray aman-dreniko.

Mily: hay ve dia mianatra ianao aty

Martine: eny mianatra fa...................

Mily: fa ahoana ary toa tsy notohizanao

Martine: An!an! ny tsy nitenenako dia tonga saina tampoka aho; fa nahoana no mijanona ela

miresaka aminao aho; nefa tokony hody haingana fa sao ho bedy ; ioanao koa maninona

variana miresaka amiko eto nefa tokony handeha hivarotra

Mily: ka mahaliana ahy ny mandre izay lazainao tsy manionona vonona ny hiheno aho e! fa ia

aloha ny anaranao raha tsy maha diso

Martine: Martine:

Mily: ny ahy kosa i Mily

Martine: fa tsy afaka ny hanohy resaka intsony aho fa aleo aho handeha

Mily: Martine a! Maniry ny mbola hihaona aminao aho amin’ny manaraka, ohatra amin’ny

alahady

Martine: fa mbola tianao ve ny hihaino ny tohin-dresaka

Mily: I eny e! ka ahaoana amin’ny alahady izao

Martine: tsy maninona ary e! dia aleo eto no fotoana; alrs amin’ny 2 ora fa amin’izay aho vao

malalaka

Mily: tsy manonona e!

MOZIKA

Mily: tena mitaintaina b mihintsy aho ry Martine teo ampiandrasana anao teo

Martine: fa inona no nampitaintaina anao

Mily: nanahy mafy aho sao tsy ho tonga ianao

Martine: tsy matoky ny teny nolazaiko izany ianao

Page 14: Hetaheta Mangidy Tena Izy

Mily: tsy hoe tsy matoky aho fa efa mitoetra aoa natiko ny ahiahy e! ka ahoana tohizanao

amin’izay ilay izy.

Martine: tsy haiko ry mily fa hatramin’iny nihaonantsika iny dia nieritreritra anao foana aho;

ary afaka hilazana zavatra aianao

Mily: tsy afeniko koa fa toa anao izany koa aho, vao nandre sombiny ny tantaranao aho dia

nahatsapa fa manana olana ianaosa diso izany.

Martine: marina tokoa izany, tamin’ny fotoana nifanenan-tsika iny dia efa nisaintsaina ny

handeha aho.

Mily: handrha ho aiza

Martine: hitady asa, hiala ao amin’ireo ipetrahako no tanjoko e!

Mily: fa inona no tena tsy tantinao ka mahatonga anao hana izany e!

Martine: toa fiatsara,-belatsihy ny anireo havanay tamin’ny nadraisany ahy e! henamaso ihany

koa angamba, fa vao nipetraka kelikely tamin’izy ireo aho dia efa nipoitra ny fampijaliana

ara-batana sy ara-tsaina.

Mily: firy taona no nipetrahanao tao amin’izy ireo.

Martine: Efa-taona, nefa aho tsy sahy mitantara amin’ny dada sy neny ny manjo ahy

Mily: Martine a! Raha hiteny aho hoe aza mitady asa fa anadaop hipetraka any amiko dia

ekena ve!

Martine: Hipetraka any aminao o!

Mily; tsy hoe hipetrapetra-potsiny ianao e!fa hivady ara-dalana isika

Martine: hay ve (nisento) hanambady, sao dia izay tokoa no hampilamina ny fiainako

Mily:tsy ny fiainana ihany no hilamina raha tena mifankatia isika anatin’izany tokatrano izany

Martine: fa tena tia ahy tokoa ve ianao e!

Mily: ianao no vehivavy nanaitra ny foko sy ny fitiavako voalohany ry Martine a! Tiako ianao

tena tiako

Mily: faly aho fa tanteraka ny nofinofiko anao

Martine: tsapako koa ry mily fa tena tiako

Mily: faly aho fa tanteraka ny ny nofinofiko anao Martine a! Ndao hoentoko any amin’ny

papa sy mama ianao

Martine: Ndao ary e!

MOZIKA

Doara: tsara tarehy kosa iry olona tian’ise ry Mily a! Taiza no nahitan’ise azy io e!

Mily: He! He! Izaho indray tsy maka ny ratsy iany, fa ataon’ise ionona ny nahitako azy e!

Doara: mba hitadiavako e!

Mily: Tsy ahita ohatra io intsony ise e! Na dia hitety izao rehetrea izao aza

Page 15: Hetaheta Mangidy Tena Izy

Doara: nahazo ny tsara indray moa ny namana ka tsy hiteny izany ve.

