Top Banner
NY FISEHOAN’ ANDRIAMANITRA MIANDALANA G. André Bibles et Publications Chrétiennes 30, rue châteauvert BP 335 F-26003 Valence CEDEX (France)
21

A R T A N I N AO A H M L A E A DIS R N I F D A Y N I G.André N A … · 2019. 2. 12. · N Y F I S E H O A N ’ A N D R I A M A N I T R A M I A N D A L A N A G.André Bibles et

Mar 08, 2021

Download

Documents

dariahiddleston
Welcome message from author
This document is posted to help you gain knowledge. Please leave a comment to let me know what you think about it! Share it to your friends and learn new things together.
Transcript
Page 1: A R T A N I N AO A H M L A E A DIS R N I F D A Y N I G.André N A … · 2019. 2. 12. · N Y F I S E H O A N ’ A N D R I A M A N I T R A M I A N D A L A N A G.André Bibles et

NNYY

FFIISSEE

HHOO

AANN’’

AANNDD

RRIIAAMM

AANNIITT

RRAAMM

IIAANN

DDAALL

AANNAA

G. André

Bibles et Publications Chrétiennes30, rue châteauvert BP 335F-26003 Valence CEDEX (France)

Page 2: A R T A N I N AO A H M L A E A DIS R N I F D A Y N I G.André N A … · 2019. 2. 12. · N Y F I S E H O A N ’ A N D R I A M A N I T R A M I A N D A L A N A G.André Bibles et

NY FISEHOAN’ANDRIAMANITRA MIANDALANA

1. Andriamanitra Izy tenany 5

2. Miandalana no hisehoan’Andriamanitra 6

3. Ireo anarana fototraisaloran’Andriamanitraao amin’ny Testamenta Taloha 12

4. Ao amin’ny Testamenta Vaovao : Ny Ray 18

5. Ilay mipetraka eo amin’ny sezafiandrianana 22

6. Andriamanitra Telo izay Iray 24

7. Andriamanitra niseho tao amin’ny nofo(ao amin’ny Testamenta Vaovao) 271 – I Jesoa 282 – Ny Teny 303 – Ny Zanaka Lahitokana 314 – Ny Kristy – Ilay Voahosotra – Ny Mesia 335 – Ny Mpamonjy 356 – Ny Tompo 367 – Ilay Nazareana 388 – Mpanjaka 399 – Ny zava-miafina mikasika ny Tenany 40

3

ISBN ?- ?????- ???- ?

Fizahan-Takila >

Page 3: A R T A N I N AO A H M L A E A DIS R N I F D A Y N I G.André N A … · 2019. 2. 12. · N Y F I S E H O A N ’ A N D R I A M A N I T R A M I A N D A L A N A G.André Bibles et

5

11.. 2 Tantara 6. Ú •• 22.. Eksodosy 40. Òƒ ; 2 Tantara 5. Ú∂ •• 33.. 1 Timoty6. ÚÌ •• 44.. Eksodosy 33. ‡†

NY FISEHOAN’ANDRIAMANITRAMIANDALANA

1. Andriamanitra Izy tenany

« Jehovah efa nilaza fa hitoetra ao amin’nyhaizimpito Izy »1. Tsy nisy afaka nitsofoka tao, nany mpisoronabe, na i Mosesy, tamin’nyfotoanandrony, rehefa nameno ny tabernakely,na nandrakotra ny tempoly ny rahona, izaymariky ny fanatrehan’Andriamanitra. « Fa feno nyvoninahitr’i Jehovah ny tranon’Andriama nitra »2.« Mitoetra ao amin’ny mazava tsy azo hatonina(Izy), Izay tsy hitan’ny olona sady tsy hainyjerena »3. – Izany hoe tsy azo fantarinaAndriamanitra raha ety an-tany ; ary tsy azohatonina, noho ny fahazavany, ao an-danitra.Hoy ny navalin’i Jehovah, raha nitady ny hahitany voninahiny i Mosesy : « Tsy mahazo mahita nytavako ianao, fa tsy misy olona mahita Ahy ka hovelona »4.

Nisy ihany anefa, nandritra ireo taonjato maronifandimby, olona sasantsasany, araka izaynambaran’i Paoly tamin’ireo Ateniana, nitadyan’Andriamanitra « raha tahiny hahatsapa ka

Page 4: A R T A N I N AO A H M L A E A DIS R N I F D A Y N I G.André N A … · 2019. 2. 12. · N Y F I S E H O A N ’ A N D R I A M A N I T R A M I A N D A L A N A G.André Bibles et

7

88.. Hebreo 11. ¬ •• 99.. Josoa 24. ‡ •• 1100.. Genesisy 12. Ú

6

55.. Asa 17. ‡¬ •• 66.. Romana 1. Ú∞-‡† •• 77.. Salamo 19. Ú, Ò

22 –– Nanondro ny tenany tamin’ny hoe « JehovahAndriamanitra » Izy, raha nilaza ny tenany tamin’iAdama. Nikarakara fatratra an’i AdamaAndriamanitra. Indrisy anefa, nandika an’ilay didytokana nomena azy ny olombelona, ka voaroakaniala ny saha.

Niverina indray ny « niantsoana ny anaran’iJehovah » ao amin’ny Genesisy 4. ‡Ì, taorian’nyfahaterahan’i Enoka zafikelin’i Adama (izay olonamety maty ihany). Niara-nandeha tamin’Andriamanitra i Enoka.

Naneho ny tenany tamin’ireo olon’ny finoana(patriarka) Andriamanitra taorian’izany. Nampi -tandremin’Andriamanitra i Noa fa ho avy nysafodrano, ka tamim-pinoana no nandrafetanyny sambofiara8.

Hatreo amin’ny fiantsoana an’i Abrahama noniantombohan’ny vanim-potoana vaovaon’nyfanehoan’Andriamanitra ny tenany. Niterakafisavorovoroana ilay zavatra nitranga tao Babela.Nihanaka nameno ny tany tontolo nyfanompoan-tsampy 9. Tamin’izany no nilazan’Andriamanitra tamin’i Abrahama nanao hoe :« Mandehana miala amin’ny taninao sy nyhavanao ary ny tranon’ny rainao, hankanyamin’ny tany izay hasehoko anao »10. Mazava

hahita Azy »5. Tsy afa-nanao na inona na inonaafa-tsy ny « nitsapatsapa » fotsiny ihany, na nyfilôzôfa grika tahaka an-dry i Platon aza.Andriamanitra Izy tenany ihany no tsy maintsyhaneho ny tenany.

2. Miandalana no hisehoan’Andriamanitra

« Ny fahendrena dia tsy nahatonga izao tontoloizao hahalala an’Andriamanitra », hoy ny1 Korintiana 1. ‡Ú. Safidin’Andriamanitra mihitsy,araka izany, ny haneho miandalana ny tenanyamin’ny olona.

11 –– « Satria izay fantatra ny amin’Andriamanitradia miseho… fa ny fombany tsy hita dia ny herinymandrakizay sy ny maha Andriamanitra Azy diamiseho hatramin’ny nanaovana izao tontolo izao,fa fantatra amin’ny ataony Izy »6.

Mampiseho ny tenany Ilay AndriamanitraMpahary. Mampiseho ny heriny mandrakizay syny maha Andriamanitra Azy « amin’ireo zavatranataony » Izy. « Ny lanitra mitory ny voninahitr’Andriamanitra ; ary ny habakabaka manambarany asan’ny tanany. Tsy misy teny na fiteny anefa,tsy re izay feony »7.