Mily: Ajanony any izany ry sé a!fa izao no tena resaka,atao tsy ho ela ny fanambadianay ka

dia efa niomana;

Doara: vonona foana izahay e! Fa vetivety kosa dia hataokos dia hatao ny raharahan’areo sa

atahorana ho lasan’ny sasany izy.

Mily: izy ry se no manana olana satria efa tsy te hiara-hitoetra amin’ireo havany izay

hotoerany; moa i Mama ka nilaza fa tsy tokony tsy hifanadala izahay; fa aleo atao ny raharaha

raha vonona ny hivady izahay

Doara: Dia tonga tokoa ny andro malaza hihinananay ny mamy e:! Ny ahy mantsyhilay

hihinana “gateaux” be crème no tena tiako

Mily: Ise sy ny gateau indray tsy mahagaga é! Fa andao aloha hilaza amin-dry zalahy

hiomana dieny izao, hanao azy mantsy isika amin’io fotoan-dehibe io.

Doara: ndao tokoa é!

MOZIKA

Tsy maintsy nifindra teny amin’ny renivohitra izahay noho ny varotra nata;, teny tsaraafaritra

Tsimbazaza izahay sy Martine no nipetraka tao anatin’ny 7 taona nivadianana dia 4

miabadahy ny zanakay, ny mahagaga ahy dia toa very anjavona daholo ny zavatra anataoko,

ny mozika izay isan’izay nataoko ho solon-kavana sy ray aman-denykoa aza. Natotototon’ny

fiainana samy irery aho , niady irery talin’ny fiainana

MOZIKA

Martine: dia ahoana ry Mily a! 2 volana anie izao ny hofan-tranontsika tsy voalaoa é!

Mily: efa tsy nisdaina izany mihintsy anie aho izao ry Martine !

Martine: mampalahelo ahy ny mahita ny zanantsika mihafy be,i Oly vavimatoa izao tokony

efa hianatra nefa aiza ny vola.

Mily: ka ny tsena anie no tsy no misy mihintsy é!, isika koa tsy manana entsna betsaka.

Martine: maninona raha mitady asa hafa ianao raha tsy mety io asa io e!

Mily: martine a! Minoa ahy ianao fa izao fotsiny io no manao io fa mbola hisokatra ny tsena

dia ho hitanao ny fidirtam-bolantsika.

Martine: ny anao izay miseho be finoana ny fanantenana izany ihany e!

Mily: ka tsy maintsy hilaina re izany ry Martine a!

Martine: An!an! mba tena efa mankaleo kosa ity zara raha mihinana lava ity kale! Ny ahy koa

ireo zanako no tena mampalaheloa ahy e!

Mily: ka na izaho koa aza anie malahelo ny zanako e! Efa mba nanao izay azoko natao ihany

anie aho e!

Page 16: Hetaheta Mangidy Tena Izy

Martine: fa ny hofantranon’olona aloha ahoana

Mily: Handeha hiresaka amin’ny tompon-trano ao mihintsy aho izao e! Any aho dia hivarotra,

ataovy ao aloha izay mety amin’io vola kely io e!rahariva mihintsy aho vao tonga.

MOZIKA

Mily: Azafady hoe ry nenibe, tsy tazatatanao ve i Martine ?

Feona Ramatoa be : teo ihany izy teo e!

Mily: ny ankizy fotsiny izao ny hitako eo an-tokontany eo antokotany ireo e! Lasa aiza ary

izaizy ny andro ty efa ho hariva.

Feo: misy vazaha efa somary lehibe be iny tokoa tonga teo

Mily : vazaha! Vazaha! Haninona.

Feo: toa hoe mitady trano hono izy ny vadinao no miresaka taminy teo.

Lily: hay ve ! sady efa ity tamy ity koa izy (mamindra) ary inona ity enta-mavesatra antenao

ry Martine?

Martine: andao aloha hiditra ao an-trano e! Oly a! Fidy a! Antsoy Annick sy Noely dia modia

amin’izay e! (varavarana misokatra, mamindra)

Mily: fa inona ho aho ireto entinao e!

Martine: tongaateto amintsika ny famonjena ry Mily a!

Mily; famonjena inona?

Martine ; nisy vazaha be izay tongateto tamin’ny maraina; toa hoe lanao asa ao ambonimbony

ao izy , nitady toerana hisakafoana izy dia ato amintsika no nosafidiany e!

Mily; mahagaga izany ; vazaha izany ve tsy tokonyany amin’ny hôtely mihaja be no hisakafo

fa aty amintsika mitsipozipozy toa izao .

Martine: tsy tokony ho zarantsika aza izy misafidy ny ho aty fa tsy any amin’ny hôtelly :

amin’izao mba misy hihinanana.

Mily; mahagaga ihany koa.

Martine: dia nomeny vola aho; hvidianana izay tsy ampy; dia vilia bakoly sy sotro ; forisety

vera, lamban-databatra sy ny sisa tsy voatanisa izay tokony hilaina no novidiako e! Mily a!

Mily; ahaona?

Martine ; ohatra ny tsy falifaly anie ianao izany nefa tsarovy fa na ny hofan-trano izany

mampiferinaina mava anao io ho voaloa ara-dalana satria hanome vola antsika io rangaha io.

Mily: Efa nanataonao ilay izy e! Dia ataony intsiny moa no ho lazaiko

Martine: Izy mihin tsy no tokony hataonao, fa tsy hitsikerakera eo; izay hahasoa indrindra ny

zanakao no tanjoko.

MOZIKA

Page 17: Hetaheta Mangidy Tena Izy

Feo: , afaka kosa ny fahasahirananareo hataramin’ny nisakafoanan’iny vazaha be inty tao

Mily: Ie! Mba afaka aloha e: sady mba olon-tsotra ery izy, efa olondehibe misaina.

Martine: Miuly a! Mily a! Aiza ianao teo e!

Mily: Ho avy e! (mamidra) ahaoana

Martine: fa inoan foana no iresahanareo ny Ramatoabe

Mily: Ndry! Mba miresaka e! Sady tompon-tanintsika anie izy e!

Martine: hita mmihintsy hoe mifosa nareo e!

Mily: Mifosa an’iza izahay e! Ianao koa a!

Martine: fa iao no niantsoako anao e! Efa tokony hianatra ny zaza

Mily: Izay tokoa

Martine: Nilaza tamiko Mesiuer Gérard fa maninona hono raha apetraka any amin’ny masera

izy efatra

Mily: (taitra) Ahoana! Fa anahoana n y zanako no hapetraka any amin’ny masera nefa isika

mivady samy mbola eto daholo

Martine: Iza no hikarakara azy iro eto , ianao ,ianatra , izaho hiasa

Mily: fa hiasa ahoana koa aianao e!

Martine: misy asa azopko atao any amin’ny Masera, fantatry, fantatry Monsieur Gérard

ùantsy ilay nmasera lehibeao , Mily a! Olona tena vonona ny hanampy antsika anie i

Monsieur Gérard e!

Mily: Martine a! Tokony mba nila ny hevotro ihany ianao fa tsy nanampan-kevitra foana any

Martine: ka hitako fa hahasoa ka izay no nanapahako hevitra e!

Mily: malahelo ihany aho ry Martine amin’izany a! Toy ny tdinontsinona ahy aminao, zanaka

iaraha-manana anefan ireo

Martine: ka tsy tianao izany nuy hahatafita ny zaza no sakananao ny hevitro

Mily: (mitomany) tsy hanakana anie aho e! Eny na tsy sitra-poko ny hanaiky , tsy fidiny

amiko ny hamela ny zanako any nefa izaho tsy mbola nitaraina tana-miepaka halmelona ny

zanako.

Martine: Aza be rediredy sy be ranomaso eo ry Mily a! Fa rehefa izaay dia izay; izaho koa

hitady trano eny bel’aire isika; amin’izay mba akaikikaiky ny eny amin-dry masera

MOZIKA

Feo lehilahy antitra: Aody rankizy a!aia nareo aty e!

Mily: (Varabarana misokatra) Dada! Dada marina ,anao ahoana

Feo : Manao ahoana nareo aty e!

Mily: salama tsara iahay e! Mandroso Dada ! (mamindra) ka manao ahoana ianareo any e!

Feo: salama tsara daholo e! Ary aiza daholo ny ankizy e!

Page 18: Hetaheta Mangidy Tena Izy

Mily: Ry zareo anie ka any foana na dia fotoana fialan-tsasatra toy izao ay e! Izaho irery

foana no ato ry dada.

Feo: tsy tokony nanao kilasimandry ao amin-dry Masera tokoa anie i Martine e! Mily; izany

no efa nosafidiny ry dada ; asabotsy izy vao tonga eto lasa indray ny alatsinainy maraina.... fa

aleo aloha hividianana sakafo kely ianao fa dia vokisana resaka eto fotsiny ve?