Page 5: A R T A N I N AO A H M L A E A DIS R N I F D A Y N I G.André N A … · 2019. 2. 12. · N Y F I S E H O A N ’ A N D R I A M A N I T R A M I A N D A L A N A G.André Bibles et

9

1166.. Matio 5-7 •• 1177.. Matio 13. Ò∂ •• 1188.. Marka 4. Ú†-ÚÚ •• 1199.. Jaona 16.Ú‡-ÚÒ

8

1111.. Genesisy 17. Ú •• 1122.. Genesisy 28. ‡-ƒ ; 35. ÚÚ-Ú‡ •• 1133.. Eksodosy 3 ••1144.. Nomery 12. µ ; Deoteronomia 34. Ú† •• 1155.. Deoteronomia 29. ‡µ

44 –– Ny lalana nodiavina mandra-pahatongatamin’ny Kristy no fintinin’ny Hebreo 1 : « Rehefanampitenenin’Andriamanitra tamin’ny razanafahiny ny mpaminany, tamin’ny andro samy hafasy ny fanao samihafa, dia amin’izao andro faranyizao kosa no nampitenenany tamintsika nyZanany ».

55 –– Tonga tety an-tany ny Tompo Jesoa, arynanomboka ny asany. Nampianatra an’ireompianany Izy 16. Tamin’ny alalan’ny fanoharanano nitenenany tamin’ny vahoaka17, ary nympianatra no nanazavany ny hevitr’ireny rehefanitokana tao amin’ny mangingina ry zareo18.

66 –– Hoy anefa ny teny nataony tamin’ireompianany ireo, rehefa antomotra ny fandaozanyazy : « Mbola manana zavatra maro holazainaaminareo Aho, nefa tsy zakanareo ankehitriny. Faraha tonga ny Fanahin’ny fahamarinana dia Izyno hitari-dalana anareo ho amin’ny marinarehetra »19.

kokoa ny fitateran’i Stefana an’io teny io aoamin’ny Asa 7. Ò : « Mialà amin’ny taninao sy nyhavanao, ka andeha ho any amin’ny tany izayhasehoko anao ».

Imbetsaka no nisehoan’Andriamanitra tamin’iAbrahama. « Andriamanitra Tsitoha » Izytaminy 11. Mbola haneho ny tenany amin’i Isaka syamin’i Jakoba amin’izany anarana izany ihanykoa Andriamanitra12.

Nifandimby teny ny taonjato maro. Nisehotamin’ny endrika hafa indray tamin’i MosesyAndriamanitra. Tao anatin’ny roimemy, tanySinay, no nisehoany taminy13. Niresaka taminymandrakariva Jehovah, nandritra ny asa fitarihananosahanin’i Mosesy teo anivon’ny vahoakaIsiraely. Niresaka taminy «mifanatrika» Izy14.

33 –– Nambara ihany anefa, na izany aza, rehefaantomotra ny andro hahafatesan’i Mosesy, fa :« An’i Jehovah Andriamanitsika ny zava-miafina ;fa antsika sy ny zanatsika mandrakariva kosa nyzavatra ambara »15. Midika izany fa mbola nisyzavatra maro hafa nilaina nambara, ankoatra nylalàna !

Page 6: A R T A N I N AO A H M L A E A DIS R N I F D A Y N I G.André N A … · 2019. 2. 12. · N Y F I S E H O A N ’ A N D R I A M A N I T R A M I A N D A L A N A G.André Bibles et

11

2200.. Efesiana 3. ∂-Ì •• 2211.. Apokalypsy 1. Ú •• 2222.. Apokalypsy 22. Úµ-Ú∞

Fanahin’Andriamanitra (and. ÚÒ, Ú∂). « Fa ny olonaaraka ny Fanahy dia mahafantatra ny zavatrarehetra » ; « fa izahay manana ny sain’i Kristy »(and. Úƒ, ÚÌ).

88 –– Mbola tsy naseho ny « zava-miafina mikasikaan’i Kristy ». Nafenina izany tany aloha, fa nasehomiharihary kosa ankehitriny, mba « hahatonga nyJentilisa ho mpiray lova sy ho tena iray, aryhiombona amin’ny teny fikasana ao amin’nyKristy Jesoa noho ny filazantsara »20. Tamin’nyalalan’ireo apôstôly sy ireo « mpaminany » nonanambaràna izany zava-miafina mikasika an’iKristy izany tamin’ny olon-drehetra.

99 –– Ny amin’ny hoavy kosa, manana nyfanambaràn’i Kristy Jesoa isika, « izay nomen’Andriamanitra Azy, mba hasehony amin’nympanompony izay zavatra tsy maintsy ho tongafaingana »21. Efa niresaka ny amin’izany zavatratsy maintsy ho tonga faingana izany tokoa ireompanoratra ny episitily, saingy tsy maintsynilaina io fanambaràn’ny Zanany io mba ho fenony Soratra Masina, izay tsy ho azo ampiana nosady tsy ho azo analana22.

77 –– Ny Fanahy Masina izany no hanambara ny« fahendren’Andriamanitra ». Ny 1 Korintiana 2. ¬-ÚÌ no maneho amintsika ny fizotran’izanyfanambaràn’ny Fanahy ny fahendren’Andriamanitra izany.

Takona kanefa voatendrin’Andriamanitratalohan’ny nisian’izao tontolo izao, mbahahazoantsika voninahitra, ny fahendrenamiafina ao amin’Andriamanitra (and. ¬ – DIEM).Nambaran’Andriamanitra tamintsika tamin’nyalalan’ny Fanahy izany zava-miafina izany (and.Ú†). Ireo rehetra nofidin’Andriamanitra handrayny fanambaràna ao aminy, ka hampita izany, notondroina amin’io hoe « isika » io (and. Ú†-ÚÚ).

Afaka ny hamantatra ny « zavatra nomen’Andriamanitra antsika » ireo olona ireo, rehefanandray ny Fanahy Masina (and. Ú‡). Afakamampita izany « tsy amin’ny teny ampianarin’nyfahendren’olona fa amin’ny teny ampianarin’nyFanahy » izy ireo, rehefa notarihin’izanyFanahin’Andriamanitra izany (and. ÚÒ). Tsy nyvotoatin-kevitry ny hafatra tian’Andriamanitrahampitaina ihany akory no azo avy amin’nytsindrimandry, fa nampianarin’ny Fanahy koa nany teny hoenti-mampita azy ireny aza. Ny « olonaaraka ny Fanahy » no nampitana an’ireo zavatraara-panahy, fa tsy ny « olona araka ny nofo » izaytsy mahay mandray ny zavatra avy amin’ny

10

Page 7: A R T A N I N AO A H M L A E A DIS R N I F D A Y N I G.André N A … · 2019. 2. 12. · N Y F I S E H O A N ’ A N D R I A M A N I T R A M I A N D A L A N A G.André Bibles et

13

2244.. Genesisy 1. ‡Ì ; 3. ‡‡

12

2233.. ampitahao amin’ny Matio 18. ‡† ; 1 Jaona 5. ÚÒ

Manondro maro ny hoe Elohim. Manondrotokana kosa anefa no endrika isehoan’ny hoe« nahary », izay matoanteny manaraka avyhatrany an’io anarana io, araka ny ahitantsika azyao amin’ny bokin’ny Genesisy. Eto izany noahitana voalohany ny fanehoan’Andriamanitrany maha Telo izay Iray Azy, izay tsy asehomihanjahanja raha tsy any amin’ny TestamentaVaovao. Izany koa no antony ahitana an’Andriamanitra mampiasa ny mpisolotenamanondro maro eo amin’ny and. ‡Ì : « ndehaisika….. endritsika »24. Miverina eo amin’nyintelonjato sy roa arivo eo io filazan’Andriamanitra ny tenany hoe Elohim io aoamin’ny Testamenta Taloha.

22 –– JJeehhoovvaahh : miverina eo amin’ny indimanjato syenina arivo eo ity anarana ity ao amin’nyTestamenta Taloha. Ireto tarehin-tsoratra efatraireto, izay masina dia masina tokoa, no nentinananondro an’Andriamanitra tany amin’ny am-piandohana : YHVH. Tsy sahin’ny Jiosynotononina mihitsy izany anarana izany. IreoRaby, na ireo mpampianatra, teo amin’ny Jiosyaza moa raha hanoratra azy io, dia tsy maintsy

3. Ireo anarana fototra isaloran’Andriamanitraao amin’ny Testamenta Taloha

Misalotra anarana mifandraika amin’izay endrikatiany hisehoana Andriamanitra, ao anatin’ityfisehoany miandalana ity. Tsy hafa moa nyanarana ao amin’ny Soratra Masina iraymanontolo, fa entina anondroana an’ilay olonaizy tenany mihitsy 23. Tafiditra ao anatin’nyfanehoan’Andriamanitra ny tenany ihany koaizany ny anarana safidìny isalorana. Tsara rahadinihintsika, fara faharatsiny, ireo anaranananehoan’Andriamanitra ny tenany, izayfampiasa matetika.