Feo; efa nihinana teny an-tsenakely aho ry se a! Ny asan’ise tohizana; izaho koa anie

mandalondalo fotsiny e! Misy zavatrea ho vonjeko dia

Mily: tsy hisakafo akory ve? (hiverina aho

Feo: aleo ho aorianan e! Mbola maika aho izao

Mily: eny ary e! Tiy misy volakely dada

Feo: misaotra leiro a! Izay fa lasa aho

Mily: mandrapihaona indray ary e!

MOZIKA

Tsy nisy intsony ny mahatonkatrano ny any sy Martine. Te-ho tonga izy dia tonga. Farany

nanontany ireo Masera niasany aho nilaza anefa zareo fa tsy tao i Martine tamin’io fotoana io.

Iray volana mahery no tsy nahatongavany tao antrno......indray andro nisy taratasy tonga avy

any Antsirabe.

Mily: toa taratasy avy any Antsirabe ; tena i Martine no nandefa ity ao hoe ho vakiana

“tongava aty Antsirabe fa aty izahay sy ny ankizy miandry anao “........oadray! ahoana koa

izany..... inona moa fa aleo mandeha e! Hanamboatra entana betsaka aho izao sitrany amidy

any sady amin’izao 25 decembre izo mety andeha be ny varotra.

MOZIKA

Feo: ary tena sahirana be ve ise amin’ny varotra no miara-tonga tamin’ny ankizy.

Mily: ie! Sahirana kah ! ‘miteny irery ) raha mba fantatro mantsy ry dda ; nefa te-hilaza

n’inona inona aho e! Ny tokantrano tsy ahahaka)

Martine : efa viita hono ny sakafo ao e! Andao hidina hisakafo.

Feo: fa hono tokoa ho aho ry Martine.

Martine: ahoana izay ry dada.

Feo : fa nahoana nareo mivady no mandany vola hanofana trano roa; sa efa be ny miditrra

Martine: sssy! Andao aloha hisakafo ry dada.

Nkomboko ny vavako tsy hiteny na dia saika hanontany aza ; manofa trano roa ahoana moa

izahay? Asa fa mbolz tsy nieritreritra ny vadiko ho nanao hadalana aho. 26 decembre nisy

recomande tonga nisy soratra tamin’ny teny frantsay ilay izy nanao hoe “tu peu rentrer dans le

semaine” gaga ilay renikeliny Martine mahita ilay teny frantsay; fa izaho no nilaza

Page 19: Hetaheta Mangidy Tena Izy

taamin’ireo hoe tsy miteny gasy ireo masera hiasany Martine. Efa imbetsaka saika vaky

betroka ny marina ; fa asa toa izaho foana no manarona izany. Miara-miakatra taty Iarivo

izaho sy Martine tamin’io fotoana io.

MOZIKA

Mily: izay izany e! Andeha izanao dia amin’ny asabotsy miandry anao any antrano aho an!

Hiverina any antsirabe isika ; tongava maraina

Martine : eny e! Tonga maraina aho ; izay fa lasa aho e! Mandram-pihaona.

MOZIKA

Feo: fa ary toa mbola tsy tonga foana ity Martine ! efa herinandro izay no nandehanany; tsy

malahelo ireto ankizy mihintsy izy

Mily: mety mbola voatana amin’ny asany angamba izy ry dada; efa 1 janvier androany.

Feo: fa rahoviana ireo ankizy nio miditera mianatra.

Mily: tsy sia mazava amiko loatra e! Raha tsy manontany azy ireo aho.

Feo: mahagaga mihintsy ny fiainanareo ireto rankizya! Toa tsy misy mifampivaky loha ; samy

manao izay tiany atao.

Mily: tsy hoe tsy mivaky loha anie aho ry dada e! Fa tsy voalaza ny Martine ahy hoe

rahoviana ny ankizy no miditra mianatra

Fe: dia tsy fantara itsony na mpivady na tsy mpivady intsony nareo ireo e! Fa hariva ty ny

andro ndeha ndeha hiditra aho fa mngatsiaka.

MOZIKA

Mily: Lartine! Dia izao amin’ny 9 ora alina izao ve ianao vao tonga e!

Martine: mily a! Tsy fantatrao ve fa be ny asako e! Ka izany no tsy nahafahako raha tsy izao

e!

Mily: fanontaiana lava eto no ataony dada ahy mikasika ny amintsika e! Mbola mpivady hono

isika e!

Martine: ny any dada koa, ary matory amin’izay fa rahampitso dia hanainga fa hianatra ny

ankizy e!

Mily: ny anao anie dia ny hanakombona ny vavako tsy hiteny foana no ataonao e! Eny matory

tokoa fa izaho mety tsy afaka ny hiaraka aminaero fa mbola hivarotra any Betafo dy

Ambositra ; alarobia aho vao tonga any

Martine: izay ataonao tsy maninonae! Fa izahay tsy maintsy mandeha.

MOZIKA

Page 20: Hetaheta Mangidy Tena Izy

Feo: ka nanao ahoana ny tsena tany e!

Mily: eo eo ihany ry dada ; androany hariva aho no andeha hiakatra e!

Feo : izao tokoa ry Mily a! Maninona raha rahafak’ampitso ise vao mandeha e! Dia mvba

miarakaamin’ise ramatoabe; misy zavatra ho jerena mantsy any Iarivo e!

Mily: tsy maninona raha izany e! Dia taperiko aty izany ireto entana ireto e!

MOZIKA

Andro vitsivitsy taorian’ny niverenako taty Iarivo tonga indray ny taratasy avy any Antsirabe

MOZIKA

Mily : fa misy inona ry dada no hoe tsy maintsy tonga malaky aty aho an!

Feo: mily a! Fa ahoana mihintsy no marina

Mily: gaga fotsiny aho teto nilazan-dramatoa vadiko fa vazaha antitra be hono no nitsena azy

raha vao tonga tany amin’ny Martine izy.

Mily: vazaha antitra be ahoana.

Feo : ary i Martine nilaza fa io vazaha io no vadiny ; fa ahoana marina ry Mily a! Mbola

mpivady ve ianareo sy Martine e!

Mily: gaga fotsiny aho ry dada amndre izany lazainao izany fa aiza io toerana hipetrahan-dry

zareo io.

Feo: eny Soanierana ka!

Mily: Mampirafy ahy izany vadiko ry dada izao ianareo Ray aman-dreniny no malahelo izany

mialoha fa izajho no fahanan-dalitra hatram’izay.

Feo: mampalahelo tokoa ise izany ry Mily a! Tsy maintsy miakatra any aho handamina ny

aminareo e!

Mily : misaotra ry dada amimn’izany teninao izany fa aiza ho aiza ao Soanierana no misy

izany trano izny.

Feo : mora hita ihany ilay izy e! Amoron-dalana, fiantsonan’ny fiarakodia, dia misy lalana

miakatra dia avy aty ankavian-dalana misy trano miloko maintdo tanora ; dia ao amin’ny

ambany rihana ry zareo.

Mily: hiakatra androany ihany aho ry dada mbola be ny ataoko any antrano; izay fa lasa aho

e!

Feo: ndao ary e!

MOZIKA

Mily: (mandondona)

Martine ; mandrosoa ô!(varavarana misokatra, taitra)

Page 21: Hetaheta Mangidy Tena Izy

Mily: tena taitra ianano mahita ahy e! Martine fa nahoana ianao no manao izao e!

Martine : izao no fantatro fa mety e! Dy hahasoa ahy sy ny zanako ; leo ny fijalilanan;

fahantrana teo aminao izahay e!

Mily: (mitomany) andray! Dia izany ve ny vavananefa izaho no nanampy anao voalohany

raha tao amin’ny sarotra ianao.

Martine : tsy miraharaha izany intsony aho e! Tsy mila anao aho ; ary tsy hanambady anao

Mily: aza miteny izany ianao e! Eny fa na dia efa nanitsakitsaka hy aza ianao mbola ha

vonona handray anao ao antokatranontsika aho e!

Martine: tsy misy io ; izany anie ka tsy hisy intsony ; izao aho efa sambatra ; miafdana tsy ory

n’inona n’inona tsy mila miasa sy misasatra ; miantsena fotsiny.

Mily: dia olona efa antitra be iny ve no hanadalanao tena e!

Martine: na antitra iny na tanora, mahavita manome izay tiako rehetra e! Fa ianao tanora esssy

e! Tanora tsy haninona tsy haninonaa; ary lasa ianao mandeha fa sao ho tratrany vadiko eo e!

Mily: Martine ! aoka aloha e! (varavarana mikaratoka mafy)

MOZIKA

Feo: aza matahotra ise ry Mily a! Fatsy maintsy milamina ny aminareo e! Tsy maintsy mody

any antokatranonareo izy anio.

Mily: ataovy re izay mety ry dada a! Tena mbola tiko anie ny vadiko e!

(mandondona , varavaran misokatra)

Martine: dada ! manahoana dada;

Feo: manahoana ianao.