11 –– EElloohhiimm : ny teny hoe « tamin’ny voalohanyAndriamanitra », no iantombohan’ny bokin’nyGenesisy. Io anarana hoe Elohim io nonampiasain’Andriamanitra tao amin’io boky io(Eloah izy raha manondro tokana, ary Elohim kosaraha manondro maro. Midika hoe « Ilay Mahery »ny hoe Eloah, indrindra fa amin’ny tontoloampiasana azy io ao amin’ny bokin’i Joba). Midikahoe « Andriamanitra tsara indrindra sy ambonyindrindra » ny hoe Elohim. Manambara ny mahaAndriamanitra feno an’Andriamanitra izany.

Page 8: A R T A N I N AO A H M L A E A DIS R N I F D A Y N I G.André N A … · 2019. 2. 12. · N Y F I S E H O A N ’ A N D R I A M A N I T R A M I A N D A L A N A G.André Bibles et

15

2288.. Ezekiela 48. Òƒ

14

2255.. Eksodosy 3. Ú∂ •• 2266.. Genesisy 2. ∂ sy 3. µ •• 2277.. Genesisy 3. ‡Ú ;Eksodosy 3. ÚÒ-Ú¬ ; 6. ‡-∂, µ

Nampiasain’Andriamanitra tamin’ny fifandrai -sany manokana tamin’ny Isiraely ny anarana hoeJehovah, ilay « Izaho Izay Izy hatrizay hatrizay kaho mandrakizay » ambaran’ny Eksodosy 3. Ú∂, aryamafisin’ny 6. ‡-Ò manao hoe : « Izaho noJehovah ; ary tamin’ny anarako hoeAndriamanitra Tsitoha (El-Shaddaï – jereo nyfizaràna 4) no nisehoako tamin’i Abrahama syIsaka ary Jakoba, fa ny anarako hoe Jehovah tsymbola nahafantarany Ahy ».

Tsara marihina fa tsy io anarana hoe Jehovah ioakory no anarana nisehoan’Andriamanitratamin’ny fotoanan’ny Genesisy, na nantsoinatamin’izany anarana izany aza Izy ao amin’ioboky io. Anarana nampiasain’ny mpanoratraan’io boky io (i Mosesy) hiantsoana Azy fotsinyihany tao amin’io asasorany io izany.

Anarana marobe azo avy amin’nyfampiarahana an’io hoe Jehovah io amina tenyhafa no ampiasain’Andriamanitra hanehoana nytenany, manerana ny Testamenta Taloha.Hitantsika ao amin’ny Genesisy 22. Ú∂, ohatra, nyhoe « Jehovah-Jire » (izay midika hoe « Jehovah nohahita ») ; « Jehovah-shamma » (izay midika hoe« Ao Jehovah »28.

misasa aloha, ary manova penina fanoratanahatrany hatrany.

Ny hoe « Adonaï » no anarana niantsoan’ireovahoakan’Andriamanitra tety an-tany ny« Tompo ». Ny zana-tsoratra tamin’io hoe« Adonaï » io no natsofoka teo anelanelan’ireotarehin-tsoratra YHVH, ka nahazoana ny hoe« Yahveh ». Niova ho « Jehovah » izany tatyaoriana. Ity farany no anarana iantsoanaan’Andriamanitra, hita amin’ny ankamaroan’ireodika tenin’ny Baiboly amin’ny fitenintsikaankehitriny (toy izany koa ny hoe JAH, izay tsyhafa fa fanafohezana an’io anarana io ihany).

I Jehovah no Ilay Iray izay efa Izy hatrizayhatrizay, velona, ary misy tsy nisy mpahary. Izyihany no manambara ny tenany. Ny fitanisanaamin’ny laharana voalohany ny fototeny avyamin’io hoe YHVH io, izany hoe ireo litera telofarany (HVH), no nahazoana ny hoe : « Izaho IzayIzy »25.

Milaza ny fidiran’Andriamanitra an-tsehatraamin’ny fifandraisana amin’ny olombelona kosa nyhoe «Yahveh-Elohim», «Jehovah Andriamanitra»,tahaka izay hita ao amin’ny 26. Maneho an’ilayAndriamanitry ny fanekena sy Andriamanitry nyfanavotana izany anarana izany27.

Page 9: A R T A N I N AO A H M L A E A DIS R N I F D A Y N I G.André N A … · 2019. 2. 12. · N Y F I S E H O A N ’ A N D R I A M A N I T R A M I A N D A L A N A G.André Bibles et

17

3355.. Genesisy 32. ‡∞ •• 3366.. Genesisy 33 •• 3377.. Genesisy 35. ∂

16

2299.. Genesisy 15. ‡, µ ; 18. Ò ; Eksodosy 9. Ú, ÚÒ (Mosesy) ; Daniela 9 ;sns •• 3300.. « Kurios » = Tompo – Filipiana 2. ÚÚ •• 3311.. Filipiana 1. Ú•• 3322.. Genesisy 17. Ú •• 3333.. Genesisy 28. Ò •• 3344.. Genesisy 35. ÚÚ

nanontany izay anaran’io Lehilahy nitolona taminyio, kanefa tsy nahazo valiny35. Tsy maintsy namitra-pihavanana tamin’i Esao rahalahiny aloha izy36, arynanaisotra tsy ho eo aminy ireo andriamani-kafanotehirizin’ny fianakaviany hatramin’ny nitoeranytao amin’i Labana37. Niakatra tany Betela izy, rehefaizany. Tao koa no ilay toerana nisehoan’Andriamanitra taminy, raha teny am-pandosiranaizy. Tao koa tamin’ny fiverenany no mbolanisehoan’Andriamanitra taminy indray synitahiany azy, ary nanehoany taminy ny tenany hoAndriamanitra Tsitoha (and. ÚÚ).

Miverina indraika amby telopolo io anaranahoe Tsitoha io ao amin’ny bokin’i Joba.Nampiasain’Andriamanitra hifandraisana tamin’ireo patriarka izany anarana izany tany aloha.Tsiahiviny an’i Mosesy izy io ao amin’ny Eksodosy6. Ò. Ankehitriny kosa, noraisiny ny anarana hoeJehovah (ny hoe YHVH, araka ny efa hitantsika)ho mariky ny fanekena nataony tamin’ireovahoakany, dia ireo vahoaka izay ataony ho« olony, ary Izy kosa ho Andria manitr’izy ireo ». Iohoe « Izaho no Jehovah » io no haverimberinymanerana an’ireo boky rehetra nosoratan’iMosesy

33 –– AAddoonnaaïï : midika hoe ny Tompo, nyMpampianatra. Miverina eo amin’ny impitoamby roapolo sy efajato eo izy io ao amin’nyTestamenta Taloha. Tsy mandeha irery ityanarana ity, matetika, fa misy teny ampiarahanaaminy : Jehovah Tompo29.

Io no anarana tena fampiasa teo amin’ny Jiosyhiantsoana an’Andriamanitra, ka entinaanindriana indrindra an’ilay maha masimandidyAzy. Andriamanitra no Mpifehy, ary nyolombelona kosa no feheziny. Azy ireo, Izy noTompony. Natao hanoa Azy sy hiankin-dohaaminy ireo olom-peheziny ireo. Mitovy laharanaamin’ny hoe « Kurios », izay ampiasainaimbetsaka ao amin’ny Testamenta Vaovao, iohoe Tompo io30. Nanoloana izany indrindra nonanononan’i Paoly ny tenany tamin’ny hoe« andevo » – « mpanompo »31.