Martine : ianao irery ry dada no mahazo miditra ato antokatranoko fa tsy mila io hitsofoka ato

aho.

Feo: Martine a! Vadinao anie io e!

Martine : tsy hanambady azy intsony aho ry dada

Mily: aleo andeha dia miandry anao any antrano e!

Feo : eny ary e! (mamindra, varavarana mikatona)

Martne: dada fantatro ny fitiavanao any Mily tsarovy anefa ry dada fa fahantrana ny niainanay

teo anilany; izao milamina ny fiainanay ary na ny anareo koa aza ; te-hanao zavatra aminareo

koa anie Gerard e! Iza no tianao e! Izaho zanakao sa i Mily toy no tsikoko kosehana dia miala.

Feo : izy ve moa hatakaloko anao e! Fa mampalahelo ahy fotsiny iry mijery azy.

Martine: efa tsy tia azy intsony aho ry dada matoa manao izao e! Hisaraka izahay .

Feo : dia ahoana ny ankizy.

Page 22: Hetaheta Mangidy Tena Izy

Martine aty amiko foana ny zaanko e! Sady ireny raha tsy feno taona tsy omenèdry masera

dada! Vonona ny hanambady ahy anie Gerard dia ho any andafy izahay no hipetraka; tsy

aleonao ve ry dada olona afaka hitondra ity zanakao any andafy no ekena ho vadiny a!

Feo: eny e! Manaiky ny teninao aho ry Martine ianao tokoa no zanako.

Martine: misaotra ry dada! Ary aza mandeha any ianao androany fa rahampitso vao

mandehana any aminy.

MOZIKA

Mily: mipetraha dada; fa nahoana no androany vao tonga aty.

Feo: tsy izany fa tao ilay vazaha e! Ary nilaza tamin’ny Martine fa hifindra iny andro iny any

Ambohibao ry zreo ; dia voatery tsy maintsy nanaraka azy ireo aho mba ahita ny trano misy

azy e!

Mily: dada! Dia ahoana ny resakareo mianaka tany.

Feo: malahelo aaho milaza amin’ise ry Mily a ! ny tsy hanambady an’ise intsony foana no

asesiny e! Olon-dehibe efa manana ny sainy moa izy ka tsy azoko noforisena e!

Mily: dray! Ry dada ! tena vitany Martine ve ny nanao izany amiko; (misento) tsy ho zakany

raha izao alaheloko izao ry dada.

Feo: Mily a! Mitraka fa lehilahy ny tena

Mily: eny e! Lehilahy! Nefa mafy loatra izao zava-manjo ahy izao e! Katena malahotraka be

ahy.

Feo mily a! Izay aloha fa ilaozako ise

Mily: eny ary ry dada ; mandram-pihaona

MOZIKA

Vaky barara ny nafeniny Martine. Miray tsikombakomba taminy koa ilay rainy satria

nanafian tamiko ny zava-misy; raha ny marina dia mbola teny Soanierana ry Martine no

mipetraka. Ny zavatra tena mampalahelo ahy dia ny nanafenany ny nanakany ireo zanany tsy

hifandray tamiko. Voolana vitsivitsy taorian’ny fisarahanay no nanatitra ny kopian’ny divorsa

Martine. Tamnin’i Oly; Fidy ;Annick ary Noely dia izaho no diso , nefa ny marina rehetra

inoko fa tsy nisy fantetr’izy ireo , toa mamy amboalohany; nefa mangidy fara ilay

hetahetaoko. Zava-nisy sy niainako izany rehetra izany. 22 taona taorian’ny nialako tany

Ambodimanga be vao nitodi-doha niverina tany aho. Malahelo ireo havako rehetra nahita

ahy,. Asa ny tsy fahazoana tso-drano tamin’y ray aman-dreny tokoa ve no nampangidy ny

fiaianako, nitondrako ny mafy na dia nisy kely ihany aza ny soa noraisiko, asa re fa

hatram’izao efa manana zafikely aho dia mbola mahatadidy foana ireny ngidy rehetra ireny.

Page 23: Hetaheta Mangidy Tena Izy

MOZIKA

Reko taty aoriana fa lasa any andafy i Martine sy izy dahy kely zanakay. I Oly

mipetraka amin’ny tranon’ilay vazaha eny Ambohipo. Tafita tokoa ve ry zareo ane tatitra izy.

MOZIKA

MPANORATRA: SOZA MARIE YOLANDE

Jeudi 25 mars 2010