44 –– EEll--SShhaaddddaaïï : « Andriamanitra Tsitoha ».Tamin’izany anarana izany no nisehoan’

Andriamanitra tamin’i Abrahama32, sy tamin’iIsaka33, ary tamin’i Jakoba34. I Jakoba no ilaynitolona tamina Lehilahy iray tao Peniela, ka

Page 10: A R T A N I N AO A H M L A E A DIS R N I F D A Y N I G.André N A … · 2019. 2. 12. · N Y F I S E H O A N ’ A N D R I A M A N I T R A M I A N D A L A N A G.André Bibles et

19

4400.. Isaia 63. ÚÌ •• 4411.. Salamo 103. ÚÒ

18

3388.. Genesisy 14. Úµ •• 3399.. Jeremia 3. ∂

aoriana40, na rehefa miresaka ny amin’nyfiahiany fatratra an’ireo olony Izy 41. Saingy, tsymba niseho mihitsy tamin’io anarana io Izy taoamin’ny Testamenta Taloha.

b. Any amin’ireo filazantsara, indrindra fa nynosoratan’i Matio sy ny nosoratan’i Lioka, vaoahitana an’i Jesoa Izy tenany milaza ny hoe : « NyRainareo izay any an-danitra », na ny hoe « NyRaintsika izay any an-danitra ». Ray lavitra izany.Ray mpiahy sy fatra-pikarakara an’ireo olony izy,dia ireo olony tsy maintsy manoa Azy sy afakamivavaka aminy ; saingy, any an-danitra Izy.

d. Ny filazantsara nosoratan’i JaonaManeho amintsika ny amin’ny « Teny » tonga

nofo, ka nonina teto anivontsika, ireo andininyvoalohany manokatra ny filazantsara nosoratan’iJaona. Nanambara moa ny apôstôly nanao hoe :« Hitanay ny voninahiny, dia voninahitramendrika ho an’ny Lahitokana avy tamin’nyRay ». Ary dia niafara tamin’ity fanambarànasaro-takarina ity ny fanazavana rehetra nataony :« Ny Zanaka Lahitokana izay ao an-tratran’ny Ray,Izy no manambara Azy ». Ny hoe « Ny Raiko », nany hoe « Ny Ray » hatrany hatrany no hiloaka ny

55 –– EElliioonn : ny Avo IndrindraIty anarana ity no raisin’Andriamanitra rehefa

miseho amin’ny olona hafa, ankoatra ny IsiraelyIzy. Ohatra, ny hoe Melkizedeka « mpiso -ron’Andriamanitra Avo Indrindra »38, izay olon-tsyfantatra niseho tamin’i Abrahama raha niverinaizy rehefa avy nandresy an’ireo mpanjaka. Io nonitsodrano azy tamin’ny anaran’AndriamanitraAvo Indrindra. Nahery tokoa ny finoan’iAbrahama tamin’izay, ka raha nilaza taminy nympanjakan’i Sodoma nanao hoe : « Omeo ahy nyolona fa ny fananana ento ihany ho anao » (and.‡Ú), dia tsy tamim-pihambahambana nonandavan’ny patriarka. Fampianarana lehibe hoan’ny raim-pianaka viana izany manoloana nyfanangolena ataon’ny Fahavalo hoe « aleohalaina ny harena fa inona moa izay zanakao ».

4. Ao amin’ny Testamenta Vaovao : Ny Ray

a. Amin’ny tranga manokana ihany no ahitanaan’Andriamanitra maneho ny tenany ho Ray, aoamin’ny Testamenta Taloha : Ray mpiaro,mpitari-dalana, ary Ray onena. Ka, na ionampihariny teo amin’ireo vahoaka Isiraelyfahiny 39, na tamin’ireo taranaka sisa taty

Page 11: A R T A N I N AO A H M L A E A DIS R N I F D A Y N I G.André N A … · 2019. 2. 12. · N Y F I S E H O A N ’ A N D R I A M A N I T R A M I A N D A L A N A G.André Bibles et

fifandraisany amin’ny Ray. Azy sy ny Ray samireryizany. Izy hatrany no hitoetra ho ny Zanakalahimatoa eo anivon’ireo rahalahy maro. LasaRaintsika ihany koa anefa Ilay Rainy ! « Fa izayrehetra nandray Azy dia nomeny hery ho tongazanak’Andriamanitra »45.

Afaka nilaza ny apôstôly Jaona, noho nyzavatra rehetra hitan’ny masony, ren’ny sofiny,ary efa nojereny, nanao hoe : « Endrey ! Manaoahoana ny fitiavana nasehon’ny Ray ho antsika,dia niantsoana antsika hoe zanak’Andriamanitra ! »46.

Nanantitrantitra i Jesoa, mialoha ny handao -zany an’ireo mpianany, nanao hoe : « Ny Ray diatia anareo »47. Hahita isika, raha mampitahaandininy maromaro ato amin’ity filazantsaranosoratan’i Jaona ity, fa miverina impito ny hoe« Fa ny Ray tia ny Zanaka ». Fitiavana mandrakizayizany, fitiavana tsy takatry ny saina, ary ambonylavitra noho ny fitiavantsika. Afaka nilaza anefa iJesoa hoe : « (Ianao) efa tia azy tahaka nynitiavanao Ahy »48. Nilatsaka ho ambany ny Rayka nitia izay tsy tokony ho notiavina, tahaka izaynataon’ny Zanaka ihany koa : « Toy ny nitiavan’nyRay Ahy no nitiavako anareo »49. Ary dia nipaka

21

4455.. Jaona 1. Ú‡ •• 4466.. 1 Jaona 3. Ú •• 4477.. Jaona 16. ‡¬ •• 4488.. Jaona 17. ‡Ò•• 4499.. Jaona 15. ∞

vavan’i Jesoa, ao amin’ny manontolon’nyfilazantsara nosoratan’i Jaona. Tranga manokanaihany ny ao amin’ny Matio 11. ‡¬, izay nilazanyihany koa ny hoe « Ny Raiko ».

Hanontany i Filipo hoe : « Tompo ô, asehoy anayny Ray »42. Hoy ny havalin’i Jesoa azy amin’izayfotoana izay : « Izay ela izay no efa nitoerako tetoaminareo, ka tsy mbola fantatrao ihany va Aho, ryFilipo ? Izay nahita Ahy dia nahita ny Ray… Tsymino va ianao fa Izaho ao amin’ny Ray ary ny Rayato amiko ? »43. « Izaho sy ny Ray dia iray ihany »,hoy i Jesoa ao amin’ny Jaona 10. Ò†.

Tsy maintsy hiaritra fahafatesana i Jesoa kahitsangana amin’ny maty, vao afaka hilaza nyhoe : « Ny Rainareo ». Hoy i Jesoa tao amin’nyfiafaran’ilay vavaka nataony ao amin’ny Jaona 17 :« Efa nampahafantariko azy ny anaranao » –Nampiseho ny Ray izany i Jesoa nandritra ny asanataony tety an-tany ! – « Ary mbola hampaha -fantariko ihany ». Tsy maintsy ho natsanganatamin’ny maty i Jesoa, mba ho afa-nampita nyhafatra nampitondraina azy, manao hoe : « Indromiakatra ho any amin’ny Raiko sy ny RainareoAho », i Maria Magdalena44. Mariho tsara fa tsynilaza i Jesoa hoe : «…ho any amin’ny RaintsikaAho ». Tsy manam-paharoa mantsy ny

20

4422.. Jaona 14. µ •• 4433.. Jaona 14. µ-Ú† •• 4444.. Jaona 20. Ú¬

Page 12: A R T A N I N AO A H M L A E A DIS R N I F D A Y N I G.André N A … · 2019. 2. 12. · N Y F I S E H O A N ’ A N D R I A M A N I T R A M I A N D A L A N A G.André Bibles et

Apokalypsy ireto : ao Ilay Iray izay mipetraka eoambonin’ny seza fiandrianana ; ao ny Zanak’ondry « tahaka ny efa voavono » eo afovoan’nyseza fiandrianana ; ary ao ireo Fanahyfiton’Andriamanitra, izay teo anoloan’ny sezafiandrianana.

Naverina indray ny hoe izay manan-tsofinaaoka izy hihaino izay lazain’ny Fanahy amin’nyfiangonana, ao amin’ny toko 2 sy 3, hofamintinana an’ity taratasy ho an’ireofiangonana fito ity. Izany no anjara tandrifyantsika, voalohany indrindra, ety an-tany : nymihaino. Rehefa « tao amin’ny Fanahy » kosa iJaona, manomboka eo amin’ny toko 4, dia tsyfihainoana intsony fa fahitana, izany hoe masomahita : « Ary hitako… ».

Inona no hitantsika ao amin’ilay Anankiray izaymipetraka eo amin’ny seza fiandrianana ? Tahakany « vato jaspy »53 no fahitana Azy. Tsy « haizi-mikitroka » intsony io, na « hazavana tsy hayhatonina ». Tsia, anterina ao anatin’izany fa tsyafaka ny hahalala tsotra izao an’ireo zava-miafina rehetra ao amin’Andriamanitra, izayFanahy, isika.

23

5533.. Apokalypsy 4. Ò. Araka ny fanazavana nomen’i Pline, ny vatonantsoina tamin’izany anarana izany, tamin’ny fotoanan-drony, dia karazam-bato tatera-pahazavana, kanefa tsy tara-tra izay ao anatiny.

tamin’ny fehin-kevitra manao hoe : «…ny mbahifankatiavanareo tahaka ny nitiavako anareo »(and. Ú‡), io fanambaràna nataon’i Jesoa io.

Tsy hafa ny Ray fa Ilay Tsitoha ihany, i Jehovah,« Adonaï ». Kanefa, moa tsy tena mariky nyfiombonana akaiky dia akaiky ve io fiantsoanaAzy ho Ray io ? Tsy hoe anjara natao ho an’ireompino efa zokiny ihany akory ny fahafantaranaan’Andriamanitra ho Ray. Hoy indrindra mantsyny apôstôly Jaona : « Nanoratra taminareo ankizymadinika aho, satria efa nahalala ny Rayianareo »50.Ao amin’io episitily nosoratan’i Jaona io ihany,inona ihany koa no ilazana an’Andriamanitra ?Ambara ho « Mazava » Izy, ambara fa« fitiavana »51.

5. Ilay mipetraka eo amin’ny seza fiandrianana52

Ny hahita ny Tompo Jesoa « amin’izay tenaendriny tokoa », izany no fanantenana lehibe aoanatin’ny mpino. Mipetraka mandrakariva anefany fanontaniana manao hoe « moa hahita masoan’Andriamanitra ve isika ? ».

Karazana olona samy hafa no hitantsika atoamin‘ireto toko roa ao amin’ny bokin’ny

22

5500.. 1 Jaona 2. ÚÒ •• 5511.. 1 Jaona 1. ƒ ; 4. µ •• 5522.. Apokalypsy 4. ‡-Ò ; 5. ¬

Page 13: A R T A N I N AO A H M L A E A DIS R N I F D A Y N I G.André N A … · 2019. 2. 12. · N Y F I S E H O A N ’ A N D R I A M A N I T R A M I A N D A L A N A G.André Bibles et

Milaza sahady an’io maha Telo izay Irayan’Andriamanitra io, na mbola nitoetra ho zava-miafina ihany aza izany, ny zavatra hitantsika aoamin’ny pejy voalohany manomboka ny Baiboly.Nohazavaintsika tany aloha fa ny hoe Elohim, noanarana nisaloran’Andriamanitra tamin’iofotoana io. Efa nohazavaintsika koa fa manondromaro io hoe Elohim io. Ny matoanteny manarakaazy io kosa anefa dia manondro tokana. Aoamin’ilay hoe Elohim, izay manondro maro izany,no isehoan’ilay maha Telo izay Iray an’Andriamanitra. Milaza koa ny sasany faahatarafana an’io fisehoan’Andriamanitraamin’ny endrika telo io ny tsodrano notononinatao amin’ny Nomery 6. ‡∂-‡ƒ : ny fitahiana izayatolotry ny Ray ; ny famirapiratana sy nyfamindrampo izay ao amin’ny Zanaka ; aryfarany, ny voninahitr’i Kristy izay asehon’nyFanahy Masina57, omban’ny fiadanana izay voaentin’io Fanahy io58.

Tsy maintsy mitsofoka mankamin’ny Testa -menta Vaovao isika, ary hijery ny amin’nybatisan’i Jaona, mba hahita miharihary ny mahaTelo izay Iray an’Andriamanitra : nankany Jordanai Jesoa, ka nanaiky ny hitovy laharana tamin’ireorehetra tonga hiaiky ny fahotany, na tsy mba

25

5577.. Jaona 16. Ú∂ •• 5588.. Galatiana 5. ‡‡

Voalaza koa ny mikasika ilay « vehivavyhampakarina ho vady ». Tsy iza io fa nyFiangonana : « Ny famirapirany dia tahaka nyvatosoa indrindra, dia tahaka ny vatosoa jaspy,manganohano tahaka ny vato kristaly »54.Mampiseho ny fahadiovany izany, na tsy voalazamivantana aza.

Ny amin’ilay Zanak’ondrin’Andriamanitra kosa,izay mitoetra ho olombelona ihany na ao amin’nyvoninahitra aza, dia ho hitantsika Izy « amin’izaytena endriny tokoa », hoy ny filazan’ny apôstôlyJaona55.

6. Andriamanitra Telo izay Iray

a. Nilaza tamin’ireo Zanak’Isiraely Andriamanitra,tamin’ny alalan’i Mosesy, fa : « JehovahAndriamanitsika dia Jehovah iray ihany »56. Izanyihany koa no anterin’ny didy voalohanyvoarakitra ao amin’ny lalàna : « Aza mananaAndriamani-kafa fa Izaho ihany ». Ary manamafyny 1 Timoty 2. ƒ fa « iray ihany no Andriamanitra ».

b. Niseho tamin’ny endrika Olona telo anefaAndriamanitra : Ny Ray, ny Zanaka, ary ny FanahyMasina.

24

5544.. Apokalypsy 21. ÚÚ •• 5555.. 1 Jaona 3. ‡ •• 5566.. Deoteronomia 6. ∂

Page 14: A R T A N I N AO A H M L A E A DIS R N I F D A Y N I G.André N A … · 2019. 2. 12. · N Y F I S E H O A N ’ A N D R I A M A N I T R A M I A N D A L A N A G.André Bibles et

7. Andriamanitra niseho tao amin’ny nofo(ao amin’ny Testamenta Vaovao)

« Lehibe ny zava-miafina ny amin’ny toe-panahyaraka an’Andriamanitra… Andriamanitra, dia Ilayniseho teo amin’ny nofo… nakarina tamin’nyvoninahitra »62.

« Tamin’ny voalohany ny Teny, ary ny Teny taoamin’Andriamanitra, ary ny Teny diaAndriamanitra » – « Ary ny Teny dia tonga nofo kanonina tamintsika, ary hitanay ny voninahiny diavoninahitra mendrika ho an’ny Lahitokana avytamin’ny Ray »63.

Nanontany an’ireo mpianany i Jesoa indraymaka. « Ataon’ny olona ho iza moa nyZanak’olona ? », hoy ny fanontaniana napetrany.Hoy ny navalin’i Simona Petera tamin’izay :« Ianao no Kristy Zanak’Andriamanitra velona ».Tamin’Andriamanitra no nahazoan’i Peteraan’izany fanambaràna niloaka ny vavanyizany !64. I Jesoa mihitsy koa no nilaza ny tenanyho ny « Zanak’olona ». Ny Ray kosa nomanambara fa « Zanak’Andriamanitra » Izy : tenaAndriamanitra Izy kanefa tena olombelona koa.

Aza mitady lavitra raha hamantatra ny amin’iozava-miafina io. I Jesoa Izy tenany ihany mantsyno efa nanamafy fa : « Tsy misy mahalala tsara ny

27

6622.. 1 Timoty 3. ÚÌ •• 6633.. Jaona 1. Ú, Ú∂ •• 6644.. Matio 16. ÚÒ-Ú¬

mpanota toa azy ireo aza Izy. Mba tsyhampifangaroana Azy tamin’ireo rehetra tongananatona teo anefa, dia natao ho ren’izy rehetrany feon’ny Ray nanambara hoe : « Ity no ZanakoMalalako Izay sitrako ». Ary hitan’i Jesoa ny« Fanahin’Andriamanitra nidina tahaka nyvoromailala ka nankeo amboniny »59.

Nanafatra an’ireo mpianany i Jesoa, rahahandao azy ireo Izy, ny handehanan’izy ireohanao ho mpianatra ny firenena rehetra sy hanaobatisa azy « amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanakaary ny Fanahy Masina »60. Mariho fa ny filazanamanondro tokana hoe « amin’ny anaran’ny » nonampiasaina fa tsy ny filazana manondro marohoe « amin’ny anaran’ireo ».

Hoy ny apôstôly raha namarana ny taratasyfaharoa nosoratany ho an’ireo Korintiana izy :« Ho aminareo anie ny fahasoavan’i Jesoa KristyTompo sy ny fitiavan’Andriamanitra ary nyfiraisana amin’ny Fanahy Masina ».

Indro fa aseho ankarihary ao amin’nyTestamenta Vaovao ny zava-miafina tanyamin’ny Testamenta Taloha. Manaiky izanyfanambaràna ataon’ny Soratra Masina izany nyfinoana, eny fa na tsy ho takatry ny saintsika azany manontolon’izany zava-miafina izany 61.

26

5599.. Matio 3.ÚÌ-Ú¬ •• 6600.. Matio 28. Ú∞ •• 6611.. 1 Korintiana 13. Ú‡

Page 15: A R T A N I N AO A H M L A E A DIS R N I F D A Y N I G.André N A … · 2019. 2. 12. · N Y F I S E H O A N ’ A N D R I A M A N I T R A M I A N D A L A N A G.André Bibles et

Ary dia tamin’izany anarana izany hatrany noniantsoana Azy nandritra ny fanatanterahany nyasany tao amin’ny filazantsara. Hoy nyfamehezan’i Petera an’ilay toriteny voalohanynataony, taorian’ny nitsanganan’i Jesoa tamin’nymaty sy ny nanandratana Azy ho any amin’nyvoninahitra : « Iny Jesoa izay nohomboanatamin’ny hazofijaliana iny dia efa nataon’Andriamanitra ho Tompo sy Kristy »69.

Nametraka fanontaniana iray i Saoly raha inylavo teny an-dalan’i Damaskosy iny indrindra izy.Hoy ny fanontaniana napetrany « Iza moa ianaoTompoko?». Hoy ny navaly azy tamin’izay : « Izahono Jesoa izay enjehinao». Amafisin’Andriamanitraao amin’ilay andininy hafakely voarakitra aoamin’ny Filipiana 2. Ì-ÚÚ fa : «anarana ambonynoho ny anarana rehetra (ny anaran’i Jesoa), mbaho amin’ny anaran’i Jesoa no handohalehan’nylohalika rehetra… sy haneken’ny lela rehetra fa iJesoa Kristy no Tompo ho voninahitr’Andriamanitra Ray».

Hoy ny ambaran’ny andininy farany indrindrahitantsika ao amin’ny Baiboly : « Izaho Jesoa…Izaho no… kintana mamirapiratra fitarika andro ».Averiny hatrany ny hoe : « Eny, avy fainganaAho ». Mamaly kosa ny Fanahy sy ny ampakarinamanao hoe : « Amena, avia Jesoa Tompo ! ».

29

6699.. Asa 2. ÒÌ

Zanaka afa-tsy ny Ray ; ary tsy misy mahalalatsara ny Ray afa-tsy ny Zanaka, sy izay tian’nyZanaka hanehoana Azy 65. Misy zava-miafina tsymbola naseho ao amin’ny momba an’Ilay JesoaKristy. Tonga fantatsika ny Zanaka. Izaytian’Andriamanitra ho fantatsika mikasika Azyihany anefa no ampahafantariny antsika,amin’ny alalan’ny asan’ny Fanahy Masina66. Azamitady ny hanakatra izay tsy nasehon’Andriamanitra sy tsy nambarany antsika ! Tsynisy olona, na iza na iza nahazo nijery na nikasikany fiaran’ny fanekena, fahiny (endrika iraynanehoana ny Kristy io fiaran’ny fanekena io).Maty avy hatrany izay olona nanandrakandranananao izany !

11 –– II JJeessooaa : « Jehovah no Mpamonjy»Hoy ny anjely tamin’i Maria, raha nilaza ny fombamahagaga hahaterahan’ity zaza ity izy : « Nyanarany hataonao hoe Jesoa »67.

Niseho tamin’i Josefa tamin’ny nofy ihany koany anjelin’ny Tompo, taty aoriana kely, raha inymbola tao anaty adin-tsaina lalina iny izy, kanilaza taminy nanao hoe : « Ny anarany hataonaohoe Jesoa, fa Izy no hamonjy ny olony ho afakaamin’ny fahotany »68.

28

6655.. Matio 11. ‡¬ •• 6666.. Jaona 15. ‡Ì •• 6677.. Lioka 1. ÒÚ •• 6688.. Matio 1. ‡Ú

Page 16: A R T A N I N AO A H M L A E A DIS R N I F D A Y N I G.André N A … · 2019. 2. 12. · N Y F I S E H O A N ’ A N D R I A M A N I T R A M I A N D A L A N A G.André Bibles et

Andriamanitra. Izy dia tao amin’Andriamanitratamin’ny voalohany ».

Ny « Logos » izany dia :– efa nisy hatrizay hatrizay– Persôna iray miavaka sy mahaleotena («… tao

amin’Andriamanitra »)– efa Andriamanitra hatramin’izay– ao amin’Andriamanitra hatramin’izay ka ho

mandrakizayMoa tsy hitantsika ho nentanim-pihetse -

hampo tokoa ve i Jaona raha namerina taoamin’ny fiandohan’ny episitily voalohanynosoratany ny hoe : « Izay hatramin’ny voalohanydia izay efa renay, izay efa hitan’ny masonay, izayefa nojerenay sady efa notsapain’ny tananay, diany amin’ny Teny fiainana » ! 71.

Rehefa hiseho amin’ny voninahiny i Jesoa, kahiravaka diadema eny an-dohany, dia « NyTenin’Andriamanitra » no anarana hisalorany 72.

33 –– NNyy ZZaannaakkaa llaahhiittookkaannaa (ny hany Zanaka ;tokam-pototra niaviana). Izy no Ilay «nomen’»Andriamanitra 73, « fanomezana tsy azo tononina– tsy hay visavisaina (DIEM)» 74.

31

7711.. 1 Jaona 1. Ú •• 7722.. Apokalypsy 19. ÚÒ •• 7733.. Jaona 3. ÚÌ •• 7744.. 2 Ko-rintiana 9. Úƒ

Ny anaran’i Jesoa no hita eo amin’ny andalanavoalohan’ny filazantsara nosoratan’i Matio, toyny ahitana Azy koa amin’ny andalana farany aoamin’ny Baiboly.

Izy no Mpamonjy ; Izy no hany « Mpanalalana »ny olombelona amin’Andriamanitra… « KristyJesoa… nanolotra ny tenany ho avotra hisolo nyolona rehetra »70. Tena olombelona Izy no sadytena Andriamanitra koa. Ireo toetra roa ireo noindray notinafiny tao amin’ny tenany. Tsy afakany hanatontosa an’io asa fanelanelanana iomihitsy Izy, raha nijanona ho Andriamanitrafotsiny ihany fa tsy nanaiky ho tongaolombelona.

22 –– NNyy TTeennyy : (Logos, fanehoana ny any an-tsaina).Hoy ny hitantsika any amin’ny Genesisy, rahamitatitra ny amin’ny tantaran’ny fiandohan’izaotontolo izao io boky io : « Tamin’ny voalohanyAndriamanitra… ». Fa mainka miresaka nyamin’ny vanim-potoana taloha, eny tany alohaelaben’io « tamin’ny voalohany » io, nyfilazantsara nosoratan’i Jaona. Hoy ny ambaranyamintsika : « Tamin’ny voalohany ny Teny, ary nyTeny tao amin’Andriamanitra, ary ny Teny dia

30

7700.. 1 Timoty 2. Ì

Page 17: A R T A N I N AO A H M L A E A DIS R N I F D A Y N I G.André N A … · 2019. 2. 12. · N Y F I S E H O A N ’ A N D R I A M A N I T R A M I A N D A L A N A G.André Bibles et

d. Natsangana tamin’ny maty Izy : « Ny amin’nyZanany izay nateraka avy tamin’ny taranak’iDavida araka ny nofo, ary naseho tamin-kery hoZanak’Andriamanitra araka ny Fanahin’nyfahamasinana tamin’ny fitsanganana tamin’nymaty »82.

Aoka hotsarovantsika fa izany filazany nytenany ho ny Zanak’Andriamanitra izanyindrindra no nitarika ny fanamelohan’ireoFitsarana an-tampony, na ny Synedriona, an’iJesoa83.

44 –– NNyy KKrriissttyy –– IIllaayy vvooaahhoossoottrraa –– NNyy MMeessiiaaTsy hoe ny fanaovam-batisa Azy akory nonahatonga an’i Jesoa ho ny Kristy, araka nyfandraisan’ny sasany azy. Mazava ny ambaran’nyOhabolana 8. ‡Ò : « Izaho notendreny hatramin’nyfahagola, eny, hatramin’ny voalohany indrindra,dia fony tsy mbola ary ny tany ». Manamafy koany Romana 9. ƒ fa : « Kristy… Izay ambonin’izyrehetra, Andriamanitra isaorana mandrakizay ».Niara-nioko hanohitra an’i « Jehovah sy nyMesiany » ireo mpanjakan’ny tany, tao amin’nySalamo 2. ‡.

Efa hatrizay hatrizay izany ny Kristy, fanateraka ho ety amin’izao tontolo izao fotsiny

33

8822.. Romana 1. ∂ •• 8833.. Matio 26. ÌÒ-ÌÌ ; Lioka 22. ¬†-¬Ú

IIzzyy nnoo IIllaayy ZZaannaakkaa llaahhyy ::

a. efa nisy hatrizay hatrizay 75 ; tsy noarîna76 : « taoaminy no nahariana ny zavatra rehetra… ary Izyno talohan’ny zavatra rehetra »77. Nitafyvoninahitra niaraka tamin’Andriamanitra Izy« fony tsy mbola ary izao tontolo izao »78. Izy nofototr’ilay fitiavan-dalina ao amin’Andriamanitra : « Ray ô ! efa tia Ahy Ianao fony tsymbola ary ny fanorenan’izao tontolo izao » (and.24). Miombona amin’ny Ray ao anatin’nyfifamatorana saro-pantarina Izy : « Ny Zanakalahitokana izay ao an-tratran’ny Ray »79.

b. « Fa tena no namboarinao ho Ahy »80. Tena, navatana, mifono zava-miafina io, hatramin’nyfahaterahany tety ambonin’ny tany. Hoy mantsyny filazan’ny anjely azy : « Ny Fanahy Masina hotonga ao aminao, ary hisy herin’ny Avo indrindrahanaloka anao ; koa ny Masina Izay hateraka diahatao hoe Zanak’Andriamanitra »81.

Ren’ny rehetra nanatrika teo ny feon’ny Ray, natamin’ilay fotoana nanaovam-batisa an’i Jesoaizany, na tamin’ny fotoanan’ilay fiovan-tarehyteny an-tendrombohitra, nanao hoe : « Ity noZanako Malalako, izay sitrako ».

32

7755.. Jaona 1. Ú •• 7766.. Jaona 1. Ò •• 7777.. Kolosiana 1. ÚÌ-Ú¬ •• 7788.. Jaona 17. ƒ•• 7799.. Jaona 1. Úµ •• 8800.. Salamo 2. ¬ ; Hebreo 1. ƒ ; 10. ƒ •• 8811.. Lioka 1. Òƒ

Page 18: A R T A N I N AO A H M L A E A DIS R N I F D A Y N I G.André N A … · 2019. 2. 12. · N Y F I S E H O A N ’ A N D R I A M A N I T R A M I A N D A L A N A G.André Bibles et

lasan’ny Tompontsika sy ny Kristiny, ary Izy nohanjaka mandrakizay mandrakizay »87.

55 –– NNyy MMppaammoonnjjyyNanana marika iray niraisany ireo kristianavoalohany. Ny tarehin-tsoratra hoe ICHTHUS, izaymidika hoe trondro amin’ny teny grika, izanymarika niraisan’izy ireo izany. « I Jesoa Kristy,Zanak’Andriamanitra, Mpamonjy », izany nohevitra fonosin’ireo tarehin-tsoratra ireo. Tanyamin’ireo zohy fiafenana, noho ny fanenjehana,no nahitana an’io marika io, matetika.Mahafintina tsara ny hoe iza moa i Jesoa amin’izyireo, ireo tarehin-tsoratra vitsy monja ireo.

Hoy i Paoly, tao anatin’ny toriteny voalohanynataony ho an’ny Jentilisa : «… no nitondran’Andriamanitra an’i Jesoa araka ny teny fikasana hoMpamonjy ny Isiraely»88. Ho Mpamonjy an’ireovahoaka ety an-tany no antony nahatongavan’iJesoa89. Nolavin’ny olona anefa Izy. Nilaza nikasikaan’i Jesoa i Isaia : «Mbola zavatra kely foana rahatonga Mpanompoko hanandratra ny firenen’iJakoba Ianao, sy hampody ny Isiraely sisa voaaro;fa homeko ho fanazavana ny Jentilisa koa Ianao,mba ho famonjeko hatrany amin’ny faran’ny

35

8877.. Apokalypsy 11. Úƒ •• 8888.. Asa 13. ‡Ò •• 8899.. Matio 1. ‡Ú

ihany. Mariho ny voalaza ao amin’ny tetiaranaentina manokatra ny filazantsara nosoratan’iMatio. Manantitra amintsika ny fifandimbia -san’ireo taranaka nivoaka avy amin’i Abrahamaity tetiarana ity. Jereo anefa ny voalaza eoamin’ny and. ÚÌ : « Jakoba niteraka an’i Josefa,vadin’i Maria », amin’ny dika teny hafa ny tohin’iodia tsy hoe « ary Maria niteraka an’i Jesoa », fa nyhoe « avy aminy no nahaterahan’i Jesoa ».

Toy inona moa ny hafalian’i Andrea raha nilazatamin’ny rahalahiny izy nanao hoe : « Efa nahitany Mesia izahay » ! 84 Rehefa nilaza ilay vehivavytao Sikara hoe : « Fantatro fa avy ny Mesia (Ilayatao hoe Kristy), ka rehefa tonga Izy diahambarany amintsika ny zavatra rehetra », dianovantanin’i Jesoa fa : « Izaho izay miresakaaminao no Izy »85.

Hoy ny navalin’i Petera, raha nanontany an’ireompianany i Jesoa hoe : « Ataon’ny olona ho izamoa ny Zanak’olona ? » : « Ianao no KristyZanak’Andriamanitra velona »86. Tsy ny nofoaman-drà no nanambara izany tamin’i Petera, fany Ray izay any an-danitra.

Hanambara ilay anjely fahafito, amin’nyfotoana hiantombohan’ny fanjakana arivo taona,fa : « Ny fanjakana amin’izao tontolo izao dia efa

34

8844.. Jaona 1. ∂‡ •• 8855.. Jaona 4. ‡ƒ-‡Ì •• 8866.. Matio 16. ÚÌ

Page 19: A R T A N I N AO A H M L A E A DIS R N I F D A Y N I G.André N A … · 2019. 2. 12. · N Y F I S E H O A N ’ A N D R I A M A N I T R A M I A N D A L A N A G.André Bibles et

pihinanam-bilona no ho famantarana ho azy ireo.Iza io Zaza io ? Ny Mpamonjy ; kanefa, ny « KristyTompo » ihany koa ! 96. Manamafy ny Efesiana 2fa « i Jesoa Kristy no Tompo ».

Miverina impito ny filazana ny hoe Jesoa KristyTompontsika ao amin’ny episitily nosoratana hoan’ny Romana.

« Satria nalain’ny olona tato am-pasana nyTompoko », hoy i Maria Magdalena, rahananontaniana ny antony nitomaniany teny am-pasana izy. Hilaza koa i Tomasy hoe : « Tompokosy Andriamanitro »97.

Koa satria mamin’i Paoly loatra ny fiombonanytamin’ny Tompony, ary niravoravo tamin’izanyizy, dia noraisiny ho toy ny fakofakon-javatraavokoa izay mety ho tombontsoany amin’nymaha Jiosy azy, « noho ny fihoaran’nyhatsaran’ny fahalalana an’i Kristy JesoaTompoko »98.

« Raha miaiky an’i Jesoa ho Tompo amin’nyvavanao ianao, ary mino amin’ny fonao faAndriamanitra efa nanangana Azy tamin’nymaty, dia hovonjena ianao »99.

Anjara ho an’ny mpino ny hahita maso nyvoninahitry ny Tompo, ka « hovaina hitovy

37

9966.. Lioka 2. ÚÚ •• 9977.. Jaona 20. ÚÒ, Úµ •• 9988.. Filipiana 3. µ •• 9999.. Ro-mana 10. ∞

tany»90. Nilaza mialoha ireo mpaminany fa tsymaintsy hiloa-bava ny Mpamonjy hanao hoe :« Foana ny nisasarako, zava-poana sy tsinon -tsinona no nandaniako ny heriko»91. Manambarany valintenin’Andriama nitra fa hisy fiantraikanytsy hita navanavana ny fahatongavany. NahalalaAzy ireo mponina tao Sikara: «Fantatray fa Izytokoa no Mpamonjy izao tontolo izao »92.Nanamafy i Jaona ao amin’ny episitily voalohanynosoratany, rehefa notarihin’ny Fanahy Masina,fa : «Ny Ray efa naniraka ny Zanaka ho Mpamonjyizao tontolo izao»93.

I Jesoa no Ilay « Andriamanitra Lehibe sadyMpamonjy antsika »94. Miandrandra an’ilayfanantenana mahavelombolo tokoa isika : « IJesoa Kristy Tompo Izay hanova ny tenan’nyfietrentenantsika, ka hitovy endrika amin’nytenan’ny voninahiny »95.

66 –– NNyy TToommppooTao Betlehema no teraka Ilay Zaza. « Fifalianalehibe » no nambaran’ny anjely tamin’ireompiandry ondry : « Fa Mpamonjy no teraka hoanareo anio ao an-tanànan’i Davida ». Zazavoahodidina lamban-jaza mandry eo am-

36

9900.. Isaia 49. Ì •• 9911.. Isaia 49. Ì •• 9922.. Jaona 4. ∂‡ •• 9933.. 1 Jaona 4. Ú∂•• 9944.. Titosy 2. ÚÒ •• 9955.. Filipiana 3. ‡†-‡Ú

Page 20: A R T A N I N AO A H M L A E A DIS R N I F D A Y N I G.André N A … · 2019. 2. 12. · N Y F I S E H O A N ’ A N D R I A M A N I T R A M I A N D A L A N A G.André Bibles et

« Izaho no Jesoa avy any Nazareta… », hoy nyfanambaràna nataon’i Jesoa, tamin‘ilay fotoananahitan’i Saoly indrindra ny famirapiratan‘nyvoninahiny 104.

88 –– MMppaannjjaakkaaMiresaka ny amin’ilay mpanjaka voahosotrahanjaka ao Ziona ny Salamo 2. Miray sainahitsangana hanohitra an’io mpanjaka io ireompanjakan’ny tany.

Fiaikena mahafinaritra tokoa no nataon’i Jesoaraha nanatrika an’i Pontio Pilato Izy. NanontanyAzy mantsy i Pilato hoe : « Mpanjaka va àryIanao ? ». Hoy ny navalin’i Jesoa tamin‘izay :« Voalazanao fa Mpanjaka Aho »105.

Mpanjaka nolavina sy notevatevaina Izy teoaloha. Saingy, hiseho amin’ireo nandefona AzyIzy indray andro any. Hahita an’i Jesoa ny masorehetra, ary hahita eny amin’ny lamba isaloranyny teny hoe : « Mpanjakan’ny mpanjaka syTompon’ny tompo »106.

39

110033.. Asa 2. ‡‡-‡∂ •• 110044.. Asa 22. µ •• 110055.. Jaona 18. Ò¬ •• 110066.. Apoka-lypsy 1. ¬ ; 19. Ì

endrika aminy, avy amin’ny voninahitra hoamin’ny voninahitra, toy ny avy amin’ny Tompo,dia ny Fanahy »100.

77 –– IIllaayy NNaazzaarreeaannaaAnarana mifono fanevatevana ny hoe Nazareana,araka izay voalazan’i Natanaela nanao hoe :« Moa mba misy zava-tsoa va any Nazareta ? »101.

Hoy ny teny voasoratra teo amin’ny tampon’nyhazofijalian’i Jesoa : « Jesoa avy any Nazareta, ilaympanjakan’ny Jiosy ». Anarana eso sy natao hofampihomehezana ihany io, ary nofidina hofanoherana ny filazan’ny Jiosy ho tsy mananampanjaka hafa ankoatra an’i Kaisara.

Saingy, niverina taminy ihany indray ioanarana natao ho fanevatevana io, taorian’nynitsanganany tamin’ny maty. Niresaka mikasikaan’Ilay « Jesoa avy any Nazareta, Ilay mpaminanymahery tamin’ny asa sy ny teny », ireo mpianatraroa lahy 102.

Hoy i Petera tao anatin’ilay lahateny nataonyho an’ny Isiraelita : «… Jesoa avy any Nazareta,lehilahy nasehon’Andriamanitra teo aminareotamin’ny asa lehibe… Andriamanitra nananganaAzy… »103.

38

110000.. 2 Korintiana 3. Úµ •• 110011.. Jaona 1. ∂Ì •• 110022.. Lioka 24. Ú∞

Page 21: A R T A N I N AO A H M L A E A DIS R N I F D A Y N I G.André N A … · 2019. 2. 12. · N Y F I S E H O A N ’ A N D R I A M A N I T R A M I A N D A L A N A G.André Bibles et

99 –– NNyy zzaavvaa--mmiiaaffiinnaa mmiikkaassiikkaa nnyy tteennaannyyMampahafantatra antsika an’i Jesoa, arymisarika ny saintsika hahatsapa ny hasarobidiny,ireo anarana rehetra isalorany. Mbola misyanarana maro hafa koa isalorany ; saingy,mijanona ho takona amintsika izy ireny, satria nyRay no hany tena mahalala tsara ny Zanaka107.Eny, na dia amin’ilay andro hisehoany ao amin’nyvoninahiny aza, rehefa hantsoina Izy hoe :« Mahatoky, Marina, Mpitsara, Ny Tenin’Andriamanitra, Mpanjakan’ny mpanjaka syTompon’ny tompo », dia mbola hisy ihany« anarana voasoratra izay tsy misy mahalalaakory afa-tsy ny tenany ihany » ! 108.

Aoka hanaja sy hanoa izay ambaran’ny SoratraMasina, tsy anampiana tsy analana, isika. Aoka nyFanahin’Andriamanitra no ekentsika hitarikaantsika. Amin’izany ihany vao hisokatra nymasom-panahintsika ka hahafantatra an’ireozava-mahagaga ao amin’ny Persônan’i JesoaKristy, Ilay Zanaka malalan’ny Ray, isika.

40

110077.. Matio 11. ‡¬ •• 110088.. Apokalypsy 19. Ú‡